FANTARO NY ZAVATRA HO AVY TSY HO ELA INTSONY

1. RBNIR ( 21/10/2016 23:16)
http://www.dailymail.co.uk/sciencetech/article-3832913/America-Mars-2030s-President-Obama-lays-plan-red-planet-says-ultimate-ambition-long-term-colony.html

Manomakomana tetikasa goavana ny Amerikana:(handefa olona eny amin'ny planeta Mars amin'ny taona 2030)...

Ny antony aloha hatreto dia tena mbola "secret d'Etat" fa ny hanairako ny saintsika dia hoe nahoana ry zareo no manana saina handefa olona any izay tena handaniana vola be dia be tokoa sady fanampiny hisy olona mihitsy izay hanao sorona ny ainy handeha amin'izany "voyage sans retour izany"???????
Nahoana no tsy tetikasa izay hanatsarana ny fiainana eto amin'ity tany ity no kasainy atao fa maninona no tetik'asa lasa lavitra Be toy izany...

Izaho manokana dia mino: misy zavatra fantatry ny amerikana ao fa tsy fantatsika namana (secret d'Etat) hoy aho......
novalian'i RBNIR ny 10/05/2017 11:48
2. RBNIR ( 22/10/2016 00:13)
Misy fahalalana kely mba tiako hozaraina aminao ireto fa mahareta....
http://www.atlantico.fr/decryptage/soleil-faiblard-scientifiques-essaient-comprendre-somnolence-actuelle-philippe-lamy-912079.html

MIHAMALEFAKA NY HERIN'NY MASOANDRO ANKEHITRINY ARY MAHAVERY HEVITRA NY MANAMPAHAIZANA NY MANDINIKA IZANY......

Izaho kosa anefa dia mahatsiaro ilay hafatr'i Jesosy 2000 taona lasa izay mikasika ny fomba izay hoentin'Andriamanitra handravana ity izao tontolo izao ity (galaxy lactée)....

« Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina. » (Mat.24:29)

Hotran'izao hoy i JESOSY ny fomba hoentin'Andriamanitra handravana izao tontolo izao ity (galaxy lactée)...

1- Ny masoandro dia hohamaizinina :
Maninona moa ny masoandro no hohamaizinina? satria HOTAPERINA NY ANDRONY (ho tonga amin'ilay atao hoe FIN DE VIE) izy,
Ny masoandro dia karazana kintana (étoile)...
Rehefa tonga amin'ny atao hoe FIN DE VIE ny kintana iray tahaka ny masoandro dia mivadika ho TROU NOIR izy....

Hihamaizina ny masoandro araka izany....

2- Ny volana tsy hazava (vokatr'ilay masoandro maizina iny satria isika nandrato fianarana dia mahafantatra tsara fa ny masoandro no manazava ny volana).....

Rehefa hihamaizina ny masoandro dia mazava loatra araka izany fa tsy hazava intsony koa ny volana....

3- Ny kintana hiraraka...

Ireny kintana ireny dia lavitra dia lavitra ny tany, saingy kosa akaikin'ny masoandro....

Ilay trou noir hiforona avy amin'ny masoandro dia hisintona an'ireny kintana ireny....

Mety hisy amin'ireny kintana ireny mandalo amin'ny tany ny "trajectoirany" na ny làlany rehefa sintomin'ny herin'ilay trou noir izy dia ireny no hiraraka amin'ny tany,


Hahita isika araka izany kintana marobe hirohotra mankao ho amin'ilay trou noir izay hitelina azireo....

Tahakatahaka an'izao ny ho hita eny amin'ny lanitra eny amin'izany fotoana izany saingy amin'izany dia ho marobe ireo kintana ireo ary hirimorimo be tokoa izy amin'izany vokatry ny fiteloman'ilay trou noir azireo....


Dia iny no nolazain'i Petera hoe : « ........ ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. » (2 Pet.3:10)

4- ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina. » Vokatry ny herin''ilay trou noir hiforona avy amn'ny masoandro daholo izany rehetra rehetra izany......

