sarivongana

61. Fiffi ( 01/05/2006 18:42)
ny olana tsikaritro eto dia izao: tsara satria samy milaza ny heviny , saingy misy tsy manaraka izay valian'ny manaraka fa dia samy milaza de zay. efa tonga aty ambany , efa firy zay ny valiny hita de tafajanona eo io fa misy maka hevitra ery @ farany ambony ery de tsy araka intsony.
62. marozevo ( 01/05/2006 22:03)
Manompo sampy ve ny manaja sarivongana na sary hafa ?
Io ilay fanontaniana any amin'ny voalohany. Mazava ny fipetrany : MANAJA... Manompo sampy ve ny olona manaja ny akanjony, ny kirarony, ny volany, ny ombiny ny taniny ? Manompo sampy ve ny olona manaja sary ka mametraka izany ho voatahiry sy voaaro anaty album ? manompo sampy ve ny olona manaja ny olona mitovy aminy ?

Hamaly an'i dadabe indray aho : Efa im-piry aho ry ngah no niteny tamin'ngah fa izaho tsy mahavoa amin'ilay mitadidy referansy ah ? Ary vao eo ambony eo aho no miteny fa tsy raisonnement akory no ilaina hino an'ireo, fa Finoana. sarotra ho an'izay tsy nobeazina tamin'izany no hino an'izany. Nefa sarotra ho an'izay efa nobeazina tsara amin'izany koa no hanova fa tsy marina indray ireo foto-pinoana ireo. Fa izao ry dadabe : Nahoana no tsy no-citen-gah ilay fahefatra ?

Hoy i Ndrena ao ambony ao
"Ny olana mantsy dia ny fampianaran'ny fiangonana no tena tazonin'ny olona @ izao andro farany izao fa sty ny fampianaran'ny baiboly na ny Tenin'A/tra.Izay no miteraka ny pb maro isan-karazany hany ka voa hatrany @ doctrinen'ny fiangonana mihintsy."


Tsy mbola nisy na tendron-tsoratra iray aza amin'ny fampianaran'ny Fiangonana manohitra ny fampianaran'ny Baiboly. Izaho aloha tsy nahita fa ianao asa na nahita. Raha nahita ianao dia mba laszao mazava eto io fampianarana mifanohitra io hiadiana hevitra.
63. marozevo ( 01/05/2006 22:10)
harilova > Novakiako ilay site, manaitra fa tsy misy ho raisina satria tsy scientifique fa vetsovetso sy sentiment no betsaka ao.
farafaharatsiny mba asiana bibliographie na boky iray ihany aza.
64. methode ( 01/05/2006 22:18)
"Maria Renin'Andriamanitra, Josefa ray mpiataiza sy mpanolokolo ny zanak'Andriamanitra". Nandray ny andraikitra amin'ny maha-raim-pianakaviana azy i Josefa na dia tsy ray niteraka aza. Amin'io lafiny io dia azo antsoina hoe rain'ny Zanak'Andriamanitra izy ka izany no hanajana azy.
Amiko dia tsy misy izany hoe mivavaka sy miresaka amin'ny sarivongana izany fa raha izany no ataonao dia fandaniana andro fotsiny fa sady tsy mahavita inona io tsy hamaly anao. Fa ireny kosa dia fitaovana azo ampiasaina ifandraisana amin'Andriamanitra. Azoko lazaina hoe misy fitovizany ny fampiasana an'ireo sarivongana ireo sy ny Baiboly.
65. LazaRandri ( 01/05/2006 22:43)
quadrinity = Ray, Reny, Zanaka, Fanahy Masina?
66. methode ( 01/05/2006 23:07)
LazaRandri: Tsy mahazo resaka! Zavatra tsy afaka mifangaro izany satria Andriamanitra tsy manana sexe! Ny olona no mamaritra hoe Andriamanitra lahy fa mety ho vehivavy koa Andriamanitra amin'ny toetrany! Fitaovana nampiasain'Andriamanitra fotsiny ireo hoe Ray, Reny, Zanaka ireo mba hahafahany mifandray amin'ny olona. Raha tsy mitovy amin'ny olona tsy ho afaka mampita izay lazainy.
Araka ny voalazan'i Jesoa (na Jesosy) dia tsy misy intsony ny lahy sy ny vavy aorian'ny fiainantsika izao.Izany rehetra zany koa mbola miankina amin'ny finoana daholo. Ny maharay na maha-reny anefa dia miankiana amin'ny hoe maha-lahilahy na maha-vehivavy!
67. marozevo ( 01/05/2006 23:34)
Trinité : Ray, Zanaka, fanahy Masina.
Quadrinity !!!!.... Tsy misy an'izany ka.
Mbola tsy nisy nilaza kosa aloha teto hoe i Masina Maria dia Andriamanitra.
68. dadabe ( 02/05/2006 06:26)
marozevo> le hoe adino ny faha4 dia tsy fanahy iniko fa adino :roll:, azafady e , de mazava aloha izany fa tsy maripototra araka ny fondement biblic ilay hevitr'i rahalhy marozevo satria zah tsy nahita reference milaza hoe nakarina velona tany andanitra i maria , sa...ilay ao @ apokalypsy toko fa 12 ???:roll:

