FANTARO NY ZAVATRA HO AVY TSY HO ELA INTSONY

121. RBNIR ( 04/11/2016 21:03)
Ny fahalalan'ny olona mikasika ny "évolution des étoiles" mantsy aloha hatreto dia voafetra ihany:

https://astronomia.fr/4eme_partie/evolution.php

Ilay évolution miteraka supernova ratée mbola tsy misy mahafantatra hatramin'ny antsipirihany mihitsy aloha hatramin'izao....
122. RBNIR ( 04/11/2016 22:00)
Ity fahatelo ity no tsy mbola voazavan'ny olona mihitsy aloha hatreto:

nuage moléculaire--->proto étoile---->séquence principale----> faible impulsion (tsipaky ny miala aina kely)--->supernova ratée----->trou noir

Koa dia anjaan'ny ankizy izany no mandinika e, mety hitranga amin'ny masoandro marina v ity fahatelo mbola tsy mazava amin'ny siansa ity sa dia terena fotsiny aloha hatreto hoe tsy maintsy naine blanche no hiafarany???

Nefa hoy ny manampahaizana hoe ny 1/3 mahery no mety ho tratran'ilay supernovae ratée?????
123. RBNIR ( 04/11/2016 22:05)
124. rhaj0 ( 06/11/2016 23:44)
i RBNIR ho'a efa TSY avotra intsony, fa ity ho an'ny Ankizy mandalo eto.

Ka hozy ilay reference-ny teo hoe:
https://astronomia.fr/4eme_partie/evolution.php
"Lorsque l’hydrogène est épuisé, l’étoile quitte la Séquence Principale et devient une géante rouge."

1- ilay "hydrogène est épuisé" dia mbola any @ milliards d'années, raha ny habetsahan-draha (masse) ao @ Masoandro no jerena. (""Un théorème a été démontré qui indique que la masse est presque le seul paramètre qui décide du sort d’une étoile)

2- dia iilay "devient une géante rouge." moa, dia vao mainka dia mibinaka ilay Masoandro ary voatelina kila ny Latera izay akaikiin'ny Masoandro.

Izany hoe tsy ilaina resahina akoriny ny superrnovae na nébuleuse planétaire, fa efa vita matavy isika AFAKA AMINA MILLIARDS D'ANNÉES.

Dia ilay "kintana mirarak'i JEsosy" koa, dia TSY hisy an'izany. Ny météorites dia atsy @ Jupiter no miodikodina, ary tsindraidray dia tsindraidray no misy gilady mibirioka, fa efa arahin'ny NASA sy ny eoropeana maso tsara daholo.

Ka dia aza matahotra @ izany "fara andro" satria hono hoe rava ny systeme solaire. TSY MISY AN'IZANY, du moins @ fiainantsika izao. Fa dia ifalio ny fiainana, ary savasavao sy ahitaro ny fahalalana, fa aza mba hakatona ao @ izao resak'hehim-baiboly izao.

Fa rahefa mampitahotra anareo ny karazan-dry RBNIR, dia ivanitiho gilady fotsiny; avelao akoriny azany hiteny, hivelaran'ny hadalany tsara... ary siritsiriho ny patalohan-dry RBNIR raha efa petsa, rahefa iilaozany mampitaho-tena gaigy irery lava ao. :-)
125. RBNIR ( 07/11/2016 05:07)
rhaj0:

1- ilay "hydrogène est épuisé" dia mbola any @ milliards d'années, raha ny habetsahan-draha (masse) ao @ Masoandro no jerena. (""Un théorème a été démontré qui indique que la masse est presque le seul paramètre qui décide du sort d’une étoile)
2- dia iilay "devient une géante rouge." moa, dia vao mainka dia mibinaka ilay Masoandro ary voatelina kila ny Latera izay akaikiin'ny Masoandro.

