Resaka Sabata ?

21. dadabe ( 08/01/2006 08:25)
routa > marina izany
Mpandefa : hery [ Valio ] 08-01-2006 00:19:25
Lohateny : Re : Resaka Sabata ?
dadabe> raha horasina ara-bakiteny daholo dia tokony ho tao ankibon'ny tany i Jesoa... dia rehefa nivoaka avy ao dia feno vovoka be

Raha ny famantarana tamin'i Jonah irery ihany dia tokony tsy ho novonoina izy fa tokony ho nalatsaka tany anaty rano?

tena iianao mihitsy sefo no tena mihinana ambolony , marina e, asa na mitovy ny baibolintsika fa izao no voasoratra ao matio 12:38-40: Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny fariseho namaly Azy ka nanao hoe:Mpampianatra oo, ta ahita famantarana avy aminao izahay?Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe :Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra -pitady famantarananefa tsy hisy famanatarana omena azy hafa tsy ny famanatarana ny @ i Jonah mpaminany,fa tahaka ny hitoeran'ny Jonah hatelona andro sy hatelona alina tao anatin'ny kibon'ny hazandrano lehibe dia ho tahaka izany koa no hitoeran'ny zanak'olona hatelon'andro sy hatelon'alina ao ankibon'ny tany

asa na mahay mamaky teny ianao na tsy fa tsy misy soratra mihitsy eo manao hoe hitoetra 1andro sy 2 alina ao ankibon'i tany ny zanak'olona ary raha toerinao io dia tsarovy fa tsy i dadabe no nilaza izany fa io KRISTY no nilaza azy , dia ny tenin'i Kristy mihitsy izany no notoherinao

Ity ihany koa misy tahirinkevitra omeko anareo
FIVOASANA KATESIZY nosoratan'i REV PERE CADET (1929) mikasika ny andron'i Tompo

"Ny hoe andron'i Tompo dia andro fialantsasatra izay nantsoin'ny jody hoe sabata, andro farany @herinandro , asabotsy , fa izao amin'ny maha Kristianina antsika izao dia nosoloina alahady ny andron'ny Tompo, mba ho fahatsiarovana ny nitsanganana'ny Tompo t@ maty,tsy ny soratra masina anefa no nanova ny sabata (asabotsy ) ho andro fialantsasatra fa ny EGLIZY satria izy ireo no nandray fahefana tamin'ny apostoly .
koa raha tsy mahalala hafa tsy ny soratra masina ny protesta, dia aoka izy hankalaza ny andro sabata (asabotsy ), fa ny fankamasinany ny andro alahady dia tsy maha-protestanta azy fa mahatonga azy ho katolika "
:
raha tsy ekenareo io dia i rev pere Cadet no tokony hoteneninareo satria zah mitatitra fotsiny , sy mana,mafy fa ny alahady dia noforonin'ny EGLIZY fa tsy ara-tsoratra masina.

mbola hitohy
22. marozevo ( 08/01/2006 23:03)
Marina fa noforonin'ny Eglizy ny Alahady... saingy noforonina niainga avy amin'ny Evanjely (Filazan-Tsara), satria ny ANDRO FAHATELO aorian'ny hahafatesany(fa tsy hoe afaka telo andro) no nitsangan-ko velona i Jesoa KRISTY.
Momba an'i Père Cadet, kosa ry dadabe dia somary misy polemique kely ihany ny azy satria angamba nitaky izany ny vanim-potoana nanoratany. Raha taorian'ny 1982 no misy manoratra mitovitovy amin'io dia mety ho nanahirana ihany.
23. Veloo ( 09/01/2006 00:18)
marovezo a jereo anie ilay noteneniko etsy ambony etsy.. ary ahona ary zany fikotinao ny andro zany? moa ve tsy mankalaza ny paska ny olombelona? inn no dikan;ny paska? ka ataovy ny logique oe raha alahady ny andro voalohany dikan;izany sabata no andro fahafito .... jereo matio 28:1, mark 15:42, mark 16, 1
24. dadabe ( 09/01/2006 06:50)
marozevo > ianareo hoaa aza manova izay voasoratra sao adinan'i Tompo aminao anie izany aoriana kely ao e .marina e

