Ianareo Protestants.

41. dadabe ( 09/05/2005 04:47)
ka zao anie e,rehefa ny marina no lazaina dia misy sarangan'olona tsy mahazaka
yonika>zah momba ny vadiko hatrany :-*
42. xxx ( 09/05/2005 06:16)
Aleo ry zalah enjehana ihany fa so lasa mitsoka ry zalah sa tsy 'zany! :twisted:
43. booboo ( 09/05/2005 06:19)
marozevo >valiako ny fanontanianao.
-inona no hevitrareo protes. momba anareo.
-val : olombelona ôtra ny catholiques ihany (te-hampitaha mafy ny catho sy ny protes. manko enao dé nomeko fahafaham-po tanteraka) :voafehin'io aby na ara-batana na ara-tsaina na ara-panahy na ara-piaraha-monina, ara-pihetsem-po etc).

44. bichette ( 09/05/2005 07:47)
tsy mety angaha ry reto raha mba zavatra tsara no resahina e ? ohatran'ny mifampitsikera foana foana ny karazampinoana ..... mifona tompoko :^)
45. Rambofrau ( 09/05/2005 09:50)
Marozevo,ny Protestanta dia Katolika taloha saingy hitan'izy ireo fa nisy zavatra tsy nety tao dia naleony nanohitra na niprotester........donc...........
46. ari.malala ( 09/05/2005 10:01)
inona ary ilay toherinareo ê! za koa manko tena fitia te hahafantatra no antony ametrahako io fanontaniana io fa tsy sanatria te hanakiana be fahatany akory.

47. hery ( 09/05/2005 10:20)
Zah alou katolika 100% ;-) ka ny ahy rehefa amin'ny resaka toa itony (izay efa naverimberiko isaky ny misy fanontaniana fitsikerana fiainana papa, mompera, masera, fiangonana) dia lazaiko foana hoe ny momba anao azavaina tsara... ny an'ny hafa anontanio raha tsy azo... fa aza tsikeraina satria tsy ao anatiny ianao.

Maharary izany tsikeraina izany surtout hoe ny fotopiainana mihitsy... kanefa manabe ihany koa, ka izay angamba no nahatonga an'i Marozevo nametraka ity lohahevitra ity. Hoe ny Protestanta ve mba afaka mitsikera tena (Auto-critique)? Ary afaka manaiky ny tsikera atao aminy?
Marozevo:
inona no hevitrareo Protestants momba anareo, sy ny hevitray Katolika momba anareo


Izay ihany no tanjona. Fianarana lehibe koa ny mihaino ny tsikera ataon'ny olona ny momba ny tena. Betsaka ny zavatra nanamafy ny finoako tamin'ny tsikera teto... nahatonga ahy nikaroka hoe inona tokoa no tena izy... mba tsy haha finoana an-jambany fotsiny ny finoako.
Dia mahereza daholo e
48. booboo ( 09/05/2005 11:08)
tsy haiko zay fahazoan'ny sasany ny hoe -"andeha ho jauger-na kely hoe hatraiza ny halalin'ny lasantsiny"
- ino ny mahasamihafa ny hoe "tsy hoe mamaly ny ratsy @ ratsy akory izahay, fa heverinay fa tianareo ny hanaovanay ny ataonareo aminay". Raha ratsy no natao ka heverina dônky fanaratsiana ihany koa izany lé averina.
Ataoko fa tsisy fanabeazana vanona @ fifanaratsiana. raha tsy oe angaha beazina ho olon-tsy vanona aby ny ato.
A force mahita sujets, tsy haiko oe firy izy ato, mifanaratsy (tsy mifanakiana intsony) mankaleo ny farany, samy mifanaratsy teo aby nefa samy oe kristiana e gna gna gna e. Sady tsy mahalala menatra hoe mifanaratsy (zay no hita taratra @ adi-hevitra maromaro) no manala baraka nefa samy kristiana hono!

49. ari.malala ( 09/05/2005 14:18)
averiko ndray aza le fanon,taniako fa tsisy namaly ê! za katolika, tsy mahalala ny tena foto-pinoan'ny protestant, de manontany aho hoe fa inona moa izany le toherinareo azafady?!

