Ny mafy indrindra ...

21. ari.malala ( 07/06/2004 11:31)
ny tena mafy indrindra tamiko d ny zanako vao 6 mois d efga nivalana b d niditra hôpitaly! efa naika nafoy mintsy fa soa ihany sitrana soa aman-tsara!
22. jhouhlambout ( 07/06/2004 14:32)
23. kally ( 09/06/2004 09:26)
Ny ahy koa mba isan'ny mafy ilay nipetraka teny@ citén'ny mpianatra Ankatso dia tsy maintsy hiala nefa ny entana tsy hita hoe atao aiza,tsy hita hoe aiza no hipetraka.Hay moa nambinin'Andriamanitra ka dia nahita isitrihana ihany!!!hi hi
24. mcfy ( 11/06/2004 18:14)
Tsy dia tena mafy fa Imagine-o tsara ary ity. Tany @ tany nisy gera. 3 izahay hividy fanafody, 1 ihany ny pharmacie nivoha. Tsy misy ny fitaterana. 2km vao tonga tao @ Pharmacie. Nony azo ny fanafody dia lasa. Mbola tsy dify ilay Pharmacie akory fa vao 30 à 50 segondra niala ilay Pharmacie dia nilatsaka tao @ ilay pharmacie ny bomba. Ny fahenoana ilay bomba nipoaka nanaitra ihany fa ny nieritreritra le hoe raha nijanona kely 1mn fotsiny d tsisy noraisina intsony fa setroka fotsiny sisa no hitan'ny sasany.
Misaotra an'Andriamanitra iray lehibe sy be fitiavana aho noho ny fitiavany antsika rehetra.
25. booboo ( 29/06/2004 08:01)
terrible !
26. bichette ( 01/07/2004 06:21)
Ny mafy indrindra ve ??? raha nampanantena fanambadiana ilay olona iray izay nefa nony avy eo dia notapahiny tampoka ny tady ......

Soa fa efa tena sitrana sy nangalàna lesona izany.
27. titakely ( 02/07/2004 09:50)
ny tena anisa'ny mafy dia teraka 1 volana aho dia mitomany be ilay zaza amin'nyalina tena izany hoe mila ho farimpeo mihintsy; avy eo nentina tany ami'nny hopitaly dia hozy ilay dokotera mety misy mal formation hatrany ankibo io zaza io, fa aleo hatao radio dia natao radio, analyse echographie, inona fa tsy nisy inona akory fa colique du soire fotsiny fa ny niandrasana ny vali'nny analyse sy ny radio sns saika nahatapaka lalandra mihintsy fa nitomany aho nahatsiaro ny famille ko tany dago na dia nanampy ahy teo aby aza ny rafozako taty, izany hoe raha zanaka tsy tia ray amandreny miteraha hahita e
28. kitjo ( 03/07/2004 06:12)
Ny tena mafy inddra koa t@ 1996 zandrinay(9ans) nande nilomano tao @ AROTEL tao Bira
D efa napetraka teo @ reception izy oe raha tsy tonga ny namany d aterin zareo ao @ Alliance, d nanaiky zareo

Kanjo alina @ 9 dadanay mbola tsy tonga d naverina hoe tany izy, d nony tonga izy nihevittra ndray oe efa nalaiko na efa nody.
Teo vao nikorapaka,

Efa izy mitsotra ao @ hopitaly eo ambony latabatra feno olona mitangorona eo ambavahady sy polisy no hitanay @ 10 alina.
Mamanay tena saika lasa adala mitsy. ZA tsy nahasahy nikasika azy akory fa tena tampoka be lotra.

Ny vola tokony nidirany tao mbola tao anaty kitapo, izy mbola miakanjo fa tsy maillot de bain akory, le namany tsy tonga akory, feno olona nefa tao @ piscine, ny kirarony tsy miala, mangana be ny takolany...

GGgggggrrrrrrrrrrrrrr
Mafy zay an!
Raha misy manontany oe fa naninona dia "tsy hainay sady tsy tianay ho fantatra", izay ny valiny!
Satria misy zavatra tsy mazava aloha e, kanefa raha fantatra ny tena nanjo azy vao mainka alahelo indrindra raha oe nijaly izy.
Ny fianakaviana nanao enquete fa zay efa niteny mitsy oe aza ampahalalaina anay.

Aza manody fa mampalahelo ny RAR inddra.


mbola hitohy....
29. fatsoraly ( 03/07/2004 06:34)
Fa i Kally angah panao ankety? Tsary misy tataraina fa tsy misy tsy vita refa miaraka @ Andriamanitra e!

