sarivongana
121. marozevo
(
07/06/2006 21:27)
prime > Azafady fa lany tampoka ny batterie tamin'iny ka tsy feno ilay hevitra. Ity ilay frazy tiako holazaina tao :
Fa raha ataoko fitaovana kosa izy hanakarako izay tsy mety ho takatry ny herin-tsaiko sy ny herim-panahiko, dia tena ilaiko mihitsy.
Dhegany > fa nahoana ny sary no tsy hajaina ry ise ah ? Jereo ange ireo sary ao anaty album-nao ireo eh... taoko voahaja ery ! Inona no mahadiso anao manaja ireo.

122. prime
(
21/06/2006 11:25)
marozevo:
Izaho kosa aloha dia tsy dia manaiky hoe lavin'ny soratra Masina tanteraka ny sary vongana eh.. Ny sarin-tsampy no laviny, fa ny sary vongana dia tsy voaresaka ao amin'ny baiboly.
Tena anisan'ny fototra iray ao amin'ny lalànan'i Mosesy mihitsy ny hoe "aza manao sarin-javatra voasikotra... na sary vongana" kah (jereo tsara ao @ genesisy, mikasika ny zanak'israely tany an'efitra afaka avy any egypta...). Ny testamenta taloha tena manitsy mihitsy (didy faha-1, faha-2, faha-3), ary mbola azavainy mazava kokoa ao @ levitikosy ny tena fomba fiainana izany didy lehibe mikasika ny sary vongana izany... fa tsy miteny mihitsy sampy izy ao na dia indray mandeha aza...
123. harilova
(
21/06/2006 15:39)
prime:

Dia somary nijapy angamba ianao dia lasa prime fa efa nolazaiko tany aloha tany io :
Aza vakiana sombitsombiny ny baiboly raha tsy tianao ny atao hoe : secte, mpanao secteur sy section, fa ao amin'ny Baiboly koa no nananganana ny bibilava varahina hahasitrana izay voakaikitry ny bibilava misy poizina... dia mbola namafisin'i kristy hoe : "tahaka ny nanandratana io bibilava io" no hanandratana Azy koa...
Ka ahoana ny hevitrao fa tsy azo tsoahina ao anaty baiboly izay voasoratra na dia iota iray ihany aza, mandrapaha-tanterany...
124. prime
(
22/06/2006 09:45)
harilova> nijapy tokoa angamba fa tsy ilay prime eritreretinao no tena dikany kah!!! :-D
Fanamarihana aloha (diso ny textes de références nomeko ka ialako tsiny be dia be sady ifonako amin'ny Tompo, tsy genesisy no misy ny lalàna fa ny eksodosy tok.20 manomboka eo amin'ny and.1)
Hazavaiko ary e! hitako ny fanazavanao tery ambony dia mbola nohamafisinao tety ambany mikasika ny bibilava varahina (circonstance iray toa io tsy mahafoana velively mihitsy ny lalàn'Andriamanitra), fa mazava tsara ny mikasika an'io fa Andriamanitra mihitsy no nibaiko an'i Mosesy (rehefa naditra ny zanak'Israely ka lasa rakotr'aretina ary efa maro no maty vao nitaraina tamin'Andriamanitra Mosesy) hanamboatra azy io ka ny baikony dia tsy hoe mivavaha amin'io fa hoe "ataovy mitoetra amin'ny toerana avo ka ho sitrana izay mijery azy..."

125. harilova
(
08/07/2006 05:55)
Mazava araka izany fa ilaina ny sary hamelomana sy hikolokoloana ny finoana, fanajana izany fa tsy hoe sanatria araka ny lazainao hoe ivavahana...
Azonao anamafizana izany izany filàna ny tandrindona izany koa ny fisian'ny Fiaran'ny Fanekena (arc de l'alléance) izay teo amin'Israely mandrakariva(boky Mpanjaka sy Samoela) nanambara ny fisian'Andriamanitra teo anivon'ny vahoaka jiosy.