666

261. Rainikarabo ( 18/03/2006 11:23)
dadabe> accusation ahona zany ry ise? rehefa mandinika ny zavatra soratan'ise za dia hitako hoe Maiholiste ise na Advantiste ka tsy dia mahagaga loatra ilay hevitra.
262. Rainikarabo ( 18/03/2006 11:25)
marozevo> kalama fotsiny fa rehefa miteniteny foana eo io dia kitihintsika any amin'ny haingom-batony.Ilay fanazavana fomba fanisa aza tsy voavaliny hatramin'izao: manisa teny latina, manoratra teny grika.
263. marozevo ( 19/03/2006 00:51)
Misy fotoana hitenenana, misy fotoana hanginana (toy ny ataon'i veloo indraindray). Misy fotoana hihomehezana, misy hitomaniana sns... Misy fotoana hiakaran'ny fofona (araka izay lazain'i dadabe), fa misy fotoana idinany koa. Tsy misy fiatraikany loatra ny ady hevitra raha tsy misy fifangaroan-toetra toy izany.
Fa na ahoana kosa na ahoana filazan'i dadabe dia miharihary fa misy fitongilanany ilay fanehoana site fa tsy neutre izany. Marina io filazan'i Rainikarabo eo ambony io. Efa nodinihinao ve ?
264. dadabe ( 19/03/2006 16:07)
ka zao anie ! na dinihina io na tsy dinihina io , tahaka ireo site marobe ao @ google , de izay tazamaso aloha no sokana , zah nanokatra
dia io omeko anareo io , tsy midika akory izany fa ahy ny site na ahy ny hevitra .
2-na maiholista na advantista na katoliksista na tsy mino-ista amiko rehefa izay no fahamarianana ara baiboly dia tsy miova io ambara-pihavin'i Kristy.
3-hoy rainikarabo >
Mpandefa : Rainikarabo [ Valio ] 18-03-2006 15:25:27
Lohateny : Re : 666
marozevo> kalama fotsiny fa rehefa miteniteny foana eo io dia kitihintsika any amin'ny haingom-batony.Ilay fanazavana fomba fanisa aza tsy voavaliny hatramin'izao: manisa teny latina, manoratra teny grika.
Miverina ery ambony

oujyyy zah mihitsy az no nanome karazana versee maro eo ambony eo fa tsy voavalin'ny namana sa....mila avarina indray ve

tena amim-panetretena no hilazako aminao manao hoe :n raha resaka 666 no hifanakalozanao hevitra amiko dia ampy ho anao aho, ary tsy misy resaka maiolhista na advantista ne dadabe ista io , fa ny baiboly iray manontolo (tenin'Andriamnitra )no ho entiko hifandahatra aminao , ary efa haiko avy hatrany fa filozofian'olombelona no hamalianao ahy :wink:

de mazotoa aza e,aleo angamba manokatra size vaovao isika fa tiko be ianareo mirahalahy somary mitambatra hamely ahy , @ izay koa zah mamoka ny sekire rehetra fa efa ela ihany zay kle, araka ny tenin'i dadamaro hoe "misy ny fotoan hanginana , de misy ny ......"
265. Rainikarabo ( 19/03/2006 16:31)
ny versee ry ise tsy atao hiadi-kevitra sy hifamalina an.

Ampy ho ahy mihitsy ianao raha 666 ka, tsy mahagaga izany andriamatoa Maiholiste vita batisa teo Andranotapahina.

Ianao izao zany ilay mihevitena hoe tena mahatakatra ny hevitr'Andriamanitra? mon oeil! vao mpianatrakelin'i Maihol taty amin'ny taonjato faha-20 ve no milaza azy ho manana ny fahamarinana ara-baiboly?

Mampalahelo ilay fisainanareo ao fa ny Tenin'Andriamanitra no ampinga ampiasainareo entina manenjika sy manaratsy ny hafa,ny Tenin'Andrimanitra no entinareo manao "accusation" araka ilay filazanao azy, dia tsy misy tahotra sy henatra an'Andriamanitra akory ve ianareo mijoro ho sahy mitsara ny hafa sy mana-devoly ny hafa? fa fahefana avy aiza no afahanareo mitsara? Sa voasoratra ao amin'ny Baiboly ny hoe indro ianao ry dadabe voatondro hamoaka ny tena marina nafenina nandritra ny 2000 taona? ha ha ha, ny pasiteranao aza mpaminany sandoka, dia mbola ny tenin'Andriamanitra ihany koa no entinareo hanambakana ny madinika sy ny mahantra eran'ny Madagasikara ka rano fanariana maloto no hitondranareo azy atao batisa...

