DIDY FAHA-7 "AZA MIJANGAJANGA"

61. jentilisa ( 07/03/2006 06:54)
ny pastora ho an'ny loterana, amin'ny refôrme dia dinidinika amin'ny mpitandrina no mety hilazana azy. Tsy misy resaka konfesy kosa ny an'ny fjkm no fantatro.
62. marozevo ( 08/03/2006 00:27)
Misaotra an'i Jentilisa amin'io information io fa ilaina dia ilaina io.
63. jentilisa ( 08/03/2006 09:28)
Misy fanazavana mila ampiana kely angamba! Misy karazany roa (raha izay no filaza azy) ny fiangonana loterana. Misy ny fironan-drafitra mankany amin'ny katolika kokoa ary misy ny fironan-drafitra mankany amin'ny protestanta kokoa. Ataoko fa mba mety ho efa naheno ianareo hoe misy ny eveka loterana, nefa etsy ankilan'izay fdia misy ihany koa ny antsoina hoe pastora. Ny eveka loterana dia mitovy amin'ny evekan'ny katolika mihitsy ny asany, filohan'ny sinodam-paritany moa no anarany eto Madagasikara. Ary izay ihany koa no mahatonga fizrana roa mamttika eo amin'ny samy loterana any amin'ny farira misy azy...fa eto Madagasikara kosa soa ihany sady isaorana an'Andriamanitra fa tafaray ny fiangonana. Vokatry ny marimaritra iraisana eo ami'ny samy protestanta teto Madagasikara no nahatonga ny fiangonana loterana teto tsy hisy anaran-drafitra eveka. Dia izay angaha aloha no azoko lazaina!
64. sonwin ( 08/03/2006 20:22)
hay ve sahala amin'izany izy io e
65. dadabe ( 09/03/2006 04:49)
de manambady ve izany le eveka sa tsia ??
66. jentilisa ( 09/03/2006 07:30)
manambady ka! izay indray ange ny mahasamihafa ny loterana sy ny katolika e! ny pastora loterana tsy maintsy manambady tokana vao afaka mitondra fiangonana na tokanana no pastora fa ny pretra katolika tsy mahazo manambady mihitsy!
67. sonwin ( 09/03/2006 07:50)
-sakramenta ve io fanambadiana io amin'ny loterana?
-raha misaram-panambadiana ilay pastora na mpino hafa dia mbola mahazo manao mariazy fanindroany na fanintelony ao ampiangonana indray ve?
68. diamondra27 ( 09/03/2006 11:30)
marozevo: aiza le liste ilaina rehefa hanao mariazy any ampiangonana? Efa nisy candidat ve le offre d'emploi e!
69. jentilisa ( 09/03/2006 12:19)
tsy sakramenta ny fanambadiana, tsy afaka ny hitondra fiangonana raha vao misaraka, raha maty vady aloha dia mbola afaka ny manao mariazy fa raha ùmisaraka kosa dia aleoko tsy mamaly zavatra tsy hay! iny no tsy haiko e!
roa ny sakramenta eo amin'ny loterana dia ny batisa sy ny konfirmasiona (taloha tahaka ny telo miampy ny fivalozana angaha fa efa nahitsy ho roa io)
70. Ragadona ( 09/03/2006 18:28)
Le fanambadiana sakramenta hoan ny katolika
71. Achia ( 09/03/2006 20:09)
ny dikan'ny sakramenta zany de hoe fanambadiana ?
72. Veloo ( 09/03/2006 21:01)
Napikitikitika ny saiko ity valon-tenin’I sonwin ity
Ka aleo aloha hiverina @ ilay size ndray e...
Na ekenareo na tsy ekenareo dia ratsy ny fijangajangana. rehefa tsy eo @ conscience -tsika dia any @ sub-conscience-tsika.
Aleo atao hatramin’ny volony Andriamanitra dia namorona an’i Adama sy Eva mba hanjaka an’ity tany ity. Nialona i Satana satria parfait ny zavatra nataon’Andriamanitra indrindra fa ilay mariage parfait. Dia io no ho sombainy volony indrindra ary fantatr’ andriamanitra fa tsy ahantanty razanak’olombelona dia izany no nanampidirany ny didy oe aza mijangajanga. Na taloha na ankehitriny dia misy fona izy io. Ary faly mihitsy Satana fa tafity @ izay hataony izy.Nefa kosa Andriamanitra dia tsy hamela azy hanjaka @ olona rehetra ka par l’intermediaire ny fivavahana sy ny fanetra-tena no ahafahan-tsika mangataka famelan-keloka avy any @.
Ka oy i sonwin