50. sonwin ( 09/05/2005 15:17)
Mba valio hono azafady io fanontanian\'i ari.malala io e! efa indroa izy izay no nanontany..sa tsy mahita avaly indray ny namana?
ari.malala> somary mangingina mody fanina izay zareo ireo refa sendra ny fanontaniana tsara petraka 8)
51. maditra ( 09/05/2005 18:38)
Misy tena ambony anie izany reaction izany e, fa atao ahoana e, ento mora sy manaranara ry zalah sy zavavy fa efa mafana anie ny fiainana e.
Dia mba valio moa ny fanontanian'olona e!
Maditra
52. pitchou ( 09/05/2005 19:52)
ari malala> sombim-baliny ihany no omeko anao fa tsy izy rehetra satria tsy ho vita eto izany. Atomboko ary @ identité nomen\'i marozevo tary. Ny anay, tsy identité izany n\'être pas catholiques izany! na ny formulation aza dia efa hitanao fa tsy identité io. izahay protestants, ny identité-nay dia \"kristiana\"! tsotra izao! iavahanay sy anavahana anay @ \"tsy\" kristiana!
Raha izaho no anontaniana hoe maninona no ny finoana protestanta no nosafidiko, satria izaho aloha dia tsy manaiky an\'izany finoana lova izany fa ny ahy ny finoana dia safidy tsotra izao, ary safidy malalaka. Misy rafitra tsy azoazoko ny fomba fifampitondrana eo @ eglizy katolika; tsy hoe tsara ny an\'ny protestants fa afaka maneho hevitra malalaka ary afaka mandray andraikitra @izay mba tiany hivoaran\'ny fiangonana ny mpiangona! ary afaka manohitra malalaka ny mpitondra fivavahana eo @ilay fiangonana raha misy ny tsy mety na tsy rariny ataony ka tsy zakan\'ny tena. Ilay rafitra izany dia manalefaka ny fitondran\'olom-bitsy raha izay no mety azo ilazana azy, fa mampandray andraikitra. Ka na mbola misy ihany aza ny fanavahana dia efa nahavita ezaka lehibe eo @ fitovian\'ny samy olona. Ohatra iray sao tsy mazava: ny an\'ny protestanta dia azon\'ny vehivavy atao tsara ny miofana ho mpitondra fivavahana feno! ary betsaka rizareo! (miala tsiny raha ny katolika no ataoko ohatra fa rahoviana moa izany vao ekeny ny hisian\'ny pretra na eveka vehivavy?) Raha ny fazahoako ny momba ny any an-danitra, izany hoe ny tanjona, dia ny voalohany tsy hisian\'ny fanavahana, ka amiko ny finoana tokona hanala ny fanavahana eo @ samy olona (fahasamihafana hitako eo @ katolika sy protestanta ary silamo io)
Ny fiangonana protestanta iangonako dia mitory ny famonjena mety ho azo fa tsy mampitahotra @izao afobe izao, izany hoe amiko mitory fanantenana fa tsy \"manery\" @ fampitahorana

Ny fandalinam-pinoana koa dia afaka mandeha lavitra araka izay tiana any @ protestanta, afaka manomboka mbola kely (3 taona) dia afaka manohy mandra-pahafaty raha tina, fa tsy misy sakana mihitsy!

Eo @ fombafombam-pivavahana koa no isan\'ny nahasarika ahy tany @ protestanta: tsotra, mivantana ... ary (azafady fa ity iray ity mety hitarika resaka be indray), tsy miady amiko mihitsy ireny statues isan-karazany ireny, ny hany ekeko dia ny la croix, ankoatr\'izay tsy eken\'ny saiko mihitsy satria endrika foronina ary toa miondrika na manasina @ sary vongana ny fijeriko azy! d tsy mety amiko mihitsy izany!

Eo @ konfesy: mety amiko kokoa ny mifona mangina @Andriamanitra mivantana noho ny mangataka fifonana sy sazy any @ mompera, satria sady azoko atao izany, moa ny mompera rahateo dia olombelona tahaka ahy ka subjectif @ fitsarana sy fanasaziana ataony!Tiako marihina eto ho an\'izay zatra sy tia mikonfesy fa any @,protestanta koa dia afaka manantona an\'i pasitera ny olona mitantara izay mavesatra aminy, saingy tsy \"voatery\" ohatry ny mikonfesy io!