Dia mazotoa ary amin'ny fanenjehana sy ny faratsiana andriamatoa Dadabe, asa fantatrao hoe ny inona no manenjika avy ao aoriana?..asa loatra ny vokatry ny fialonana na vokatry ny fitiavan-tena te hangoro-karena.

Ho ela velona anie ny fiangonana Kristianina tsy manenjika sy tsy manaratsy ny mitovy aminy. Ireo lany andro manosi-potaka kosa dia au diable com il est!
266. Achia ( 19/03/2006 19:09)
Ary lasa manenjikol ndray ty baiboly , sa ze mamoaka ny zava miafina ao de manenjika
267. Rainikarabo ( 19/03/2006 21:20)
Ianareo no mampiasa ny baiboly ho fanenjehana sy faly mamaky ara-bakiteny izay mety sy mahasoa an'i Pasiteranareo. En plus un pasteur autoproclamé,
sa ianareo tena mirehareha mihitsy fa ianareo no tena mahafantatra ny zava-miafina sy ny hevitr'Andriamanitra?
268. xxx ( 19/03/2006 21:40)
marozevo:
Amin'ny maha Katolika ahy anefa dia tsoriko amin'ialahy ry dadabe fa tsy mbola ialahy mihitsy no handrava ny haja sy ny voninahitra ananan'ny papa,


- angaha ny antokom-pinoana no entina ireharehana fa tsy i "Kristy voahombo teo amin'ny hazo fijaliana" amin'ny maha kristianina?

- "haja sy voninahitra ananan'ny papa"? amin'ny maha kristianina ahy dia Andriamanitra irery ihany no omeko voninahitra, ny sisa tsy omeko na miady omem-boninahitra aza :-D

269. dadabe ( 20/03/2006 07:17)
rainikarabo > ary noheveriko fa hoe hiady hevitra sy hifanakalo hevitra ise , hay ve ka fankahalana olona tsotra izao e, ka raha vita batisa teny andranotapahina aho , na manaraka an'i pasitera Mailhol aho , na hanaraka an'i papa ianao , sady manohana ny eglizy katolika hatramin'ny farany , moa ve mety hanova ny fahamarinan'ny tenin'Andriamintra izany ??(ohatra hoe ny sabata , ny batisa izay asitrika , ny paska.... tsy tokony hanao sarinjavatra voasokitra ets ets ...

de hoy ianao hoe :
Ianao izao zany ilay mihevitena hoe tena mahatakatra ny hevitr'Andriamanitra? mon oeil! vao mpianatrakelin'i Maihol taty amin'ny taonjato faha-20 ve no milaza azy ho manana ny fahamarinana ara-baiboly?


ka na opainao aza anie zah tsy maninona anie izany e, ampahafirin'ny opa nentin'i Kristy sy ny rora , kapoka , fitenenana ratsy anefa izany e, i Kristy izAy niezaka nilaza ny marina nanoloana ny olona rehetra t@ fotoan'androny saingy indrisy , fa tsy ninoan'olona ary niafara hatramin'ny famonoana azy izany ,
...moa va tsy izany koa ny zavatra miseho @ izao fotoana izao??misy olona miezaka milaza ny fahamarinana fa saingy aratsiana sy lazaina fa mpanenjika , dia mba manotany anareo aho hoe "LAZAO AHY FA HIFONAKO AMINAREO HOE :INONA NY TENY NOLAZAIKO KA MIENDRIKA FANENJEHANA SY FANARATSIANA ??"

...MIANDRY AHO
fa sao lahy ka ianao izay tsy manaraka izay zavatra voasoratra ao manaty baiboly indray no milaza fa marina ny anao , humm mampisaina an !
270. dadabe ( 20/03/2006 08:39)
misy adinoko , raha mba azo atao dia aleo fifanakalozankevitra no atao fa tsy ADY, ohatra no omeko
1-zah hiaro hatramin'ny farany ny sabatan'i Jehovah , dia hitady toko sy andiny ao @ soratra masina aho, dia ianao manohana ny alahady de tohano ao :wink:
2-zah hilaza hoe , efa voasoratra fa tsy azo atao ny miankohoka manoloanany sarinjavatra voasokitra , de ianao manohana hoe azo atao ny miankohoka
3-zah manao hoe tsy azo atao ny mivavaka @ i maria , de ianao tokony hanohana be hoe aza
ets ets dia milay be le ady hevitra am,izay

fa raha hoe resaka fiangonana manakarena (katolika )sy ny hoe fiangonana m,ahatra (tahaka anay )no hijerena hoe tafiditra sa tsy tafiditra , dia ho very andro eto isika :(
271. Achia ( 20/03/2006 14:06)
=D=D=D:-D:-D
272. jentilisa ( 20/03/2006 14:27)
Ka izay ny olana amin\'ity 666 ity! toa natao hifanenjehana sy hifankahalana hatrany. Iza moa no faly amin\'izany? Satana...izy 666 tenany!
273. marozevo ( 20/03/2006 21:46)

Hoy i xxx ao ambony ao :
- angaha ny antokom-pinoana no entina ireharehana fa tsy i "Kristy voahombo teo amin'ny hazo fijaliana" amin'ny maha kristianina?

