paska , paques , paka

21. diamondra27 ( 23/01/2006 16:18)
paka=talohan'ny nisian'i Jesosy de efa nisy ny fanaovana fety paska, miakatra doly ny manodidina de manao fety , mankalaza ny lanonana.
Ka tandrifin'io zany le nahafatesan'ni Rajesosy, ka zay no nahatonga ny mpanjaka nanome safidy ny peuple oe iza no tianareo votsorana: barabasy sa Jesosy, de ny olona no nifidy an'i barabasy, de nanomboka t@iny no lasa fety Xna le paska ho fahatsiarovana Azy araka ny teniny, le hoe: raha mihinana sy misotro ity nareo de..... ataovy 'zao ho fahatsiarovana ahy.
Satria teo 'zany izy no niala aina ka nahatanteraka ny mission -ny,de ny nandatsahany ny rà-ny noho ny fahotantsika.ARY NITSANGANA TAMIN'NY MATY avy eo...hisolovava antsika eo anatrehan'ANDRIAMANITRA
22. booboo ( 23/01/2006 16:30)
dadabe > lavaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaa ! :^). Mba fintino oe azafady :°)
23. Veloo ( 23/01/2006 16:50)
za aloha tsy mahavaky e tena manao otran'izao ny masoko:^):^):^):^)
24. nani ( 23/01/2006 17:38)

ehehehe lava loatra ry dadabe an !! za klou tsy namaki ny retraretra ee , marary ny masonay !!8-)
25. diamondra27 ( 23/01/2006 17:49)
ka raha tapany fotsiny io de lazainareo fa tsy mazava indray satria tsy feno le izy

Mazotoa e!ny fety atao ihany
26. Veloo ( 23/01/2006 18:31)
:°):°):°)
27. marozevo ( 24/01/2006 00:02)
Tsotra ny hevitry ny teny hoe PAKA, na Paska :
PAKA = PASSAGE = FANDALOVANA.
Izany hoe ny Anjelin'ny Tompo nandalo nandripaka ny MATOAN'I EGYPTE; ny zanak'Israely NANDIA TANY MAINA (Nandalo) teo anivon'ny Ranomasina Mena. Ny Zanak'israely nandalo tany efitra. Ireo no tena lehibe ao amin'ny TT. Ny ao amin'ny TV indray dia i Jesoa NANDALO TAMIN'NY FITOERAN'NY MATY, ary velona mandrakizay, Avy eo ny mpianany mankalaza izany, tamin'ny voalohany isankerin'andro...
Ankehitriny dia mankalaza ny Paka isika raha mandalo avy amin'ny fahotana ho amin'ny fahasoavana, mandalo avy any amin'ny fahafatesana ho any amin'ny fiainana... sns...
Zay no mba hevitro. Tsy asiana referansy sao diso ka bedin'i dadabe.
28. diamondra27 ( 24/01/2006 00:22)
levitikosy 23:5 Ny andro fahaefatra ambin'ny folo@ volana voalohany, rehefa hariva dia PASKAN'i JEHOVAH.

De MANASA anareo HAMAKY ny baiboly LEVITIKOSY 23 rehetra mba hahafantaranareo ny lalàna ny @ fanamasinànanany fotoampivavahana voatendrin'i Jehovah
29. Veloo ( 24/01/2006 01:00)
30. dadabe ( 24/01/2006 14:26)
famintinana::
1-ny paka= famonoana ny zanak'ondry fa tsy ny nitsanganan'ny zanak'ondry ,
2-taloha dia ondry no novonoina fa izao i Kristy efa maty ho ahy sy ianao (zanak'ondry )=paska
3-isaky ny mihinana sy misotro ny ran'i Kristy dia manambara ny nahafatesany =paka, paska
4-" MALAGASY
8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, Izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao.
apokalypsy toko faha 13 andininy faha 8
ny zanak'ondry dia efa voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao =paska efa vita hatramin'ny ela fa fahatsiarovana sisa no ataontsika , ary efa namafisin'i Kristy =tsy misy resaka andro intsony fa resaka fiovana sy fibebahana isaky ny mihinana sy misotro ny rany ./.
VITA TOMPOKO:D

31. routa ( 24/01/2006 16:03)
misaotra dadabe :D
sy ny rehetra koa e!:D
32. Veloo ( 24/01/2006 19:15)
dadabe a ie zany mihtsy ka...:wink:
33. dadabe ( 25/01/2006 00:39)
merci e !! humm ary misy mikitika sahady le 666 le
34. marozevo ( 25/01/2006 01:01)
dadabe:

famintinana::
1-ny paka= famonoana ny zanak'ondry fa tsy ny nitsanganan'ny zanak'ondry ,
2-taloha dia ondry no novonoina fa izao i Kristy efa maty ho ahy sy ianao (zanak'ondry )=paska
3-isaky ny mihinana sy misotro ny ran'i Kristy dia manambara ny nahafatesany =paka, paska
4-" MALAGASY
8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, Izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao.
apokalypsy toko faha 13 andininy faha 8
ny zanak'ondry dia efa voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao =paska efa vita hatramin'ny ela fa fahatsiarovana sisa no ataontsika , ary efa namafisin'i Kristy =tsy misy resaka andro intsony fa resaka fiovana sy fibebahana isaky ny mihinana sy misotro ny rany ./.
VITA TOMPOKO:D





Ilay fahatelo nahoana no tsy tohizina tsara izay voasoratra. Izao no ao : manamara ny nahafatesan'ny tompo MANDRAM-PIAVINY... Aza adino io farany io, satria manambara ny tantara rehetra aty aorian'ny fahafatesan'i Kristy io.
Ilay fahaefatra tsy azoko loatra ilay hoe MALAGASY.
Fahatsiarovana sisa hoy i dadabe. Tsarovy fa ny dikan'ny hoe fahatsiarovana ao amin'ny Baiboly dia hoe MIMNESIS, izay tsy midika hoe souvenir, fa midika kosa hoe revivre.
Revivre = Ivelomana tanteraka indray ilay zava-nisy niandohana, fa tsy tsaroana fotsiny akory.
35. dadabe ( 25/01/2006 01:50)
oujyyy ahona koa ity MALAGASY ity ???:-w

36. Veloo ( 25/01/2006 16:50)
oujyy inn ko io? :-w:-w:-w
37. marozevo ( 26/01/2006 00:28)
Azafady fa misy teny diso io voasoratro eo ambony io, ka mety hanova hevitra : "manamara ny nahafatesan'ny tompo MANDRAM-PIAVINY...". ManamBara no izy fa tsy manamara... Ny manamara manko misy fototeny hoe MARA, tsy fotsy tsy mainty tsy mena... ary pejoratif ny hoe MARAMARA saina... ka sao dia mitovy firafitra amin'ny hoe MANAMAVO ny hoe MANAMARA.
fa inona ilay tian'i dadabe holazaina amin'ilay numero fahaefatra eh ? MALAGASY ?
38. dadabe ( 26/01/2006 11:07)
ka zah koa aza anie gaga hoe INONA IO MALAGASY nosoratako io e :-w:-w non zah mihitsy angamba no tokony hiala tsiny satria tsy hitako izay hidiran'io teny malagasy io eo e
39. Veloo ( 26/01/2006 15:42)
:-w:-w:-w
40. dadabe ( 29/01/2006 03:41)
:-w:-w:-w:-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1362