[quote]matio 12:38-40: Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny fariseho namaly Azy ka nanao hoe:Mpampianatra oo, ta ahita famantarana avy aminao izahay?Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe :Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra -pitady famantarananefa tsy hisy famanatarana omena azy hafa tsy ny famanatarana ny @ i Jonah mpaminany,fa tahaka ny hitoeran'ny Jonah hatelona andro sy hatelona alina tao anatin'ny kibon'ny hazandrano lehibe dia ho tahaka izany koa no hitoeran'ny zanak'olona hatelon'andro sy hatelon'alina ao ankibon'ny tany[/quote]
dia mbola hovain'i marozevo ihany ve io ?? efa i Kristy anie no milaza eto e hoe 3 andro sy 3 alina

mbola nametraka problematika aho dia miandry ny namana hamaly izay zah vao hanazava an'io (araka ny soratra masina ) hoporofoana @ marozevo ny maha tsy mitombona an'io andro alahady hiankohofana io , fa asabotsy sabata an'i JEHOVAH no izy :D
25. olona ( 09/01/2006 08:23)
dadabe:

araka ny resaka nandeha tao ambadika tao dia indro hosokafako ilay resaka mikasika ny sabata :

fepetra:
1-lazao ary hoe inona no atao hoe sabata? omeo ny porofo?
2-taiza no nipoiran'ny teny hoe sabata voalohany ?
3-mbola ilaina ve ny sabata @ izao andro ianinantsika izao?
4-lazao izay hevitra fantatrao mikasika ny sabata
misaotra tompoko


dadabe:

1-lazao ary hoe inona no atao hoe sabata? omeo ny porofo?

- andro mifanandrify amin'ny andro sabotsy. Miatomboka ny zoma maty masoandro ka mifarana sabotsy maty masoandro.
- andro manokana fanompoana an'Andriamanitra Jehovah, fitsaharana, andron'i Tompo( Jesosy ).
dadabe:

2-taiza no nipoiran'ny teny hoe sabata voalohany ?

Araka ny fahalalako dia ao amin'ny baiboly ihany.
dadabe:

3-mbola ilaina ve ny sabata @ izao andro ianinantsika izao?

Tena mbola ilaina ho an'izay mieritreritra fa tena kristianina marina.
Kristianina midika mpanaradia an'i Kristy. Ny Kristianina voalohany fantako zao dia ny apostoly.
Raha nitandrina ny sabata Jesosy (Jesosy tena nitandrina ny sabata) dia mila mitandrina sabata koa zany ny mpanaradia azy. Taiza ao amin'ny baiboly no milaza fa tsy mitandrina sabata ny apostoly rehefa niakatra any andanitra Jesosy. Jereo ange ny boky Hebreo fa ao ny apostoly manainga antsika hiditra amin'ny andro fitsaharana.
Didin'Andriamanitra rahateo io. Nahoana ianao no milaza fa ratsy ny mangalatra, ratsy ny mijanganjanga, sns moa va tsy zavatra tsy tian'Andriamanitra daholo reo? Nolazaina ao amin'ny didiny zany. Ka aona ary no tsy ho jerena ny didiny mikasika ny sabata izay indray navoaka tamin'ireo ihany. Kanefa raha diso amin'ny didy iray dia diso amin'izy rehetra. Tokony hotandremana daholo zany izy rehetra eh.
Efa voalazan'i dadabe moa ny momba ny faharetan'ny olona masina dia ny mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.
dadabe:

4-lazao izay hevitra fantatrao mikasika ny sabata
misaotra tompoko

Famantarana ny maha kristianina izy io, satria io dia famantaran'Andriamanitra ny olony.
Misy tombotsoa be azo avy amin'ny fanaovana repos ao anatiny herinandro, ka ny voatendrin'i Jehovah dia ny Sabata.


26. dadabe ( 09/01/2006 12:40)
humm de ahona izany ny alahady ?? nefa hoe i Jesosy nitsangana t@ andro voalohany ?? ny mahagaga manko dia ity ,eken'ny olona sasany fa sabata =andro fitsaharana=andro farany @ herinandro , ary ny alahady dia andro voalohany , fa tsy mety hanaiky mihitsy izy hoee , ny sabata anie ka ara-tsoratra masina fa ny alahady noforonin'olombelona e,
27. hery ( 09/01/2006 13:00)
dadabe> tsotra anie izany raha izany e.

Asabotsy na sabata ny an'i Jehova Marina io :-)
Alahady na andro voalohany amin'ny herinandro no an'i Kristy sy ny Kristianina.

Azo iverenana vakiana daholo koa aloha ny Matio toko faha 5 manomboka @ and. 13
28. olona ( 09/01/2006 13:51)
dadabe:

humm de ahona izany ny alahady ?? nefa hoe i Jesosy nitsangana t@ andro voalohany ?? ny mahagaga manko dia ity ,eken'ny olona sasany fa sabata =andro fitsaharana=andro farany @ herinandro , ary ny alahady dia andro voalohany , fa tsy mety hanaiky mihitsy izy hoee , ny sabata anie ka ara-tsoratra masina fa ny alahady noforonin'olombelona e,

za manaiky fa alahady dia noforon'olombelona ho andro fivavahana fa tsy araka ny nataon'i Jehovah.

hery:

Asabotsy na sabata ny an'i Jehova Marina io
Alahady na andro voalohany amin'ny herinandro no an'i Kristy sy ny Kristianina.

