Ianareo Protestants.

61. dadabe ( 10/05/2005 17:24)
:{ :{ :{
62. Mifenty ( 10/05/2005 18:58)

oay le.

raha resaka protestation, izany hoe ny maha propestà sy ny sisa no jerena dia i Jesoa, Zezo, Jeseosy, Iesosy, sy ny tsy aiko koa, fenoy io radada a, Imanoela sns.

Izy no filohany raha nanohitra ny fitondrana jiosy izy.

Izy ny filohany raha nanohitra ny fivavahana jiosy izy.

Izy no nitarika nisintaka voalohany raha nitarika ireo antokon'olona hanara-dia azy. izaho anisany manara-dia Azy.

Noho izany dia protestant doly anie tsika zany eh.

Fa taty aoriana vao nisy oe
Katolika = église universelle.
Katolika romana = fiangonana nanohitra sy nisintaka tamin'ny katolika (église universelle)
Protestant isan-karazany = fiangonana nanohitra sy nisintaka tamin'ny fiangonana katolika (église universelle).


Ka tsy aiko tsony fa zay ny fahitako azy.
63. dadabe ( 10/05/2005 19:18)
:{ :{ :{
64. fijo ( 10/05/2005 21:32)
voafenty aby izany ny kato kle
65. maditra ( 10/05/2005 22:07)
Io no famenteny azy koa inona koa no hoteneninay eo. Izy ihany no voafenty fa izahay efa tsy te hanaraka intsony dia naleo nangina. Fa ny zavatra fantatro fotsiny dia tsy misy porofo manamarina izany izy fa juste mba te hiteny ihany mba te hametraka en Kestion ny originalite-n'ny finoanay. tsy mahagaga izany, Protestanta izy.
66. marozevo ( 11/05/2005 00:52)
Azon'i Hery tsara ny zavatra tiako hahatongavana, misaotra anao. Ny zava-misy voa-janahary ao amin'ny sain'ny olona manko dia izao : Atodika any ivelany (any amin'ny hafa) ny fijery mba tsy hahitany ny ao anatiny. Ohh Sarotra azo ve io hevitra io ?? Na izaho aza sahirana milaza azy, fa aza fady.
Ny hoe identité ve ? Marina tokoa fa Kristianina no identité, nefa eo ihany ianao ry booboo dia milaza dia efa manamarina ny laaiko. Ho anao ny tsy kristianina dia miavaka satria tsy kristianina. Donc raha fintinina dia izao :
Protestants = Non catholiques
Tsy Kristianina = Non Chretiens.
tsy mitovy ihany ve io ?
Fa ny tena tokony ho dinihina anie dia ny hoe : Nahoana aho no Catho na Protestant eh.. Inona no zavatra inoako miavaka noho ny an'ny Catho (na ny Protestant)... Inona no azoko sintonina avy amin'ny finoan'ny hafa... Hatraiza ny fahafahako maneho ny finoako... sy ny sisa.
Mety ho vita ihany, na dia ho sarotra dia sarotra aza, ny firaisam-pinoana, raha samy MIEZAKA MIAINA TSARA NY FINOANY aloha ny tsirairay.
67. fijo ( 11/05/2005 05:01)
asa fa za aloha tsy ao ka mifanaraha ao ianareo e
68. Narilala ( 11/05/2005 06:15)
Mifenty: mba hafa indray izany fomba famaky sy fandraisanareo ny momba an'i Kristy izany. I Kristy tompoko dia tsy nanohitra mihitsy ny fivavahana Jiosy fa ny fihetsika amam-pomban'ireo Mpisorona sy mpanoradalana sy ny Fariseo no notoheriny satria tsy mifanaraka @ fampianarana torinndry zareo ny toe-piainanay. Izy aza tonga mivavaka isan-tsabata sy mitory any an-tempoly ka lazainao fa nanohitra; raha ny tena izy aza dia nandavorary izy. Tsy tonga handrava aho, hoy izy, fa hanatanteraka.
Ary tsy nitarika ny olona hisintaka izany izy, fa niantso aza no nataony sy nitarika ny olona ho any an-tempoly. Tsy hainao angaha ny teniny t@ ilay teraka jamba ka nositraniny: mandehana miseho @ mpisorona, hoy izy. Ka aiza ny mpisorona tsy any am-piangonana. Tehilaza izany ianao fa i Jesoa no tena mpandà sy mpanohitra.
Aza dia miteniteny foana rehefa tsy mahita ho tenenina intsony. I Jesoa avy nolazainao fa nanohitra ny fivavahana Jiosy
69. Narilala ( 11/05/2005 06:16)
Mifenty: mba hafa indray izany fomba famaky sy fandraisanareo ny momba an'i Kristy izany. I Kristy tompoko dia tsy nanohitra mihitsy ny fivavahana Jiosy fa ny fihetsika amam-pomban'ireo Mpisorona sy mpanoradalana sy ny Fariseo no notoheriny satria tsy mifanaraka @ fampianarana torinndry zareo ny toe-piainanay. Izy aza tonga mivavaka isan-tsabata sy mitory any an-tempoly ka lazainao fa nanohitra; raha ny tena izy aza dia nandavorary izy. Tsy tonga handrava aho, hoy izy, fa hanatanteraka.
Ary tsy nitarika ny olona hisintaka izany izy, fa niantso aza no nataony sy nitarika ny olona ho any an-tempoly. Tsy hainao angaha ny teniny t@ ilay teraka jamba ka nositraniny: mandehana miseho @ mpisorona, hoy izy. Ka aiza ny mpisorona tsy any am-piangonana. Tehilaza izany ianao fa i Jesoa no tena mpandà sy mpanohitra.
Aza dia miteniteny foana rehefa tsy mahita ho tenenina intsony. I Jesoa avy nolazainao fa nanohitra ny fivavahana Jiosy
70. dadabe ( 11/05/2005 06:46)
manaiky aho e 8-)
71. ndrena ( 11/05/2005 11:53)
aleo hilamina ihany ry zareo a!
72. Mifenty ( 11/05/2005 13:15)


