Resaka Sabata ?

61. dadabe ( 11/01/2006 14:20)
:-@:-@
62. routa ( 11/01/2006 15:02)
cutie>Jesosy no harahant-sika fa tsy olona e! 8)
63. cutie ( 11/01/2006 15:20)
routa zany an 8)
arahina ho aiza hono???
64. Veloo ( 11/01/2006 20:01)
dadabe a "covenent" lesy a pacte
65. marozevo ( 11/01/2006 23:35)
dadabe > tsy mihinana am-bolony mihitsy aho ka.. tena mandinika sy mandalina, fa dia io no fahazoako azy. Tsara raha vakiana miaraka manontolo ny Filazantsaaran'i Joany dia .... Nefa lava loatra ka !
fa ny mahagaga ahy dia ity... Izay indray aho vao naheno hoe SABATA PASKA. Inona indray io ? Inona no mahasamihafa azy io amin'ny sabata hafa.
66. dadabe ( 12/01/2006 02:44)
hoy i marozevo
ao amin'ny TV io vakianao io. Tsy vakiana fahatany na ara-bakiteny akory ny Baiboly, fa vakiana avec reflexion et avec intelligence

izany hoe mila mianatra any @ kolejy teolojika ve izany ??

nefa anie jereo tsara fa izao no voalazan'ny tenin'Andriamanitra " ny adala sy ny votsa saina @ izao tontolo izao no natsoina mba hampahamenatra ny hedry , ary ny olona fanivaiva sy fanevateva " I-kort-I :26-

de hoy koa i marozevo
lava loatra ka !
fa ny mahagaga ahy dia ity... Izay indray aho vao naheno hoe SABATA PASKA. Inona indray io ? Inona no mahasamihafa azy io amin'ny sabata hafa.


eny tena misy ihany koa ny sabata paska , ary efa niditra ihany ianao dia hanomboka hanazava amizay ilay resaka 3 andro sy 3 alina aho , mbola problematika fotsiny no napetraka tery ambony

zao manko ry marozevo ilay izy raha haintsika ny andro nahafatesan'i Kristy sy ny nitsanganany dia tsy hisy izao resaka izao , , ny volaza anefa dia hoe " ny zanak'olona dia tsy maintsy mandeha araka izay nanoratan'ny mpaminany sy ny mpanao salamo azy " lioka 24:24, izany hoe tsy tokony hisy adihevitra izany fa tsy maintsy voasoratra ao anaty baiboly io andro nahafatesan'ny Kristy io sy ny nitsnganany , ny marina kokoa dia efa tokony ho voalazan'ny mpaminany tany aloha dia manatanteraka fotsiny i Kristy.

mpaminany iza anefa ? ary vanipotoana oviana? no nilaza ny andro hitsanganan'i Kristy , marihina ihany koa fa na i Kristy aza dia niaiky fa ilay Kristy sandoka dia hahavita fahagagana sy famantarana amin'ny anarany , ka na ny olomboafidy az dia hofitahiny .

mahereza mandinika baiboly ry namana alohan'ny hamaliko azy
67. majesty ( 12/01/2006 03:34)
Angolaina : ary curieuse an :D de shuuuuut! fotsiny e
68. majesty ( 12/01/2006 03:48)
dadabe:voalohany indrindra aloha dia tsy voafaritra hoe inn no fivoriana nataon'ireo mpisorona ireo t@ io andro io fa azo lazaina hoe fivoriana fotoam-pivavahana ihany satria ry zareo dia tena anisan'ny strict @ fitandremana io andro sabata io.
Faharoa:fa isaky ny inn kay no fankalazana ny paska t@ andron'i jesosy e,fa raha dinihina ange ny soratra masina dia i jesosy sy ny mpianany koa ka efa nankalaza ny paska talohan'ny nahafatesana e,ka teo indrindra no nilazany t@ mpianany an'ilay anankiray izay hamadika azy.
fahatelo:noho ny naha-sabata ny andro no tsy nahafahan'i Maria nanosotra ny fatin'i Jesosy t@ io fotoana io ka nahatonga azy ireo niverina ny alahady maraina.
fahaefatra:ny antony tsy nitsanganan'i Jesosy t@ maty koa raha tsy ny alahady dia satria nanao ny sabata fitsaharana tao am-pasana izy,ka anisan'ny nahafeno an'ilay telo andro izay nitsanganany.
Fahadimy:ny filazana fa handry telo alina sy telo andro ao am-pasana ny tompo toy ny t@ andron'ny Jonah de nisy olana teo t@ fandikana ny soratra masina satria ny tiany ho lazaina t@ io dia ny hoe ho toy ny t@ andron'i JONAH ihany @ andron'i Jesosy ny fon'ny olona ka na dia hitory eny ho faty aza izy dia mbola maro ihany no tsy mino izay misy ifandraisany t@ tany ninive satria mbola noravaina ihany ange i ninive taty aoriana na dia efa nitory aza i Jonah e
Dia aok'izay klou fa reraka za fa refaveo ndray :D
69. olona ( 12/01/2006 09:25)
eprom:

