Ianareo Protestants.

121. dadabe ( 20/05/2005 15:33)
ho ho ho ho tsy misy ambara:roll:
122. pitchou ( 20/05/2005 20:25)
maditra> hafahafa izany famaritanao ny katolika izany an! angaha moa ny fizaran'ny fivavahana dia otran'izay: ny katolika sy tsy katolika? raha mba ny silamo ahay no miteny hoe "ny silamo sy tsy silamo (mécréant)" d ho tsy nampaninona ahy! sa tsy kristiana indray ny fahitanao ny katolika? satria izaho ery ambony efa nametraka hoe "kristiana" ny identité-ny protestanta, ary angamba ny protestanta no afaka hanitsy an'io raha diso io fa tsy ny hafa no hamaritra azy!
marina tsy hitovy @ le we inona no hamaritanao ny malagasy, d hamaly enao hoe "ne pas être français"!!!!
otran'ny hoe restreint @ ireo tontolo roa ireo ihany izao tontolo izao!
123. marozevo ( 20/05/2005 23:57)
booboo > Tsy azoko no mahatonga anao hilaza hoe "manimbazimba". Asa raha mba afaka manazava ianao ? Fa raha ny fisokafan'ny sujet no manimbazimba dia heveriko fa efa nisy sujet be dia be talohan'ity aza manimbazimba, sty finoana fotsiny fa ny mpino mihitsy.
Mifenty > Efa hatrany am-bohalohany ny mpanokatra no tonga saina, ary ankehitriny faly izy satria miara-tonga saina aminy ianao. Efa mibebaka i Mifenty. Izay no tanjona.
124. maditra ( 21/05/2005 02:22)
booboo, pitchou> adry! ary toa mora miakatra enareo. Averiko koa, ento mora ranabavy isany e, ny fiainana aza efa sarotra. Ilay hoe "L'identite de Protestant c'est n'etre pas Catholique", zah tsy mahita zavatra manimbazimba amin'izany. Hitanareo, tsy fiangonana iray izany Protestanta izany, misy FJKM (Kalvinista), Loteriana, Jesosy Mamonjy, Advantista, Apokalipsa, samy manohitra ny fiangonana Katolika ireo, ary samy mitondra ny anarana iombonana hoe: PROTESTANT. Tsy haiko na mba hainareo ny tantaran'ny fiangonanareo ireo na tsia fa mazava anie ry reto izany e, Raha fiangonana Kristianina ka tsy Katolika (Orthodox na Romana), dia efa protestanta izy izay.
Dia ho an' i pitchou manokana, fa iza moa ilay mpanjaka niteny fa tsy avy amin'izao tontolo izao ny fanjakany?! Fantatrao ve?
ari.malala> Ny zavatra notoherin'ny Protestanta dia ny fiangonana nialany. Lotera niala Katolika, ny Temoins niala Loteriana, ny Ny Advantista koa, (mitonona ho original fa avy tamin'ny Loteriana ihany no niala), ny Apokalipsa niala tamin'ny Advantista. Izany hoe, samy mifanihitohitra ao ry lenamana dia izay mihitsy no niavian'ny hoe Protestanta.
125. Mifenty ( 21/05/2005 08:36)


maditra

tsy ekeko le oe refa tsy katolika (romana na ortodoksa) de protestant zay

ny ahy refa tsy ilay katolika tany an-dreniny dia protestant zay.

donc na romana enao na ortodoksa de protestant iany koa ny anarany.

Ary ilay hoe mi protester anie ka fomba fijery tsy mitovy eh. Tahaka ny fomba fijery tsy mitovy eo amin'ny katolika romana sy katoika ortodoksa eh.

Ny katolika romana iany koa dia milaza ho originala nefa niala tam église universelle.(catholique)

Miodina eto foana zany resaka zany kle.


marozevo , ita oa kou. de aza zimbazimbaina i booboo kle.

