DIDY FAHA-7 "AZA MIJANGAJANGA"

101. Veloo ( 16/03/2006 20:42)
8O8O inn io ry ledada?:roll:
102. marozevo ( 17/03/2006 00:40)
Inona kay no mahasamihafa - na mampitovy - ny fornication sy ny adultère ? Ary inona no mety ho dikan'ny fornication amin'ny teny malagasy ?
103. jentilisa ( 17/03/2006 13:36)
dia tsy haiko fa tsy aleo ve miresaka amin'ilay tny gasy ihany?
104. marozevo ( 18/03/2006 00:37)
Ka izaho manko nanontany tary ambony tary, dia io fornication io no navalin zalahy nefa na izaho koa aza tsy mahazo an'ilay izy. Dia izany no nahatonga ny fanontaniako fa tsy sanatria tsy te-hiresaka amin'ny teny malagasy akory.
105. jentilisa ( 18/03/2006 05:46)
manahirana anie rehefa tsy hay ilay teny e! sao manjary mampiteniteny foana.
106. cazal ( 18/03/2006 17:33)
Marina ny teninao ry diamondra27, ka tsy misy afa tsy ny fiankinana @ herinan 'Atra ihany sy ny Fanahiny Gal 5.16, Ary manaiky ny heriny dia anjaratsika no mahalala hoe araka ny nofo ve isika Gal5.19-21 sa araka ny Fanahy Gal 5.26, ary tsy tokony hijery olona na hitsara afa tsy ny tenatsika aloha :-*
Dia mahereza daholo e!:-*
107. marozevo ( 19/03/2006 00:25)
Marina mihitsy fa ny ezaka ataontsika dia ny mitondra ny TENANTSIKA araka ny marina aloha, araka ireo lazain'i diamondra sy casal ireo. Tsy mahasakana antsika hijery ny zava-misy anefa izany, ary tsy mahasakana antsika hilaza amin'olona iray hoe ity na izatsy dia tsy mety ka miovà. Tsy tokony hifampijery arina an-tava izany eh... Amiko dia izay no endrika ananan'ity fifampizarana eto ity, fa tsy dia hoe sanatria fifampitsikeràna akory, na dia somary masiaka aza indraindray ny fisehony eto.
108. Veloo ( 19/03/2006 02:43)
tsssss nareo ko ve ry reto dia tsy mahafantatra ny difference n;ireo mots roa ireo?
ndana jereo any @ dictionnaire raha izany...
:wink:
dia mazoto doly o:wink:
109. jentilisa ( 20/03/2006 05:33)
ka resaka teny gasy no atao eto koa! :°)
110. cazal ( 20/03/2006 09:15)
HO an i VELOO MBA ATAOVY RESAKA SERIEUX sy matotra rehefa maneho hevitra fa aza maniratsira sy manao vazivazy Gal6.7 ary Titosy 3.9 Halaviro ny fanotaniana sns... adaladala ......izay manao izany dia manota no manamelon-tena koa, jereo Jakoba 4.11,12 ary 2Jao10
Aza mamaly ahy fa tsy izaho no nanoratra an'io fa Io no hitako dia izay no ambarako, "Fa raha izaho dia izay hitako sy reko no ambarako" Ka mivatana any amin'izay nanoratra ny Baiboly ianao raha toa ka nahatezitra anao ireo toko sy andininy ireo.
:roll:
111. jentilisa ( 20/03/2006 13:20)
aleo valiana fa tsy hibaiko hoe andehana mijery rakibolana sns eto tokoa e!
112. Veloo ( 20/03/2006 20:44)
cazal :twisted: aza tery saina:twisted:
113. marozevo ( 20/03/2006 21:05)
Marina eh... Izaho tena tsy mahazo ny mety ho fandikantsika malagasy ny hoe fornication, fa tsy mivazivazy izany aho. Amiko kosa anefa dia izao : Ny mpivady ara-dalàna eo anatrehan'ny Fiaraha-monina sy eo anatrehan'Andriamanitra ihany, no manana zo hanao firaisana ara-nofo, ankoatra izay dia mijangajanga. Tsy mampaninona ahy izay raisonement izao sy izatsy, fa io aloha no fahazahoako azy, ka asa izay mba hevitrareo.
114. dadabe ( 21/03/2006 01:20)
ary lasa fijerena rakibolana le didy faha -7 :roll:
115. Veloo ( 22/03/2006 01:46)
ok ary e.
ny fornication dia ny fanaovana ara-nofo alohan'ny fanambadiana
ny adultere dia fanaovana ara-nofo ao arina'ny fanambadiana
samy fijanganjangana doly ireo
116. marozevo ( 23/03/2006 00:11)
Eny ho 'aho, samy mijangajanga daholo ireo.
117. dadabe ( 23/03/2006 02:12)
hummm:roll:
118. jentilisa ( 23/03/2006 05:30)
fa ny fiaraha-monina ankehitriny ve mbola mametraka ireo ho zava-dehibe hatrany?
119. Veloo ( 23/03/2006 23:32)
ie eo anatrehan'andriamanitra dia tsy misy oe ankehitriny (la mody) ka hekena ireo fiainana atao...
120. dadabe ( 24/03/2006 03:11)
yeee :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3572