FANTARO NY ZAVATRA HO AVY TSY HO ELA INTSONY

161. RBNIR ( 10/11/2016 10:30)
« Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny. » (Apokalypsy 12:12)


Fa naninona no fantatr'i ny devoly fa hoe efa kely sisa ny androny????

Nisy fotoa ny devoly (na satana) niaraka nonina tamin'Andriamanitra, ary afaka nivezivezy tsara teny an-danitra teny izy mahafehy tsara ny univers ary afaka nifamezivezy tsara amin'io univers io izy (job.1:6.7)

Mahafehy tsara ny univers i satana ary fantany tsara io univers io....

Nisy fotoana anefa tsy nahazo nitoetra tany an-danitra tany amin'ilay toerana nonenan'Andriamanitra intsony izy satria niady tamin'ny zanak'Andriamanitra (apok.12:8)...

Fantatry ny devoly fa kely sisa ny androny satria voaroraka taty amin'ny système solaire izy...Ny système solaire dia tsy maintsy hanana fahataperana ary fantatry ny devoly tsara izany raha vao nazera tety antany izy...
162. rhaj0 ( 10/11/2016 11:47)
Ndana ange jereo ny (finoanoam-poana) momba ny kintana aman'astre eran-tany, araka ny fotoana sy jeogirafiany aby any

http://www.windows2universe.org/mythology/stars.html


Dia asa ho'a rahoviana ianao vao mety mba tonga saina ihany ry RBNIR, fa ny fikirinao sy inoanao ao anie ka finoanoam-poana iray ao anatin'ny maro fotsiny... ny taona(nao) ity efa mandroso.. rahefa dadabe ianao izao ry RBNIR, dia ... hi hi hi.. dia hitsimbadika ny baolina, ka ny zafikelinao indray izany no hitantara ho anao ny anganonao favori eee... dia ny baiboly :-)
163. endriny ( 10/11/2016 14:17)

RBNIR:

« Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny. » (Apokalypsy 12:12


Mampihomehy ny olona. Eo Antampon'i Tsiafajavona aza dia efa tsy misy zavatra monina afa tsy bozaka. Eo Kilimanjaro tsy misy afa tsy ranomandry. Dia iza koa no monina eo an-danitra?

Fa RBNIR ve tsy mahalala foana hoe ny Devoly no Atra tsara indrindra ao @ baiboly. Tsy mba mandringana izy fa sady mampirevy no manome fahalala ny tsara sy ny ratsy
164. RBNIR ( 10/11/2016 15:43)
rhaj0:

Dia asa ho'a rahoviana ianao vao mety mba tonga saina ihany ry RBNIR, fa ny fikirinao sy inoanao ao anie ka finoanoam-poana iray ao anatin'ny maro fotsiny...

Mbola tsy tonga saina ihany v ianao ry rhajo?

Miezaka manaporofo anao ny Avo indrindra fa tsy finoanoampoana io fa:

1- Misy hery lehibe any amin'ny tsy hita maso any...Hery izay nahafahan'i Jesosy nanasitrana sy nanangana tamin'ny maty
2- tena misy ilay fiainana mandrakizay tamin'ny nanangany ny Zanany « Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:13)
« Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:16)
3- tena misy manampahaizana lavitra noho isika olombelona any ka tamin'ny taona 2000 dia efa nambarany ny fomba hamotehana ity izao tontolo izao ity.....Isika kosa aty amin'ny 2000 taona aty aoriana dia mbola théorie no betsaka....

165. rhaj0 ( 10/11/2016 15:48)
Toa ireo lazainao ireo daholo ihany no nolazain'ireo mpinomino foana namanao, ka dia .. izay ee..

rahefa dadabe ianao izao ry RBNIR, dia ... hi hi hi.. dia hitsimbadika ny baolina, ka ny zafikelinao indray izany no hitantara ho anao ny anganonao favori ... dia ny baiboly eee
166. RBNIR ( 10/11/2016 15:51)
endriny:

Fa RBNIR ve tsy mahalala foana hoe ny Devoly no Atra tsara indrindra ao @ baiboly. Tsy mba mandringana izy fa sady mampirevy no manome fahalala ny tsara sy ny ratsy

Miankina amin'ilay fahasambarana tadiavin'ny olona io endriny , raha fahasambarana ara-nofo no katsahinao dia mazava ho azy fa ny devoly no hasandratrao ho Andriamanitrao
Raha ara-panahy kosa ny tanjonao dia ILAY ANDRIAMANITRA TENA IZY no iankohofanao sy omenao voninahitra...

Tsy afaka hihaona mihitsy ireo fa mifanohitra ny lalana alehany...

« Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. » (Galatiana 5:17)

Koa dia safidy io nefa saintsaino ihany...« Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy? » (Marka 8:36)




167. RBNIR ( 10/11/2016 15:53)
rhaj0:

Toa ireo lazainao ireo daholo ihany no nolazain'ireo mpinomino foana namanao, ka dia .. izay ee..

rahefa dadabe ianao izao ry RBNIR, dia ... hi hi hi.. dia hitsimbadika ny baolina, ka ny zafikelinao indray izany no hitantara ho anao ny anganonao favori ... dia ny baiboly eee

Nisy vavolombelona ireo rhajo a,
Ireny vavolombelona ireny no hajoron'Andriamanitra rahatr'izay ary tsy hisy afaka hanadio ny tenany amin'izay fotoana izay
168. rhaj0 ( 10/11/2016 16:32)
O Iza Iza azany ireo "vavolombelona" eee...
Ameo anarana, dia inona ny traikefany sy izay fahalalana nananany.
169. RBNIR ( 28/11/2016 11:38)

Mitady lalana handosirana ity tany ity ny manampahaizana....

http://hitek.fr/actualite/stephen-hawking-humanite-vivra-pas-1000-ans-plus-sur-terre_11268
170. rhaj0 ( 28/11/2016 13:24)
Hozy i Stephen:
"... nous survivrons 1000 ans de plus si nous..."

Ka dia jereo tsara ry RBNIR f'aza raisina am-bolony (toa ny fomba fandraisanao baiboly) :

1- 1000 ans... efa lasa vovoka izaho sy ianao @ izany... fa dia ajanony @ izay ho'a ity mivavabavaka ny ahatanterahan'ny faminaniam-baiboly hoe, hiraradraraka ny kintana ity eee....

2- misy ilay hoe "si nous".. hi hi hi.. dia kOpy ianao fa TSY hoe "mivavaka" io dia basy fa mila, ohatra hoe, "mener à bien des recherches en physique théorique"
171. RBNIR ( 28/11/2016 13:42)
ity ny "complet" fa tsy hanesorana,
"Je ne pense pas que nous survivrons 1000 ans de plus si nous ne nous échappons pas de notre fragile planète."

Dia ity ny grand titre

STEPHEN HAWKING PRÉDIT QUE L'HUMANITÉ NE RESTERA PAS SUR TERRE 1000 ANS DE PLUS

Ity misy rohy hafa......

http://www.gurumed.org/2016/11/17/pour-lastrophysicien-stephen-hawking-lhumanit-na-plus-que-1000-ans-vivre-sur-terre/
172. rhaj0 ( 28/11/2016 13:52)
Dia hono ho'a... dia "manamarina" ny Baiboly izany i Stephen (l'atheist) @ io, izay no tianao ahatongavana, sa .. ??
173. RBNIR ( 28/11/2016 13:54)
Efa maro no mahatsinjo ankehitriny fa efa antomotra ny fotoana fandravana an'ity tany ity, ny amerikana...izao indray koa dia i stephen hawking.....tsy ho ela dia hivoaka ny marina momba ilay masoandro......
174. RBNIR ( 28/11/2016 14:00)
hoy ingahy hawking hoe....
Je suis plus convaincu que jamais que nous ne sommes pas seuls, mais si les aliens nous trouvent, ils seront beaucoup plus puissants et ne nous verront peut-être pas plus précieux que ce que nous considérons des bactéries.

Raha mba fantany mantsy fa i Jesosy tamin'ny taona 0 dia nanao prédiction trou noir iray lehibe (nolazainy hoe Afobe) izay handevona ny tany sy ny lanitra hitan'ny masontsika io....

Nahoana no mino ny aliens nefa mandà an'i Jesosy???? tena takona v ny maso sa????
175. rhaj0 ( 28/11/2016 14:34)
trou noir = lavaka mainty mangitsongitsoka
Afobe = miredareda.
Koa raha hoz'i Jesosy hoe, ny "lavaka mainty mangitsongitsoka" dia "miredareda", dia .. ao ianao RBNIR sy ny hadalanao izany eee..


Ny @ haharava ny planeta Latera indray k'lou dia, @ ankapobeny, dia mbola amina an'arivo taonany. Ka dia mandria ampiadanana ho'a fa tsy ho @ fahavelonao io re ry RBNIR aa..

Maro ny scenario mety hitranga, hozy ny Siantista

1- mety hoe hisy asteroid midona @ Latera, toa ilay nandona ny Latera efa ho 65 millions d'annes lasana ka naharingana ny dinaozoro. Eo anelanelan'i Jupiter sy Mars dia misy bainga marobe, ao anatin'ilay hoe "asteroid belt". Efa voa-ara-maso ny trajectoire-n'ireo bainga ireo, ary dia kely dia kely ny probabilité ny hivilian-dreo lalana ka hipaka aty @ Latera.
Koa dia mandria ampiadanana fa TSY izany no haharava ny Latera.

2- mety hisy solar superstorm avy any @ Masoandro, toa ny efa nitranga 150 taona lasa. RAha atao kisarisray, dia misy toa rivo-doza (elektromanietika) koa any; rahefa mirefotra io, dia misy ondes mipaka mafy hatraty @ Latera, izay mi-interferer @ lelekitrisitia, ny lelekitrisitia ho'a. Ka tsy hoe isika mianakavy no hitsitra, fa isika miankina @ lelekitrisitia no sahirana.
Koa dia mandria ampiadanana fa TSY izany no haharava ny Latera.

