Voaporofo ve fa misy Atra?

1. endriny ( 03/02/2015 15:30)
Hoy ilay tsy mpino an'Atra: "Tsy misy Atra satria : 1 Tsy hitanao na tsapanao izy, tsy renao ny feony, na ny fofony na izay mety molekiola sy taratra maginetika avy aminy... Ka tsy misy izy izany..."

Hoy ilay mpino: "Mino aho fa misy Atra, nanao zava-mahagaga ho ahy izy, nitahy ahy izy, nanao ny lanitra sy ny tany izy , ary na izaho na ianao dia samy namboarin'Atra daholo..."

Ho anao iza amin'ireo valim-panontaniana ireo no ironanao kokoa raha toa ka adihevitra amin'ny hoe: 'Misy ve Atra sa tsia?"
2. rhaj0 ( 03/02/2015 16:24)
porofo.. mila ampitovizana ny famaritana..

preuve, Ce qui montre la vérité d'une chose.
vérité, Conformité à la réalité.

preuve, piece of evidence
évident, Qui est clair

Fa ilay hoe 'ce' ao @ 'ce qui', sy ilay hoe 'piece', dia raha ny fahazoako azy, dia 'zavatra' misy (fa tsy hoe imaginaire na hoe concept subjectif any fotisny)

entouka... na hiezaka ampitovy famaritana eto azany aho, ny an'ny sasany dia toatoa izao foana... hoe... izay 'famaritana' iraisan'ny samy olb dia tsisy dikany daholo manoloana ny... "imagination"-nao, na hoe izay rehetra mikasika ny A.trao, araka ny "imagination"-nao irery ao..

Fa raha izaho no anontanianao, dia hoe ho'a hoe:
'misy A.tra' .. fa ao @ 'imagination'-n'izay mino Azy ao ihany. Imagination collective koa.

Ka ahoana no hanaporofoina fa 'misy' ny ao @ 'imagination'-ny ao ?
3. gasy1zay ( 03/02/2015 17:41)

endriny:

Hoy ilay tsy mpino an'Atra: "Tsy misy Atra satria : 1 Tsy hitanao na tsapanao izy, tsy renao ny feony, na ny fofony na izay mety molekiola sy taratra maginetika avy aminy... Ka tsy misy izy izany..."

Hoy ilay mpino: "Mino aho fa misy Atra, nanao zava-mahagaga ho ahy izy, nitahy ahy izy, nanao ny lanitra sy ny tany izy , ary na izaho na ianao dia samy namboarin'Atra daholo..."

Ho anao iza amin'ireo valim-panontaniana ireo no ironanao kokoa raha toa ka adihevitra amin'ny hoe: 'Misy ve Atra sa tsia?"

Ny fanontaniana dia hoe inona no tranga andrasanao ka hanekenao hoe tena misy Andriamanitra na mahery izy na mitahy izy? Maro ny tsy te hino ny fisiany satria raha manaiky ny fisian'Andriamanitra izy dia voatery hiala @ fahazaran-dratsy mba tsy hiafara any @ helo.
4. mirananirina ( 03/02/2015 18:41)
Mino an Andriamanitra tokana aho na hita maso na tsy hita!! Ary tsy manome tsiny ireo tsy mino satria marina ny filazany.
5. rhaj0 ( 03/02/2015 18:49)
Ny A.tra ao @ imagination-nao Gasy1zay ao no mandefa ny olb any @ helo any izany...
Ny A.try ny hafa mety lasam-borona fotsiny...

Fa mampome anie ilay izy e..

:-) nanao zava-mahagaga ho ahy Izy... ato @ imagination-ko ato..
Hozy i Butler izay hoe, tena nanana vision aho fa tena hanao lalao favy r@ SuperBowl, ary dia novalian'A.tro izany. Voninahitra ho Azy.

;-) tena (saika) hanao zavatra hafa taminao nefa ny A.tro... ato @ imagination-ko ato.. fa izaho no tsy nihaino Azy, fa nilaozako nihaino ny mpanazatra.
Hozy Russell, efa h@ demi-finale, dia tena sitrapoNY ny handreseko hoz,izy tato @ imagination-ko.. nolazaiNY aho hanome ny baolina an'i Lynch, ato @ imagination-ko, ary dia ho Voninahitra ho Azy (sy ho ahy). Fa hozy ny mpanazatra hoe, atsipazo any @ Lockette..
6. endriny ( 04/02/2015 06:44)
Ny olona haiko rehetra dia mino fa misy izany merkiora mena izany. Saingy efa ela ihany no nahenoko olona nilaza io, ary maro. Eny e, saika ny vahoaka manontolo hatrany ambanivolo... Fa tsy mbola nisy na iray aza nahita izany merkiora mena izany. Nefa dia lazaina fa lafo vidy dia lafo vidy ilay izy raha mahita ianao.