Zava-doza no miandry an'ity tany ity ry zalahy a! Ankehitriny dia efa ampahafantarin'Andriamanitra amin'ny olona avokoa ny zavatra rehetra izay hataony tsy ho ela intsony!!!

Ankehitriny dia efa mahita tranga hafahafa eny amin'ny masoandro ny olombelona


Miomana daholo!!! Ataovy azo antoka tsara ny hoavin-tsika ara-panahy fa aza variana amin'ny zavatry ny nofo.....

Mianara ato fa hanampy anao izany hamantaranao ny MARINA rehetra...


Io fandaharana vitao ny asan'ny fahamarinana io moa dia hohitanao isa-maraina amin'ny 05 ora sy sasany ka hatramin'ny 06 ora ao amin'ny televiziona kolo TV & I BC....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

3. RBNIR ( 23/10/2016 17:58)
Nisy namana moa nametraka fanamarihana hoe ny trou noir ange tsy maintsy miditra amin'ilay atao hoe supernova vao mivakdika ho trou noir ka ahoana no mbola ahitan'ny olona ny tranga eny amin'ny lanitra ihany amin'izany fotoana izany?

Ny super nova moa raha ny marina dia karazana "tsipaky ny miala aina" ihany : izany hoe mihamahery be aloha ny herin'ilay kintana izay vao lasa maizina tanteraka izy avy eo ka mivadika ho trou noir....

Ankehitriny dia efa voamarina fa misy izany atao hoe supernova ratée izany izany hoe ilay tsipaky ny miala aina dia tsy voatery ho mahery be fa mety tsy ho tanteraka dia avy dia mivadika ho trou noir ny kintana iray...
http://www.futura-sciences.com/sciences/actualites/hubble-hubble-aurait-observe-naissance-trou-noir-64311/#xtor=EREC-49-%5BACQ%5D-20160920-%5BACTU-Hubble-aurait-observe-la-naissance-d-un-trou-noir%5D

4. rhaj0 ( 24/10/2016 12:24)
Aleo averina ihany ny antso avo hialana nenina... Misy Kristiana nianatra siansa sy astrofizika MBA TSARA SITRA-PO ve eto @ serasera eto, ka hanazavazava @ RBNIR ny @ ireo resaka notsindrotsindrohany dia anaovany resaka rambon'osy toa resa-baiboly ireo?
5. endriny ( 24/10/2016 18:19)

RBNIR:

3- Ny kintana hiraraka...

Ireny kintana ireny dia lavitra dia lavitra ny tany, saingy kosa akaikin'ny masoandro....


Nen-dRanesta ianao o!

Izany ve?

HIraraka ohatran'ny voatsinefy ireo a?

Tena akaiky ny kintana rehefa eny amin'ny masoandro a?

Firy kilaometatra izany akaiky izany? 20km ve?

Aza miteniteny fahatany rey olona fa mahamenatra a
6. RBNIR ( 25/10/2016 02:59)
Raha "tena kristianina" dia tokony ho faly satria hahiratra tsara ny masony fa kay "efa tena antomotra tokoa ilay andro" ka tsy tokony hatoritory intsony fa tokony mba efa "hifoha" amin'izay ary "hiambina" sao dia tonga tampoka tokoa "ilay Tompony",

Maninona moa no sahy milaza aho hoe hivadika ho "trou noir" ny masoandro....Valiny : satria hoy Jesosy hoe "Ny masoandro hohamaizinina".....

>>>endriny araho tsara ilay fanazavana hoy aho hoe "rehefa mivadika ho trou noir ny masoandro dia hitelina ny kintana sy ny tainkitana manodidina azy izy ka dia hisy amin'ireny kintana sy tainkitana ireny handalo amin'ny tany ny lalana halehany dia ireny ilay voalaza fa iraraka ety antany,

Efa hitan'ny manampahaizana ihany koa izany ankehitriny araho ity rohy ity
http://www.maxisciences.com/trou-noir/voila-ce-qui-arriverait-si-un-trou-noir-s-039-approchait-de-la-terre_art34546.html

Izao no anisan'ny voalaza ao "Cela projetterait violemment un grand nombre de ces astres vers la Terre et les autres planètes."

