FANTARO NY ZAVATRA HO AVY TSY HO ELA INTSONY

181. RBNIR ( 28/11/2016 15:35)

rhaj0:

trou noir = lavaka mainty mangitsongitsoka
Afobe = miredareda.
Koa raha hoz'i Jesosy hoe, ny "lavaka mainty mangitsongitsoka" dia "miredareda", dia .. ao ianao RBNIR sy ny hadalanao izany eee..


Ny @ haharava ny planeta Latera indray k'lou dia, @ ankapobeny, dia mbola amina an'arivo taonany. Ka dia mandria ampiadanana ho'a fa tsy ho @ fahavelonao io re ry RBNIR aa..

Maro ny scenario mety hitranga, hozy ny Siantista

1- mety hoe hisy asteroid midona @ Latera, toa ilay nandona ny Latera efa ho 65 millions d'annes lasana ka naharingana ny dinaozoro. Eo anelanelan'i Jupiter sy Mars dia misy bainga marobe, ao anatin'ilay hoe "asteroid belt". Efa voa-ara-maso ny trajectoire-n'ireo bainga ireo, ary dia kely dia kely ny probabilité ny hivilian-dreo lalana ka hipaka aty @ Latera.
Koa dia mandria ampiadanana fa TSY izany no haharava ny Latera.

2- mety hisy solar superstorm avy any @ Masoandro, toa ny efa nitranga 150 taona lasa. RAha atao kisarisray, dia misy toa rivo-doza (elektromanietika) koa any; rahefa mirefotra io, dia misy ondes mipaka mafy hatraty @ Latera, izay mi-interferer @ lelekitrisitia, ny lelekitrisitia ho'a. Ka tsy hoe isika mianakavy no hitsitra, fa isika miankina @ lelekitrisitia no sahirana.
Koa dia mandria ampiadanana fa TSY izany no haharava ny Latera.

3- mety hoe hisy volkano mipiritika be. Fa na supervolcano azany ho hipiritika, dia TSY ny tany manontolo no sempotra fa localisé io.
Koa dia mandria ampiadanana fa TSY izany no haharava ny Latera.

4- mety hoe misy areti-mandoza mandravarava ny mponina, toa ny efa nitranga 100 taona lasa, ka nahafaty efa ho 100 millions. Ka @ fandrosoan'ny siansa izao, dia tsy hisy aretina mipariaka toa izany intsony eo.
Koa dia mandria ampiadanana fa TSY izany no haharava ny Latera.

5- ireo vokatry ny resaofema klimatika, dia ... any @ 2050 any no tena hisaritaka ny sangan-dradokodahy, raha ohatra ka, averina indray, raha ohatra ka tsy mandray fepetra isika izao. Fa na hisaritaka azany ny sangan-dradokodahy, dia TSY midika hoe, vita matavy ny planeta Latera manontolo, fa dia hiodikodikana eo raolona, ary dia hi-s'adapte @ izay misy eo.


Fa dia aok'izay ity fahatahoranao ny faminanin'adalan'i Jesosy ity re ry RBNIR, fa dia kalamina @ izay, ary dia

1- avelao any ny pataloha matevina sy ny couche fa tsy ho latsa-pipi intsony ianao

2- ataovy ny adidy manoloana anao, izay azonao atao, ka aza mampitombo ny resaofema ianao sy ny fiainanao ao; aza mi-gaspiller, ary mba mi-recycler. Aza roboka @ surconsommation. Mba toa an-dry Amerindiana eee... tsy manakorontana ny lalovany izy

3- dia sokafo ny saina, mba hianaro sy halalino ny fandrosoan'ny Siansa, f'aza ilaozana mihevoka boky tonta mirediredy mifototra @ (tsy)-fahalalan'ny l'an zero lava ao foana. Fantaro hoe inona izany asiterooida, solar storima, supevolkano, areti-mandoza sy ny resaofema kilmatika...


