FANTARO NY ZAVATRA HO AVY TSY HO ELA INTSONY

141. RBNIR ( 08/11/2016 05:09)
endriny:

Ka Akaiky kokoa izany ny astre raha miala eny amin'ny masoandro?

O ry endriny a, araho tsara ilay fanazavana e!

Jereo ato fa raha misy trou noir tafiditra akaikin'ny tany dia izao no hitranga.....

Ity misy "citation" nalaiko tato amin'ity rohy ity...

http://www.maxisciences.com/trou-noir/voila-ce-qui-arriverait-si-un-trou-noir-s-039-approchait-de-la-terre_art34546.html

Cela projetterait violemment un grand nombre de ces astres vers la Terre et les autres planètes.

En savoir plus : http://www.maxisciences.com/trou-noir/voila-ce-qui-arriverait-si-un-trou-noir-s-039-approchait-de-la-terre_art34546.html
Copyright © Gentside Découverte

Dia ny tenin'i Jesosy kosa ao amin'ny matio24:29 dia hoe "ny kintana hiraraka"......
142. RBNIR ( 08/11/2016 05:11)
matoa ireo astre ireo "projetté violament ety amin'ny tany sy ny planètes hafa dia satria vokatry ny herin'ilay trou noir.....Raha alavitra ilay trou noir ireo astre ireo tsy hisy fiatraikany aminy mihitsy ilay trou noir fa matoa misy fiatraikany aminy ny herin'ilay trou noir dia satria akaiky azireo ilay trou noir izay....
143. RBNIR ( 08/11/2016 05:21)
Dia hoy koa i rhajo hoe tsy hahita an'izany isika fa samy ho faty mialohan'ny fotoana nefa hoy ry zareo hoe ???

Citation ihany ity an!

Nous commencerions à le voir lorsqu'il arriverait au niveau des géantes gazeuses comme Saturne et Jupiter.

En savoir plus : http://www.maxisciences.com/trou-noir/voila-ce-qui-arriverait-si-un-trou-noir-s-039-approchait-de-la-terre_art34546.html
Copyright © Gentside Découverte

Izany hoe: ho hitan'ny mason'ny olona ny fiavian'ilay AFO BE hitelina ny tany......

144. RBNIR ( 08/11/2016 06:33)
Quand la Terre serait assez proche, son atmosphère elle-même serait arrachée par le trou noir, avant qu'il n'avale la planète entière, morceau par morceau. Un cataclysme qui provoquerait de terribles tremblements de terre et l'apparition de super-volcans.

En savoir plus : http://www.maxisciences.com/trou-noir/voila-ce-qui-arriverait-si-un-trou-noir-s-039-approchait-de-la-terre_art34546.html
Copyright © Gentside Découverte

Ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny apokalipsy dia hoe ny loza fahafito farany (alohan'ny fahataperan'izao tontolo izao): dia hisy zavatra tahaka an'izao....

« Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tety ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. » (Apokalypsy 16:18)
« Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan'Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany. » (Apokalypsy 16:19)
« Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony. » (Apokalypsy 16:20)
145. RBNIR ( 08/11/2016 06:58)
SAMIA MAMISAVISA HOY AHO MAZAVA NY DESCRIPTION NATAON'I JESOSY 2000 TAONA LASA IZAY...

HOLEVONINA NY LANITRA SY NY TANY HITAN-TSIKA IZAO ARY TROU NOIR NO HO AVY HANANTANTERAKA IZANY....DIA VOATANTARANY AMIN'NY ANTSIPIRIHINY IREO SCENARIO REHETRA HISY ARY MITOVY AMIN'NY SCENARIO AROSON'NY MANAMPAHAIZANA ANKEHITRINY....

FIFANDRIFIN-JAVATRA V? PETATOKO V? TSY MANINONA......

FA HOY AHO HOE IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
146. rhaj0 ( 08/11/2016 11:56)
Tsy azoko hoe, fa maninona i RBNI manao ity "tere-ko marina fa resa-baiboly" @ ity lihahevitra ity. TSY mila hamarininao (@ Siansa) anie izay finoanao ao ee... Efa hoe, ara-pamaritana,
mino = manaiky-tsisy-porofo.

Sa mihonzongozona ny Finoanao ao, dia mitady fanamarinana (any @ Siansa) ianao ry RBNIR?

