Resaka Sabata ?

81. routa ( 13/01/2006 15:20)
ay ve ka ny eglizy no nanova ny asabotsy fivavahana atry zay ho hivadika alahady e!
de aona ny didy folo ny hoe mankamasina ny andro sabata, miala ray zany ny didy folo lasa sivy ndray ko?
82. Veloo ( 13/01/2006 19:58)
oy i cutie oe:

routa zany an
arahina ho aiza hono???


Ny fanarahana an'i Jesosy tsy oe manara-body azy aky a fa manaraka izay lazainy... izany oe izay lazaina ao @ baiboly...
83. routa ( 14/01/2006 03:10)
misaotra veloo a!:D
84. dadabe ( 14/01/2006 06:24)
routa humm ny hoe didy 10 ve
andraso ary
raha azonao atao dia asio katesizy kely katolika+baiboly katolika+baiboly protestanta+didy 10 anglikana+ndeha hizaha (fampianarana protestanta)ilay boky nosoratan'i Pasteur RABEMANAHAKA Williberton DIA ATOVY eo akaikinao izao fa hianatra ny didy 10 isika , saika adinoko , apetraho eo ihany koa ny fampianaram-pinoana an'i loterianina , fa hanao fampitahana goavana isika :lol:

de izao a, sokafy ny baiboly ( na katolika na protestanta ) ao amin'ny
Eksodosy toko faha 20 :and 1-20 na bokin'ny Eksody toko faha XX andininy 1-20

lasa ary isika oay adinoko ny nampilaza anao hoe avy dia sokafy ilay fampianaram-pinona loterianina sy ilay andeha hizaha, ary ilay katesizy kely katolika , dia sokafy ihany koa ilay boky anglikana ao @ ilay hoe didy 10 :D

zay aloha fa hotohizana rehefa avy eo e :D
85. Veloo ( 15/01/2006 03:14)
odryyyy mbola lasa nikaly angaha ledada?:-D:-D:-D
86. routa ( 15/01/2006 04:20)
mbo gaga koa aho ko fa nankaiza teo ?nefa aho tena niandry ry veloo
dadabe aaaaaa!efa misokatra ny baiboly e!:D
87. dadabe ( 15/01/2006 08:04)
raha toa ka efa vonono isika dia alefako amizay ary a, nomena fotoana mihitsy anioe ianareo hakana baiboly amin'izay mba tsy ho izaho no miteny fa ny soratra no aoka hampitoviana.humm de zao ary :
88. dadabe ( 15/01/2006 08:16)
ndeha ary vakina aloha ny baiboly protestanta sy ny baiboly katolika de aseseho hatramin'ny voalohany ilay didy 10 fa mitovy daholo.tsy misy soratra banga fa ny hevitra anehoana azy fotsiny no misy mahasamihafa azy kely .

de jereo amizay ary ny fampianarana katesizy katolika fa miala tao ilay didy faharoa ao @ baiboly katolika , izany hoe raha ny baiboly katolika no jerenao dia ao ihany ilay didy faharoa manao hoe:"aza manao sarinjavatra voasikotra ho anao ...", fa rehefa jerena kosa nyu fampianarana katesiszy dia tsy ao intsony io didy faharoa io , izany hoe raha ny marina dia efa niala 1 izany ny didy katolika , fa naninona aza no feno 10 dia satria ilay didy farany indrindra ao @ baiboly katolika ilay manao hoe" Aza mitsiriritra fananan'olona..."dia nozaraina 2 noho izany dia feno ihany ny didy , lasa 10 :roll::roll: de

ity koa ao @ baiboly katolika dia misy hoe " mahatsiarova ny andro sabata ....", fa izao , niova ihany koa io ao @ fampianarana katesizy kely, satria lasa hoe mahatsiarova ny andro alahady:

zah raha milaza izany tsy sanatria mankahala olona fa milaza ny zavatra marina , ka asanareo re ! de jereo daholo ny fampianarana protestanta (Ndeha hizaha)sy ny an'ny anglikana ary ny an'ny loterianina fa mitovy avokoa, tsy misy nesorina sy nanampiana , afa tsy ny sabata ihany no niova kely izany hoe , ao anatin'ny fampianarany dia mahatsiarova ny andro sabata , fa ny fanatanterahana azy dia =mahatsiarova ny andro alahady izay didin'ny EGLIZY , aleo tonga dia mitsotra tahaka ny EGLIZY , ka raha manaja ny andro alahady izy dia marina eo anatrehan'ny didin'i EGLIZY fa ny ireo protestanta hafa izany dia ahona ?????