marina ilay hoe ny size eto doa hoe manaja sarivongana ve ???de zah kalou efa namaly hoe yee zah manaja fa zah tsy mivavaka aminy

sonwin >mahatsiaro ahy t@ zah mbola nianatra tao @ college sainte cahntale soanierana aho satria isaky ny larobia hariva izahay dia mandeha mivavaka manoloana ny sarivongan'i maria (grotte)dia manao arahaba ry maria , de rainay any andanitra (litorjy fohy)de rehefa vita de manantona tsirairay eo @ ilay sary , satria efa misy rano (voahasina hono )de manatsoboka ny fanondro sady miondrika manoloana ilay sary , no manao amin'ny anarandray sy ny zanaka sy ny fanahy mnasina ....:roll: kanefa zah aty aoriana be lasa manohitra izany zavatra rehetra izay niainako izany , satria nahoana..???!!!!
69. Fiffi ( 02/05/2006 07:29)
satria nahoana ? inao hiany no mahafantatra ny antony , satria koa samy manana ny antony ny tsirairay @ fanompoana an'Andriamanitra.
De ahoana izany rehefa mandohalika eo anatrehan'ny Tabernacle ? sy manao ny signe ny hazo fijaliana ary eo amboniny eo misy ny hazo fijaliana ary sarivongana an'i Jesoa ?
70. sonwin ( 02/05/2006 08:35)
dadabe> ka satria tsy lalim-paka tao anatin'ialahy, sahala amin'ny ahy ny finoana katolika dia lasa toherin'ialahy ilay izy, ary inoako marimarina fa ireo fihetsika nataonareo tany antsekoly ireo dia natao ho routine fotsiny fa tsy nisy fanazavana ny tena fotom-pinoana sy ny antony, hany ka ny ialahy nanao azy aza nihevitra hoe ilay sarivongana no nivavahana, fa raha nahafantatra tsara ny tena finoana katolika, na teo aza no natao ny fotoam-pivavahana, fantany tsara ny Tokony hiantefan'ilay vavaka. Raha mivavaka ialahy ohatra, ao an'efitra mangina tsy misy mahita, mandohalika na mitsangana, rindrina no eo anoloan'ialahy, mikipy mafy mihitsy ialahy, tsy midika izany fa ilay rindrina manoloana no hivavahana.
71. Fiffi ( 02/05/2006 09:11)
sy ny rindrina manolohana tokoa no hivavahana .
72. xxx ( 02/05/2006 12:18)
dadabe:
de mazava aloha izany fa tsy maripototra araka ny fondement biblic ilay hevitr'i rahalhy marozevo satria zah tsy nahita reference milaza hoe nakarina velona tany andanitra i maria , sa...ilay ao @ apokalypsy toko fa 12 ???

marozevo:
Raha mila raisonnement dia mila mianatra Mariologie mandritra ny taona maro.

Novakian'i dadabe ve io nosoratan'i marozevo io?
Dia ampitahao amin'ny nolazainao anie e ...
dadabe:
azafady hoe rahalahy marozevo rajha azonao atao dia mba reseho lahatra @ andinitsoratra maisina aho @ ireo andianteny nolazainao ireo , satria namaky ihany aho fa tsy nahita andininy ahazoako manampy sy manamafy ireo hevitrao ireo

Namaky ... hafa ny namaky, hafa ny nanao nandalina.
Namaky ihany ... dia mbola samy hafa be koa ny tena namaky sy ny namaky ihany.