Tsara rahefa tonga saina dia mikarokaroka kah... Saingy dia tena lotoinao ho'a ny Siansa: na ny concept na ny methode scientifique dia tena TSY takatrao, fa ataonao dia hotry ny BAiboly/Finoana ilay izy.

Fa ... tahin'izay inoanao ao re ianao, fa dia aza "lotoina" re ilay Siansa eeee....
147. RBNIR ( 08/11/2016 12:13)
tadidinao v ireo magy telo tamin'ny nahaterahan'i Jesosy ry rhajo????

Astrophysicien ange izy telolahy ireny e, ny zavatra rehetra dia efa nataon'Andriamanitra ho takatry ny olona mba hinoan'ny rehetra (na mino na tsy mino na ny mbola misalasala sy ny sisa...)

Fa marina aloha hoy i Jesosy hoe "Sambatra ny mino nefa tsy mahita"

Manana tombony lavitra ireo mino tsy mila porofo....

148. RBNIR ( 08/11/2016 12:18)
Ho an'ireo olona efa mino dia ho tombony ho azireo ny fahalalana izao zavatra izao ary manampy azireo hiorina tsara amin'ny finoana,

Ho an'ny olona tsy mino kosa dia tokony ho tonga saina ary hametraka ny fanontaniana hoe "fa mba taiza koa no nahafantaran'i Jesosy an'izany théorie izany nefa izy tsy nianatra sady amin'izay niaina tany amin'ny 2000 taona lasa??? tsy nisy téléscope, tsy nisy satélite ary tsy nisy vidéo satélite...
149. rhaj0 ( 08/11/2016 12:34)
Ny Magy izany hono nahita kintana mamirapiratra.

Dia satria ve "mijery kintana" izy dia "astrophysicist" ry RBNIR?? Dia manompa ny astrophysicist anie ianao izany ee... Io no lazaiko hoe, ilaozanao "mandoto" ny an'olona @ finoanao adala fotsiny ianao. Sa tsy takatrao ny mahasamy hafa ny astrophysique sy ny astrologie??

Ilay "mamirapiratra" re dia i Jupiter nifanandrify t@ REgulus eee...

Mandehana indray k'lou googler-o ny @ ireo fa TSY ao anaty Baiboly izany.
150. RBNIR ( 08/11/2016 12:45)
e, izay fanambanianao ny hafa izay ange rhajo no mampalahelo aminao e, heverinao v fa nahay zavatra ny taty aoriana raha tsy teo ireo fahalalana tany aloha???
151. RBNIR ( 08/11/2016 12:55)
sa aminao i leonard de vinci tsy misy dikany fa ny olona taty aoriana no tena raitra????
152. RBNIR ( 08/11/2016 13:00)
dia otran'izany ireo magy 3 ireo, efa nandinika tsara an'io lanitra io izy ary gaga nahita kintana kely anankiray tsy fantatra hoe avy aiza na avy aiza fa nipoitra ho azy amin'ny toerana iray nefa tsy teo hatrizay...

Fanampiny mikisaka fa tsy nijanona teo....Dia lasa ho azy ny fisainana hoe fa inona ity????
153. RBNIR ( 08/11/2016 13:02)
OVNI sa kintana????

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
154. RBNIR ( 08/11/2016 13:11)
« Ary rehefa nandre ny tenin'ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely. » (Matio 2:9)
« Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra. » (Matio 2:10)


Kintana v manana saina e?????

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

Raha tsy kintana dia inona????? ary intelligence manao ahoana no nibaiko azy teny??????
155. RBNIR ( 08/11/2016 13:16)
HO TONGA TSY HO ELA INTSONY NY FARANY!!!! ISIKA IZAO NO GENERATION FARANY!!!!

IZAO ZAVATRA IZAO DIA TSY HO HITANAO NA AIZA NA AIZA.....FA FANOMEZANA AVY AMIN'I JESOSY ARY MISAOTRA AZY FA GASY NO ANISAN'NY NOFIDINY VOALOHANY......

ITY OLONA ITY NO NOFIDIN'ANDRIAMANITRA HITARIKA ANTSIKA SY HANORO AN-TSIKA NY FOMBA HANDOSIRANA NY LOZA REHETRA HO AVY....