Koa inona moa no tokony hahagaga ahy sy anao raha niteny Jesosy hoe "ny kintana hiraraka?????
7. RBNIR ( 25/10/2016 03:06)
Dia ampiko kely ry endriny ny fandraisantsika ilay voambolana hoe kintana diso an: (tsy voatery hoe ry proxima sns... no ambara hoe kintana amin'ny voambolana malagasy fa rehefa vainganjavatra mamirapiratra hita eny amin'ny habakabaka amin'ny alina dia kintana avokoa izay (na taikintana)....ASTRES hoy ny teny frantsay....
8. RBNIR ( 25/10/2016 03:10)
Io ilay efa nambarako tamin'ny namana iray hoe manontania ange ianao amin'ny mponina rehetra eto madagasikara hoe kintana ve ireny mamirapiratra rehetra eny amin'ny lanitra ireny e???

Minoa aho (indrindra ny any ambanivohitra izay maro an'isa) fa tsy maintsy hamaly anao izy hoe kintana ireny tena azoko antoka 100% ny 99.99% (ireo tsy mahafantatra an'i proxima sns.....hamaly anao izy hoe kintana ireny....
Koa aza maika fa mba alefalefaso ny saina e!!!!
9. endriny ( 25/10/2016 04:29)

RBNIR:

Dia ampiko kely ry endriny ny fandraisantsika ilay voambolana hoe kintana diso an: (tsy voatery hoe ry proxima sns... no ambara hoe kintana amin'ny voambolana malagasy fa rehefa vainganjavatra mamirapiratra hita eny amin'ny habakabaka amin'ny alina dia kintana avokoa izay (na taikintana)....ASTRES hoy ny teny frantsay....


Mba hianaro ho'a ny an'ny tena fa mahametr'olona marina e. Tsy hainao akory ny hoe kintana, vasia, johary, fantara. Tena mampisitri-belona mihintsy, sy mampanongo tena hoe izany ve ny Malagasy mahay raha e.
10. RBNIR ( 25/10/2016 05:02)


Mba tsy hampisy adihevitra be dia aleo ny rakibolana malagasy no hilaza azy


Teny iditra kintana
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Vaingan-javatra mirehitra mamirapiratra [...] [tohiny Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy A star [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay étoile [Hallanger 1974]
Ohatra Ny kintana sy ny volana amin'ny alina ny andrandrainy sy mahazatra ny masony [Rakotonandrasana: Tantsaha]
Voambolana Haikintana
Kamban-teny, lohateny, anarana
Ilay Kintana Mamirapiratra
Teny nalaina Soratra misy io teny kintana io
Ohabolana misy io teny kintana io
Lahatsoratra Randzavola: kintana ao amin' ny Baiboly


Rohy mifanaraka aminy : http://tenymalagasy.org/bins/teny2/kintana

Fanampiny, manontania hoy aho ianao ny100% n'ny malagasy fa ny 0.01% ihany no hanambara aminao fa ny kintana dia ry proxima sy ny tariny fa ny 99.99% dia na meteorita io na etoil filante io na comète io na astre io na inona dia amin'ireo 99.99% ireny rehetra ireny dia kintana avokoa ary Jesosy koa raha niresaka dia tsarovy olona tany amin'ny taonjato zero no nifampiresaka taminy (olona mbola tsy nahafantatra ny atao hoe proxima e sns.........
11. Strong3 ( 25/10/2016 07:16)
https://www.google.com/url?sa=t&rct=j&q=&esrc=s&source=web&cd=1&cad=rja&uact=8&ved=0ahUKEwi6ltjds_XPAhXQSxoKHZBLACIQFgggMAA&url=http%3A%2F%2Fwww.24heures.ch%2Fmonde%2Fc-officiel-usa-menace-russie%2Fstory%2F12959874&usg=AFQjCNGUQ8bxPy-dY2HMVJNk2jcmd6AViQ&sig2=YJcTKrdu9RfwzCaA6quBWw