he he ny ahy indray aloha refa misy sipa tiako sy tia ahy dia lasa izao


Tsy misy olona tokoa ny fifankatiavana ny olon-droa ka vita tsara ny mariazy. (tsy fomba gasy ko ve io?)

oy ko i sonwin oe:
fa tsy alefa lavitra ny saina na mijangajanga na tsia

Aza dia matoky tena lotra isika i Satana tsy kely lalana ary izy mahery noho isika.

Raha vokatry ny fitiavana ilay izy tsy hitako izay olana
tsy lavina tokoa moa izany

dia eto ndray :
Izaho mahatoky fa "Andriamanitra comprehensif"


Tsara ny fahatokisana @ an’Andriamanitra tsy misy zavatra important afa tsy izany fa tsy ho comprehensif izy rehefa manota isika (mijangajanga) a moins que mangataka famelan-keloka isika @ fo-tsika manontolo ary mihezaka ny tsy henao an’io intsony. Marina fa tsy mora2 izany fa rehefa manaika sy manana an’;i Jesosy dia ho mora amin’-tsika izany …et c’est garantie mihitsy.

Misy ange olona miseho hoe tsy mijangajanga nefa ao anatin'ny sainy sy ny fony ao mitsiriritra sahala amin'ireny inona ireny, hany ka mampirevy tena ao anoloan'ny sary ny hiafarany ha ha ha


Tsy azo lavina mihitsy io lazainao io tena marina tokoa moa ary besaka mihtsy isika no manao an'io. Ary ity no mba verset tiko ho tsakotsako-tsika rehetra;
I Korintiana 6: 9 sy 10
9 Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita
10 sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.
:-*:-*
73. dadabe ( 10/03/2006 02:56)
kay kay klay , hummm io aza fa taitra veloo :roll:
74. jentilisa ( 10/03/2006 06:56)
Fomba fihevitra ankehitriny avokoa no ametrahana ny ny famaritana hoe fijangajangana. Tsara amiko aloha raha mahafantatra tsara ny fombam-panambadiana taloha ( tamin'ny andron'ny testamenta taloha) isika mba hahalalana tokoa ny hevitry ny hoe fijangajangana tamin'izany fotoana izany. Taiza ny toeran'ny vehivavy tamin'izany fotoana izany? Moa nanana ny heviny ve ilay tovovavy hampanambadiana tamin'izany fotoana izany? Moa ve hevitr'izy roa kely nanapa-kevitra hanamabady nisy lanjany tamin'izany fotoana izany? Manao ahoana ny lanjan'ny fianakaviana teo ami'ny fanamabadiana tamin'izany fotoana izany? Iza no tena nanapa-kevitra amin'ny fanamabadiana tamin'izany fotoana izany. Iza no tompon'ny teny farany tamin'izany fotoana izany rehefa hisy olona roa hampivadiana? Tsy hoe serotra ny mikaroka izany fa jereo avokoa ny ankamaroan'ny fanambadiana tao amin'ny baiboly izay voatantara.

Avy eo vao miditra ny hoe ahoana ary ilay fijangajangana!

