Misy ve Dieu?

1. rhaj0 ( 03/02/2016 15:32)
Naravin'ny wikipedia eto ny arguments..
https://fr.wikipedia.org/wiki/Arguments_sur_l%27existence_de_Dieu

Fa resaka Dieu (an'ny tandrefana) ny naraviny tao, raha ny fahazoako azy.

Ny an'ny Malagasy ohatra izao, dia nisy ROA ilay IZY...
1- Andriamanitra == Dieu moral
2- SY Andriananahary == Dieu créateur

f'io moa dia noravan'ny Kristianisma tao @ kolotora sy ny sain'ny Malagasy, ka dia...
novalian'i rhaj0 ny 06/03/2016 14:41
2. RBNIR ( 04/02/2016 08:29)
JESOSY no fanaporofoana ho an'izao tontolo izao fa tena misy Andriamanitra

Andriamanitra dia tsy hita maso, ary noho izany dia maro ny olona no tsy mino ny fisiany ka tsy mandraharaha izay sitrapony,

Hoy anefa Izy indray andro tamin'ny olona (niteny tamin'ny alalan'ny mpaminaniny Isaia Izy tamin'izay) " Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony." (Isaia 7:11)

Nasainy nangataka famantarana ny olona.

Saingy.....hoy ny olona tamin'izany, "Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah" (Isaia 7:12)

Tsy sahy nangataka ny olona satria natahotra ny haka fanahy an'Andriamanitra

Dia Andriamanitra no voatery nanome ny famantarana ho an-tsika :
" Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ?" (Isaia 7:13)
"Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra]" (Isaia 7:14)
Io no famantarana nampanantenain'Andriamanitra ny olona : Hanan'anaka ny virijiny ka hiteraka.

Dia tanteraka tokoa io fanomezana famantarana io taty aoriana namana :" Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: " (Matio 1:22)
" Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra." (Matio 1:23)

Io famantarana io dia tsy inona fa : "ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany." (Matio 1:21)
I Jesosy namana no famantarana nomen'Andriamanitra an-tsika.

Nirahina hanao famantarana lehibe sady marobe Jesosy hanamporofoana fa tena misy tokoa Andriamanitra (Jereo ny boky Matio, Marka, Lioka ary Jaona) ao amin'ny testameta vaovao ao amin'ny Baiboly Masina fa ao no nanoratana ireo asa lehibe rehetra nataony.

Ary lehibe dia lehibe tokoa izany asa sy famantarana izany ka izay no mahatonga ny tantaran'i Jesosy mbola voarakitra foana na dia efa 2000 taona lasa aza izany rehetra izany.
Ataoko angamba fa ny ankamaroan'ny olona dia mahafantatra izany daholo ankehitriny.

Ireto avy anefa no tena antony nanirahana an'i JEsosy tety ka nanaovany ireny famantarana lehibe ireny :
1- Hoy Izy ao amin'ny Mat.7:21 "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra."
Antony voalohany : Hitaona ny olona rehetra mba hanao ny Sitrapon'Andriamanitra mba hahazoan'ny olona hiditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

2- " Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny." (Matio 11:21)
Araka io teny io dia ny mba hibebahan'ny olona no tena antony faharoa nanaovana ireny famatarana lehibe ireny.

Ireo ihany no antony nanirahana an'i Jesosy Tompo tety an-tany namana,
Ampahafantarana ny olona fa dia MISY TOKOA Andriamanitra ka tokony HIBEBAKA sy HANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA avokoa ny olona rehetra.

Tsy misy antony hafa fa ireo ihany.

Fa maninoa tokoa moa? Satria hoy Jesosy Tompo :
"Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy;" (Matio 25:31)
"Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;" (Matio 25:34)
"Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;" (Matio 25:41)
"fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;" (Matio 25:42)

Araka ireo teny nataon'i Jesosy Tompo ireo dia ho avy ny fotoana mbola hiverenany indray ka hisy FANAVAHANA LEHIBE SADY MAHATAHOTRA AMIN'IZAY,

Ny zava-doza dia ny anjaran'ireo izay voahavaka ho eo an-kaviany. AFO MAHARITRA MANDRAKIZAY NO ANJARA HO AZY.
Afo maharitra mandrakizay izay tsy natao ho an'ny olona tamin'ny voalohany fa hoe ho an'ny devoly sy ny anjeliny ihany, saingy taty aoriana dia voatendry hanana anjara any koa ny olona rehefa tsy MIBEBAKA SY MANAO NY SITRAPON ANDRIAMANITRA.

Minoa izay nolazain'i JEsosy Tompo namana ka hinoy ny fisian'ny Afo maharitra mandrak'izay.

Tian-tsika Jesosy ,
Ankehitriny dia mitaona an-tsika rehetra aho HIBEBAKA SY HANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA.

