paska , paques , paka

81. dadabe ( 09/02/2006 14:44)
marozevo a, raha mody atao hoe maty zoma aza izy dia andramo alahatra anie ireo teny nilazana ny fahafatesany tao @ evanjely matio marka lioka e, de ampitahao @ izay voalazan'i Jaona fa hita hoe mifanipaka be ,

nefa tsy mifanipaka ireo raha toa ka hainao ilay andro ( zah tsy mbola hilaza ), ary le hoe tantaran'i Jona , ekeko fa tany @ TT ilay izy , fa tsy zah mihitsy no mamerina ilay tantara eto fa i KRISTY , ary ny mahagaga ahy dia ny filazazn'ny olona sasany fa tsy ilaina intsony ny testamenta taloha ,:{:{:{ o ry zalahy a, humm mampisaina ihany izany a
82. marozevo ( 11/02/2006 00:17)
An3.. ho ahy kosa aloha dia tena ilaina ny TT eh.. Fa ny ilàko azy tsy hovakiana ara-bakiteny, fa haneho an'i Kristy sy hanazava amiko ny fototra iorenana sy iaingan'ny TV.
Ilay hoe ZOMA, tsy izaho koa no namorona io fa voalaza ao anie ny hoe "Andro fiomanana tamin'izay" é. Dia avy eo indray misy hoe "Nony marainan'ny andro voalohany dia lasa nankany amin'ny fasana i Maria Magdalena..." Ilay andro fiomanana ve tsy Zoma?, ary ny andro voalohany ve tsy aorian'ny Sabata ?
83. dadabe ( 11/02/2006 16:25)
tena marina io lazainao io , fa jereo hoaa ny evanjelin'i masindahy joany fa milaza izy mazava tsara hoee, mialoha ilay SABATA lehibe dia sabata paska izany , izany hoe nisy sabata 2 nifanarakaraka ao , ny
1- sabata paska (andro lehibe )dia ny andro fiomanana talohan'io sabata paska io no namonoana an'i Kristy
'2-dia ilay sabata tandreman'nny jiosy

dia alaharo amizay anie ilay teny rehetra voalazan'ny evanjely 4 fa tena mahatanteraka ilay teny faminaniana hitan'i daniela ao @
DANIELA TOKO FAHA - 9 and 24-27
24 Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina* ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana** sy hanosotra izay masina indrindra.[*Heb. hanisy tombo-kase][**Heb. mpaminany]

25 Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i Mesia Andriana* dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro**; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro mampahory.[*Na: ilay andriana voahosotra][**Na: ary amin'ny herinandro roa amby enim-polo, dia etc]

26 Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra]

27 Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry* ny fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava**. [*Na: eo an-tampon'][**Na: ny efa lao]


dia tsidrina mafy le andininy farany manao hoe
"27 Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry* ny fahavetavetana no
hampitsahatra ny fanatitra alatsadra eo @ antsasaky ny herinandro

misy faminaniana ara-paminaniana io
ary misy faminaniana ara -bakiteny izany hoe teo @ antsasaky ny herinandro ny Tompo no maty fa tsy ny alohan'ny faran'ny herinandro , dia alaharo @ izay ireo teny rehetra voalaza ao @ baiboly rehetra manao hoe

novonoina i Kristy t@ andro fiomanana ( fiomanana sabata paska ) dia aveo nalevina dia nitsahatra ny olna satria PASKA , aveo dia rehefa afaka ny sabata paska dia nividy menaka manitra ny mpianatry ny Tompo , de nanomana azy , dia aveo nisy fotoana nakan'i Josefa avy any ARIMATIA ny fatin'i Jesoa, de aveo ny andro voalohany @ herinandro ( alahady )dia nakany @ fasana i Maria magdalena sy ny reniny Jesoa dia tsy tao intsony Izy fa efa nitsangana =tapitra ilay 3 andro sy 3 alina voalany ( IZY TENANY )

satria teo @ antsakay ny herinandro izy no maty ( araka ny faminanian'i daniela )dia nitsangana t@ andro faha telo (araka ny nolazainy ) dia dia iisao amizay fa mitontona ao @ andro sabata alohan'ny maty masoandro io nitsanganan'ny Kristy io
NOHO IZANY DIA TOMPON'NY ANDRO SABATA I KRISTY , 3 andro sy 3 alina tao ankibon'ny tany,maty teo @ antsasaky ny herinandro