Narilala, tam nizy niteny hoe tsisy jiosy sy tsy jiosy, tsisy andevo sy andriana, tsisy anzao sy zao, tsy fanoherana ny foto-pampianarana narahin'ny finoana jiosy ve izany? Ny manohitra anie tsy ratsy eh. Noheveriny fa tsara ny fiarahana dia notoheriny ny fampianarana jiosy ka hoy izy hoe tsy misy mitapaka sy tsy mitapaka, voafora sy tsy voafora mantsy .eh


Ary hoy koa izy "avia manaraha ahy fa ataoko mpanarato olona ianareo"
Mitarika olona izany, marina tokoa. fa mitarika ny olona hanaraka Azy. Maninona ary no entiny tany an-tendrombohitra ny olona fa tsy tonga de tany am synagoga iany no nitondrany azy.



d otran zany iany koa ny nataon-tsika taty aoriana.
Nisy ny fiangonana katolika (eglizy universelle) dia nisy tsy nanaiky (nanohitra) ny fombam-pitondrana (matetika moa tam zany resaka fanambadiana sy fitantanana) dia nisintaka ka niteny hoe tsy rariny zao sy zao.

Teraka teo ny firehana ara-pinoana isan-karazany, nanjary nisy ny katolika romana (tsy ilay eglizy universelle io a, satria tsy mety ny hoe eglizy universelle romana), de nisy ny firehana mpanohitra bontolo (ny protestants no iantsoako azy) sy ny sisa.

de tao anatin'ireny sokajy ireny ndray mbola nisy fisarahana, na fisintahana na tsy aiko izay iantsoana azy, fanoherana koa angamba.

Oatra misy ny katolika progressista, ny katolika tery saina (conservateur io a), ny katolika evanjelika (otran le ao lyon), sy ny tsy aiko oa

ny protestant de misy ny evanjelika, sy izao karazan'antokom-pivavahana retra izao.


fa ny iraisany dia samy nanohitra (protester) zavatra iray avokoa.


73. fijo ( 11/05/2005 22:02)
narilala ianao kosa no diso fa ilery dia nanohitra ny finoana jiosy.ary izay no nanombohana azy satria mpandika lalana ka meloka
74. sonwin ( 12/05/2005 15:13)
Tsy nanohitra ny lalana izy fa tonga nanatanteraka ny lalana sy izay efa voasoratra
75. dadabe ( 12/05/2005 15:20)
nanatanteraka ny lalan'i mosesy ,fa nanohitra ny lalan'ny jiosy
76. sonwin ( 12/05/2005 15:28)
Fa aiza no misy filazana fa nanohitra ny lalan'ny jiosy izy?
Raha ny fahafantarako azy ts`y noho izany resaka fanoherana ny lalan'i Jiosy izany no nanamelohan'ny tsy mataho-tody azy fa resaka fandravana sy fananganana ny tempolin'Andriamanitra ao anatin'ny hateloana, sy resaka fitononana ho mpanjakan'i Jody (Mpanjaka amin'ny endriny hafa nefa no nambaran'i Jesoa fa ireo kely saina no ts nahatakatra)
Sa ve raha nanilikilika ny mpivarotra teo an-tempoly izy dia lazaina fa mpanohitra? niaro ilay toerana fivavahan'i Jiosy aza no nataony koa..dia aiza ho aiza amin'izay ilay hoa manohitra?
77. Mifenty ( 12/05/2005 17:16)


iza ndray no niteny oe le mpivarotra tao am petite vitesse no resahina le. Ny foto-kevitra niaingany mihitsy no resahina ka.

olty frera a.

le manohitra dans le sens oe mi protester no resahina fa tsy hoe mi contrarier a.

fa raha tsy nanohitra ny fivavahana jiosy izy dia tsy kristianina aho kle.

Foana atram toriteninndry paoly kle.

78. sonwin ( 12/05/2005 17:32)
8O ny jiosy no nanohitra azy ka...fa izy tsy nanohitra jiosy. Dia isika nanaiky azy dia lasa kristianina. Raha nilaza ny Apostoly hoe: Iny Jesoa novonoinareo teo amin'ny hazofijaliana iny, dia efa natsangan'Andrimanitra ho velona tao anatin'ny hateloana ary vavolombelon'izany izahay> Dia tsy nino ny jiosy fa nanohitra.
>>> ny jiosy no nanohitra an'i Jesoa Kristy fa tsy i Jesoa no nanohitra ny jiosy
79. fijo ( 12/05/2005 21:22)
aiza ra sonwin a.tsy mbola teraka akory lery,dia efa nisy ny finoana sy ny lalana jiosy.
teraka lery,tsy hay akory na ny tena rainy aza,dia iny ranamana fa milaza fa zanak'andriamanitra sy hoe izy no mesia.dia lasa koa ny fandravana tsena(toy ny jomaka)aiza no tsy homeloka e.
lery sy ratsiraka anie mitovy e.tsy tian'ny olona niarabelona taminy fa ankasitrahan'ny hafa tsy nahita
80. vegas ( 13/05/2005 01:01)
Tompo ô! Avelao ny helok'ireto zanakao zay mifanaratsy sy mifanenjika fotsiny, noho ny asan'ny satana.
Ampiasao amin'izy ireo ny herin'ny fanahinao masina.
AMEN
Mapalaelo zao toetsaina zao mba marina mafy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2341