DIDY FAHA-7 "AZA MIJANGAJANGA"

141. marozevo ( 30/03/2006 22:31)
Tena misy zavatra tsy takatry ny saintsika mihitsy ao ambadiky ny finoana Silamo eh...
Ohatra fotsiny, diovina (sasaina manko eh,... fa maloto hono) isan'andro ny lohan'ny Silamo madinika, fa fady ny alikaola. Aiza anefa no toerana ivarinan'ny toaka sy divay italiana sy Frantsay, tsy any Arabie saoudite ve ? Tsy any Iran ? Tsy any Turquie... dia ireo lehiben'ny Silamo misotro tsy amin-tahotra na iza na iza.
Lahy ialahy raha mahazo ny teknika fanasana atidoha vitan zalahy ireo.
142. dadabe ( 31/03/2006 12:16)
saonjo iray lohasaha io razoky tsy ilaozan'izay mamarara a
143. marozevo ( 01/04/2006 00:28)
Raha ny vatany no matsatso na tsy mahatandrin-tena, dia leoko ihany, fa raha ny lohany kosa no matsatso dia toy ny fary izany.
Ny fary ? Fidiana izay lava vany, tapatapahina na voasana amin'ny nify (fa tsy solo-nify), avy eo tsakoina mandram-paha matsatso azy, nony farany ariana eny an-tsena na eny am-pijerevana hiragasy, ka alohan'ny hihinanan'ny vitsika azy, dia itsakitsahin'ny mpandalo izy.
144. Veloo ( 02/04/2006 14:33)
maro ie ry zareo aloha dia special mihitsy e:wink:
145. marozevo ( 02/04/2006 18:42)
Efa in-jato kely ahop no niteny tamin'ialahy ry veloo fa tsy "maro" izany aho fa Marozevo, na farafahahafohiny Zevo.
Ary ialahy toa tonga sahady, nefa hoe 37 avril vao ho avy ? Tonga soa eh... nanahoana ny dia tany Cologne ?
146. Veloo ( 02/04/2006 21:55)
marozevo a eeiiiiiiiii efa injato niteny oe maro injy hihihihi, za mbola tsy lasa knou vo ande avril za no mande waaaaa:wink:
147. dadabe ( 03/04/2006 02:25)
oujyy ngah misy 37 avril ny kalendaran'i marozevo ?:o
148. mandalo ( 03/04/2006 12:48)
manao azafady aho fa tsy ny finoan'ny silamo no nambarako ho tsara fa ny fanajan-dry zareo ny finoany ary fiezahany manaparitaka izany eran-tany. raha toy ny fankatoavan'ny silamo ny coran-ny mantsy no fankatoavan'ny kristiana ny tenin'Andriamanitra dia efa paradisa tokoa ity tany ity; ary ny mahagaga anie dia ny kristiana no betsaka, ny baiboly no best-seller indrindra eran-tany fa ny fanekena azy dia lavitra be.
Ny mijangajanga anie tsy ilay fangalarana ny vadin'ny hafa ihany e, ary fantaro fa :"Jehovah no Andriamanintsika ary isika olony"; rehefa manao zavatra na olona ho Andriamanintsika ankoatran'i Jehovah isika dia mijangajanga; ka tsy azoko ny tenin'i jentilisa hoe :"fitaovana".
ary maro no mihevitra fa mahavita manaraka ny tenin'Andriamanitra ny olombelona, diso izany fa tsy manaiky na mankasitraka ny hadalantsika Andriamanitra fa mamindra fo antsika.
tsy manaraka antsika amin'ny hadalantsika Izy raha mbola tsy mivaly amintsika ny fahotantsika fa mbola manome fotoana antsika mba hahafahantsika ny mahatsiaro tena ka mifona ary tsy manao izany intsony: izay no atao hoe: "mibebaka".
mbola fotoanan'ny famindram-po izao ka araraoty ny fotoana fa tsy holany tsara ny zanak'olombelona ; misy foana ny zava-baovao mety hanintona; fa Jesosy irery ihany no ilay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
tsy miova ny teniny sy fanantenana nomeny hatrizay ka mandram-piverenany;haraho ny teniny dia homeny anao ny fiadanany; ampy ho anao ny fahsoavany fa aza mitsiritra ny hafa.Magataha dia homeny anao ny tena tsara ,special ary unique ho anao; ny ankoatran'izay dia avy amin'ilay ratsy
149. Veloo ( 03/04/2006 20:15)
zay aloha e:wink:
150. marozevo ( 03/04/2006 22:54)
dadabe:

