Fitiavana eo @ tanivo sy ny tanindrana, fitiavana eo @ andevo sy ny hova ary ny tanindrana

1. felampaiso ( 27/01/2005 10:52)
Eto am-piandohana dia tsy resaka fanavakavana no tiana hatao eto ,fa resaka niseho teny am-pilaharambary izay nataon\'ireo olona voatanisa eo ambony ireo: nafana dia ady hevitray fa ny antsika mpinamana no mba tiana ho fantatra, toy ny natao tao @ ying-yang/ RTA ihany... :roll: :lol:
novalian'i felicia ny 12/04/2005 02:04
2. booboo ( 27/01/2005 11:11)
inona lé nisy t@ zany ying machin t@ rta zany ?
3. doud ( 27/01/2005 14:48)
tsy hoe raciste aho fa amiko dia toa tsy dia mety ilay izy satria ny fiarahamonina mihitsy no tsy mahazaka izany, sady samy hafa be ny kolotsaina na dia hoe samy gasy aza
4. ikaretsaka ( 27/01/2005 15:35)
ny ahy kao dia izay ny principe ko.. na mafy toy inona aza ny cekezem dia rehefa tsy zakan\'ny fiaraha monina de aza atao!
5. welie ( 27/01/2005 15:57)
ikaretsaka sy doud.....mitovy hevitra aminareo koa zà.
Marina fa be ny milaza hoe cekezèm ihany io nefa hitako fa tsy mety (miala-tsiny amin\'ireo mety ho voatohana an!). Ny taranaka aty aoriana no jerena fa tsy vitan\'ny hoe \"Fiainako io ka zà ihany no misafidy\".
Io kolo-tsaina voalazan\'i doud io koa no tena antony iray ilazako ny tsy maha-tsara loatra ilay izy. Marina fa samy gasy nefa dia samy manana ny fombafombany avy. Dia io avy eo mety ampisy olana eo @ ilay mpivady.... avy eo ny zanaka tsy hay hoe ny an\'iza no arahiny...misy ngamaba aloha hoe ny an\'ireo RAD roa tonta e!
Izay aloha fa avy eo indray manohy e! :)
6. booboo ( 27/01/2005 16:45)
na aiza na aiza raha mbola any Dago dia tsy maintsy misy fototra iraisana foana ny kolotsaina fa ny fanehoana azy no samihafa !!!! Fiaraha-monina tsy misy fiovana izany koa tonga dia condamné hi-disparaître satria ny olona tsy maintsy hifanerasera @ fiaraha-monina hafa ary tsy maintsy hisy raha vaovao hiova foana ao no ho izay. Ary eo no mipetraka ilay tsy fatahorana zay mety ho vaovao satria inconnu. Fa izay nefa ny lalan\'ny fiainana : tsy maintsy miova fa tsy mitoetra eo foana !
7. ikaretsaka ( 27/01/2005 17:59)
fa na iznay aza mitoetra foana io ni existe foana io tsy vitovizana io hatramin\'ny tantaran-draolombelona!.. rehefa tsy mitovy dia tsy maintsy misy anakiray hanontany..
olona mpirahalahy sy mpianadahy aza manontany zavatra foana heo fa maninona ny an\'i zoky na i zandry no misy tandra eo @ saokany fa nena tsisy!??
raha zavatra raiki tapisaka hatr@ izay dia tsy voaova intsony
8. maditra ( 27/01/2005 18:46)
tsssssss, efa tokony lany andro amin\' izay zany resaka tsy fitoviana izany. Azo atao tsara ny manova an\'izany. Na ny mainty sy ny fotsy hoditra aza izao efa miaraka tsy misy romoromo afa tsy any amin\'ireo izay mbola voretra. Isika Malagasy iray ihany, raha mbola izany hova sy andevo sy kala sy bema izany ihany no ady hevitra eto tsy ho avotra mihitsy isika Malagasy...
9. ikaretsaka ( 27/01/2005 19:09)
raha mifanaja io dia mande ka
ohatra heo hajainao @ maha fotsy sy maha mainty azy izy fa tsy ambanianao na ambonianao. dia samy mipetraka @ toerany fa tsy manembatsembana ny hafa dia mety io! ohatra hoe rehefa mainty de tsy mande miady @ fotsy na mifampigafy fa de samy mifanaja sy mipetraka @ izay fotsiny
10. yonikafopl ( 27/01/2005 20:04)
Ikaretsaka, izay ny fifanajana no zava dehibe.