Dia toa izay koa ilay olona milaza hoe misy Atra kanefa tsy afaka mampiseho akory ny fisiany... Fa miteny fotsiny na manozona ireo miteny hoe tsy misy Atra...

Dia hoy ny hafa hoe ka iza ary no nanamboatra izao tontolo izao? Dia io ilay manao fanontanian'ny tsy misy alahatra amiko. Ny vala famaritana misy antsika ny tany, fa tsy izao tontolo izao akory...

Dia misy manontany hoe iza no andrasanao vao hino ianao... ? Izy ange tsy ilay finoana fa hoe asehoy ary ny porofo mahamisy an'Atra, fa tsy hoe porofoy fa mino ianao e?
7. Strong3 ( 04/02/2015 08:57)

Avy aiza ireo fanahy roa mifanohitra?
na ny tandrefana na tatsimo na ny tasinana sy ny tavaratra dia samy mahatsapa io hery tsy hitamaso mifanohitra io
ying yang(sinoa), fanahy ratsy fanahy tsara(malagasy), force mal sns....

nahoana ireo no eken'ny rehetra???
ny tsara dia lazainy fa Atra ary ny ratsy ataony hoe devoly ... iraisan'ny rehetra io fanononana io .
Fa ilay hoe Atra andriananahary ,mpahary izao rehetra izao no tsy itovizany. ary io no be panohitra indrindra.

mifototra amin'io anefa ny hanamporofoana ny fisiany fa tsy ara materialy , amin'ny imagination-ko ; hihihih namana rhaj0
8. sitlo ( 04/02/2015 09:59)
Strong3:
Avy aiza ireo fanahy roa mifanohitra?
na ny tandrefana na tatsimo na ny tasinana sy ny tavaratra dia samy mahatsapa io hery tsy hitamaso mifanohitra io
ying yang(sinoa), fanahy ratsy fanahy tsara(malagasy), force mal sns....

nahoana ireo no eken'ny rehetra???
ny tsara dia lazainy fa Atra ary ny ratsy ataony hoe devoly ... iraisan'ny rehetra io fanononana io .

Tsy ny rehetra kosa an.
Ny ying yang dia tsy hoe tsara sy ratsy fa zavatra mifameno. Raha avy nihazakazaka be ohatra ianao (yang), dia mba mila maka aina indray avy eo (ying). Tsy misy idiran'ny devoly sy andriamanitra mihitsy izany.
9. rhaj0 ( 04/02/2015 11:23)
Raha ny fahitako azy, rahefa "TSY takatry ny saina" (izao aloha izao), dia tairina @ Finoana, "noforonina" na A.tra io na lahatra...

Asa ianao rahefa nitaiza ny zanakao tao, dia raikitra ny pourquoi sy ny pour quoi @ zavatra "TSY takatry ny sainy"... Izaho aloha dia niezaka mafy ny hanazava foana, fa indraidray tonga @ hoe, ka mety tsy ho takatry ny ankizy raha asiako theorie quantique ity, ka dia hotry ny asosasosa ny resaka, na akory azany hoe, dia "minoa fotsiny" fa any aoriana io hohazavaiko ee... T@ izy tena mbola kely azany moa, dia satria miaina anaty sosaity, dia ny namany mino an'i Tatape Noely, Anjely, Lutin, fee des dents, monstre, Demony ... ary dia navela mba hino tao koa fa maninona moa...

Rahefa lehibe izy, ka afaky ny "takatry ny sainy" ny resaka, dia kOpy tsaratsara mihintsy izy fa ny "finoana" sy izay "nampinoana azy" io dia ... "noforonina"... fampandriana "adrisa kely" .. hamaliana ilay "TSY takatry ny saina" teo iny fotsiny...

Dia eto ohatra izao i Gasy1zay mitady hoe, porofoy, na hoe inona ny porofo andrasanao, ny @ ireo "noforonina" mba hanazavana ny "TSY takatry ny saina" ireo...

