FANTARO NY AMPITSO IZAY HO AVY TSY HO ELA.....

101. RBNIR ( 08/03/2016 08:37)
stahtam:

Hitako izao fa mihamitatra be ihany ny resaka ka tazony mihitsy aloha ilay Galatiana hiandry farany fa ireto hafa no hidirako:

Izaho mihezaka maminitina ianao mamelatra B, normal mihitatra B ilay izy.....
102. RBNIR ( 08/03/2016 08:41)
stahtam:

Raha namaky ny Romana 9 izaho sy ianao dia namoaka interprétation ianao fa hoe "io no porofon'ny fandàvana ny Jiosy ka efa ny Jentilisa indray izao no mitondra ny famonjena". Raha araka ny hevitrao koa dia tsy misy Jiosy intsony mihitsy tokony hitondra ny famonjena fa ny Jentilisa indray no tokony hiandraikitra izany.

Tsy "interpretation" ilay izy fa raha vao mamaky ny sora-mandry fotsiny ianao dia izao no voasoratra ao:
Romana 9
Ny amin’ ny nandavan’ Andriamanitra ny Jiosy.....Tsy misy interpretation na dia kely aza...
103. stahtam ( 08/03/2016 08:44)

RBNIR:

[quote=stahtam]
Hitako izao fa mihamitatra be ihany ny resaka ka tazony mihitsy aloha ilay Galatiana hiandry farany fa ireto hafa no hidirako:

Izaho mihezaka maminitina ianao mamelatra B, normal mihitatra B ilay izy.....
[quote=stahtam]
Ilay lohahevitra roa indray resahinao no ambarako @ izany fa aza matahotra ianao fa rehefa mifantoka @ lohahevitra iray io dia ny resaka no mety ho lava fa ny hevitra tsy miparitaka e!
104. stahtam ( 08/03/2016 08:46)

RBNIR:

[quote=stahtam]
Raha namaky ny Romana 9 izaho sy ianao dia namoaka interprétation ianao fa hoe "io no porofon'ny fandàvana ny Jiosy ka efa ny Jentilisa indray izao no mitondra ny famonjena". Raha araka ny hevitrao koa dia tsy misy Jiosy intsony mihitsy tokony hitondra ny famonjena fa ny Jentilisa indray no tokony hiandraikitra izany.

Tsy "interpretation" ilay izy fa raha vao mamaky ny sora-mandry fotsiny ianao dia izao no voasoratra ao:
Romana 9
Ny amin’ ny nandavan’ Andriamanitra ny Jiosy.....Tsy misy interpretation na dia kely aza...
[quote=stahtam]
Tena INTERPRETATION mihitsy ilay izy ka: ny mpandika baiboly no nanoratra io resakao io matoa natao "sora-mandry" fa tsy i Paoly sa izy no nanao sora-mandry, koa nahoana no tsy misy sora-mandry @ baiboly hafa sa... diso aho?
105. RBNIR ( 08/03/2016 08:55)
stahtam:

Tena INTERPRETATION mihitsy ilay izy ka: ny mpandika baiboly no nanoratra io resakao io matoa natao "sora-mandry" fa tsy i Paoly sa izy no nanao sora-mandry, koa nahoana no tsy misy sora-mandry @ baiboly hafa sa... diso aho?

Fanahin'Andriamanitra v hanao diso e! Izay voasoratra dia voasoratra!!!

« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Pet.1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Pet.1:21)

106. stahtam ( 08/03/2016 12:01)