"Raha Izy no momba anao, iza no sahy hahatohitra?"

Nothing is too difficult to G-d!
30. kitjo ( 03/07/2004 06:42)
Hay v fatsoraly mba oh znay ihany e
31. fatsoraly ( 03/07/2004 06:53)
fa maninona anareo lôtra aza i fatsoraly fa tsy azoko mihitsy!
32. kitjo ( 03/07/2004 06:54)
ao aza e!
sao mitsoka eo
33. lanto ( 03/07/2004 07:45)
kitjo> mampalahelo be izany !
34. kitjo ( 03/07/2004 07:56)
grave aloha zay e
Fanintelony izy tao ary mitovy taona aminy aby ilay 2 maty tao talohany araka ny filazan' ny olona fa d tsy haiko aloha izay niafarany e

Ny tena nahasosotra dia t@ 3h30 na 4h tany hono izy no nesorina tao anaty rano d teny andalana sa hopitaly no maty tsy haiko.
D efa dadanay t@9h30 no tonga tao vao nahalala fa tsy mba nampandre akory zareo.

D izy tonga tao ary lasa nitsoka aby hono zareo le teo @ reception fa le gardien no niteny enfa hotely ngodabe io.
tttsssssssss

Nampalahelo be mamanay fa tsy nahalala aloha zya tao antrano fa avy any dada d oe ndao aloha hivavaka d ozizy ho e".....Mino aho fa efa eo am-pelatananao ny fanahin Sarindra @zao fotoana izao....." zay vao tonga saina aby!
35. booboo ( 03/07/2004 08:08)
terrible beeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeee !
36. minnetty ( 03/07/2004 09:54)
Ny ahy indray maty teo ampofoako ny anadahiko tokana fa sendra za no nanao garde t@ zay fa efa tena reraka î mamanay de hoy izy hoe ampofoy aho fa zay no hahazoako aina kanjo vao niankina tamiko izy de nisento in1 de vita saika lasa adala e, ny nilaozan'ny bandy mafy ihany fa izay no tena grave be nefa angamba izaho no mety nahazaka izay zavaniseho izay kokoa noho i mamanay de za no nataon'Andriamanitra nahita an'ilay izy
37. cherri ( 03/07/2004 09:57)
ny ahy indray dia ny naheno hoe maty tamin'ny 10 aout 1991 ny premier amour ko sady izahay vao avy niady !
zany no hankahalako tanteraka an dradidy.
38. titakely ( 03/07/2004 14:02)
kitjo, est très triste
39. titakely ( 03/07/2004 14:03)
kitjo,c"est très triste ton histoire et bizarre aussi hoe mitovy taona aby reo maty tao
40. methode ( 03/07/2004 19:21)
Angamba ny resaka fahafatesana daholo no mafy e!! Ny ahy moa dia ny fiandrasana ny fotoana hilazana hoe maty ny zandriko vavy no tena mafy tamiko!! Raha ny tena marina mantsy dia izaho ihany no nilazany fa io fotoana nifanaovanay veloma io no fotoana ihaonanay farany. Nitomany izy no nilaza izany tamiko ary tonga dia nino avy hatrany aho fa efa mandindona azy tokoa ilay izy. Efa narary naharitra mantsy izy fa saingy afaka mandeha dia heverin'ny olona hoe efa tsy maninona!! Telo volana no niandrasako ny filazana dia tonga tokoa!! Izaho moa voatery tsy maintsy nandeha satria nianatra!! Ka ny tena mafy dia tsy ny fandrenesana hoe maty izy fa ny fiandrasana elabe hoe rahoviana ihany!! Vao tonga ny olona nilaza dia hoy aho hoe efa fantatro ka gaga be ry zareo ary vao maika gaga izy ireo nahita ahy toa tsy nitomany akory!! Fa rehefa tena tonga nanatrika ny razana vao tena nalahelo be aho satria efa hiainga ho any amin'ny fasana ny olona dia tsy afaka nijery ny endriny intsony aho!! Dia tsaroako ny teniny hoe: "Ity androany ity no fotoana ifanatrehentsika mianadahy tava farany". Sambany tamin'ny fiainako aho tamin'io no nitomany tsy hay nampanginina ary hatramin'izao dia tena tsy mety afaka ao antsaiko mihitsy nefa novembre 1992 no nisehoan'io zavatra io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4359