Ary tsy notononinao ny scenario fahaenina izay mifanaraka amin'ny nambaran'i Jesosy????


http://www.maxisciences.com/trou-noir/voila-ce-qui-arriverait-si-un-trou-noir-s-039-approchait-de-la-terre_art34546.html
182. rhaj0 ( 28/11/2016 15:49)
Koa na hisy azany izany, izay marihiina tsara fa tena supposition ngezabe, dia henoy tsara ny nolazain'olo ao ry RBNIR f'aza mihinana am-bolony ho'a ee..
"il nous mettrait en morceaux

ka na mpanota ianao na vetaveta, toa Jesosy na Herinirina, dia vita matavy daholo eee... Ianao angaha mihevitra hoe, ianao @ io mijery fotsiny fa tsy voakitika akoriny ho'a eee??... Dia na ny zaza eny @ garabola azany ve dia tsy ahatakatra izany ry RBNIR, f'inona foana ity ianao lehilahy lehibe mamikitra amina pensée magique hoe, ianao sy Jesosy dia mbola hiara-hidola eto foana..
183. RBNIR ( 28/11/2016 16:09)
ho an'ireo tsy mino fa hovaina in-dray mi-pimaso ny olona ary tsy ho faty intsony, ary hafindra eny amin'ny habakabaka dia mitombina ny voalazanao....

Izay mino kosa dia manana fanantenana fa tsy ho isan'ireo ho faty amin'izany andro izany fa ho isan'ireo hijery maso fotsiny....
184. rhaj0 ( 28/11/2016 17:11)
Rahefa eo ihany izany, dia alefaso alavitra izany ny imazinatio ry RBNIR aa... hoe misy firy ianareo no miery ao ambany zipon'i Jesosy ao... izay miaro anareo @ "firimorimo"-n'ny trou noir.
185. RBNIR ( 09/12/2016 14:02)
rhaj0:

O Iza Iza azany ireo "vavolombelona" eee...
Ameo anarana, dia inona ny traikefany sy izay fahalalana nananany.

Aleo angamba atomboka hovaliana amin'izay ity fanontanianao ity....

Misy karazany 3 ireo vavolombelona:

1- Ireo vavolombelona nanamarina fa i Jesosy marina no "Kristy"
2- Ireo vavolombelona nahita ny fahagagana rehetra nataon'i Jesosy Kristy
3- Ireo vavolombelona nanamarina fa nitsangana tamin'ny maty marina tokoa i Jesosy Kristy taorianan'ny nahafatesany........

Hotohizana raha sitrapon'Andriamanitra....
186. rhaj0 ( 09/12/2016 18:26)
Ka ity izany ohatra-na "vavolombelona" manjabe (nanambady efa ho in-5) ary tena azo atokisana anankiray an..

Jaona 4:16 Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa at?.
17 Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho;
18 fa efa nanam-bady indimy hianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany.
19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao.



Dia tsy mivanika miaraka amiko kosa ve ianao eto ry RBNIR.. T@ vao nihaona izany ramatoa sy i Jesosy, t@ 4:16, dia TSY hain'i Mpaminany akory kay ny amin-dramatoa. Fa mba ahoana nefa kosa aloha no narebirebin'i Jesosy azy teo, fa tanatin'ny 3 minitra dia nibaradaka izany ramatoa, fa tena "i Jesosy marina no "Kristy"" eeee.. izay an??? :-)
187. rhaj0 ( 09/12/2016 19:49)
Ny @ ilay mitsangana @ maty izany hono toa zavatra efa hotry ny mandeha ho azy t@ l'an zero ireny ee.. Jereo ny fanaovan'i Jesosy azy, fa milaza fotsiny hoe "miarena" dia vita

Lioka 7:12 ... indro, nisy fatin’ ny lehilahy anankiray ... 14 ... Ary hoy Jesosy: zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena. 15 Dia niarina ny maty...

Lioka 8:49 ...Maty ny zanakao-vavy; ... 50 Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy... 53 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona satria fantany fa efa maty razazavavy. 54 Ary Jesosy dia nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena. 55 Dia nody indray ny ainy...