Fanontaniana manitikitika hafa ( momba ny sabata andro fahafito ihany ):
De ahoana moa izany raha mipetraka any @ volana? na eny @ ireny station orbitale ireny? ahoana no andrefesana ny andro fahafito? ny oran'ny gmt sa ny an'ny cap canaveral? Ny andro resahanareo ity ve ilay faharetan'ny fihodin'ny tany @ tenany? Sa hatreo @ filentehan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany manaraka indray? Dia ahoana izany ny any amin'ny tendron-tany, rahoviana vao ho andro fahafito raha in1 isa-taona aty amintsika vao milentika io masoandro io?



Za koa torak'izany ihany, fa mihevitra aho fa ny filentehan'ny masoandro no ijerena sy anisana azy. De hisy tokoa raha izany ny tsy manao sabata raha tsy isaky ny 3 taona, de aveo manao sabata 6 mois.
Raha tsy izany dia oran'ny gmt no arahina.
70. olona ( 12/01/2006 10:07)
Ity misy fomba fijery ara-kajikajy.
Sabata dia ekena fa voasoratra mivantana ao amin'ny baiboly.
Ny alahady kosa dia olona no nametraka azy.

ireo mpanaraka na ny ankilany ny andaniny dia samy manana fanohanan-kevitra.
Indrisy anefa fa Andriamanitra irery ihany no mahalala izay tena izy.
De ahoana zany.

Ny sabata aloha efa ekena ny fisiany sy ny efa fanajana azy. Ary soratanan'Andriamanitra no nanamarihana azy.
Raha arahina zany io mety ho marina kokoa satria tsisy manafoana azy ny Soratra masina ary tena direct mihitsy ny filazany .
Raha alahady kosa no arahina dia tsisy soratra miteny direct an'io ao ka tsy bebe noho itsy iray ny herijika hahamarina azy.
Ahy ny safidy, antsika ny safidy.
71. dadabe ( 12/01/2006 10:47)
:-@:-@

majesty> vetivety fotsiny a
72. Vahinala ( 12/01/2006 11:11)
Samy manana ny heviny daholo zany nareo e, fa raha fintinina zany dia inona marina ilay hoe sabata e ? :-w:-w:-w
Nena aloha averiko indray sabata=andro fitsaharana natokana hiderana an'Andriamanitra sy hamonjena fiaraha mivavaka, ho any FJKM alahady izy io. VIta tompoko.
73. stephan ( 12/01/2006 13:32)
Raha tsy Mailhol i dadabe dia mpanaraka ny apokalypsy!

ny resaka telo andro sy telo alina dia theorie fa ravan'ny voasoratra ao amin'ny testamenta vaovao raha vakiana ny momba ny andro nanombohana an'i Jesoa sy ny andro nitsanganany tamin'ny maty.

Ny andro alahady dia tsy lalàna napetraka toy ny atao amin'ny zaza fa fanasana toy ny amin'ny fampakaram-bady. Tsy nipetraka foana ny resaka fampakaram-bady ao amin'ny apokalypsy raha tsy nisy izay fanasana izay. Ny olona efa lehibe mamtetika no asaina! ny ankizy manaraka ho azy raha mbola kely.

Ny lalàna dia natao hanasaziana izay tsy manaraka azy. Ny fanasana kosa dia araka ilay ohabolana malagasy manao hoe nanasa vahiny tsy tonga ka sady voky no afaka adidy!