zay aloha fa aleo hisotro rano kely fa tsy mbola nifarana izy ity

ho an'ny namana izay afaka hanazava ilay faminaniana azon'i DANIELA ao @ toko faha 9and11 ka hatramin'ny farany dia mba azavao hoe azafady
:-w:-w
89. Vahinala ( 15/01/2006 09:17)
dadabe > ary tena mafana fo mintsy enao ty amin'ity resaka sabata ty an, fa ianao izany rehefa inona no mivavaka klou e ? :-*:-*
90. dadabe ( 15/01/2006 15:39)
vahinala> isaky ny mahatsiaro an'Andriamnitra aho dia mivavaka =miresaka aminy , fa ny andro izay natokany dia ezahiko hajaina, sao zah tsy mahazo fitahiana avy any aminy eo:D :*
91. Vahinala ( 15/01/2006 15:41)
dadabe > Eny e fa inn le andro natokana, sabotsy zany nenao ? ^:^^:^^:^:-*
92. dadabe ( 15/01/2006 15:49)
non !fa sabata :wink: :*
93. Veloo ( 16/01/2006 00:03)
ka naheno ny fahamarinana avy ao @ baiboly doly zao tsika rehetra ka antsika sisa no mifidy na hanaraka an'izay nolazain'i Andriamanitra ao @ baiboly na hanaraka izay namboharin-dra olombelona ...:wink:
94. dadabe ( 16/01/2006 01:43)
veloo zay!:wink:

vahinala>efa hoe sabata hoa fa trsy asabotsy 8)

fa ny sabata tokoa moa izany asabotsy ???? hummm de mivavaka asabotsy aho izay :^)
95. routa ( 16/01/2006 15:54)
misaotra betsaka an'Andriamanitra aho ary misaotra an'idadabe:D
de maromaroa ny fampianarana tahak'ireny tiko be fa t@ ity lesona ity tena tsapa miasa ny Jesosy afaka nahafantatra zavatra atramin'ny farany aho fa nareo no asa?
96. jentilisa ( 17/01/2006 09:20)
Ary ahoanakoa hoy ny jiosy momba ny sabata?
97. Veloo ( 17/01/2006 21:08)
jentilisa a ry zareo manaja an'ny sabata ka.. fa tena extreme be aiza lesy ko tsy mahazo mitondra tomobila fa tsy maintsy mande tongotra @ sabata. Ny ascenceur tsy mande @ sabata any miami hihihihiih
98. dadabe ( 18/01/2006 01:41)
jentilisa > fa angah moa tsy misy soratra hoe " fa tsy misy intsony na jiosy,na jentilisa na andevo na tsy andevo ........" ?:-w
99. dadabe ( 18/01/2006 02:54)
ary mbola misy fanotaniana tsy voavaly etsy ambony etsy hoy aho hoee
sa dia mba misy afaka manazava ilay andala-tsoratra masina ao @ bokin'i daniela toko faha 9 ,mmanomboka ny andininy faha 11 ka hatramin'ny farany

marozevo miandry anao 8)
100. dadabe ( 19/01/2006 11:46)
humm azafady fa nanoratra diso aho, ity ilay versee tiko mba ho hazavain\'ny namana
Daniela toko faha-9 :24-27
\"...Fitopolo herinandro no voatendry ho an\'ny firenenao sy ny tanananao masina hahatapaka ny fahadisoana sy ny hanampiana ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombokase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masina indrindra.Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin\'ny hivoahan\'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an\'i jerosalema ka hatramin\'ny Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa ambienipolo herinandro , hamboarina indray ny lalana sy ny hady dia 2 izay andro mampahory, ary rehefa afaka ny roa ambienipolo herinandro dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana;ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina ;ary ny farany dia hisy safotra , ary hatramin\'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.Ary hanorina fanekena ho herinandro amin\'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsadra sy ny fanatitra hafa hatramin\'ny antsasaky ny herinandro, amin\'ny maro, ary amin\' ny elatry ny fahavetavetana no hiavian\'ny mpandrava, hatramin\'ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin\'ny mpandrava \"


mba ampio hoe zah ry zareo hanazava an\'io fa misy hifandraisany 2 sabata manko izy io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2724