Ny London Missionary Society sy Mission Protestante Française ary ny FFMA izay nivadika ho FJKM ankehitriny no nandika io version protestante io ka raha Fanahin'An... no tao anatin'ireo olona t@ nanoratra ireny sora-mandry ireny nefa ianao nandositra io fiangonana io fa nandeha nanaraka io mpampianatra Apokalypsy io, dia nandosiranao izany ilay Fanahin'An... nanindry an-dry zareo ka tsy aleo ve miverina ao amin-dry zareo raha tena te-hitady ilay Fanahy satria ry zareo no notsindrian'ny Fanahy t@ fanaovana ireny sora-mandry ireny?
Ilay 2 Pet. 1:20,21 navoakanao io ambony io aloha dia famoahan-kevitry ny FAMINANIANA (izay efa voasoratra talohan'ny nahatongavan'ny Mesia) no resahiny ao fa tsy ny soramandry izay vao nosoratana taty @ taona 1835, sa... izay voasoratra dia voasoratra? Sa tena Fanahy mivantana mihitsy no nanoratra ireny sora-mandry ireny fa tsy olona? na tena sarotra amiko marina ve ny mamoaka ilay izy?
107. RBNIR ( 08/03/2016 12:48)

sao dia everinao fa very daholo aza izay tsy nahafantatra izao asa fitoriana izao???

« Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asan'ny Apostoly 17:30)

Izay fantatr'ireny olona ireny no hitsaran'Andriamanitra azireo...

Ianao sy ny olona nanaraka teto kosa anefa tsy mba otran'izireo tany aloha ireo an!! efa nahafantatra daholo ianareo ka mila manaraka ilay fampianarana tsy misy kilema!!!
108. papotsy ( 08/03/2016 16:39)
nrw ve rhef manw "interpretation" d aon n fumb amuahanrw az? valio
109. endriny ( 08/03/2016 19:31)

RBNIR:

Mivavaka = Mino ny fisiany aloha!!!

Aleo ahitsiko kely ary fa efa manahirana antsika mihintsy ny tenimalagasy e... efa teny frantsay izao no miasa ary fomba Israelita no iainana... hihihi fa eto Madagasikara ihany a

Mivavaka Ftt vavaka avy amin'ny teny roa natamba io dia ny hoe VAVA sy ny hoe AKA. Ny Vava eto dia miresaka saingy ilay olona miresaka dia miresaka amin'ny tenany ihany nataon'ny Malagasy fahiny hoe Aka.

Ny hoe Mivavaka izany dia izaho miresaka amin'ny tenako manokana na mingonongona ao anatiko ao, fa tsy resaka lazaiko anao na finoana ny vavaka va ventsom-poko samy irery. Hetaheta tiako ho tanteraka ka ventsoiko mangina.

Fa tsy hoe mino aloha vao mivavaka

Mino ianao fa ho paradisa I Madagasikara izany dia mivavaka ianao dia lasa paradisa I Madagasikara hihihihiihihihihi

Ho ela velona ny anaranao Jesosy
Mba ampiasaiko ampibontsina ny paosy
110. stahtam ( 09/03/2016 05:25)

RBNIR:

[quote=stahtam]
Ny London Missionary Society sy Mission Protestante Française ary ny FFMA izay nivadika ho FJKM ankehitriny no nandika io version protestante io ka raha Fanahin'An... no tao anatin'ireo olona t@ nanoratra ireny sora-mandry ireny nefa ianao nandositra io fiangonana io fa nandeha nanaraka io mpampianatra Apokalypsy io, dia nandosiranao izany ilay Fanahin'An... nanindry an-dry zareo ka tsy aleo ve miverina ao amin-dry zareo raha tena te-hitady ilay Fanahy satria ry zareo no notsindrian'ny Fanahy t@ fanaovana ireny sora-mandry ireny?
Ilay 2 Pet. 1:20,21 navoakanao io ambony io aloha dia famoahan-kevitry ny FAMINANIANA (izay efa voasoratra talohan'ny nahatongavan'ny Mesia) no resahiny ao fa tsy ny soramandry izay vao nosoratana taty @ taona 1835, sa... izay voasoratra dia voasoratra? Sa tena Fanahy mivantana mihitsy no nanoratra ireny sora-mandry ireny fa tsy olona? na tena sarotra amiko marina ve ny mamoaka ilay izy?

sao dia everinao fa very daholo aza izay tsy nahafantatra izao asa fitoriana izao???

« Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asan'ny Apostoly 17:30)

Izay fantatr'ireny olona ireny no hitsaran'Andriamanitra azireo...