Ka dia ny "porofo" izany dia hoe : NOFORONINA re ireo concepts ireo e... na Tatape Noely io na Anjely, Lutin, fee des dents, monstre, Demony.. h@ A.tra.

Tsy mampome nareo ve rehefa mifanjinja ny Ankizy, dia hoe, tsia ny Fee des dents no tsy misy, fa ny Lutin no misy... h@ izao ny lehibe (sasany) mbola hoe, ny Tatape Noely no tsy misy fa A.tra no misy...

10. endriny ( 04/02/2015 15:28)

Strong3:

Avy aiza ireo fanahy roa mifanohitra?

Io izao tsy haiku hoe avy aiza... ary noho ny tsy fahalalako azy dia tsy haiko porofoina io. Saingy ity maka aloha pila Tiger dia ho tsapanao fa tsy manana hery iny pila iny raha tsy misy miiba sy miabo.. Ary tsy hisy takamoa hirehitra eo raha tsy misy hery mifanohitra...

Strong3:

na ny tandrefana na tatsimo na ny tasinana sy ny tavaratra dia samy mahatsapa io hery tsy hitamaso mifanohitra io
ying yang(sinoa), fanahy ratsy fanahy tsara(malagasy), force mal sns....

Io ilay ataon'ny Malagasy hoe Lafiratsy sy Lafitsara, raha tianao hitarina dia hoe mpisikidy sy mpamosavy. Araka ny tenin'i Sitlo dia izao ao amin'ny baiboly izay vakinao sy inoanao fatratra io dia misy izao teny izao: "Fa izay te ahavonjy ny ainy no ho very fanahy... Izay te ho lehoibe aminareo no aoka ho mpanomponareo"... DIa hoy aho aminao hoe : "amin'ny sainao tsy miangatra mety ve, tsara ve ny mampijaly tena?" Dia mino aho fa hamaly ianao hoe : "Tena mety mihintsy satria izay no nolazain'ny baiboly?"... Dia ahoana izany ilay hoe: "I Satana dia hamiravira ny vatanao" ? Dia hiteny indray ianao iny hafa fa iny Satana ve?

Ny hatsaran'ny bonsai dia mitoetra eo amin'ny fampijaliana natao ilay hazo nandritry ny am-polo taonany Ying Yang

Strong3:

ny tsara dia lazainy fa Atra ary ny ratsy ataony hoe devoly ...

Tsy haiko na isika no mandika vilana ny baiboly na ahoana... Fa ao amin'io baiboly io dia famonoana, famaizana ary fandringanana no ataon'Atra izay tsy manaraka ny teniny... Dia tsara ve izany aminao. Ny olona aza efa mandrara ny fikapohana ankizy any ampianarana.

I Satana tsy mba nibedy na nandrara velively ireo olona mifaly, na miliba, na manao izay mba hiadadan'ny fony.

Sa Atra be fialonana araka ny anarany ity Iaveh tompontsika ity? Ka tsy faly amin'ny hafalian'ny olona namboariny... Tsy mahagaga izany raha be fialonana daholo isika rehetra... Araka ny fiteny Malagasy hoe ory hava-manana.
11. rhaj0 ( 04/02/2015 16:29)
endriny:
Ny olona haiko rehetra dia mino fa misy izany merkiora mena izany.

http://fr.wikipedia.org/wiki/Mercure_rouge
mercure rouge = oxyde de mercure

Fa raha ny resaka hoe "mino", dia hoe "mahavita fahagagana" ny mercure rouge, dia .. asakasak'izay voarebireby.

hotry ny t@ zahay nivarotra quartz ireny. Dia aty ho'a misy kebany "mino" fa tena mahasalama hono ny magnetisma aboakan'ireny quartz ireny. Dia nivanitika fotsiny aho, fa ny stock-ko be dia be nefany aho tsy tena hoe salama be @ ahoana...
12. gasy1zay ( 04/02/2015 19:38)

endriny:

Strong3:

Avy aiza ireo fanahy roa mifanohitra?

Io izao tsy haiku hoe avy aiza... ary noho ny tsy fahalalako azy dia tsy haiko porofoina io. Saingy ity maka aloha pila Tiger dia ho tsapanao fa tsy manana hery iny pila iny raha tsy misy miiba sy miabo.. Ary tsy hisy takamoa hirehitra eo raha tsy misy hery mifanohitra...