11. booboo ( 27/01/2005 22:24)
ikaretsaka>na eo ara ny tsy fitoviana @ lafiny bobaka be dia ny fiaraha-monina miovaova foana fa tsy mitoetra ho teo @ nisy azy taloha foana satria raha tsy izay izy tsy hahatohitra ny zava-baovao misy ary tsy maintsy mi-s\'adapter @ iny tranga vaovao misy iny foana.
12. fijo ( 27/01/2005 22:31)
booboo sy maditra,raha arahana ny toetr andro dia marina io voalazanareo io,fa raha ny zavamisy any an tanana kosa dia manary tena izay manao an\'io.efa hitako izany
13. jhouhlambout ( 27/01/2005 22:57)
:wink:
14. ikaretsaka ( 27/01/2005 23:22)
izay mihitsy hoa.. aza miady aminy.. de mifanaja fotsiny... dia mandeha io
15. maditra ( 28/01/2005 00:21)
fijo>Peut etre fa dingana tokona hatao mba hampiray bebe kokoa ny samy gasy io! Au moins isika tsy tokony hanome toro hevitra diso hoe \" tsy mitovy karazana\" nefa samy Gasy ihany. misy ary ireo manambady vahiny. Ny problem hoy aho tsy maintsy misy foana io, rehefa mi s\'aimer ny olon-droa dia hita foana ny solution.
16. ikaretsaka ( 28/01/2005 02:20)
sarotra be raditra ny manova rafitar misy fa tsy maintsy madididity eo @ fiaraha monina foana ialahy a.. ary tsy maintsy misy gidraka foana eo.. dia izay no hilazako ilay hoe aleo mifanaja de miara monina de mifanampy.. fa le mifampidipiditra be io tsy maintsy misy olana kely foana.. na olona io na biby na zava-maniry!
17. booboo ( 28/01/2005 06:57)
fijo>tsy resaka @ toetr\'andro zao sy ny an-tanana io fa na fiaraha-monina aiza na aiza na t@ vanim-potoana inn na t@ vanim-potoana inn dé tsy maintsy mandalo @ io dôl fa ny échelle de temps no mety ho hoe 1 siècle na tsy haiko fa tsy ao anatin\'ny 1 herinandro !
18. spidherimanina ( 28/01/2005 08:27)
misy milaza hoe tsy tokony ho fefy misakana loatra ny hoe iry \" andriana \" ary itsy \" andevo \" raha eo @ fiarahamonina fotsiny , fa rehefa resaka fanambadiana ilay izy vao mety hitranga ny olana raha hitranga izany.Amiko tsy tokony hisy hanana complexe na ny andevo na ny andriana na ny hova na ny tanivo na ny tanindrana.Efa mitovy izao ny lalàna mifehy antsika na eo aza ny fahasamihafan\'ny fombafomba , ny tsy mety fotsiny sady manimba ny mahagasy dia ilay fiheverana hoe izaho saranga \" ambony \" ka tokony hahazo haja manokana, matetika ny andriana no manao izany , misy koa anefa ny andevo no mankahala tsotra izao ny andriana.
Ny fomba fisainanao sy ny fahalalam-pomba no mahaolona ny olona.
Misy koa izao andriana sy andevo mivady , misy koa côtier sy merina mivady ohatra ,samy olona be vola sy manan-danja eo @ fiaraha-monina rizareo dia TOA milamina ihany ny fiainany , satria voavahan\'ny vola ve?
Ny zanaky rizareo no toa sahirana fa analan\'ny sasany hoe \" metisy \" , toetsaina ahoana moa izany , ...
19. xxx ( 28/01/2005 08:42)
inona no holazaina momba ity lohahevitra ity ? Hiresaka momba an\'i paul bert sy joséphine ve ? :{ :idea:
20. hery ( 28/01/2005 09:53)
Kou raha hoe tsy maintsy mitovy vao afaka mifanaraka... maninona raha ny mpianadahy mihitsy no mivady e? :twisted:

Betsaka ny vavolombelona afaka milaza fa mandeha tsara ny fiainany na dia tsy mitovy aza (andriana-andevo, tanindrana-tanivo, gasy-vazaha) fa vitsy kosa angamba ny vavolombelona afaka milaza fa mandeha tsara ny fiainany satria mpianadahy izy no mivady (ireo no azo leferina hoe mitovy fa ny ankoatran\'ireo dia efa misy tsy fitoviana na saranga, na loko, na personalité sns...)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4538