Raha tsy diso aho dia nilaza Kristy fa izy sy ny Ray dia iray ihany(izay no antony anajan'i Kristy ny sabata, satria Azy ihany io andro io!!) Ka raha kristianina ianao ry namana Hery tokony hanaja ny Sabata tahaka azy koa.
Sady raha halalinina anie tsy alahady zany Jesosy no niala tao ampasana eh !! vao maika zao hihamafy ndray ny adi-hevitra an !!!
29. dadabe ( 09/01/2006 15:02)
hoy i hery
Asabotsy na sabata ny an'i Jehova Marina io
Alahady na andro voalohany amin'ny herinandro no an'i Kristy sy ny Kristianina.

Azo iverenana vakiana daholo koa aloha ny Matio toko faha 5 manomboka @ and. 13


de mazava izany araka ny nolazan'i olona fa i Kristy SY rAY dia Iray ihany , ka raha an'ny Ray ny sabata =an'i Kristy koa izany , " fa tompon'ny sabata ny zanak'olona"

hoy i hery

Azo iverenana vakiana daholo koa aloha ny Matio toko faha 5 manomboka @ and. 13

dia ahona fa izao no hitako tao "Ianareo no fanasin'ny tany, fa raha ny fanasina no tonga matsatso dia inona indray no hahasira azy ......"

inona kay ny hafatra tian'i hery hampitaina amin'io fa tsy azoko ???
30. routa ( 09/01/2006 15:44)
zavatra roa samy hafa reo ny ray sabata ny ray alahady tsy azo atambatra tsy azo ampitoviana koa.
31. cutie ( 09/01/2006 18:54)
sabata= asabotsy
zay ihany no haiko :)
32. Veloo ( 09/01/2006 19:24)
cutie a marina zany ka... :-*
33. hery ( 09/01/2006 19:57)
Fa toa imbedabe i Jesoa no tsy nitandrina ny sabata kah... toa nifamaly tamin'ny fariseo mihitsy aza izy indraindray dia hozy ny navaliny azy hoe (hono) "Tsy ny olona no natao ho an'ny sabata fa ny sabata no natao ho an'ny olona".
Imbetsaka mantsy izy no nanasitrana (niasa raha atao hoe asany le nanasitrana) tamin'ny andro sabata sns... kanefa de novaliany hoe (raha am0'zao fotoana zao) "Raha ianareo ve no tratran'ny panne any amin'ny dezaka ny tomobilinareo kanefa ianareo mitondra zazakely kanefa ny andro sabata dia tsy hanamboatra ny tomobil nareo? Raha tsisy fika afatsy izay?" (raha am'zao fotoana izao dia niteny an'io izy :-) )
34. Vahinala ( 09/01/2006 21:17)
Ny anay aloha dia ny alahady no andro fitsaharana e, ny alahady no natokana ho an'Andriamanitra, handehanana mamonjy fiaraha-mivavaka.
35. dadabe ( 10/01/2006 00:39)
Mpandefa : Vahinala [ Valio ] 10-01-2006 01:17:38
Lohateny : Re : Resaka Sabata ?
Ny anay aloha dia ny alahady no andro fitsaharana e, ny alahady no natokana ho an'Andriamanitra, handehanana mamonjy fiaraha-mivavaka.

hehehe manamasina an'Andriamnitra ekena fa Andriamnitra iza??

Mpandefa : hery [ Valio ] 09-01-2006 23:57:24
Lohateny : Re : Resaka Sabata ?
Fa toa imbedabe i Jesoa no tsy nitandrina ny sabata kah... toa nifamaly tamin'ny fariseo mihitsy aza izy indraindray dia hozy ny navaliny azy hoe (hono) "Tsy ny olona no natao ho an'ny sabata fa ny sabata no natao ho an'ny olona".