- "haja sy voninahitra ananan'ny papa"? amin'ny maha kristianina ahy dia Andriamanitra irery ihany no omeko voninahitra, ny sisa tsy omeko na miady omem-boninahitra aza


Dia hoy aho mamaly azy :
Inona moa no hadisoako raha mirehareha amin'ny finoako aho ? Sa rehefa matahotra ny hijoro amin'ny finoako aho vao tokony ho faly ve? Sady finoana tsy manohitra an'ilay Kristy voahombo koa tsinona.

"Haja sy voninahitra ananan'ny Papa" : Ampy ny Katolika hanaja sy hanome voninahitra ny Papa ka... Tsy terena akory ny kristianina hafa hanaja azy. Tsy mila an'i xxx izahay hanampy isa anay, fa ampy izahay efa ato, satria ianao efa Kristianina, fa ny mbola tsy Kristianina no ilainay, raha sendra mahita ianao.

Fa angaha kosa rehefa manome Voninahitra sy haja ny Papa dia midika fa tsy manome voninahitra an'Andriamanitra ? Ny Malagasy aza efa niteny hoe "Ny zanaka ny henin-kaja, dia noho ny anaran-dRay".
274. xxx ( 20/03/2006 21:58)
ary ramaro ity refa somary voadona kely ny heviny dia lasa mandika vilana sy mamorona an. :-D

antokom-pinoana no resahin'ilay xxx etsy ambony dia mody ovainy lasa finoana!

mamakia ianao tsara vao mamaly fa mitady hitovy amin'i ddb :lol: i ddb efa afaka tamin'io :lol: :-D:-D azafady akia bedada a:wink:
275. marozevo ( 20/03/2006 23:10)
Eny ary eh... ANTOKOM-PINOANA ary eh... Dia averiko ary fa tsy matahotra ny hirehareha amin'ny antokom-pinoana Katolika misy ahy aho eh. Inona no mahadiso ahy amin'izany ? Sa ny tsy ahy no tokony hireharehako ? Nahoana aho no tsy hatoky fa hahavonjy ahy io ? Raha tsy natoky aho, efa ela no niala tao raxxx ah.

Ary tsy asiany resaka ilay paragrafy faharoa...
Fa zao kosa aloha, fa angaha samy hafa ny xxx ao ambony sy i xxx eto akaiky eto ? Sa tsy sahy mijoro amin'ilay hevitra ao ambony ao ?

FILAZANA FARANY ; Za ho'aho tsy Ramaro fa ZEVO ?
276. xxx ( 20/03/2006 23:58)
[size=12]ramaro[/size][size=8]zevo[/size]> tsy ny antokom-pinona (religion) no mahavonjy fa ny finoana (foi).
277. dadabe ( 21/03/2006 01:12)
tahaka izany ahay ny fifanakalozankevitra dia tsara , fa tsy atao mirefarefa @ tany sahala @ ataon'i rainikarabo
278. marozevo ( 21/03/2006 10:40)
Ho an'i xxx dia izay izany no izy koo ... Tsy ny antokom-pinoana no mahavonjy fa ny finoana. Ho anao dia izay, fa ho ahy kosa dia izao : "Ny antokom-pinoana misy ahy dia inoako fa hahavonjy ahy, satria tsy manohitra ny finoana".
Izaho izao Katolika fa tsy FJKM, satria inoako fa ny firaiketako amin'io antokom-pinoana io dia hitondra famonjena ho ahy. Matoa aho tsy nanao FJKM dia satria manahy sao tsy voavonjy raha mankao. Hevitro izaho samirery io.. safidiko.
279. Achia ( 21/03/2006 13:14)
Za kalo de manampy kely fotsiny hoe tano mafy ny antokompinoana anannao mba hanavotana anao , sao de avadikitsika @ zay le hoe tano mafy ny finoanao mba hanavotana anao ,ny tiakara de zao iKristy no tokony hipetrahan'ny finoana ka tokony halalinina ny momba azy sy ny sitrapony ka ra ohatra misy antokompivavahana mitonona ho Kristiana nefa tsy mahafeno ny fepatra takian'i Kristy de tokony handinika sy hieritraritra ny ol ze mampianatra ny ol ao a fa ny toa izany no atao hoe mamitaka sy mandainga
280. dadabe ( 21/03/2006 14:46)
:(yee
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1593