Hiditra amin'y resaka hena misy taolana isika eto haha-olon-dehibe antsika fa tsy hianona intsony amin'ny rononom-panahy. Ho hitnareo amin'izay na ho zakanareo ity taranja " aza mijangajanga" ity na tsia. Hitanareo tsara fa tsy izaho no nampiditra ny lohahevitra an!
75. jentilisa ( 10/03/2006 13:19)
fa lasa aiza ny olo-tety? no tsy tonga namaly ny resaka? fa inona ny soratro teo? sa sarotra be ilay valiny?
76. sonwin ( 10/03/2006 14:11)
tena tsy hitako ze lazaina amin'io rajentilisa fa ny ahy tsy miova amin'ilay efa nosoratako a, tsy dia talentako loatra ny ahy ny theorie...

rehefa misy sipa tiako sy tia ahy dia lasa zao fa tsy asiana fisalasalana izany.Dia izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato ahy voalohany e:°)
77. Veloo ( 10/03/2006 17:10)
rehefa misy sipa tiako sy tia ahy dia lasa zao fa tsy asiana fisalasalana izany


tsara anie zany e tsisy olana mihitsy kosa kle...

Dia izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato ahy voalohany e


tsy olona parfait lesy eto an-tany a
78. Veloo ( 10/03/2006 17:15)
oe i jentilisa:
Fomba fihevitra ankehitriny avokoa no ametrahana ny ny famaritana hoe fijangajangana. Tsara amiko aloha raha mahafantatra tsara ny fombam-panambadiana taloha ( tamin'ny andron'ny testamenta taloha) isika mba hahalalana tokoa ny hevitry ny hoe fijangajangana tamin'izany fotoana izany. Taiza ny toeran'ny vehivavy tamin'izany fotoana izany? Moa nanana ny heviny ve ilay tovovavy hampanambadiana tamin'izany fotoana izany? Moa ve hevitr'izy roa kely nanapa-kevitra hanamabady nisy lanjany tamin'izany fotoana izany? Manao ahoana ny lanjan'ny fianakaviana teo ami'ny fanamabadiana tamin'izany fotoana izany? Iza no tena nanapa-kevitra amin'ny fanamabadiana tamin'izany fotoana izany. Iza no tompon'ny teny farany tamin'izany fotoana izany rehefa hisy olona roa hampivadiana? Tsy hoe serotra ny mikaroka izany fa jereo avokoa ny ankamaroan'ny fanambadiana tao amin'ny baiboly izay voatantara

ni fiainan'ny taloha dia azy zany tsy itako izy idiran'ilay nolazaiko @ zany? satria ve za niresaka momban'i adama sy Eva? ny antony nitenenako an'io dia mbola ho lazaiko eto ndray satria noforon'Antra ho an'ny zanak'olombelona satria itany fa tena tsara ilay izy ... Ary Tsy tian'i Satana ilay izy ka zany no mahatonga ny fijangajangana...
:o:o
79. marozevo ( 11/03/2006 00:29)
Ento ary ny fanazavana teorikanao ry jentilisa fa miandry izahay.
Valin'ny fanontanian'i diamondra27 :
1- Liste ahoana moa no anontanianao? Raha ny fahafantarako azy, raha hiomana amin'ny mariazy Katolika, dia izao no atao : -(Efa supposé hoe milamina ny any amin'ny fianakaviana roa tonta sy ny soratra) -. manatona an'i Mopera mitondra ny Paroasinao mangataka rendez-vous(tsy misy vola aloha), avy eo manao ny enquete canonique, ka ny olona ilaina dia Ray amn-dreny roa tonta raha samy mbola velona; vavolombelona 1 na 2 isaky ny "ho mpivady"; ary mazava loatra ireo "ho mpivady". Vita izay dia manao retraite na formation. Dia miroso amin'ny Mariazy amin'izay. Any Madagasikara dia iray volana ny faharetan'ireo raha kely indrindra, fa any France tsy latsaky ny 1 taona.
Le offre d'emploi ve ? Jereo ao eh..
80. dadabe ( 11/03/2006 03:46)
zah tsary misy ambara koaa :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.048