tsy hono fa tena marina satria Izy no tompon'ny sabata , ohatra iza no tompon'ny serasera .org "?? i hery noho izany azonao atao ny mampiasa an'io ary tsy misy afaka ny hanery anao sy hisakana anao , na hi banni anao, fa raha izaho izay tsy tompony fa inviter no hanao izay tiko atao,dia mety ho banni aho na ho voasazy ,
de io koa i Kristy azoony atao ny manao izay tiny atao @ sabata satria Izy no Tompony , fa zah sy Ianao inviter-ny , hoe avia midira satria io sabata io dia natokana ho ahy sy ho anao , saingy tsy Tompony isika fa inviter, izany hoe tsy misy fanerena ,
zao no voasoratra Eksodosy 20:8"Mahatsiarova ny andro sabata ....tsy misy hoe tsy m,aintsy fa karazana fangatahana hoe mahatsiarova noho izany libre izaho sy ianao hisafidy na hiditra ao @ sabata na tsy hiditra
36. majesty ( 10/01/2006 06:06)
SABATA= Andriamanitra mihitsy no nanao azy mba hitsaharana (Andriamanitra tsy mety reraka nefa dia nitsahatra izy t@ andro fahafito ho ohatra ho an'ny olony)
SABATA= Andro nivavahana tany @testamenta taloha
SABATA= Andro nivavahana tany @ testamenta vaovao(oh:jesosy isaky ny sabata dia tany @ tempoly)
SABATA= Ny mpianatry jesosy kou dia mbola nitandrina io sabata io na dia efa niakatra tany an-danitra aza ny tompo
SABATA= Voalazan'ny Isaia mpaminany t@ fahitana momba ny fiainana any an-danitra fa "isaky ny voaloham-bolana sy isaky ny sabata dia avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako hoy Jehovah" izany hoe mbola ny SABATA ihany kou izany no andro ivavahana refa tonga any an-danitra
SABATA= Noraketina ao anaty didi folo mihitsy ho tehirizin'ny taranaka fara-mandimby.
Dia mipetraka @zay ny fanontaniana hoe raha nanaja ny andro sabata ny testamenta taloha sy ny vaovao ary io no mbola hivavahan'ny voavotra refa any an-danitra dia mbola tokony hivavahana ve izany zao sa ahoana ?:roll:
37. eprom ( 10/01/2006 07:13)
Hono ho'a
Inona no tian'ny Paoly ambara ao @ Romana 14:5-6. Sabata ve?
Misaotra an'izay mahay
38. dadabe ( 10/01/2006 07:51)
eprom a> somary soraty eo ilay andinintsoratra msina satria misy tsy mana baiboly teny gasy ny sasany fa @ teny anglisy na teny frantsay

majesty> ekena

fa tsy mbola nivaha anie ilay olana e, hoe Jesosy nilaza fa 3 andro sy 3 alina izy no ao ankibon'ny tany , ny andro 1 anefa dia misy alina ary misy maraina , de ny andro manomboka ny maty masoandro ary mifarana ny maty masoandro

zao amnko raha fantatra ny nitsanganan'ny Kristy dia tsy hisy fisalasalana fa izay no androny ary dia izay no tokony hiakohofana (raha asabotsy dioa asabotsy izany , raha alahady dia alahady izany)
39. majesty ( 10/01/2006 08:22)
Ka mazava be ange dadabe fa ny alahady no andro nitsanganan'ny tompo e,izany no mahatonga an'lay hira protestanta hoe"Alahady andro tsara,andro nitsangananao",ary raha mamaky ny tantara fohy ny eglizy katolika ianao izay nosoratan'i mp GIVELLET tany fianarantsoa,pejy faha 52 angamba izy zay fa tsy tadidiko loatra dia tena ireharehany mintsy ny filazany famanana fahefana afaka hanova ny andro sabotsy izy andro tokony hivavahana ho lasa andro alahady ry zareo.
Dia andraso aloha za hisakafo de refaveo valiko le 3andro sy 3 alina
40. Vahinala ( 10/01/2006 08:36)
majesty:

Ka mazava be ange dadabe fa ny alahady no andro nitsanganan'ny tompo e,izany no mahatonga an'lay hira protestanta hoe"Alahady andro tsara,andro nitsangananao",ary raha mamaky ny tantara fohy ny eglizy katolika ianao izay nosoratan'i mp GIVELLET tany fianarantsoa,pejy faha 52 angamba izy zay fa tsy tadidiko loatra dia tena ireharehany mintsy ny filazany famanana fahefana afaka hanova ny andro sabotsy izy andro tokony hivavahana ho lasa andro alahady ry zareo.
Dia andraso aloha za hisakafo de refaveo valiko le 3andro sy 3 alina



Hummm majesty za tsy mahay manazava fa tena mba lazao azy tokoa zay fahafantaranao azy.

dadabe > Ianao zany mieritreritra fa raha mivavaka alahady izahay dia Andriamanin-kafa no hivavahanay ???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.291