oujyy ngah misy 37 avril ny kalendaran'i marozevo ?:o



Ialahy anga tsy namaky tary ambony tary fa io no nolazain'i veloo... Ka izaho aza anie mba gaga tamin'izay eh.
151. marozevo ( 03/04/2006 22:57)
Azafady kosa aloha ry mandalo anh... Raha sahala amin'ny fanajan'ny Silamo ny Koran, hoy ianao ny inona ah ??
Dia izany ve no heverinao fa modely ? Soa fa tsy mifanohitra ny Baiboly sy Andriamanitra, fa raha sanatria ka nifanohitra ireo dia ho naleoko Andriamanitra toy izay ny Baiboly.
152. dadabe ( 04/04/2006 12:09)
8O8O8O
153. mandalo ( 04/04/2006 16:17)
tsy misy miteny eto hoe : tsara na tia ny silamo na hanaraka ny coran ho modele aho fa ny fomba fneken-dry zareo ny coran no tiako lazaina. haka ohatra aho: milazà ianao raha misy silamo sahy tsy manaja ny andro fivavahany fa rehefa zoma na Alakamisy arakarakin'ny antokom-pinoany dia tsy maintsy tonga any amin'ny mosquée izy. Ary isika kristiana ve mba toy izany; aty andafy ary misy miteny ny tenany ho "croyant" fa "tsy pratiquant". tsy mahagaga raha mandroso ny finoana silamo ary mielipatrana eran-tany.
satria tsy sahy mandika ny didin'i andriamaniny izy ireo.
Ary isika mba ahoana, toa ahitana resaka sy lalam-poza idifian io didy efa mazava be io ka mitady fanamarinantena foana raha sendra lavo fa tsy mety miaiky fa NANOTA.
Andriamanitra anie tsy mitaky amintsika voatsiary e! ary fantany tokoa isika fa tsy hahavita ny didy folo satria olona. Izany no nandefasany ny zanany mba hiaro antsika amin'izany. izay ilay hoe ambany fahasoavana fa tsy ambany lalana. mila miaiky fa tsy nahavita ary efa nanota dia mino fa Jesosy manadio ano ary manome anao ny hery hanoherana ny fakam-panahy.
raha somary hiresaka silamo isika dia manana didy ry zareo hoe : mahazo manana vady 3; asa raha arakin'ny baiboly sy ny didin'Andriamanitra izany aminao. Asa raha azonao amin'izay ohatra iray izany ny maminavina ilay lazain-dry zareo ho andriamanitra ivavahany.
tsy manenjika aho fa manambara ny zavamisy dia antsika ny safidy raha hijanona hanompo ilay Andriamanintsika isika na hiova fitana fa milaybe ny an-dry zareo fa masiaka loatra ilay didy hoe: "Aza mijangajanga"
154. marozevo ( 04/04/2006 22:45)
Izaho aloha mbola tsy namaky izay koran koran any eh... Fa ny hitako dia "mahery fihetsika ny Silamo", ary isika aza efa samy niaiky an'izany teto amin'ity sehatra ity. Tsarovy ilay resaka "sariitatra". Ka amiko kosa aloha, dia tsy hisy Andriamanitra hampirisika hamono olona, na hamono Kristianina. Tsy mbola nisy Kristianina namono Silamo amin'ny anaran'ny Finoana (au nom de la Foi). Ka hoy aho hoe, sao dia mba tsy didin'Andriamanitra io arahin'ny Silamo an-tsakany sy an-davany io, fa didin'i Mahometa. Asa ianareo na efa namaky ny tantaran-dRangahy iny, fa raka izay mba hitako kely dia misy fifanoherana ihany ny zavatra lazainy, arakaraky ny nirosoany. Rehefa hitany fa maro no nanenjika azy, dia niova ho fanenjehana koa ny fampianarany. Toy izany koa no nahatonga ny "polygamie" ao, satria nanana olana tamin'ilay vadiny i Rangahy iry, ka mba hanamarinany tena dia io no noraisiny. Sadasada ihany ka ...
155. marozevo ( 04/04/2006 22:48)
Ka raha hisafidy aho, ohatra, ka ireto roa ireto no tsy maintsy ifidianako :
1 - Silamo manaja ny didin'Andriamanitra, nefa manao ady "masina", na mamono olona, na mahery fihetsika.
2 - Milaza ho "Kristianina" nefa tsy pratiquant, fa manaja ny zo aman-kasin'ny olombelona.

Aleoko lavitra ilay faharoa rabe ah !
156. jentilisa ( 05/04/2006 12:40)
fa izao, ilay pratikao ange dia hoe mankany ampiangonana izay no dikany e! nefa mety hisy ny hanaja ny didim-pitiavana kokoa ny tsy mpankany noho ny mpankany. Na dia ny fiheverana ny iray ho devoly amin'ny anankiray azaa dia efa fandikana sahady ny didin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny tenin'i Jesoa
157. mandalo ( 05/04/2006 17:09)
raha ny mankany ampiangonana fotsiny dia ampy mahavonjy dia na andavanandro ary aho mandalo manao kely presence any.
raha tsy pratiquant no definition'ny mpanara-dia an'i kristy dia tsy misy ilana trano fiangonana intsony
158. marozevo ( 06/04/2006 22:02)
Io lazain'i jentilisa io indrindra no itiavako ny olona "tsy pratiquant" nefa manaja ny zo amjan-kasin'ny olona. Tsy sanatria aho akory mampirisika hoe aza mivavaka... sanatria... fa hoy aho ao ambony ao hoe "Rehefa tsy maintsy hisafidy amin'ireto ROA ireto...". Fa ny tena heveriko fa idealy dia "sady mankany am-piangonana (pratiquant) no manaja ny zo aman-kasin'ny olombelona.
159. dadabe ( 09/04/2006 11:01)
:°):°):°)
160. marozevo ( 10/04/2006 22:41)
Mankany am-piangonana ve ampy hahavonjy ? araka io fanontanian'i mandalo io.

Mankany am-piangonana = ? = mankany am-piangonana fotsiny. MIla lanjalòanjaina aloha izay lazaina.

mankany am-piangonana fotsiny ? Fa haninona any anefa ?

Nisy olona iray nankeny an-tsena, tonga izy tamin'ny sivy dia nivezivezy, nijerijery, niakatra sy nidina, nianatsimo nianavaratra sns... tonga ny tamin'ny 3 hariva nody ranamana satria noana. Tsy nividy na ariary aza... tsy nivarotra na ariary aza. Azo lazaina fa NIANTSENA ve io olona io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0105