de izay ./. VITA :-w:-w
84. marozevo ( 15/02/2006 01:04)
An3... Dia tsy mba dakooro aminao aho radadabe ah... Eny maty ho logique be tokoa angamba, angamba ho aho, io lazainao io, fa izaho tsy convaincu satria tsy ny saiko ny ahy no ampiadioako fa ny finoako. Efa efapolo taona mahery aho no nobeazina sy nitoriana araka io, ka tsy sahiko ny hanova izay efa ninoako r'ise ah... Miala tsiny eh.
85. Veloo ( 15/02/2006 02:50)
ndray2 anie ry marovezo ny fisainana tokony velarina ko e fa tsy izay efa nobeazina no tazomina. Omeko example fotsiny enao oatra zao enao io t@ mbola kely nanana an;ireny kilalao electronika ireny ny andro efa mandroso dia mbola hitazona ilay version voalohany nataonao taloha fona ve ianao fa tsy mba mamaky ny instruction vao2 azonao ka ihova satria nisy kilala plus hi-tech...
otran;izany ko ny baiboly, isika rehetra mahalala ny baiboly nefa mila mandalina bebe kokoa mba ahafantarana ny marina ao anatiny fa tsy tokony hafa-po an;izay fantatra... ny zavatra fantatsika zao dia mbola tsy apa-folony akory.... Mianatra, mandalina, mitady ary mangataka ny fanahy masina mba hanoro antsika ny fahamarinana rehetra ao @ baiboly.
86. dadabe ( 15/02/2006 05:05)
marozavo a zah anie efa nilaza taminao fa hoe zah tsy handresy lahatra na iza na iza izany e, fa navoakakko fotsiny io ho hitan'ny olona dia afaka @ ran'olombelona aho ka raha tonga eny @ rahon'ny lanitra i Kristy dia afaka milaza aho hoe jereo ao @ serasera fa efa nitory aho , fa asakasaky ny zanak'olombelona raha handray izy na tsia,fa mazava be fa ny Sabata an' i Jesosy sy Jehovah , fa ny alahady tsy an'i Jehovah fa an'i ......:-$ dia miankina @ fandresendahatra ao aminao io fa zah tsy handresy lahatra anao mihitsy e:°):°)
87. marozevo ( 16/02/2006 23:42)
DADABE >Mazava ny hevitr'i dadabe ary eh... niezaka ianao fa izaho koa nitazona ny ahy. Any an-danitra isika mifandray tànana satria raha samy mifikitra amin'ny finoana sy mampifanaraka ny fiainany amin'izany, dia ho voavonjy. raha sanatria moa ka any amin'ny afobe aho, dia aza matahotra ianao fa tsy anao ny tsiny. Ny angatahiko aminao fotsiny, rehefa tonga any an-danitra ianao ka mahita ahy ao amin'ny afobe, dia mba miverena kely milaza amin'ny rahalahiko, fa manana rahalahy dimy aho, ka raha mahita anao miverina izy dia mety hino. Na fara faharatsiny, mba ataovy ao anaty rano mangatsiaka ny fanondronao, dia akasiho amin'ny lelako. Izany ah.

Ny an'i veloo indray dia tsotra no avaliko azy. matoa isika mifanakalo hevitra eto, dia satria samy vonona tokoa hampivelatra ny fahalalany sy ny traik'efany. Ny fivelarana anefa tsy midika hoe ovaina ny finoana. Ohatra, Feno 30 ny fanambadian-dRatsaratarehy sy Raravakinilàlana... Dia maninona raha ovana indray fa efa tsy high-tech intsony... Ny tanora be rahateo... Marina fa ny ohatra nomenao dia kilalao, nefa ny finoana no analogie lazainao aminy. Raisiko indray io ohatra momba ny fanambadiana io mba hieritreretanao, fa mbola ambony noho ny fanambadiana ny Finoana.
88. dadabe ( 17/02/2006 04:22)
marozevo>hummm kel filozofia ?? manana filozofia ambony be ianao , nefa izao no tadidio a,
I -kort tokoI -26 "ny adalan'izao tontolo izao no nantsoin'Andriamnitra mba hampahamenatra ny hendry, ary ny olona fanivaiva sy fanevateva eo @ izao tontolo izao no nantsoin'Andriamanitra mba hampahamenatra ny hedry.
dia mirary soa ho anao rahalhy a
89. Veloo ( 17/02/2006 17:37)
marovezo tsy oe manova oe fa mi-developper amin'ny tsara foana...:wink:
90. dadabe ( 18/02/2006 06:08)
zay marina izany
91. Veloo ( 20/02/2006 00:33)
dadabe:-*
92. marozevo ( 21/02/2006 01:53)
i Veloo kosa fetsy ee... tsy izany akory ny hevitrao ao ambony ao fa tena hoe ovana ilay izy... Indro copie-ko eto ilay nolazainao tao, dia ampitahao amin'io hevitrao etsy ambony akaiky etsy :