Ianao sy ny olona nanaraka teto kosa anefa tsy mba otran'izireo tany aloha ireo an!! efa nahafantatra daholo ianareo ka mila manaraka ilay fampianarana tsy misy kilema!!!

[quote=stahtam]

a°) Izany hoe tsindrimandry avy @ Fanahy t@ andron'ny tsy fahalalana ve izany ireny sora-mandry ireny? Ireny izany no "fantany" dia ireny no hitsaràna azy ireo! Fa ny mahagaga ange ianao efa milaza fa manaraka "fampianarana tsy misy kilema" nefa dia ireny sora-mandry t@ andron'ny tsy fahalalana ireny no ifikiranao sy anorenanao finoana, efa nodidiana mba hibebaka ange ianao ankehitriny e! i Paoly tsy nanoratra na nilaza na nampianatra sora-mandry fa AVAHO tsara e.
b°) hoy ianao: "efa nahafantatra daholo ianareo ka mila manaraka ilay fampianarana tsy misy kilema!!!": Hatr@ izao aloha dia mbola eo am-piresahana isika mikaroka izay fampianarana tsy misy kilema. Mbola manaporofo ianao dia izaho manao fanamarihana @ zavatra hitako fa tsy mazava, ka lasa aloha loatra angamba ilay "conclusion" nataonao.
d°) Ary efa tonga any @ resaka very sy tsy very sahady ve isika izao?
111. stahtam ( 09/03/2016 05:28)

[quote=papotsy]
nrw ve rhef manw "interpretation" d aon n fumb amuahanrw az? valio
[quote=stahtam]
Aleo manontanintany foana... Izaho (stahtam) ve no iresahanao azafady?
112. RBNIR ( 09/03/2016 06:26)

papotsy:

nrw ve rhef manw "interpretation" d aon n fumb amuahanrw az? valio

Fomba famakiana baiboly tsotra ,
1- misy manana heviny mivantana tsy miafina ary réel, avy dia raisina ara-bakin-teny,
2- misy kosa manana heviny miafina, iréel, ireny no mila takarina ny heviny.....Ireo hafatry ny anjely telo ery ambony ohatra dia tafiditra ao amin'izay.....bibidia tsy bibidia ara-bakin-teny fa olona ihany ary raha ny tena marina dia ambodia mitafy hodijanakondry B mihitsy, raha jerena ivelany tena lafatra ary tsy misy otran'azy ny olona, nefa kosa mahavita mampaniraka olona hamono izay olona tsy hety hiankohoka (na hanaiky ny fampianarany)....

Ny interpretation araka izany tsy tokony hisy....satria efa omena avokoa ny zavatra rehetra
113. RBNIR ( 10/03/2016 00:20)
stahtam:

a°) Izany hoe tsindrimandry avy @ Fanahy t@ andron'ny tsy fahalalana ve izany ireny sora-mandry ireny? Ireny izany no "fantany" dia ireny no hitsaràna azy ireo! Fa ny mahagaga ange ianao efa milaza fa manaraka "fampianarana tsy misy kilema" nefa dia ireny sora-mandry t@ andron'ny tsy fahalalana ireny no ifikiranao sy anorenanao finoana, efa nodidiana mba hibebaka ange ianao ankehitriny e! i Paoly tsy nanoratra na nilaza na nampianatra sora-mandry fa AVAHO tsara e.
b°) hoy ianao: "efa nahafantatra daholo ianareo ka mila manaraka ilay fampianarana tsy misy kilema!!!": Hatr@ izao aloha dia mbola eo am-piresahana isika mikaroka izay fampianarana tsy misy kilema. Mbola manaporofo ianao dia izaho manao fanamarihana @ zavatra hitako fa tsy mazava, ka lasa aloha loatra angamba ilay "conclusion" nataonao.
d°) Ary efa tonga any @ resaka very sy tsy very sahady ve isika izao?

