Ny mafy indrindra ...

81. fijo ( 12/10/2004 22:16)
moramora ialahy ramethode amin\'i kitjo io fa ahita angano eo anie e.tsy hozakan\'ialahy ny slam dunk ahazo vao loza.
82. kitjo ( 13/10/2004 06:01)
hahhahhahaha
mahafinaritra mitsy oa refa mamaky forum ato na marary aza ny kibo miome. :-D :-D

ramaso> fa za neverin lah aona?
83. fijo ( 13/10/2004 23:07)
noheveriny fa kely toto,kay yyyy
84. kitjo ( 14/10/2004 08:48)
sa tokony malemy toto?hiihihihih
sa tokon mihinana ravi toto? :lol:
85. methode ( 14/10/2004 20:45)
Vao omaly alina aho no nahare vaovao ratsy avy any an-tanana nefa tsy afaka mody e! Maty ny alatsinainy teo ny anabaviko, zokiko, ary dia tsy henoko raha tsy efa voalevina!! Izaho amin\'ny fotoana voatondro nandevenana azy mbola nanoratra ho azy sy ny zandriko faravavy satria nisy olona nandalo taty!!! Omaly alina no voaray ny hafatra ka dia voatery nanenjika vao maraina be ilay olona nitondra ny taratasy aho!!! Tsy natory aho ny alina nieritreritra ny mahazo ny any an-tanana indrindra ilay zandriko faravavy niara-nipetraka taminy io!! Mety ho anisan\'ny mafy indrindra angamba io! Tsy haiko intsony!!!
86. ikaretsaka ( 15/10/2004 03:13)
ay ay ay.. mamangy fahoriana methode de misosoka alahelo tsy tsony an!
87. chipie1 ( 15/10/2004 11:07)
methode> mamangy ny fahoriana de mahereza
88. methode ( 16/10/2004 20:31)
Misaotra anareo rehetra e! Ianareo no namana mankahery eto!!
89. fijo ( 18/10/2004 23:11)
methode>aza manam be dia mahereza fa lalana hiraisan\'ny miakandrefambaravarana io.tombon dalana ny azy fa isika ireto dia mbola hoany aby.ary ny namana eto koa dia minoa aho fa miara ory minareo noho izany fahalasanaan\'ny havana izany.
90. methode ( 21/10/2004 23:17)
Misaotra betsaka an\'i Fijo!!!!!
91. kitjo ( 22/10/2004 05:14)
methode> mahereza dia aza misosoka alahelo e.
Aza eritreretina b lotra ilay zandrinao any sao malahelo eo ko izy.
midira matetika miresaka @ namana eto mba manary dia e
92. methode ( 23/10/2004 16:45)
Kidjo>Tsy dia atao mahasakana ny asa sy ny fiainana aty ny zava-miseho e! Lalam-piainana daholo izany!!
Misaotra ny namana rehetra mankahery aloha fa tena namana tokoa ny ato e! Mahafinaritra daholo!!
93. mimich ( 25/10/2004 12:09)
methode> manamafy ny fankaherezana efa nataon\'ireo namana teo aloha.
94. methode ( 27/10/2004 20:43)
mimich> Misaotra e!!
95. bichette ( 28/10/2004 06:48)
methode > tara kely methode fa mamangy ny fahoriana e !
96. methode ( 29/10/2004 23:03)
Misaotra e!!!
97. ralay ( 29/10/2004 23:56)
Miala tsiny @ ise ry namana methode raha izao vao mahita an\'izy ity fa tsy dia mba mijery oty rubrique ity aho.
Koa dia mamangy ny fahoriana an\'ise sy ny fianakavian\'ise zany ny tenako na dia efa somary tara ary. Maherefa fa izany no lahatr\'Andriamanitra e. Tombon-dalana ny azy fa isika mbola hanaraka avokoa. Mafy tokoa ny nahazo an\'ise nefa atao ahoana fa izany no lahatra.Aza missosoka alahelo intsony r\'ise.
Mivavaha ho an\'ny fanahiny.
98. yonikafopl ( 30/10/2004 19:51)
Tena izao koa aho vao nahita ity ry methode fa dia mirary fiononana afeno ho anao.
99. methode ( 01/11/2004 14:08)
Misaotra ny rehetra e! Dia aoka mba ho lasan\'iny ny ratsy rehetra!!!!
100. bichette ( 02/11/2004 13:38)
ramaso > élà tena tsy serieu mihitsiny an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5457