HENOY IZY ARY TANTERAHO IZAY SITRAPON'ANDRIAMANITRA REHETRA AMPIANARINY DIA HAVOTANA IANAO SY NY ANKOHONANAO......

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!
156. rhaj0 ( 08/11/2016 13:22)
Ndana aloha ho'a k'lou mi-google alohan'ny hitenitenenana foana tahak'io, fa astrologue ireo magy ireo.

http://lmgtfy.com/?q=%22les+rois+mages+astrologues%22

Dia ianaro koa hoe inona ny astrologie rehefa eo ihany eee...

RBNIR:
Kintana v manana saina e?????

hi hi hi... mameli-tena ity RBNIR ny niafarany. Ianao ihany no mampisy saina (Andrmntra) ny Kintana. Dia asa ho'a mba ahoana ny imagination-dRBNIR ao.. Hoe ilay Ingahibe be volombava eny @ rahona izany, naka bala filesy, dia naka pitipoa mazika mamirapiratra, dia napitiny teny ambony teny??

Efa lazaina foana fa Jupiter sy Regulus mba nifanandrify iny.
Fa hainao ve hoe ahoana no nahatongavana @ io "fahalalana" io?
157. RBNIR ( 09/11/2016 06:22)
Ilay kintana dia nikisaka ary nijanona teo amin'ny toerana iray.....

Hatreto dia aleo atao hoe OVNI aloha ilay kintana...OBJET VOLANT NON IDENTIFIE....METY HO OLONA V?....METY HO ANJELY?....METY HO SOUCOUPE? SA KINTANA ARA-BAKITENY MIHITSY???

Hotohizana raha sitrapon'Andriamanitra.....
158. rhaj0 ( 09/11/2016 13:55)
Averina indray re ry RBNIR mpiavonavona a...

Efa lazaina foana fa Jupiter sy Regulus mba nifanandrify iny.
Mba hainao ve hoe ahoana no nahatongavana @ izany "fahalalana" izany?
159. endriny ( 09/11/2016 15:23)
RBNIR:

endriny:

Ka Akaiky kokoa izany ny astre raha miala eny amin'ny masoandro?

O ry endriny a, araho tsara ilay fanazavana e!

Jereo ato fa raha misy trou noir tafiditra akaikin'ny tany dia izao no hitranga.....


Firy taom-pahazavana miala amin'ny tany hono io?

Fa ianao mihintsy no mampihomehy: "Akaiky ireny kintana ireny miala amin'ny masoandro.. aster mantsy fa tsy kintana e". Tsy misy valam-pamaritana tsy misy na inona na inona? Dia nataoko hoe fa angaha moa ny tany tsy aster? Dia hoe astre daholo ...

Fa ianao ve izany mihevitra fa ny volana akaiky kokoa raha eny amin'ny masoandro noho ny avy eto an-tany?

Fa ity , mba ivavaho ihany io rangahy io fa io no Andriamanitry ny tontolo. Dia mba omeny fahazavan-tsaina ihany isika.

Ary izy no olona voalohany miteny amin'ny oridinatera.
160. RBNIR ( 10/11/2016 07:46)
rhaj0:

Averina indray re ry RBNIR mpiavonavona a...


Ngah efa liana ny hahalala ny tohin'i rhajo?

Izao : andramo ity : mivoaha ianao eo antokotany amin'ny alina, dia diniho ny lanitra (raha possible mangàlà mihitsy téléscope)

Jereo fa tsy miova mihitsy fa ireo kintana (astre) hitanao omaly ihany no ho hitanao eo isan'andro ary toy izay hatrany na dia 1 volana na dia 1 aza....

Ny tranga nisy tamin'io fotoana io dia ity: gaga izy telolahy fa nisy kintana iray izay tsy teo isan'andro nefa niseho tampoka teo tamin'io fotoana io.....

Fanampiny, mikisaka ilay izy fa tsy nijanona tamin'ny toerana iray....

Ankoatran'izay dia nisy nampahafantatra an-drizareo ny anton'ilay kintana ka nahatonga azireo niteny tamin'i heroda hoe...« Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany. » (Matio 2:2)

Efa nalaza tamin'izany fotoana izany fa hisy kintana ho avy ary raha vao nandre ry heroda sy ny tamany dia "nino" ary nangovitra...« Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin'i Jerosalema rehetra. » (Matio 2:3)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2364