1 Tsy iadiankevitra fa vinavinan'ny manampahaizana iny, na izany aza misy tranga hafahafa ankehitriny eny amin'ny masoandro (mihena ny herin'ny masoandro tato ho ato)....
2- misy ireo trou noir vokatry ny supernovae ratée izay tsy mandalo phase géant rouge ny étoile iray fa faible impulsion (tsipaky ny miala aina) no misy (izay no mahatonga ireo observateurs tsy mahita azy....)
Des supernovae ratées qui s'effondrent directement en trou noir
Une théorie a été avancée qui veut qu'au moins un tiers de ces soleils vont s'effondrer gravitationnellement directement en trou noir, sans passer par la case supernova. Le phénomène étant nettement moins brillant (10.000 fois moins lumineux), cela expliquerait pourquoi il aurait échappé jusqu'à présent aux observations. On parle à son sujet de supernova ratée (failed supernova en anglais). Toutefois, pour vraiment gagner ses lettres de noblesse, ce scénario doit conduire à des prédictions pouvant être validées par des télescopes. Les astrophysiciens en ont trouvées.
126. RBNIR ( 07/11/2016 10:18)
https://fr.sputniknews.com/sci_tech/201605271025345636-astronomie-soleil-trou/
127. rhaj0 ( 07/11/2016 13:42)
Ny manahirana (sa mampahonena) @ RBNIR rey olona dia ... ny voambolana siantifika (supernovae, trou noir, ...) dia tsindrotsindrohany sy ampiasainy, NEFA toa TSY hainy akoriny ny dikany.

Sirika be fa conditionnement Kristiana no mahavoa an'i RBNIR, ka vitany ny miboloky lava hoe Nabokadianazera, na dia TSY fantany akoriny azany ny dikan'izany...

Hotry ny izaho ho'a no Irainizeloza, fa diniho ihany ry RBNIR aaa... "black hole"? "red giant"? Efa hazavain'i Endriny fa eeeee... tsy mi-click mihintsy eee... tsy mi-click mihintsy. Mampalahelo.

128. RBNIR ( 07/11/2016 14:00)

Efa voaray daholo ireny rhajo fa ilay hafatra tiako hatsipy dia hoe: tahakan'ny tsy nahafataran'ny olona hatramin'izay ny fisian'ny supernovae ratée, no tsy mbola nahafantarany aloha hatreto fa tsy voatery handalo phase red giant ny étoile iray dia efa mivadika ho trou noir...

Saingy aoriana kely ao....Ho toy ny baomba ny handraisan'ny olona ny fanambaran'ireo manampahaizana ireo ny momba io masoandron-tsika io....

Hatreto aloha dia tokony handinika kely fotsiny isika hoe : maninona no mihazakazaka any amin'ny projet mars 2030 ny amerikana nefa eto ny tsy ampy sakafo betsaka?????

Maninona no mitady handositra ity tany ity ry zareo??????
129. rhaj0 ( 07/11/2016 14:28)
Mba takatrao ve hoe ahoana izany "projet mars 2030" izany? Ahoana ny ho fandehany, adiny firy mandeha any, ahoana ny fijanonana sy iainana any, ets... Fa alohan'izay, mba hainao ve k'lou hoe toatoa ny ahoana izany MArsa izany, @ fahalalana an-draolona iizao?

Atomboy ato ohatra (fa aza mievoka ao anaty baiboly ao ho'a):
https://en.wikipedia.org/wiki/Human_mission_to_Mars

Dia hadinonao koa ve, sa tsy tao anaty Baiboly koa ny hoe, efa nisy koa ny "On a marché sur la Lune", nefa toa TSISY "mitady handositra" tany ny olona?
130. RBNIR ( 07/11/2016 14:49)
Définition wikipedia ny an'i rhajo io, fa ny ahy ny concret no resahiko an

http://huet.blog.lemonde.fr/2016/10/18/obama-repart-pour-mars-en-2030/

http://www.lefigaro.fr/sciences/2016/10/11/01008-20161011ARTFIG00367-barack-obama-prevoit-d-envoyer-des-hommes-sur-mars-des-2030.php

http://www.dailymail.co.uk/sciencetech/article-3832913/America-Mars-2030s-President-Obama-lays-plan-red-planet-says-ultimate-ambition-long-term-colony.html

Ngamba ataoko fa olona (mba mahalala menatra) ihany ingahy OBAMA, ary ireo mpiara-miasa aminy koa matoa tsy nanao dementie ny fanambarany dia manaiky fa vitan-drizareo ny manantanteraka izany...