Tsy natao hampitahorina intsony ny olona lehibe amin'ny finoana fa ny asa dia nanamarika ho an'ny jentilisa fa ny fijangajangana sy ny hena aterina amin'ny sampy ary ny rà ihany no fadiana...tsy noterena koas ny fanarahana ny andro sabata sy ny famorana...

matotra be aho izany fa aleo ny hafa indray no manoratra.
74. dadabe ( 12/01/2006 14:22)
vahinala > hummmm:* :-$
75. naritsimba ( 13/01/2006 03:35)
hevitro ihany ity fa notakarina tao anatin'ny Filazantsara na ny vaovao mahafaly:
1-Tsy voafaritra mihitsy ary ts nosoratan'ny mpanoratra ny Filazantsara fa Alatsinainy na Alahady na Sabotsy na inona akory ny andro voalohany na fahafito.
2-Manana safidy ny tsirairay fa ny iraisan'ny rehetra izay mitovy foto-pinoana dia: sabotsy ho an'izay mitovy hevitra aminy, Alahady ho an'izay manaiky an'izay, Talata ho an'izay mino an'izany, Zoma ho an'izay tsy te hanaraka ny hafa.
3-Ny sabata izany dia manan-tsafidy ny olona rehetra fa rehefa vonona ny hanaja ny sabatany izy ka manokana fotoana mba hiderana an'Andriamanitra dia izay no izy fa tsy voafetra akory.
4-Na aiza na aiza, na firy na firy no mivory @ anarako hoy Jehovah dia eo afovoany aho, (na roa na telo eny na dia ianao irery aza dia antsoy aho fa hamaly anao)

Misaotra e!
76. majesty ( 13/01/2006 04:01)
naritsimba:aiza kosa e!tsy miombon-kevitra aminao @zany kosa za,ny antony ivavahan'ny fiangonana alahady dia efa fanta-poko fanta-pirenena raha manaraka tantara ianao,ary ekena fa samy manana ny sabatany ny tsirairay avy,raha ataonao alahady dia sabatanao zany ny alahady,raha talata no tinao atao sabata dia sabatanao irery zay ka tsy idirako fa ny an'Atra ange ka efa voalaza mazava hoe ny andro fahafito no sabatany e!
vahinala:dia ilay alahady izany sabatan'ny FJKM raha izany fa tsy an'Atra ve?:-w:-w
77. dadabe ( 13/01/2006 07:50)
hummmm zah aloha tsy mbola hamaly fa miandry kely
78. jentilisa ( 13/01/2006 11:54)
fa ahoana hoy ny tantara?
79. dadabe ( 13/01/2006 14:07)
le resaka sabata e, efa mazava aloha hatramin'izao fa ny sabata izany dia an'I JEHOVAH satri Izy no Tompony , ary mandidy ny olony Izy hiankohoka @ andro sabata , etsy ankilany (araka ny voalazan'ny namana ) dia misy ny alahady Izay ny Katolika no tompony , ary mandidy ny olona izy hiankohoka @ andro alahady .


araka ireo voalaza eo ambony ireo izany a.
80. andry44 ( 13/01/2006 15:00)
Io ilay dov notadiaviko efa ele ry Dadabe fa misaotra a!
ty ihany koa misy tahirinkevitra omeko anareo
FIVOASANA KATESIZY nosoratan'i REV PERE CADET (1929) mikasika ny andron'i Tompo

"Ny hoe andron'i Tompo dia andro fialantsasatra izay nantsoin'ny jody hoe sabata, andro farany @herinandro , asabotsy , fa izao amin'ny maha Kristianina antsika izao dia nosoloina alahady ny andron'ny Tompo, mba ho fahatsiarovana ny nitsanganana'ny Tompo t@ maty,tsy ny soratra masina anefa no nanova ny sabata (asabotsy ) ho andro fialantsasatra fa ny EGLIZY satria izy ireo no nandray fahefana tamin'ny apostoly .
koa raha tsy mahalala hafa tsy ny soratra masina ny protesta, dia aoka izy hankalaza ny andro sabata (asabotsy ), fa ny fankamasinany ny andro alahady dia tsy maha-protestanta azy fa mahatonga azy ho katolika ":
raha tsy ekenareo io dia i rev pere Cadet no tokony hoteneninareo satria zah mitatitra fotsiny , sy mana,mafy fa ny alahady dia noforonin'ny EGLIZY fa tsy ara-tsoratra masina.

Marina io fa ny Eglizy Katolika Romana no nanova ny Sabotsy(Sabata) hoi Alahady araka ny tantara efa nolazaiko tery am-boalohany!
io dia asan'ny sain'olombelona ranofotsiny hitazonanany ny pouvoir t@izany fotoana izany;
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.088