a) Ao amin'ilay IIPet.1:20 « fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
Mazava B io fa tsy hitako izay tsy hatakaranao an'izany : ilay sora-mandry anie ao anaty Soratra Masina e (Baiboly) ary io no famoankevitra navoakan'ireo olona ireo......
b) ka aza ela fandray aza fa tamin'ny andron'ny Noa ange ka variana namantatra teo ny sasany dia tavela avokoa e!!!
c) vakio tsara ny hafatra nalefanao fa misy fitsarana fiangonana ange nambaranao ery ambony ery e, tahaka ny miteny ianao fa tsy izy ireny (very ireny).....
Izaho raha niala tamin'ireny dia noho ity teny ity......
« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jao.4:24)
Tsy maintsy amin'ny fahamarinana no hivavahana amin'Andriamanitra hoy io teny io...
ka mahita tsy fahamarinana aho dia izay no ialako ao....Satria mazava ny tenin'Andriamanitra hoe « Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. » (Apok.18:4)
Tsy te hiombokeloka aminy aho....Izay fotsiny ihany,
Ity fitoriana ity izao mbola tsy tonga any an-dafy, Andriamanitra tsy hanameloka mihitsy ny olona any raha tsy nahafantatra izy, fa raha misy kosa mahita amin'ny canal sat, dia tokony hanaraka an'ilay fahamarinana avy hatrany izy raha vao mahare, (ary tsy tokony hiandry ela hoy aho fa tsy fantatrao ny ampitso).....

114. stahtam ( 10/03/2016 08:28)