Manaiky matoa tsy miteny hoy ny gasy izay...
131. RBNIR ( 07/11/2016 14:54)
Izay indrindra ilay tiako hahatongavana rhajo COLOSSALE IZANY PROJET IZANY NEFA MAHAGAGA FA DIA ALEON'NY AMERIKANA ANY NO MANDEHA TOY IZAY MANAO IZAY HAHATSARATSARA ILAY FIAINANA ETO ITY?????

IZANY HOE LAHARAM-PAHAMEHANA KOKOA AMIN-DRIZAREO NY FANDEFASANA OLONA ANY AMIN'NY MARS NOHO NY FITADIAVAM-BAHAOLANA ETO AMIN'ITY TANY ITY????

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
132. endriny ( 07/11/2016 14:57)

RBNIR:

Des supernovae ratées qui s'effondrent directement en trou noir
Une théorie a été avancée qui veut qu'au moins un tiers de ces soleils vont s'effondrer gravitationnellement directement en trou noir, sans passer par la case supernova. Le phénomène étant nettement moins brillant (10.000 fois moins lumineux), cela expliquerait pourquoi il aurait échappé jusqu'à présent aux observations. On parle à son sujet de supernova ratée (failed supernova en anglais). Toutefois, pour vraiment gagner ses lettres de noblesse, ce scénario doit conduire à des prédictions pouvant être validées par des télescopes. Les astrophysiciens en ont trouvées.

Ihihihihiih, aza mba mampihomehy rey re olona a. Rehefa amin'ny teny frantsay ve dia midika hoe marina e?

Mba hainao ve hoe inona no atao hoe supernova?
133. RBNIR ( 07/11/2016 15:00)

endriny:

Ka tsy izaho ange no nilaza an'io fa ry zareo manampahaizana ry endriny e...

ity ny rohy raha mila ianao fa citation nalaiko tao io....http://www.futura-sciences.com/sciences/actualites/hubble-hubble-aurait-observe-naissance-trou-noir-64311/#xtor=EREC-49-%5BACQ%5D-20160920-%5BACTU-Hubble-aurait-observe-la-naissance-d-un-trou-noir%5D
134. RBNIR ( 07/11/2016 15:03)
fa misaotra an'Andriamanitra aloha fa mbola tsy navelany hiambadonne i rhajo sy endriny na dia nanana fikasana aza...

Ny hisavasavana ny raviny hono hahitana ny fotony, ka dia tena hahita tokoa moa ianareo ry izy mirahalahy.....

Fa mba miova amin'izay rehefa mahita fa aza mihanahana sahala amin'ny gana fotsiny eo
135. endriny ( 07/11/2016 15:12)

RBNIR:

1 Tsy iadiankevitra fa vinavinan'ny manampahaizana iny, na izany aza misy tranga hafahafa ankehitriny eny amin'ny masoandro (mihena ny herin'ny masoandro tato ho ato)....

Aza mba manambaka vahoaka re rey olona a, fa tsy sanana daholo akory ny ambany lanitra. Tsy misy milaza aminao hoe mihena izao ny herin'ny masoandro.

Tamin'ny volana lasa dia nisy taratra na tafiotra lehibe nalefan'ny masoandro, toa ny efa mahazatra ihany. Tranga mpisy matetika io. Fa tamin'ity volana ity dia tsy nisy io.

Fa tsy midika izany hoe nihena ny herin'ny masoandro fa ilay tafiotra atao hoe flair solaire no nihena.

Fa aza ampiasaina anambakana vahoaka ho'a ny fahitan'ny siansa.

Sady ianao rha teo tsy mino ny siansa fa aleo hazava. Fa ny anao ry RBNIR (Tsy dia mpanao Ianao aho, fa efa mihoatra ny mety ny fanambakana sy ny vilana aparitaka ka dia aleo hitsiako ilay mpanao azy) dia toa ahitsihitsinao amin'ny hoax efa fandefanareo eto fotisny ny zava-misy mba anamariananareo ny baibolinareo.

Ny sarinao aloha dia efa ilay sary lainga ireny no fampisehonao eto. Trou noir mirehitra menamena no sady amin'izay toa misy kintana efa maty eo akaikiny kanef ailay kintana indray lehibe noho ny trou noir.

