Fitiavana eo @ tanivo sy ny tanindrana, fitiavana eo @ andevo sy ny hova ary ny tanindrana

141. cutie ( 23/02/2005 22:58)
Hitako @ oul hafa fa tsy za e . fijo
142. fijo ( 23/02/2005 23:19)
eny e fantatro,fa tsy mba tokony hakana lesona ve izany
143. ikaretsaka ( 23/02/2005 23:47)
marina letsy izany a
144. ronaldo09 ( 24/02/2005 08:25)
Faly miarahaba,momba io resaka io aloha ,amiko tsy dia misy ny olana raha toa ka mifankatia zany hoe araka ny resaka ery ambony dia ny fo no mibaiko fa tsy ny saina .Ny teny hoe raciste kosa angamba aoka hesorina fa mitovy volon-koditra ny gasy ary samy mainty daholo fa tsy misy gasy fotsy hoatry ny Allemand na ny Russe na ny Suedois fa mainty ny gasy na misy aza ny mazavazava toa ahy hoatra.
Izaho manoratra dia avy any tsimon'ny madagasikara ary 100% saingy hatramizay toa vehivavy avy ao Tana foana no niaraka tamiko ary mbola tsy niaraka tamina sipa Tulearoise mihitsy aho hatramizay ,ny olana misy dia ny fanambonian-tena ataon'ny Tanivo ary ny tsy fitiavan'ny tanindrana ny tanivo ,zava-misy io ary tsy azo afenina fa amiko dia rehefa samy gasy dia mitovy avokoa fa tsy hoe Toliara aho dia Toliara no hiarahako tana aho dia Tana no ho vadiko .Tsy marina koa ilay resaka hoe tsy mitovy ny kolotsaina ,ilay kolotsaina netim-paharazana aoka hesorina satria andron'ny fandrosoana izao fa tsy izay zavatra nisy tany aloha no eritreretina .
izaho dia izay anjara omen'Andriamanitra ahy no vadiko fa tsy hijery aho hoe : Ity tanindrana ka tsara na iry Tanivo ka ratsy mety amiko rehefa anjarako .ilay hoe andevo koasa aloha dia tena mampalahelo fa ny Merina mainty no lasibatra amin'izy ity nefa kosa tadidio tsy ny volon-koditra no maha andevo fa ny toe-tsaina na fotsy hoatry ny taratasy ianao rehefa maloto saina dia andevo izay ara-toe-tsaina fa ny ara-pirazanana efa tany amin'ny 300 taona tany aloha any izany ka tsy misy olona hiraharaha izany intsony eto.
Amiko dia izao iray ny Malgasy matoa foin'Andriamanitra tao anatin'ny Nosy iray ka tsy misy an'izany tanivo tantsiraka ,andevo andriana izany .Izay milaza tena fa andriana izy mihitsy no aoka ho andevo ary izay manaiky ho andevo aoka izy ho andevo mandrakizay.Miala tsiny aho fa aleo vantana ny resaka fa tsy afem-penina.
Ronaldo09 avy aty Russie
145. cutie ( 24/02/2005 13:19)
D'accord za @ hevitrao ry Ronaldo09
Fijo lesona in no ianarana eo. Tsy nitranga tamiko aza le zavatra kou.
Arakaraky le oul io, sy ny safidiny. :-*
146. ikaretsaka ( 24/02/2005 14:06)
doud:

tsy hoe raciste aho fa amiko dia toa tsy dia mety ilay izy satria ny fiarahamonina mihitsy no tsy mahazaka izany, sady samy hafa be ny kolotsaina na dia hoe samy gasy aza


io no hitako mitombona ndrindra...
efa hita teto le effets an'io tsy firarahiana fiaraha monina io
147. cutie ( 24/02/2005 14:11)
ka mba handehanan'ny fiaraha monina tsara aza de ataovy mitovy ny kolontsaina, marimaritra iraisana ny tiko lazaina.
148. fijo ( 24/02/2005 22:44)
cutie ka le izy tsy mbola nitranga taminao mihintsy no hakana lesona mba tsy hitranga
149. pd ( 27/02/2005 11:19)
nefa rehefa misy manambady vazaha ny fianakaviana dia tsisy olana , nefa ny vazaha namono ny dadabeny laisany taloha, satria ny vazaha Andrina dia tsy olana, fa raha samy isika gasy dia blème be?
150. ronaldo09 ( 01/03/2005 06:56)
Tiako hasiana resaka foana fa izany resaka culture na kolontsaina izany tsy misy ifandraisany amina resaka fitiavana .ahoana ary ny gasy manambady Francis na americain? Io dia ny fo no mibaiko fa tsy hoe kolontsaina .Izao fotsiny no teniko ho anao tanivo manambady tanivo toa anao :tsy hoe kolontsaina no niarahanareo tany am-boalohany fa resaka fitiavana zany hoe izy no anjaranao toy izany koa ny tantsiraka samy tantsiraka .Izaho io miaraka amina sipa Afgan(afganistana) tena tsy mitovy ny kolontsaina fa hatramizao aho mbola tsy manana olana aminy ary hatramin'ny raiaman-dreniny any Kaboul aza miresaka mahalala an'izany ary tsy misy manakana .
farany io dia toe-tsaina no mibaiko .rehefa tsy mety aminao dia tazomy ny hevitrao rehefa mety dia tsara fa aza terena hoe tsy mety noho ny kolontsaina samy hafa .
Ronaldo09 avy aty Russie
151. fijo ( 01/03/2005 21:33)
misy o resaka kolontsaina io ry akama an.efa maro no hitako,ary na vazaha koa aza dia tafiditra ao fa tsy hoe rehhefa vazaha dia mety.
152. cutie ( 04/03/2005 18:35)
io ry fijo samy miteny ze ny efa hitany sy ze nataony a.
153. dadabe ( 05/03/2005 08:56)
Hoy ny fitenenana hoe :
andrianin'ny soa vita ary andevozin'ny ratsy natao.


Ny firenena dia zay mahavita manao fa tsy misy tanivo sy tanindrana izany na andevo sy hova. Ary ny andevo sy ny hova anie samy mpiasan'ny mpanjaka daholo e. Ny hova no natao hoe tan-dapa raha tsy diso aho izany hoe ambonimbony grady noho ny andevo.

Sa ahoana ry zareo ? :-D
154. yonikafopl ( 05/03/2005 21:07)
fa mbola inona fona ity andevo sy andriana anareo ty e!!! aza mbo taraiky wa fa efa dilan'ny ela sy ny ela izany. Isika samy gasy ary mifanambany, mifanilikilika ka aiza ry zareo vazaha fotsy no tsy hanambany sy hanilika antsika gasy. Mifankatiava fa iray firenena(ftt= reny) izany we iray reny tsika jiaby.
155. fijo ( 09/03/2005 22:37)
tsy misakana ny fifankatiavana anie izany e
156. cutie ( 10/03/2005 16:21)
Aza sakanana le fitiavana refa tonga. lol
157. fijo ( 10/03/2005 22:11)
izay ary fa samia manao izay mety aminy e
158. dadabe ( 11/03/2005 17:19)
cekezem ihany ity marina
159. cutie ( 11/03/2005 17:59)
eny wa dadabe :-D
160. dadabe ( 12/03/2005 05:03)
cutie>le resaka ohatrany miodikodina nefa ao @cekezem ihany no hiafarany kle
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3394