126. booboo ( 21/05/2005 08:58)
marozevo>efa io nazavaiko io ny antony itenenako fa manimbazimba ilay "identité" lazain'ny sasany fa maha-protestants ny protestanta. Ary efa tary ambony bee tary koa zà no niteny fa miha-naze sy miha-minable ny raha ato ny farany dônky miara-manaiky aminao aho fa efa betsaka ny raha ôtra zany tato @ ity lohahevitra finoana ity.
maditra>Zay no itondrako hevitra hafa ankoatra ny hitanao satria tsy hitanao (sa minia tsy hitanao?) ireo hevitrao ireo.
127. maditra ( 21/05/2005 15:26)
Mifenty> Fa toa mamorona enao le, ny Katolika Romana ihany no Catholique Universel tenenin'la. Voatery tsy maintsy nanao recherche kely zah momba izany dia izay ny zavatra hita ara-tantara.
http://www.goarch.org/en/ourfaith/articles/article7053
Ny anarana ihany no niova ho Katolika Romana, fa ny tena niavian'ireo Orthodoxy maro be any Rosia sy ny hafa ireo dia misionera avy tany Roma no namorona Fiangonana tany. Fa noho ny circonstance maro dia tafasaraka tamin'ny Katolika tao Roma (Katolika Romana) ireo.
Ny zavatra tiako tsipihina koa dia ny hoe, tsy ilay fiangonana Orthodoxe fahiny intsony ireo Fiangonana Orthodoxe ankehitriny ireo, ary tsy dia nieriteritra ny hamorona fiangonana hafa izy ireo fa ny tantara fotsiny no nampisaraka azy. Manamarina izany io rohy io fa saingy amin'ny teny Angilisy ary koa ny fitovitovian'ny Katolika sy ny Ortodoksa.
128. maditra ( 21/05/2005 15:35)
kyyyy, Ialana tsiny lehibe fa tsy nety akory ilay rohy.
129. sonwin ( 21/05/2005 17:27)
milay ireto namana ireto ka
130. sonwin ( 21/05/2005 17:28)
welie> ahona tsara hoe ilay sary vongana an? mhhh vakio ny voasoratry maditra..njy an!
131. marozevo ( 22/05/2005 21:38)
Ndao ary ampidirina eto indray ny resaka sarivongana eh ! Io koa manko misy resa-be amintsika. Sa tokony hamoronana lohahevitra hafa ve io ? Io efa natombok\'i Sonwin io manko le izy.
Anjara asan\'ny SARIVONGANA eo amin\'ny finoana : Tsy ivavahana, na tsaohina, na ankalazaina, fa FAMANTARANA toe-piainan\'olona iray nisy taloha tany. Nanana ny maha izy azy ara-pinoana, na ara-piaraha-monina io olona io, ka mendrika halain-tahaka. Famantarana hoy aho fa tsy io no tena izy. Mila famantarana ny vatako ( 5 sens) satria mbola eto amin\'ity tany ity aho izao. Fa rehefa tonga ny tena izy (fihaonan-dehibe any an-danitra) dia tsy ilaiko intsony ny famantarana.
132. Mifenty ( 23/05/2005 12:45)


amorony sizé ray io ry marozevo dia ataovy tsara ny fanomboany ah.

133. ari.malala ( 23/05/2005 13:55)
pitchou, ilay resaka mampitahotra no somary iverenako kely fa sendra tadidiko, tsy ny Fiangonana Katolika mintsy no manindrahindra an\'io resaka afobe io fa i Jesoa mintsy! Raha ny masonao na ny tananao na ny tongotrao no manelingelina anao, tapaho izy fa aleo kilemaina miditra any @fiainana ianao toy izay manana tanana 2 na maso 2 na tongotra 2 fa hariana any @ gehen\'afo izay misy afo tsy mety maty mandrakizay, tsy ny mpitondra fivavahana katolika na protestants no manindrahindra an\'io averiko ihnay fa i Jesoa mintsy. Raha misy ny mampitahotra @ izao fotoana izao dia ny ao @ Apokalipsy, (miala tsiny be dia be raha tonga dia manonona) satria izy ireo dia sahy milaza sy manizingizina fa 1444 (raha tsy diso aho) ihany no ho tafiditra any an-danitra... Manaiky tsara mintsy aho fa tsaratsara kokoa ary mora miditra kokoa aza ny fananarana raha atao am-pitiavana fa Fiangonana aiza moa no tsy moitory sy mananatra am-pitiavana?

Ilay resaka konfesy indray, tsy tsaroako izao ilay teny, fa rahampitso entiko eto, je promets.

134. ari.malala ( 23/05/2005 14:01)
Tsy nila niandry rahampitso aky fa tadidiko â! Jacques 5, 16 Confessez donc vos fautes l'un à l'autre, et priez les uns pour les autres, afin que vous soyez guéris; car la prière fervente du juste a beaucoup de puissance.
Dia mbola misy koa ilay hoe "Recevez l'Esprit-Saint."
23 "Ceux à qui vous remettrez les péchés, ils leur seront remis; et ceux à qui vous les retiendrez, ils leur seront retenus." Jean 20,22-23

135. pitchou ( 23/05/2005 18:42)
maditra> enao no toa sanganehana d mahita anay sy booboo miakatra mankany an-danitra noho ny finoana anananay kou! tsy hoe satria borné ianao (azafady fa tsy mahita voambolana hafa aho, fa aza dia miakatra loatra sao tonga alohanay any!) dia tsy misy afatsy 2 izao tontolo izao! ary raha izay no fijerinao azy dia angamba tena lavitra ny atao hoe fivavahana kristiana enao! dia lasa mieritreritra aho hoe: tsy kristiana tokoa angamba ny fiheveran'i maditra ny fiangonana katolika!:?:

fantaro fa tsy ny katolika akory no fiangonana niandohana, ary angamba fantatrao hoe inona no toeran'ny romana izay nametraka ny fiangonana katolika tany am-boalohany! ary manaraka an'izany tsy misy maharatsy na mahamenatra ny miala @ fomba amam-panao izay tsy eken'ny saina! ka enao moa izany mahafantatra hoe fa naninona no nisy olona tsy nety nanaraka io fomba katolika io intsony!