Dia ampitahao amin'ny hoe Mariologie taona maro ny hoe namaky ihany resahinao.
73. dadabe ( 02/05/2006 13:07)
xxx mba misehoa moa ee!!

hevitra tsara io koa hiafenana ,zao zah lasa sadaikatra nany hamaly aza


ho an'i xxx> zah tsy hanao mariologie satria amiko (manokana), tsy ny finoko an'i maria no ahavonjy ahy fa ny finoko an'i Jehovah Andriamanitra Ray Tompon'ny sabata , sy manao an'i Jesosy Kristy ho zanany lahy tokana , ary mbola hitsara ny velona sy ny maty rahatrizay.averiko indray fa ahy manokana hoaa io a.

de @ xxx > marina mihitsy le nolazainao hoe "Namaky ihany" fa ny anao .."...nandalina

dia mangataka an'i xxx ary aho , mba omeo fanazavana misimisy kokoa aza izahay (aratsoratra masina ) fa tsy filozofian'olombelona a, rehefa mamaly hevitra ianao manomboka izao , aza avela izahay tsy nandalina fa namaky no hivaofy ilay soratra masina, fa aoka mba ho ianareo efa nandalina , fa raha tsy izany dia tanteraka ilay tenin'ny soratra masina manao hoe "ny adala an'izao tontolo izao (dadabe)no nofidin'Andriamanitra mba hampahamenatra ny hendry "
74. marozevo ( 02/05/2006 22:21)
Miakatra manakatra ny lanitra i dadabe eh !! ??

Efa nolazaiko tamin'ny endriny hafa teto ity fa averiko ho valinteny omena an'Ingahy ry dadabe.

Fiangonana Katolika (ECAR) sy Anglikana (EEM) : Soratra Masina sy Fampianaran'ny Fiangonana. Ireo roa ireo no ijoroany.

FJKM sy FLM : Baiboly no ijoroany (Sola scriptura).

Asa aloha na azon'i dadabe hatreo ? Raha azo dia tohizo ny famakiana ny hevitro, fa raha tsy azo dia ivereno vakiana indray aloha vao manohy.

Ndao horaisina ilay hevitra MPAMPAKATRA. (I Kristy no Mpampakatra ary isika no ampakarina). Dia mba hevero fa raha fanambadiana olombelona izao fotsiny ohatra, ka avy ilay vinanto vavy hampakarina dia milaza fa tsy afaka ny hanaja ny reny niteraka ilay hampakatra azy... inona no mety ho iafaran'ilay fikasana hanorin-tokan-trano?

Ity hevitra teolojika (mety tsy ho tafiditra anatin'ny kapoakan-dradadabe). raha ekena fa mahavita ny zavatra rehetra i Kristy, satria miara-miasa amin'ny Ray. Dia inona no manakana azy tsy hanome fahasoavana manokana an'ilay reny niteraka azy.

Farany (androany, fa azo tohizina amin'ny manaraka): Nanomana vehivavy iray MENDRIKA ho renin'ny Zanany Andriamanitra, dia i Maria.

Ka raha mangataka referansy amiko i dadabe dia tsy hahita satria misy hantsana lehibe manasaraka io.

Raha ny Mariolojia indray : Milaza ingahy fa tsy hanao mariolojia satria tsy te hivavaka amin'i Masina Maria. Koa mba tsy hivavahana aminy indrindra no hanaovana fandalinana kooo... mivadika ny rasa !!..

75. dadabe ( 03/05/2006 00:31)
Fiangonana Katolika (ECAR) sy Anglikana (EEM) : Soratra Masina sy Fampianaran'ny Fiangonana. Ireo roa ireo no ijoroany.

FJKM sy FLM : Baiboly no ijoroany (Sola scriptura).


ampiko kely ,ny anglikanina dia mijoro @ efa joron'ny LAMBETH io no fototra

Raha ny Mariolojia indray : Milaza ingahy fa tsy hanao mariolojia satria tsy te hivavaka amin'i Masina Maria. Koa mba tsy hivavahana aminy indrindra no hanaovana fandalinana kooo... mivadika ny rasa !!..

ka izao anie e, raha mianatra fe mianatra anie tsy maninona e :) , fa ilay izy tsy maintsy miafara any @ hoe tokony hivavaka @ maria :roll:

nisy gazety iray izay novakiko , Tsy tsaroako tsara ilay titre fa gazety avy ao vatika ilay izy "OSERVATORE ROMANO..(tsy tsaroako io angamba ilay titre fa tsy tsy haiko tsara ).."nivoka tamin'ny 07 juillet 2001 angamba, tsy tsaroako tsara a ,milaza fa hoe ny fanaratsiana sy ny fanaovana tsinotsinona ny fivavahana @ i Masina maria no mahatonga izao loza sy fahantrana maro miseho eto antany izao

ahoana ny fandraisan'i Marozevo izany??andras
76. harilova ( 03/05/2006 16:18)
marozevo:

harilova > Novakiako ilay site, manaitra fa tsy misy ho raisina satria tsy scientifique fa vetsovetso sy sentiment no betsaka ao.
farafaharatsiny mba asiana bibliographie na boky iray ihany aza.