Hoy ianao (veloo).
ny andro efa mandroso dia mbola hitazona ilay version voalohany nataonao taloha fona ve ianao fa tsy mba mamaky ny instruction vao2 azonao ka ihova satria nisy kilala plus hi-tech...

dadabe > ka izao ary ... izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.
93. Veloo ( 21/02/2006 17:00)
marovezo a inn dina'io lazaiko tsy mi-developper ny saina ve io , tsy mijanona @ ny taloha fa mivotra (zay ilay mot notadiaviko @ teny gasy) MIVOTRA.., @ tsara..:roll:
94. dadabe ( 22/02/2006 16:52)
:-w:-wmarozevo> sao dia lazainao fa mirehareha aza zah ?? :-w:-w

tsia avy hatrany !! zah aza tsy nandalo sekoly teolojika tahaka anareo ko:-$ zay mba fahalalana kely ananako no nozaraiko hatrary ka hatraty de zay :roll:
95. Achia ( 22/02/2006 18:36)
Marozevo Aza manao tanimanga efa masaka re marina fa efa 40 taoana moa izy teo fa aleo lo manao otr@ ny zaza mutsy Fa ra ny fampianarandrazana no arahana tsy nisy lasa Kristiana ny olona rehetra
96. Achia ( 22/02/2006 18:49)
Paska =mandalo ngambany e satria Krjsty maty paska ho antsika stria Kristy nandalo ny fahafatesana fots iny otranzany le tany Egypte nandalo fotsiny JEHOVA namono ny lahimaton'ny Eyptiana mbola mety lava io kozy io a fa i Bedada zao mety mahay io
97. marozevo ( 23/02/2006 00:00)
Achia:

Marozevo Aza manao tanimanga efa masaka re marina fa efa 40 taoana moa izy teo fa aleo lo manao otr@ ny zaza mutsy Fa ra ny fampianarandrazana no arahana tsy nisy lasa Kristiana ny olona rehetra



Inona izany tanimanga efa masaka izany eh.. tsy azoko ka mba azavao azafady raha azo atao.
Fa voafetra ve ny taonan'izay mahazo miditra eto le aza ah..
Inona no tianao ho lazaina amin'ilay hoe fampianaran-drazana.
98. marozevo ( 23/02/2006 00:20)
dadabe > Tsy ianao akory no mirehareha na izaho, fa tohin'ilay Tenin'Andriamanitra raisinao ao ambony ao fotsiny io noraisiko io eh..
Fa maninona anefa moa raha samy mirehareha aza izaho sy ianao ? Raha mirehareha ao amin'ny Tompo isika tsisy olana io eh...
99. Achia ( 23/02/2006 13:18)
Ay le oe fampianarandrazana nge ny tiako tenenina de ny fombandrazana e .Tany Israely nge io no niala e ka raha ny olona rehetra nitana ze nametraky ny razany avy ho isy lasa Kristiana ve ny olona rehetra Aary ny hoe tanimanga masaka de zao refa vita volavola ny tanimanga lena ka atao ao anaty lafaoro de tsy mety hovana endrika tsony .Ary tsisy fetra ny taonan'izay mankany andanitra
100. dadabe ( 23/02/2006 14:00)
marozevo > ekena zokilahy a:):°)Achia> vakio ireo ambony rehetra ireo fa efa vita daholo izany e:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1223