dia fantaro koa fa tsy fanoherana ny fiangonana katolika daholo akory izay tsy katolika! misy @izy ireo fikatsahana hiverina @ ilay fivavahana niandohana, izay nakisaky ny katolika!
136. pitchou ( 23/05/2005 18:49)
ari malala> ka ny ahy hoa le fiangonana mitory ilay ampahany nolazainy hoe "hitondra fiadanana fa tsy loza" no tiako! tsy tadidiko aloha aho nanonona hoe ny katolika no mampihorohoro @ afobe e! saingy rizareo kosa no mampitahotra @ izao afo fandiovana izao! izay aloha d efa tsy fitoriana @ fitiavana e! tsy mba mitarika hanao ny tsara satria tsara ny manao ny tsara fa manery an-kolaka @ fampitahorana!
raha "tongava aminao araka izay inoanao" dia ny ahy ilay Andriamanitra Fitiavana no inoako!!! ilay tsy mamela ho very! samy hitsimpona izay mahafinaritra azy ao anatin'ny baiboliny ihany ko!
(ka ny ahy aky baiboly gasy d tsy misy an'ireo ko! :oops:)
137. pitchou ( 23/05/2005 18:55)
ari malala> ka izao koa ange aky no toa vao maika manamafy ahy @ finoako e! indry ve raha protestanta ka sendra olona otran'i maditra izay mihevitra fa izay tsy katolika d ... d mihevitra indry fa hamela andry eo izy? aminy tsinona na katolika na ... tsy katolika, izay ihany ny fivavahana!
Ny kajin-dry apokalipsa aloha dia avela ho azy satria misy equation tsy noheveriny ka nandritra ny firy polo taona izy nilaza ihany fa tonga ny fara andro!
138. ari.malala ( 24/05/2005 05:31)
pitchou> :)

za kosa aloha tsy manavaka ê! saytria ny havan'i neninay rehetra dia protestants ary za dia mandeha mivavaka any @ fiangonana protestant rehefa sendra any ambanivohitra ka tsy misy fiangonana katolika, hajaiko tsara izay fombam-pivavahana atao any. Fa ny mahatsiravina ahy sady halako dia ilay fanenjehana betement hoe ny katolika manompo sampy na ny katolika mivavaka @ sary vongana na tsy haiko ê! efa be ny fitenenana momba izany any @ dinika hafa any ka tsy iverenako, satria aho manaja ny an'ny hafa dia tokony hanaja koa ny hafa! Izay koa no tena firosoana @ firaisam-pinoana raha ny hevitro.

139. maditra ( 24/05/2005 05:33)
pitchou> Tsy koi izay fandraisanao ny zavatra teneniko, ary raha misy olona miakatra eto, angamba mbola tsy ho zah. Fa tiako ihany ny hanazava ny zavatra teneniko fa toa mandika vilana be enao izany. Tsy mahagaga fa tsy dia hiady hevitra no tena ataonao, amin\'ny fahitako, fa hiady olona. Ny zavatra noteneniko dia tsy hoe: \"RAHA VAO TSY KATOLIKA ENAO DIA TSY KRISTIANINA\". Aleo rangah atao mivandravandra be otrin\'izao izy vao hitan\'ny maso 8O . Ary zah koa, (tsy hitako mihitsy ny fifandrasany), tsy niteny hoe: TSY KRISTIANINA NY KATOLIKA (sanatrian\'ny vava). Resaka Protestanta no eto, dia io no identite manavaka ny Protestanta. Nazavaiko tsara ny antony. Sa inona ny zavatra tsy zakanao amin\'izany hoe \" Ny Protestanta dia izay fiangonana rehetra tsy Katolika\". Tsotra anie izany e! Nadikako ho teny Gasy mihitsy izy io mba hahamoramora ny saina mandray azy.
Na inona ny antony amoronana fiangonana, na te hamerina izany fiangonana niandohana izany, na mi-protester tsotra izao no excuse omena, Protestanta tompoko no anaran\'ireo fiangonana ireo.
Zah ary tsy milaza fa ratsy izany? Sa mahatsapa tena fa ratsy izany anarana Protestanta izany enareo?! Izay fa aza adika vilana intsony ny zavatra teneniko.
140. Mifenty ( 24/05/2005 09:00)
:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1248