ity izao no akaiky indrindra amin'ny zavatra andrasan'ny be sin'ny maro RBNIR , fa aza mitsambikibikina lohatra fa mba mamaky baiboly ihany misy fanononana ao amin'ny Mat 24-25
mbola any amin'ny firy éme plan ity kitana efa mampihorokoditra anareo ity???
12. RBNIR ( 25/10/2016 07:22)
misaotra anao namaly stong3 ilay kintana v? asakasakao ihany raha hino na tsia fa efa niteny ihany aho hoe isika ngeh hoy aho no génération farany e!...
13. RBNIR ( 25/10/2016 07:25)
ary ireo ambony ireo no porofo, miomakomana ny handositra ny tany ny amerikana (tsy fantatra hoe inona no antony fa secret d'etat) ny masoandro dia efa maneho ilay signe de faiblaisse,
14. Strong3 ( 25/10/2016 10:25)
refesina amin' inona moa io filazana fa andro farany sy hoe tarana farany ity?

efa betsaka ihany izay tranga izay
iza no tsy efa naminany vinaninany fa ehhh
adventiste , témoin de jehovah, ... sns tsy voatanisa

araka ny filazan'i Petera hoe : tsy mahafoana ny filazan'ny hoe andro farany anefa izany fa ny kajikajinareo no manimba zavatra indraindray

vao mahita zavatra dia taitaitra be eny ihany...
ny sasany mahita extraterrestre ny sasany mahita horohorotany, nisasany mahita ady ...
dia samy taitaitra eo eh. nefa tsy hay hoe refesina amin'inona izy ity.

raha misy mesurette any amianareo dia ampianaro na omeo zahay :)
15. RBNIR ( 25/10/2016 10:31)
Strong, ianao koa aza izao io mahita an'io probleman'i sovietika sy ny usa io dia efa mikoropaka koa :)
16. Strong3 ( 25/10/2016 11:21)
toromarika fotsiny io hoe ny ety ambany aloha jerena fa tsy hoe io no inona???

tombony ho an'ny kristiana ny fahafatesana ka inona no iraharahiako izay basy mipoaka any hihihi :D
17. Strong3 ( 25/10/2016 11:24)


jereo nao amin'izao ny kajikajy majinijinika ataonareo HS amin'ity resaka date ny fara andro ity kou

hafahafa an :D
18. rhaj0 ( 25/10/2016 12:21)
Esy e ry RBNIR..

1- milingilingy mitatatata resaka siansa sy astrophysique ve hono izany i RBNIR?
Asa ho'a.. ny Kristiana nianatra Siansa sy Astrophysique ve no tsisy eto, sa ny Kristiana tsara sitra-po, fa dia avelan'ny namany (kristiana) ihahaka ridicule eto Ingahibe RBNIR eee...

2- milingilingy misavisavika ny an'ny Razana (iombonana) indray hono izany i RBNRI?
Ntss... na ny voambolana Malagasy azany tsy takatrany, hozy i Endriny izay. hi hi hi...


Fa ireo torianao ireo re ry RBNIR, dia @ ireny antitra (saina) teritery sy tsy mba mandalindalina fa mora mitelina finoanoam-poana (toa anao) ireny ihany no itoriana izany. Fa dia ianao no mpanjakan-drizareo (teritery saina sy tsy mba mandalina), ary ameny anao ao izany ilay 1/10-karenany eee...

Fa raha tantarainao an'io ho'a ny "ankizy ankehitrio tompon'ny interinety", dia ... mety tsy ho tanany intsony fa ho vakin'ny hehy eo imasonao eo izy... satria anie dia tena ridicule ity resakao ee...


Jereo indray anie io farany io ee.. tsimpotsimponin'i RBNIR h@ politika rosia/etazonia, dia ampifandraisiny @ la fin du monde. Izao rehetra izao dia tsimpotsimponina dia savisavihana mba ho tere-ko marina araka ny resa-baiboly.
19. RBNIR ( 25/10/2016 12:25)
Inona daholo ireto HS entinao ireto rhajo a?? toa fanaratsiana no bdb fa tsy misy fanakianana mazava ilay zavatra zaraiko???
20. RBNIR ( 25/10/2016 12:28)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4299