Fa tsy t@ l'an zero ihany anie io, fa jereo ohatra atsy @ Bokin'i HP, fa @ teny anglisy ilay "miarena!" dia lasa hoe "Rennervate!"... fa tena niarina koa i Agapé!
188. RBNIR ( 19/12/2016 00:51)
Iza avy ary ireo vavolombelona?


Ny atao hoe vavolombelona dia olona nofidin'Andriamanitra manokana mba hanamarina ny teniny...araka ity voasoratra manaraka ity...« fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo (Deo. 19. 15). » (Mat.18:16)

1 Ireo vavolombelona nanamarina fa i Jesosy marina no Ilay "Kristy" niandrasan'ny olona...
Voalohany indrindra dia i Maria renin'i Jesosy....(Lio.1:30-38)

Faharoa i Josefa vadin'i Maria....Mat.1:18-25
Fahafahambaraka lehibe eo amin'ny lehilahy Jiosy izany hampakatra vehivavy "tsy madio" izany, ary manana zo mihitsy izireo hanameloka ilay vevivavy raha toa ka tratrany nanao izany ilay vehivavy nefa dia nangina Josefa noho io teny eo ambony eo io.....

3 Ireo mpiandry ondry.....Lio.2:8-20

4 Simeona Lio.2:25-35
Simeona dia nahazo teny fa tsy ho faty raha tsy mahita ILAY KRISTY.....

5- I Ana mpaminany vavy......Lio.2:36-38

6- Ireo magy Mat.2:1-12

Diniho tsara fa
1 olona samihafa ireo (misy aza avy amin'ny firenena hafa mihitsy)
2 toerana samihafa
3 fotoana koa samihafa

Ary raha ny marina dia olona tsy afaka ny hiray tsikombakomba satria samy tsy misy manana "tombotsoa" amin'izany....
189. rhaj0 ( 19/12/2016 15:37)
Ny "vavolombelona" re ry RBNIR dia .... dia ilay "mpitantara" (angano) aaa... Dia halalino hoe, "inona ny tombo-tsoany".

Rahefa "mino" izay tantarainy ianao, dia .. izay izany. Fa @ izao fahalalana efa mandroso izao, sy ny taona(nao) efa mandroso koa, dia eritrereto tsara ihany eee...

- ohatra hoe, ny "fanisam-bahoaka" dia atao rahefa fararano (automne), ka TSY ririnina ilay "nahaterahany"
- ohatra hoe, ilay Jupiter sy Regulus nifanojo; rahefa takatrao ny fihetsiky ny kintana dia ... hiaiky ianao hoe, inona no idiran'ny "any ambony any" sy ny "ety ambany ety"
- ohatra ho'a, ahoana koa ity tantara (angano), ka hoe, bevohoka ho azy ao, h@ vaviantitra momba (Elizabeta) ka h@ sipakely 12 taona virijiny (maria)

Fa dia ampiasao ilay coco ho'a, fa tsy olona de l'an zero ianao ry RBNIR, ka hinohino foana @ izao tantara (angano valamaty) rehetra izao eee...


PS: ilay fisainana RBNIR manindrahindra ilay hoe: Fahafahambaraka lehibe eo amin'ny lehilahy Jiosy izany hampakatra vehivavy "tsy madio", nefa i Josefa @ io, lahiantitra ary efa nanambady (aman-janaka), nefa dia manenjika sipakely 12 taona virijiny ilay anti-maola...
Amboary hivoatra @ izay ilay fisainana ry RBNIR aaa... ary tandremo sao dia izany koa no ianaranao sy ampiharinao ao

190. RBNIR ( 20/12/2016 02:33)
1 Tena diso tanteraka ilay définition témoin nomenao rhajo....

Personne qui a vu ou entendu quelque chose, et qui peut éventuellement le certifier, le rapporter
Read more at http://www.larousse.fr/dictionnaires/francais/t%C3%A9moin/77204#crhrEC7x28Vv5Z2t.99

Ireo olona notanisaiko teo dia "nahita", "nandre" ary nitantara zavatra mitovy.....

2 Tsy mitombina hoe i josefa dia efa nanambady ary avy eo nanolana zaza tsy ampy taona,
Satria raha nahavita izany izy dia tsy navelan'ny olona hiaraka amin'i Maria intsony fa avy dia natao maty tokoa....