dia ity sisa no ho lazaiko, ary hevitro manokana fa tsy misy ifandraisany @ protestants ze hitareo: amiko tsy finoana fototra ny katolika, noho izany tsy hitako izay antony hoe io no version tena izy! tao anatin\'ny processus d\'évolution de la religion ihany no nipoirany! dia amiko izy mbola eo antenatenany ihany koa, sahala ny protestanta ihany , saingy ny protestanta efa lasa alohaloha kely raha ireo tanisaiko ireo no jerena!

fanamarihana: izahay ao @ fianakaviana (ilay fianakaviana be, malagasy an!) dia sady misy ny katolika no misy ny protestanta, ary efa nolazaiko fa ny dadabe-ko iray dia mompera ary ao koa ny pasitera protestanta! misafidy malalaka ny tsirairay @izay finoana tiany alalinina sy arahina. Ny anay ny fototra dia \"finoana kristiana\" ( fa tsy hoe katolika ve sa protestanta, otran\'ny an\'ny sasany sy i Bouboul), dia izay endrika tiana anehoana azy no sisa.

Hatreo aloha!
53. Mifenty ( 09/05/2005 20:16)


>>arimalala

tsy haiko mitsy kle. Fanga hafa ny foto-pinoana propestà sy katoliaka le.

ny foto-pinoana propestà ra ny falalako azy d zao.

Mino an'Andriamanitra nahary
Mino an'i Jesoa Kristy namonjy ny olombelona
Mino ny Fanahy Masina.

Andriamanitra telo izay iray.


Aitsio io ry propestà isany ra misy diso a.


Ary mino koa aho fa mitovy amin'io iany ny an'ny kato kle.



ny protester ny ndray angamba dia any amin'ny fomba fankalazana sy ny rafi-pitantanana samihafa.
54. maditra ( 09/05/2005 23:57)
Pitchou> Zah koa dia tsy nisy nanery zah ho Katolika, ny dadanay Protestanta, safidiko io ary efa nolazaiko teto matetika izany.
-Ny mahatonga ny vehivavy tsy manana anjara feno amin'ny fitantanana fiangonana dia satria ao amin'ny Baiboly ao misy milaza izany, fa tsy niforonana tsy akory. Tsy tadidiko ny verse, fa raha mpamaky Baiboly ianareo dia mety efa hitanareo izany.
-Mandainga ianao raha hilaza ny Protestanta no avance (ary subjective be koa izany): tsy hainao angamba ny Katolika dia mihevitra enao fa tsy misy manao reforme koa ny olona ao aminy, fa izay tsy mitondra anay hamorona Temoins de Jehovah e, Jesosy Mamonjy e, Advantiste e, fa azo ifandaminana tsara- izany.
-Ny Konfesy> raha mba mamaky sy mino ny Baiboly enao dia tsy manao commentaire otran'io. I Jesoa no nanome ny mpianany alalana hanafaka na tsia ny fahotana. Tsy noforinin'ny Katolika io tompoko.
-Ireo sary vongana, efa nandeha resaka teto fa tsy ivavahana izany ireo. Enao angamba raha vao mahita an'ireny sary vongana eny amin'ny lalana ireny dia manana saina hoe, hivavahana io. Fa izahay libre ny sainay, tsy hoe rehefa misy sarin'Olomasina tsy akory ao am-piangonana dia hilazaina fa hivavahana ireny. Toa badraodra be izany.
-Ary ny fombafombam-pivavahana koa no mahatonga ahy ho Katolika, tsy ela sady tsy feno rakitra faharoa sy fahatelo izany fa mba indraindray ihany. Tsy asiana Alahadin'ny Mompera koa satria an'Atra ny Alahady na ny Sabata (taloha) fa tsy an'i Pasitera na an'i Mompera.
Noho izany, tsy resy lahatra zah raha io no valiny omenareo.
Mifenty> Tsy misy tsy miainga amin'ireo ny Fiangonana Kristianina. (misy exception fa tsy ny Katolika.)

55. isambilokely ( 10/05/2005 05:21)
Marina izany Maditra anh ...
Mankasitra an'i Pitchou konko zahay aty ...

Ilay fototra ijoroana no tsy ampy eo amin'ny sasany ka ny hala tahaka sy ny fitsarana ety ivelany tsy miaraka amin'ny fanahy masina dia lasa mibirioka any amin'ny tsy izy ny fandinihana.

Zaho manokana dia tena Catho ary vao maika mampitombo ny finoako izany fanenjehana ny Catho izany.