Mba hampilamina ity resaka ity dia ny filaharan'ny fanontanianao sy ny valin-teninao ihany no haveriko:
a) Ny mba kely takatro dia izao: ao anaty Baiboly (Soratra M...) dia misy tantara, misy fananarana, misy lalàna, misy FAMINANIANA, izany hoe singa iray ao anaty baiboly izany ny faminaniana fa tsy hoe izay rehetra voasoratra ao anaty baiboly dia faminaniana avokoa. Ka io faminaniana io dia tsy hita ara-bakiteny fa tsy maintsy misy hevitra takarina ka izay no ilàna ny fanahin'ny fahamarinana hanazava azy satria tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany.
Ka ny FAMINANIANA ambaran'i Petera eto dia ireo faminaniana efa nosoratan'ny Mpaminany tany alohan'ny nahatongavan'ny Mesia. Ohatra: ilay sariolona volamena nonofisin'i Nebokadnezara dia i Daniela (Jiosy) no nantsoina hanazava azy. Toy izany koa ny amin'ny hahafatesan'ny Mesia izay efa faminaniana taloha fa ny Apostoly no nanazava izany taty aoriana...; izay amiko no atao hoe : famoahan-kevitry ny FAMINANIANA. Ka ny sora-mandry dia loha-hevitra nomen'ny mpandika teny taty@ taona 1830 taty fa tsy FAMINANIANA, saingy io moa rehefa holazaina hoe izay voasoratra dia voasoratra dia izay izany no hevitrao ka tsy hifampidohika aminao @ izay aho.
b) "Aza ela fandray" hoy ianao: "izahao toetra ny fanahy" hoy kosa ny fahendrena ao anaty baiboly, dia izay fizahan-toetra izay io ataoko io sao dia manao "un pas en avant, (mais) deux pas en arrière" hoy ny vazaha.
c) Mba tsy hifandirana @ ilay hoe vakio tsara dia aleo haveriko eto aloha ilay nosoratanao:
"Fanahin'An... v hanao diso e! izay voasoratra dia voasoratra!!!!
Io no napetrako ho hypothèse hoe: "Fanahin'An..." izany no na(mpa)noratra io sora-mandry io ka izay voasoratra dia voasoratra hoy ianao. OK
Dia izao indray no nosoratako, ilay nolazainao hoe " mitsara " fiangonana:
"Ny London Missionary Society sy Mission Protestante Française ary ny FFMA izay nivadika ho FJKM ankehitriny no nandika io version protestante io ka raha Fanahin'An... no tao anatin'ireo olona t@ nanoratra ireny sora-mandry ireny nefa ianao nandositra io fiangonana io fa nandeha nanaraka io mpampianatra Apokalypsy io, dia nandosiranao izany ilay Fanahin'An... nanindry an-dry zareo ka tsy aleo ve miverina ao amin-dry zareo raha tena te-hitady ilay Fanahy satria ry zareo no notsindrian'ny Fanahy t@ fanaovana ireny sora-mandry ireny?". Izao no hevitr'izany: TANTARAN'NY FANDIKANA NY BAIBOLY ho TENY MALAGASY no nolazaiko ary natambatro t@ ilay hypothèse teo hoe: "Fanahin'An..." no na(mpa)noratra io sora-mandry io". Dia izaho no nilaza hoe: raha Fanahin'An... araka ny nolazainao ary no nanindry ireo olona nanao sora-mandry ireo dia NAHOANA NO NANDOSIRANAO IZY IREO? Izay no nolazaiko fa tsy misy teny NA IRAY AZA milaza hoe very ireo olona ireo na tsy very. Hevitra noforonina izay ankoatra izay.
Ianao aza no hitako fa tena mitsara azy ireo satria izao no nosoratanao: "ka mahita tsy fahamarinana aho dia izay no ialako ao....Tsy te hiomboKELOKA aminy aho....Izay fotsiny ihany. Aminao izany dia 1°) tsy mahita fahamarinana ao ianao 2°) Misy heloka ao amin'izy ireo ka tsy te-hiombona @ izany ianao; ka iza no mitsara @ izany? tsy any anefa ny olana fa ilay sora-mandry mihitsy no tena olana satria olona tsy ahitanao fahamarinana sy misy heloka no manoratra sora-mandry ao anaty baiboly dia ianao tsy te-hiombonkeloka amin-dry zareo indray no manindrahindra ny zavatra nosoratany (izay noforonina taty aoriana) hoe "Fanahin'An... v hanao diso e, izay voasoratra dia voasoratra". Raha tena izy izany dia mbola tsy voavaly mihitsy ilay fanontaniana hoe "Fanahin'An..." tokoa ve no tao nanindry ireny olona namorona sora-mandry ireny satria sady tsy faminaniana ilay izy no tsy neken'ny mpandika teny hafa (frantsay na katolika na Louis Second na TOB...). Raha Fanahiny tokoa indray no nanindry mandry azy ireo dia nahoana no tsy mahita fahamarinana ao ianao sady mahita heloka ka mitsoaka?
115. RBNIR ( 10/03/2016 09:02)
a) Ny teny rehetra voasoratra ao anaty baiboly mihitsy dia tenin'ny faminaniana avokoa...
Izao no voasoratra any amin'ny faran'ny baiboly any:

« ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity. » (Apok.22:19)

b) marina ny anao saingy aza ela loatra (tadidio ny tantaran'i Noa...(zato taona nitoriana tsy nisy nanaraka fa variana nizaha toetra an'i Noa teo.....

c) raha izay no fandinihinao azy dia raiso araka izay ary...
Saingy amafisiko fa ireo antony 2 ireo no nialako tao , ary izaho mino fa ny Fanahin'Andriamanitra no niasa tamin'ireo olona nandika teny tamin'izany fotoana izany fa tsy Fanahy hafa akory...
116. stahtam ( 10/03/2016 11:41)

[quote=RBNIR]