Samy ho tahin'ny Tompo namana
3. tealala ( 04/02/2016 10:41)
Misy ka, fa ny anarany no samy nanova ny azy, dia samy manana ny fanompony ny azy ihany koa.
4. endriny ( 04/02/2016 14:39)

rhaj0:

Misy ve Dieu?

Dia misy koa Tirois

taty sy taroa
5. rhaj0 ( 04/02/2016 14:39)
RBNIR:
JESOSY no fanaporofoana ho an'izao tontolo izao fa tena misy Andriamanitra

Ny fahazoako ny resakao dia hoe
- i Jesosy no manaporofo fa misy Atra
- i Atra nefany no namorona (nanaporofo) fa misy Jesosy

Ka dia vita boribory (vetaveta) ao izany ny (sai)nareo eee... :-)

Tealala:
Misy ka, fa ny anarany no samy nanova ny azy, dia samy manana ny fanompony ny azy ihany koa.

Izaho koa dia tena miombo-kevitra aminao :
Eny misy Andriamanitra... ao @ imagination (collective) an'ny tsi11 ao, ary dia samy nanome anarana ny AZY, nanova ny AZY, nanompo araka ny ireveny ny AZY ao koa...

Fa izao fotsiny, ny Andrmntra ao @ imagination-n'ny Atheista (na izaho), rahefa mampiresaka (eto), dia ilay Andrmntra ao @ imagination-n'ny Mpino...

Ka "imagination" daholo izany, fa ny réalité, dia TSISY Andrmntra.. TSISY an'izany Créateur Omnipopotent izany.. ary TSISY an'izany Moral Omnipresensent izany... indrindra moa ilay hoe "mandray an-tanana ny fiainanao".. angano angano ampilamina ny sain-draolona (sy ny fiaraha-monina t@ izany fotoan'androny) fotsiny daholo izany.
6. tealala ( 04/02/2016 17:23)
aminao ve samy Andriamanitry ny tenany ny olona ?
7. rhaj0 ( 04/02/2016 18:04)
Lalina ny fanontanianao...

Raha ny an'eritreritro eto, dia eny... "samy Andriamanitry ny tenany ny olona".. Ny ataon'ny tsi11 ao, dia izy tenany no nanao sy tompon'antoka tao. Fa any @ imagination-ny ao, dia lazainy fa Andrmntra. Donc.. izy tenany ihany no ataony hoe Andrmntra ao io...

Dia rahefa vorika indray ny zava-bitany sy izay fi(s)ainany ao, dia lazainy fa Devoly hono ho'a no tompon'antoka @ izany.. Ka dia, eto koa izany "samy Devolin'ny tenany ny olona".

8. tealala ( 04/02/2016 18:12)
"religieux et chrétien" amiko ilay valiny
-manao olona ho andriamanitra
-maneho fa mahery ny devoly
ilay izy izany "finoana" ihany no tiako tenenina e, tsy hitako ny teny hafa mahasolo io teny io aloha, satria nanao andriamanitra azo tsapain tanana => "idolâtrie" izany hoe "mino" zavatra voafaritra.
9. rhaj0 ( 04/02/2016 18:54)
Tsy azoko tsara ny tian'i Tealala tenenina..

Fa raha ny @ hoe "ao @ imagination-ny" lazaiko io ambony io, dia ampatsotsotra azy, dia jereo anie ny tantaran'i Caillou (Saison 1 épisode 29) : Le meilleur ami de Caillou.

Dia jereo tsara hoe, IZA moa i G. (atsy @ 2:00)

http://www.dessin-anime.net/le-meilleur-ami-de-caillou.html
10. tealala ( 05/02/2016 03:03)
(Tsy hitako ilay horonantsary noho ny fifandraisana tsy dia tsara)
"religieux et chrétien" amiko ilay valiny
-manao olona ho andriamanitra = ny kristianina ihany aloha no tena nanao an'io hatramin'izao
-maneho fa mahery ny devoly = ny kristianina ihany koa no mbola mino fa manana fahavalo "potentiel" Andriamanitra
-nanao andriamanitra azo tsapain tanana => "idolâtrie" = namolavola ny tsy mana-pahataperana ho zavatra voafaritra.
tsy tena mahay manazava ny tenako moa izany fa afaka tsindrina kely izay tsy mazava.
11. rhaj0 ( 05/02/2016 15:59)
tealala:
"religieux et chrétien" amiko ilay valiny
-manao olona ho andriamanitra = ny kristianina ihany aloha no tena nanao an'io hatramin'izao
Ka @ ilay "imagination" kosany azany ve hamorona inona eo izy, fa izay no takany dia izay izany.. Ny sasany azany moa ny biby no ataony Andrmntra ka dia..

tealala:
-maneho fa mahery ny devoly = ny kristianina ihany koa no mbola mino fa manana fahavalo "potentiel" Andriamanitra
Ny Ntaolo moa, araka ny notaterin'i Flacourt, dia mampahazo ny Atra SY ny Devoly, dia milamina ny olana "potentiel".. Hendry ho'a ny Ntaolo ee...

tealala:
-nanao andriamanitra azo tsapain tanana => "idolâtrie" = namolavola ny tsy mana-pahataperana ho zavatra voafaritra.
Ka rahefa mandeha ny "imagination" ho'a dia mba artista kosany izany i Rakrisy e... Dia ho an'ireo "tsy ampy imaginatoin" dia tsy maintsy mba amena sopapa mba ho @ imagination collective izy ity, fa raha tsy izany kosa anie dia tena samy mamoromporona ao an-dohany ao daholo ny tsi11 eee...