Fahavetavetana eo imason'ny Jiosy ilay hoe manolana rhajo......vakio ny tantaran'i Dina zanak'i Jakoba naolan'ny sasany......

Vakio ihany koa ny tantaran'i tamara izay virijiny ihany koa ary nosavihin'i Amnona....


Fahotana mahafaty eo imason'ny Jiosy ny fanolanana zaza tsy ampy taona indrindra mbola virijiny rhajo.....

Dia heverinao v fa raha marina fa efa nanambady josefa ary koa nanolana virijiny dia navelan'ny olona tamin'izao?????? sady fanampiny mbola avelany hiaraka amin'i Maria ihany koa nefa ny lalàn'ny jiosy mandrara izany?????

Mba mandiniha ihany re ry rhajo a!! io googlenao io no hahavery anao ny farany....
191. rhaj0 ( 20/12/2016 04:40)
esy e ry RBNIR.. Halalino tsara ny Baiboly fa rahefa manao recoupement ny kristiana namanao ihany io, dia milaza fa i Joseph, izay efa nanambady (aman-janaka), dia any @ 90 taonany akoriny azany... Ary i Maria dia tena erotrerony, 12 taona, no nampanambadiana an'le anti-maola..

Ka vao mainka loza azany izany ilay izy, fa TSY i Josefa hoz'ianao no "nanolana" ny virijiny ... izay ve?


esy ee.. hotry ny mahatsiaro izany ry RBNIR hoe, misy "fahavetavetana" na koa "fahafam-baraka" ity tantara. Zavatra izany re no fomban-tany t@ l'an zero ry RBNIR, fa dia ankalazao izany ee... voninahitra anie ho an'izay nahabevohoka zazavavy 12 taona sady virijiny ... ankalazao ao ho'a azany eee....
192. rhaj0 ( 20/12/2016 14:41)
Averiko indray:

esy ee.. hotry ny mahatsiaro izany ry RBNIR hoe, misy "fahavetavetana" na koa "fahafam-baraka" ity tantara. Zavatra izany re no fomban-tany t@ l'an zero ry RBNIR, fa dia ankalazao izany ee... voninahitra anie ho an'izay nahabevohoka zazavavy 12 taona sady virijiny ... ankalazao ao ho'a azany eee....

Ampiako kely.. i Maria azany mbola fofom-bady koa, fa TSY vady, no efa bevohoka. Vakio tsara ny baiboly fa tena voasoratra ao izany. MIsahia miatrika ny marina f'aza kanosa toa io.

Izy ity anie ry RBNIR dia, tsy hoe, izay tiatianao sy eken'ny sainao no averimberinao ao @ toreo-nao ao, dia ho lasa marina ho azy eo, arak'ilay hoe
tere-ko marina toa resa-baiboly-n'i RBNIR


Fa dia ao ianao izany ee... (mazotoa) mankalaza ny naha-bevohoka ny tovovavy 12 taona, sady virijiny!...
193. RBNIR ( 30/12/2016 00:56)
izay ilay hoe mampiteny ahy ny zavatra tsy nolazaiko rhajo.....
194. RBNIR ( 11/01/2017 08:11)
Vaovao vao voaray, manomboka manao etude manokana momba ny trou noir ny NASA....

http://www.futura-sciences.com/sciences/actualites/astronomie-x-ixpe-nouvelle-mission-nasa-explorer-trous-noirs-65833/#xtor=EREC-49-%5BACQ%5D-20170111-%5BACTU-IXPE--la-nouvelle-mission-de-la-Nasa-pour-explorer-les-trous-noirs%5D

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
195. RBNIR ( 10/05/2017 11:48)
Tena efa manomboka ny fandravana ilay babylona lehibe ary efa manomboka mitaona "ny olony hiala tao Andriamanitra.....

https://www.infochretienne.com/extraordinaire-temoignage-dun-prince-de-daech-venu-a-jesus-dun-evangeliste-protege-de-mort/
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2047