DIDY FAHA-7 "AZA MIJANGAJANGA"

41. diamondra27 ( 04/03/2006 08:23)

Mba hihazonanao ny finoanao de ireto misy andalan-tsoratra masina hhampahery anao

I TES 5 : 21= fantaro ny zavatra rehetra: hazony mafy 'zay tsara

I KORINTIANINA 10:12= Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara , dia aoka izy hitandrina , fandrao ho lavo

42. Fiffi ( 04/03/2006 08:25)
diamondra: misaotra akia an :-*:-*:-*:-*
43. jentilisa ( 04/03/2006 09:13)
haingana loatra i Diamondra dia tsy arakay intsony ilay fanazavana!
mbola mety hiresaka an'io isika fa mbola tery aho!
44. jentilisa ( 04/03/2006 13:00)
ILay izy aloha samy manana ny handraisany azy e! fa izao
ny teny voalohany ny an'i Jiosy dia hoe: Izaho no yhwh Andriamanitrao.
ny teny faharoa dia hoe: aza manana Andriamani-kafa.

Koa fantatsika fa ny jiosy no nomena io teny io voalohany. Nanova lalàna sy didy ve izy ireo?

teny fahatelo: Aza manonona foana;

teny fahaefatra: Mahatsiarova

teny fahadimy: Manajà

teny fahaenina: Aza mamono olona

teny fahafito: Aza mijangajanga.

teny fahavalo: Aza mangalatra

teny fahasivy: Vavolombelona mandainga

teny fahafolo: Mitsiriritra!

koa raha amin'ny jiosy aiza ary ny teny hoe aza manao sarin-javatra voasokitra?

ny olona anie no nametraka hoe voalohany faharoa fa Ny teny tsy niteny hoe ity no voalohany sy ny sisa e!


45. jentilisa ( 04/03/2006 13:01)
ny ahy moa efa hitanareo iny ihany e! :°)
46. Fiffi ( 04/03/2006 14:00)
maika be hono ndry diamondra an! :-*:-*:-*
47. sonwin ( 04/03/2006 16:09)
he he ny ahy indray aloha refa misy sipa tiako sy tia ahy dia lasa izao fa tsy alefa lavitra ny saina na mijangajanga na tsia.Raha vokatry ny fitiavana ilay izy tsy hitako izay olana.
Izaho mahatoky fa "Andriamanitra comprehensif" :°)

Misy ange olona miseho hoe tsy mijangajanga nefa ao anatin'ny sainy sy ny fony ao mitsiriritra sahala amin'ireny inona ireny, hany ka mampirevy tena ao anoloan'ny sary ny hiafarany ha ha ha:^)
48. diamondra27 ( 04/03/2006 16:43)
fiffi: njy an!:wink::-D:-D:-*:-*
maharaka ny diako ve aloha njy ry fiffi a!

jentilisa: fa maika ho azy ary zà, hihaona @ Tompo ve? ie, ka sao de lasa manota eto de tsy isan'ny olomboafidy kou!
Rainay ze any andanitra.... aza mitondra anay ho any @fakampanahy, fa manafaha anay @ ratsy.

Eo fa ataoko miadana rajentl a!
49. diamondra27 ( 04/03/2006 16:51)
sonwin::-D:-D:-D

ka 'zay nge ho'aho le fiainana @'zao fotoana 'zao e!
fa de relation nareo sy Atra indray iny aloha e!

Amin'ny maha-kristiana ny tena aloha de tsy maintsy mametraka fanontaniana ihany e! Atra aloha no heverina voalohany vao ny tena, satria raha nanaiky an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy anao ianao de tokony handeha araka ny fanahy.

Raha sendra ny fahalemena anefa de tokony hibebaka sy hifona...