Misaotra anao ramarozevo, tsy mahita bibliographie na boky hafa ao mihitsy ianao satria amin'ny teny malagasy ny anoratako ao. Izay no loza ho an'ny olombelona, tsy ny hevitra no raisina fa ny mpanoratra... fa angaha moa ireny boky voasoratra ireny nalaina tamin'ny boky sy manao asa ara-tsiantifika izao? dia mba lazao hoe : mahita bibliographie ao amnin'ny bokin'i Jenezy ve ianao? dia rehefa voasoratra ny hoe araka ny voasoatra ao amin'ny... dia atao indray hoe : ity kosa dia voasoratra ao amin'ny...
diniho kely izay fa tsy ity moa no tena resaka eto fa ny sarivongana... sao dia mialona ny voasarotra ao ianao?
77. sonwin ( 03/05/2006 17:09)
mhhh
78. pissoa ( 03/05/2006 17:15)
79. mandalo ( 03/05/2006 20:00)
Tano mafy izay hinoanao dia tsy misy haka ny satroboninahitrao; mahareta hatramin\'ny fahafatesana dia omena anao ny satroboninahitrin\'ny fiainana.
fijery samy manana; finoana samy resy lahatra amin\'ny azy; ny fanahin\'Andriamanitra ihany no mahay manambara ny teniny ka izy no hangatahana hanazava ny maizina ao ampontsika tsirairay;
80. marozevo ( 03/05/2006 22:54)
Hoy i dadabe :
ka izao anie e, raha mianatra fe mianatra anie tsy maninona e , fa ilay izy tsy maintsy miafara any @ hoe tokony hivavaka @ maria



Au contraire ry Ngahy ah ! Ny fiafaran'ny fianarana Mariolojia dia milaza fa tsy tokony hivavaka amin'i Masina Maria.

nisy gazety iray izay novakiko , Tsy tsaroako tsara ilay titre fa gazety avy ao vatika ilay izy "OSERVATORE ROMANO..(tsy tsaroako io angamba ilay titre fa tsy tsy haiko tsara ).."nivoka tamin'ny 07 juillet 2001 angamba, tsy tsaroako tsara a ,milaza fa hoe ny fanaratsiana sy ny fanaovana tsinotsinona ny fivavahana @ i Masina maria no mahatonga izao loza sy fahantrana maro miseho eto antany izao


Tena io hoe fivavahana io ve no teny nampiasain'ilay gazety ? Tsy mino an'izany aho ry Ngah ah... Ivereno vakio kely raha mbola ao ilay gazety. "Osservatore Romano" no anaran'ilay gazety avoakan'i Vatican.

Misaotra anao ramarozevo, tsy mahita bibliographie na boky hafa ao mihitsy ianao satria amin'ny teny malagasy ny anoratako ao. Izay no loza ho an'ny olombelona, tsy ny hevitra no raisina fa ny mpanoratra... fa angaha moa ireny boky voasoratra ireny nalaina tamin'ny boky sy manao asa ara-tsiantifika izao? dia mba lazao hoe : mahita bibliographie ao amnin'ny bokin'i Jenezy ve ianao? dia rehefa voasoratra ny hoe araka ny voasoatra ao amin'ny... dia atao indray hoe : ity kosa dia voasoratra ao amin'ny...


Fa angaha moa rehefa teny Malagasy no anoratana dia tsy mba hanaraka ny fenitra iombonana eh ? Izay ilay mahavoa... Fara faharatsiny ary mba azonao omena ve ny profil-nao ? Mazava loatra fa raha vao hamaky texte iray ianao, dia ny mpanoratra aloha no jerena voalohany. Na aiza na aiza dia fomba fiasa izany...


sao dia mialona ny voasarotra ao ianao?


Mba zavatra tsaratsara kokoa no mety hampialona..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1122