b) Ianao mahita fa ilay zavatra lazainao izao no dinihintsika fa tsy mandinika anao aho akory ka.
c) Ianao ilay niala ange, tsy any ny ady hevitra e. Faharesen-dahatry ny tsirairay iny, tsy olana. Ianao mino fa ny Fanahin'An... no niasa tamin'ireo olona nandika teny tamin'izany fotoana izany fa tsy Fanahy hafa akory. Tsy izay koa no olana, fa ny olana dia izao: ireo hafa nandika ny baiboly nefa tsy nanao sora-mandry tahaka azy ireo, fanahy inona indray no tao anatiny? Izany hoe raha misy mandika baiboly indray vao ho avy ka manao sora-mandry fa zavatra hafa noho ilay efa voasoratra hatrizay no soratany eo dia holazaina fa fanahy inona indray no manindry azy? izay no olana.
a) Ny Apokalypsy 22/19 noraisinao ho référence dia manondro ny BOKIN'NY APOKALYPSY SAMIRERY satria ny "hazon'aina sy ny tanàna masina" ananana anjara dia ao @ io boky io ihany no resahina.
Raha marina ny teninao hoe "Ny teny rehetra voasoratra ao anaty baiboly mihitsy dia tenin'ny faminaniana avokoa" (hoy ianao), ka izao:
Alohan'ny Apokalypsy toko 1 dia misy sora-mandry hoe: FITARIHAN-TENY. Faminaniana momba ny inona àry io?
117. RBNIR ( 10/03/2016 23:11)
Izay nametraka sora-mandry dia saika nametraka dikan-teny mitovy,
Ny baiboly katolika izay niaingana ohatra mametraka hoe Ny niantsoana ny jentily noho ny ditran'ny Jody.

Ary tsy hoe ny sora-mandry ihany fa misy teny maro manaporofo fa efa nolavina ny Jiosy....

Rom.9:3,4 Fa efa saiky niriko aza ho voaozona ho afaka tamin’ i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo,4 izay Isiraelita sady manana ny fananganan-anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana;

Ny fahitan'i paoly fa very tanteraka ny israelita rahalahiny no nahatonga azy niteny an'io.....

Ary tonga saina i paoly fa kay "tsy miteny intsony ny resaka firazanana sy ny taranaka ara-nofo" manomboka hatreo...
Rom.9:6 Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin’ Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin’ ny Isiraely no Isiraely.

Rom.9:8 Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’ Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.

Izay no nahatonga an'ilay Gal.3:28.....Tsy misy intsony Jiosy na Jentilisa...

Ity koa teny manambara fa efa nesorina hiala ny Jiosy....ary efa natolotra ho an'ny Jentilisa ny toerany...

Fitarihan'ny Fanahy Masina no nanoratana ny bokin'ny apokalipsy any amin'ny farany indrindra amin'ny baiboly, ary misy dikany matoa any amin'ny farany indrindra no voasoratra ialy teny hoe "ity bokin'ny faminaniana ity"......

Baiboly = Soratra Masina = II.Pet.1:20,21 = Apok.22:19= Bokin'ny faminaniana...
118. RBNIR ( 10/03/2016 23:21)
Jesosy koa dia nanao fanoharana hilazana fa nolavina ny jiosy ary nosoloina Jentilisa....
Lio.14:16-24
16 Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.
17 Ary naniraka ny mpanompony izy tamin’ ny fotoana fisakafoana hilaza amin’ izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.
18 Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna hianao, ekeo ny fandavako.
19 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masìna hianao, ekeo ny fandavako.
20 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin’ izany tsy afaka mankany.
21 Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin’ ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin’ ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.
22 Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano.
23 Ary hoy ny tompo tamin’ ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.
24 Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.

Hoy ny Soratra Masina hoe.....« Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. » (Jao.1:11)

koa dia efa nolavina re ny Jiosy ry statham a, ary ankehitriny dia ireto no mitoetra....
Romana 9
6 Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin’ Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin’ ny Isiraely no Isiraely.
8 Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’ Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.

koa aza gaga ianao raha mahita famonjena mipoitra avy amin'ny jentilisa ankehitriny.....satria tsy izay rehetra avy amin'ny isiraely no isiraely .....

Galatiana 3
28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy.

Izay voasoratra dia voasoratra fa tsy azo amboamboarina io stahtam a!!!

119. endriny ( 11/03/2016 07:07)
Hihihihihi dia lazao koa fa mitovy ihany ny mpiangona sy pasitera, na ny laika sy ny papa

Toa tena tsy nahita tory mihintsy ianao nandinika ity rediredin'i Paoly ity
120. endriny ( 11/03/2016 14:54)
Ary mbola tsy tonga ihany ilay ho avy tsy hoe ela ohatran'ny volan'ny CNAPS
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2073