3- mety hoe hisy volkano mipiritika be. Fa na supervolcano azany ho hipiritika, dia TSY ny tany manontolo no sempotra fa localisé io.
Koa dia mandria ampiadanana fa TSY izany no haharava ny Latera.

4- mety hoe misy areti-mandoza mandravarava ny mponina, toa ny efa nitranga 100 taona lasa, ka nahafaty efa ho 100 millions. Ka @ fandrosoan'ny siansa izao, dia tsy hisy aretina mipariaka toa izany intsony eo.
Koa dia mandria ampiadanana fa TSY izany no haharava ny Latera.

5- ireo vokatry ny resaofema klimatika, dia ... any @ 2050 any no tena hisaritaka ny sangan-dradokodahy, raha ohatra ka, averina indray, raha ohatra ka tsy mandray fepetra isika izao. Fa na hisaritaka azany ny sangan-dradokodahy, dia TSY midika hoe, vita matavy ny planeta Latera manontolo, fa dia hiodikodikana eo raolona, ary dia hi-s'adapte @ izay misy eo.


Fa dia aok'izay ity fahatahoranao ny faminanin'adalan'i Jesosy ity re ry RBNIR, fa dia kalamina @ izay, ary dia

1- avelao any ny pataloha matevina sy ny couche fa tsy ho latsa-pipi intsony ianao

2- ataovy ny adidy manoloana anao, izay azonao atao, ka aza mampitombo ny resaofema ianao sy ny fiainanao ao; aza mi-gaspiller, ary mba mi-recycler. Aza roboka @ surconsommation. Mba toa an-dry Amerindiana eee... tsy manakorontana ny lalovany izy

3- dia sokafo ny saina, mba hianaro sy halalino ny fandrosoan'ny Siansa, f'aza ilaozana mihevoka boky tonta mirediredy mifototra @ (tsy)-fahalalan'ny l'an zero lava ao foana. Fantaro hoe inona izany asiterooida, solar storima, supevolkano, areti-mandoza sy ny resaofema kilmatika...
176. RBNIR ( 28/11/2016 14:42)
ity misy sarina trou noir iray izay voalaza fa hitelina ny tany.....



Ny Afo be dia antsoin'i Jesosy koa hoe farihy mirehitra afo (tahaka ny hitanao amin'io sary io......

« Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. » (Apokalypsy 19:20)
« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8)

« Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:14)

177. RBNIR ( 28/11/2016 14:45)
maro tokoa ny scenario, saingy apetraho ny fanontaniana hoe tamin'ny fomba ahoana no nahafantaran'i Jesosy ny scenariona trou noir nefa IZY dia velona tany amin'ny taona 0?????

Izaho mino, fa raha misy mampahafantatra an'ingahy hawking an'io dia hiova tanteraka ny fijeriny an'i Jesosy.....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
178. rhaj0 ( 28/11/2016 14:50)
aoka re ry RBNIR.. dia rahefa trohin'ny trou noir izany ny "tsy mino sy ny vetaveta", dia IANAO RBNIR @ io tsy voakitika an... Fa ianao mantsy @ io ao ambanin'ny zipon'i Jesosy an...
179. RBNIR ( 28/11/2016 15:18)

rhaj0:

aoka re ry RBNIR.. dia rahefa trohin'ny trou noir izany ny "tsy mino sy ny vetaveta", dia IANAO RBNIR @ io tsy voakitika an... Fa ianao mantsy @ io ao ambanin'ny zipon'i Jesosy an...



Any no hisehoan'ny ny fahagagana...

« Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany » (Salamo 91:7)
« Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy. » (Salamo 91:8)
« Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, » (Salamo 91:9)

Toy izay efa nisy tamin'ny taloha ihany....« Dia nampanalain'i Mosesy ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska. » (Eksodosy 12:21)
« Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin'ny rà izay ao anatin'ny bakoly ary ny rà izay ao anatin'ny bakoly dia anenteno amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran'ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain'ny andro. » (Eksodosy 12:22)
« Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana. » (Eksodosy 12:23)


Rehefa tonga ny fandringana fahiny, na dia samy nitoetra tamin'ny tanana iray aza dia ny egyptiana ihany no voa fa ny zanak'israely kosa tsy mba voakasika...




180. RBNIR ( 28/11/2016 15:22)
Secret ity hoy i paoly apostoly.....

« Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, » (1 Korintiana 15:51)
« fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. » (1 Korintiana 15:52)
« Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. » (1 Korintiana 15:53)
« Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona* (Isa. 25. 8). [* Gr. voatelina ka resy] » (1 Korintiana 15:54)


Hiova ao anatin'ny indray mi pi maso ny olona hovonjena amin'izany andro izany ary tsy handaitra aminy intsony ny fahafatesana....

Fanampiny hesorina hiala amin'ity tany ity koa izireo alohan'ny handevonana tanteraka ity tany ity...

« ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. » (1 Tesaloniana 4:17)

Tsy voafaritra hoe aiza??? fa fantatra fotsiny hoe tsy eto antany fa any amin'ny habakabaka....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102