Ka ireny mitsiriritra 'reny d'efa mijangajanga eo imason'@Atra e, sy raha vao misy filàna. :-w:-w

50. diamondra27 ( 04/03/2006 16:52)
Rajentl a! misaotra nanome famintinana le didy:-*
51. Fiffi ( 04/03/2006 17:31)
diamondra: maharaka tsara ka! saingy aleo miheritreritra tsara aloha zay vao mamaly satria sujet tsy raisina toy ny lalao izy ity :-*:-*:-*
52. marozevo ( 04/03/2006 23:50)
Tsy fantatro na tsy mitovy ny sekoly alahadintsika, fa toa fahenina tokoa no fahafantarako io didy io... Tsy any anefa ny olana fa ny foto-kevitra.
Valiako kely ilay tenin'i Fiffi atsy ambony atsy : Ilaina ve ny manatona Pretra mba hibebaka. TSIA, tsy io no zava-dehibe fa ny fonao mibebaka marina tokoa. Saingy ao amin'ny Fiangonana Katolika, dia tafiditra ao anatin'ny Sakramenta fito ny KONFESY ka izay no antony ilàna azy.
Olana : FO MIBEBAKA sa KONFESY ARA-POMBA ? Ny tena idealy dia ny fo mibebaka ka manatona ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Konfesy.
"Raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana".
53. dadabe ( 05/03/2006 00:19)
marozevo a> ka efa hoe ny anao le ketesizy no jerenao dia lasa faha 6 le izy , fa jereo anie ny baiboly katolika orginale anao e, fa ao mbola tsy nisy ananesorana ilay didy , fa ilay katesiszy vakin'i marozevo dia efa miala tao ilay hoe aza manao sarinjavatra voasokitra , dia mizara 2 ilay didy faha folo farany manao hoe aza mitsiriritra hummm clever!
54. marozevo ( 05/03/2006 01:22)
Tsy maninona leitsy io ry dadabe na faha 6 na faha 7 na faha 9 ah... Ny zava dehibe dia ny fiainana azy (na tsy fiainana azy koa).

Araraotiko azavaina ilay KOnfesy... Ny famelan-keloka dia arakaraky ny fonao mibebaka aloha. Io no voalohany. Avy eo raha te handray fahasoavana avy amin'ny Sakramenta ianao dia safidinao iny... Tsy misy na iza na iza rahateo hilaza aminao hoe mandehana mikonfesy na hoe avia hikonfesy... tsy misy manana zo hilaza izany aminao, satria ny antsika dia tsotra ny maxime : "Miampanga tena (...) aho, fa nanota tokoa...."
55. dadabe ( 05/03/2006 06:18)
humm zah aloha tsy hiditra lalina amilay konfesy sao bedin'i lotera eo ,humm io anie le anisany notoheriny e:{
56. diamondra27 ( 05/03/2006 11:17)
de miandry anao anie 'zà rajentl a! aza de ela loatra na izany aza e!
57. marozevo ( 05/03/2006 15:02)
dadabe ah ! fantatrao ve fa i Lotera, na dia niala tao amin'ny Fiangonana katolika aza, rehefa avy naneho ny heviny tamin'ny fomba henjana, ary nanohitra ireo fihetsika sy fomba nataon'ny Fiangonana Katolika tamin'izany... tamin'izany... I Lotera dia nikofensy tamina Mopera Katolika foana hatramin'ny farany, satria fantany ny lanjan'io Konfesy io.
58. jentilisa ( 06/03/2006 08:07)
aza fady ry dadabe! tsy notoherin'i lotera mihitsy ny konfesy fa manantsafidy ny mpiangona na hikonfesy izy na tsia. Mamakia ianao ilay foto-pianarana lehibe ahitanao izany.
Tany amin'ny katolika ny henoko dia hoe tsy maintsy indray isan-taona fa ny an'ny loterana kosa na tsy hikonfesy mihitsy aza. Fa misy tokoa ny loterana mikonfesy an!
59. marozevo ( 07/03/2006 01:42)
Ity lazain'i jentilisa ity indray aloha dia mbola tsy fantatro, satria eh... Fa ny mety ho fanontaniana vokatr'io dia hoe amin'iza ny Protestant ankehitriny no afaka mikonfesy raha te-hikonfesy ?
60. dadabe ( 07/03/2006 04:18)
humm tsy dia haiko de aleoko tsy mitsofoka lalina koaa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2137