Ka ohatra ny anareo ao izao azany ry Tealala, toatoa ny ahoana i Andmntrareo?? raha ohatra ka sady TSY olona, no tsy aseho amina voavolavola??
12. tealala ( 05/02/2016 16:33)
sarotra be no hamaritana azy amina teny, satria izy no "lasa, ankehitriny, ary amndrakizay" "en même temps"
tsy misy endrika afaka amaritana azy izany e
13. rhaj0 ( 05/02/2016 16:40)
Dia tena TSISY representation-ny mihintsy izany ny Andrmntrao ao @ imagination-nao ao. Miteny na mivavaka ianao @ Andriamanitrao ianao, fa dia tena tsisy n'inon'inona.. na hoe rahona volombatolalaka na hoe toa jiro manjelajelatra.. TSISY n'inon'inona.. fa miteny @ .."tsy-misy" ao ianao.
14. tealala ( 05/02/2016 16:59)
ny "tsy misy endrika afaka amaritana azy izany e" sy ny "tsy misy" samihafa.
raha omeko endrika izy dia lasa kristianina na zavatra hafa, mazava ve?
15. tealala ( 05/02/2016 17:01)
rehefa miresaka ry rhaj0 dia manontania tsara aloha fa le miteny zavatra tsy notenenin'ny olona lasa resaka "aller retoure"
16. tealala ( 05/02/2016 17:04)
ohatry ny miteny manko ianao hoe misy ve ny rivotra (tsy azo tsapaina tanana io fa misy).
dia aza raisina koa io ohatra io hoe mivavaka amin'ny rivotra ko aho fa ny rivotra ato anaty atmosphère ihany no misy manko.
17. rhaj0 ( 05/02/2016 17:20)
eny azany eee.. miteny @ "tsisy-endrika" ianao ao izany.

Ohatra hoe, rahefa mivavaka ianao, dia hoe "ameo anay anio ny hanina sahaza ho anay".. dia ny ao an-tsainao na imagination-nao ao, dia tsisy naninona fa ilay "hanina sahaza" ho anao no efa tafadoboka eo ambony tsihy.

Nefa ny an'ny Kristiana, dia Ingahibe be vlombava fotsy izany @ io, avy "any ambony any", dia mampahazo.. na koa i Jesosy sy ny akanjony rebareba, mitsikafokafona eo @ plafond, dia mitso-drano ny eo ambony tsihy..
18. tealala ( 05/02/2016 17:42)

rhaj0:

eny azany eee.. miteny @ "tsisy-endrika" ianao ao izany.

Ohatra hoe, rahefa mivavaka ianao, dia hoe "ameo anay anio ny hanina sahaza ho anay".. dia ny ao an-tsainao na imagination-nao ao, dia tsisy naninona fa ilay "hanina sahaza" ho anao no efa tafadoboka eo ambony tsihy.

Nefa ny an'ny Kristiana, dia Ingahibe be vlombava fotsy izany @ io, avy "any ambony any", dia mampahazo.. na koa i Jesosy sy ny akanjony rebareba, mitsikafokafona eo @ plafond, dia mitso-drano ny eo ambony tsihy..

aaa za tsy manao an le hoe "ameo anay anio ny hanina sahaza ho anay"
io anie hoy aho samy manana ny azy e, ny anao izao siansa, mifoha maraina ianao ohatra dia manantena fa hisy zavatra vaovao ho vokarin'ny siansa indray..misy antony hifoazana maraina foana misy fanantenana, manana anjara hi-exploiter ny "high-tech", dia hiaiky ny namorona ilay izy...ohatra ihany anefa io raisiko io satria samy manana izay any an-tsainy any
19. rhaj0 ( 05/02/2016 17:44)
Ka mba tantarao azany hoe ahoana ny interaction-nao @ Andrmntrao ao izany ?
20. tealala ( 05/02/2016 17:52)
ohatranao amin'ny siansa ihany io ko, hitako fa tsara ny zavatra vitany iresahako izy sns e
ny mampiavaka azy ireo anie dia ny siansa misy limite ny ary misy voka dratsiny
Izany akory tsy midika fa hoe ratsy ny siansa dia tsy mampiasa n'inoninona amin'ny siansa aho a.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1984