Mbilo
:lol: Youpiiiiiiiiiiiiie
www.amontana.com
56. booboo ( 10/05/2005 05:55)
fa natao ifandresena lahatra angaha moa izy ity :roll: . Resena lahatra ny @ inona ? oe marina sa mitombona sa maninona ? Convictions personnelles ny finoana. Mizara @ hafa ny fandresen-dahatry ny tena dé zay, mazava tsara, tsy mazava dé hajao fa zay ny azy.


57. ari.malala ( 10/05/2005 05:58)
tsy azoko ary vao mainka tsy azoko! lasa fanindrahindrana hoe izao ny fiangonanay ilay resaka!

Ny fiangonana protestanta iangonako dia mitory ny famonjena mety ho azo fa tsy mampitahotra @izao afobe izao, izany hoe amiko mitory fanantenana fa tsy \"manery\" @ fampitahorana


fa ny fiangonana aiza no tsy mitory ny famonjena? matoa anie naorin\'i Kristy ny Fiangonana dia ny hitory ny famonjena ê! ka raha miresaka ny afobe, fampitahorana ve izany? raha mananatra izany ny ray amandreninao ka miteny hie aza manao an\'izao fa izao no voka-dratsiny dia mampitahotra izy no dikany? tsy izay angamba no tena tanjona fa mametraka balise hoe ity ny lalana, iny arahina. Mino ny didy folo ve i Pitchou? raha eny, nahoana iny no tsy lazaina fa fampitahorana na didi jadona? nefa izy rehetra dia @ filaza mandidy daolo, izay rahateo moa no maha didy anazy!

momba ilay resaka konfesy indray, marina io voalazan\'i maditra io, fa ny tiako tenenina indray dia izao, misy fitenin\'ny ntaolo manao hoe \"ny alahelo tsy ambara @ havana zakan\'ny tompony ihany\", ka inona moa no olana raha ndeha aho hitantara @ pretra izay efa nomen\'ny Fiangonana sy efa nomen\'Izy tompony fahefana hoe ny fahotana izay avelanareo dia hovoavela ny hadalana nataoko aho? ny heloka ibabohana rahateo mody rariny, sady matoa ireo pretra ireo nahazo izay fahefana izay, tsy eo izy hanasazy, fa angaha izy Andriamanitra no hanasazy? hanome torohevitra sy torolalana izy hoe @ sisa izao atao hiadiana @ izay fakam-panahy izay. Marina mintsy ary tsy laviko fa olombelona tahaka ahy izy ireo, fa ny pasitera angaha tsy olombelona?
58. haingo23 ( 10/05/2005 07:05)
Efa ela mihitsy aho no tsy nanoratra tato. Mijery fotsiny no ataoko. Tsy tiako ny mifamaly sy mifanazava hevitra loatra momba ny fivavahana sy finoana fa manjary miteraka zavatra hafa dia aleoko mangina.

Ho anareo izay mbola te-hifanoratra sy hifanasa vangy, hifampitsikera (filazana ny marina), ... dia mazotoa raha mbola tsy reraka e! izaho dia spectateur
59. yonikafopl ( 10/05/2005 09:46)
za njay kristiana 100%, tsy nisy nanery aho ny ho kristiana fa safidiko manokana.
katolika, protestanta , sns.. Pas d'importance.

60. sonwin ( 10/05/2005 11:12)
Hoy Pitchou>Eo @ fombafombam-pivavahana koa no isan\'ny nahasarika ahy tany @ protestanta: tsotra, mivantana ... ary (azafady fa ity iray ity mety hitarika resaka be indray), tsy miady amiko mihitsy ireny statues isan-karazany ireny, ny hany ekeko dia ny la croix, ankoatr\'izay tsy eken\'ny saiko mihitsy satria endrika foronina ary toa miondrika na manasina @ sary vongana ny fijeriko azy! d tsy mety amiko mihitsy izany!

Dia hoy i sonwin> ny foibe niandohan\'ny Protestanta sy ny tena mbola betsaka protestanta dia tany Allemagne raha ny fahafantarako azy(ahitsio raha diso), lazaiko anao anefa an, fa maro ary betsaka ny fiangonana protestanta any no feno statut sy kisarisary, eny fa ny croix aza dia misy sarin\'i Jesoa mifantsika sahala ny any amin\'ny katolika...fanamarihana fotsiny iny ry namana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1075