Dia mbola miampy ilay rediredy hoe: "LAVITRA NY KINTANA< FA AKAIKY IRENY ENY AMIN"NY MASOANDRO"

Manalabaraka.

Tsy hainao akory fa tsinotsinona ny elanelan'ny tany sy ny masoandro raha mitaha fotsiny amin'ny elanelan'ny kintana roa.

Tsy hainao akory hoe: "NY MASOANDRO ANGE KA KINTANA IRAY AMIN'NY KINTANA AN'APITRISANY ETO AMIN"ITY HABAKA ITY"
136. rhaj0 ( 07/11/2016 15:19)
Efa ni-abandonne aho, fa efa hoe ho'a hoe, "tsy avotra intsony" i RBNIR raha @ ity resaka Siansa ity. Fa ny iresahako eto dia ho an'ireo Ankizy mandalo eto, mba haka lesona @ "hadalan'i RBNIR" :-)

Ary ngo dia Raelien koa azany ity RBNIR ity.. izaho nahita fiangonan-dry Raelien taty. Misy spatioport be eo @ tafo-tranon'ilay fiangonana, satria hoe, hi-demarre avy eo hono i Rael sefobe, rahefa avy nahangona ny 1/10-karenan'olona, na koa hi-atterir eo hono ny Marsiana...

F'angaha tsy mampahonena eee... dia izany no andaniany ny vola(-n'olona) sy ron-doha.. dia avy eo anefa ry RBNIR mivazavaza hoe "FITADIAVAM-BAHAOLANA ETO AMIN'ITY TANY ITY"... Hatramin'ny oviana indray ry tsy mijery afa-tsy ny "fiainana mandrakizay" no mba mampiasa saina @ izany??? Sady angaha ilay Andrmntrany omnipotent TSY mahavita azy indray???
137. RBNIR ( 07/11/2016 15:24)
ilay kintana kosa efa nahitsy hoe astre no tiany ambara tamin'ilay izy fa tsy proxima sy ny tariny e,

dia aza mino aza koa....

http://www.atlantico.fr/decryptage/soleil-faiblard-scientifiques-essaient-comprendre-somnolence-actuelle-philippe-lamy-912079.html

Tsy aiko hoe inona ny dikan'ny hoe le soleil faiblard...

Ato indray kosa misy milaza fa misahotaka ny manampahaizana noho ilay lavadak maity hita eny amin'ny masoandro ankehitriny...

https://fr.sputniknews.com/sci_tech/201605271025345636-astronomie-soleil-trou/

P.S :zavatra tsapako, na ianao tsy mamaky ireo rohy mihitsy na ianao tsy tafiditra ao amin'ireo rohy izay zaraiko,

Hezao vakiana ihany ilay rohy dia mba tsy averimberina amin'izay e
138. endriny ( 08/11/2016 04:02)

RBNIR:

Isika mpanaraka ny fahamarinana tsy misy kilema

Manala Baraka

Lainga tsy roa aman-tany no lazaina fa fahamarinana tsy misy kilema.

RBNIR:

Efa nahitsy fa astre fa tsy kintana

bongan'alika marina "AKAIKY INDRAY HONO NY ASTRE (fa tsy kintana intsony) IZANY RAHA MIALA AMIN'NY MASOANDRO e"
Tsy hainao akory ny dikan'ny zavatra lazainao. Tsy hainao akory fa ny tany aza dia astre.
139. RBNIR ( 08/11/2016 04:44)

izay vao azoko: tsy nisy azonao ilay fanazavana,

1Niteny aho hoe kintana (dia nanakiana ianao sy rhajo hoe ny kintana dia ry proxima sy ny tariny)
2 Nazavaina ilay izy hoe ny kintana tiana lazaina dia ny astre (tafiditra ao ny comète, météorite, sns satria araka ny voambolana malagasy ny atao hoe kintana dia vainga-javatra mamirapiratra eny amin'ny lanitra).....
140. endriny ( 08/11/2016 05:03)
Ka Akaiky kokoa izany ny astre raha miala eny amin'ny masoandro?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4542