Strong3:

na ny tandrefana na tatsimo na ny tasinana sy ny tavaratra dia samy mahatsapa io hery tsy hitamaso mifanohitra io
ying yang(sinoa), fanahy ratsy fanahy tsara(malagasy), force mal sns....

Io ilay ataon'ny Malagasy hoe Lafiratsy sy Lafitsara, raha tianao hitarina dia hoe mpisikidy sy mpamosavy. Araka ny tenin'i Sitlo dia izao ao amin'ny baiboly izay vakinao sy inoanao fatratra io dia misy izao teny izao: "Fa izay te ahavonjy ny ainy no ho very fanahy... Izay te ho lehoibe aminareo no aoka ho mpanomponareo"... DIa hoy aho aminao hoe : "amin'ny sainao tsy miangatra mety ve, tsara ve ny mampijaly tena?" Dia mino aho fa hamaly ianao hoe : "Tena mety mihintsy satria izay no nolazain'ny baiboly?"... Dia ahoana izany ilay hoe: "I Satana dia hamiravira ny vatanao" ? Dia hiteny indray ianao iny hafa fa iny Satana ve?

Ny hatsaran'ny bonsai dia mitoetra eo amin'ny fampijaliana natao ilay hazo nandritry ny am-polo taonany Ying Yang

Strong3:

ny tsara dia lazainy fa Atra ary ny ratsy ataony hoe devoly ...

Tsy haiko na isika no mandika vilana ny baiboly na ahoana... Fa ao amin'io baiboly io dia famonoana, famaizana ary fandringanana no ataon'Atra izay tsy manaraka ny teniny... Dia tsara ve izany aminao. Ny olona aza efa mandrara ny fikapohana ankizy any ampianarana.

I Satana tsy mba nibedy na nandrara velively ireo olona mifaly, na miliba, na manao izay mba hiadadan'ny fony.

Sa Atra be fialonana araka ny anarany ity Iaveh tompontsika ity? Ka tsy faly amin'ny hafalian'ny olona namboariny... Tsy mahagaga izany raha be fialonana daholo isika rehetra... Araka ny fiteny Malagasy hoe ory hava-manana.

"I Satana tsy mba nibedy na nandrara velively ireo olona mifaly, na miliba, na manao izay mba hiadadan'ny fony." faly izy fa voafitaka ianao koa lambolamboiny tokoa ianao fa tsy bedy ka, tena nofahanany mihintsy anie i Eva e! Tadidio fa ny hiampanga anao @ fitsarana farany no tanjony ka tsy hahafahanao handova ny lanitra fa hanaraka azy any @ ny helo.

"Sa Atra be fialonana araka ny anarany ity Iaveh tompontsika ity? Ka tsy faly amin'ny hafalian'ny olona namboariny... Tsy mahagaga izany raha be fialonana daholo isika rehetra... Araka ny fiteny Malagasy hoe ory hava-manana."
Andriamanitra aloha dia saro-piaro tokoa ka tsy tiany raha hanompo Andriamanitra hafa isika, tsy fialonana izany fa fitiavana toy ianao tsy tia ny ny vadinao ho lasan'olon-kafa, tsy tiany ho faly @ fahotana isika satria mampisaraka antsika aminy ny ota, ka manakana antsika tsy hiara hitoetra aminy mandrakizay rehefa miala ety. Jereo ireo lisitra fahotana tsy ahafahana miditra ny lanitra ao @ apokalipsy.

Aza ory hava-manana izany ry endriny fa ataovy izay hampandroso ny fiainanao na @ ara-nofo, ara-tsaina indrindra indrindra ny ara-panahy.
13. rhaj0 ( 04/02/2015 21:16)
gasy1zay:
Andriamanitra aloha dia saro-piaro tokoa ka tsy tiany raha hanompo Andriamanitra hafa isika..

Te-hilalao monopoly Izy izany, ary dia tena "famonoana, famaizana ary fandringanana no ataon'Atra izay tsy manaraka ny teniny".

hi hi hi .. hotr'izany koa ve i Gasy1zay rahefa milalao monopoly miaraka an-janany ao ? :-)
14. hafahafa ( 05/02/2015 05:12)
Raha maita trano mijoalajoala be any aminy dezaka be ve za d hiertreritra oe tsis mpamorina io raha to ka tsy hitany masoko ny tompony sy tsy itany masoko ny namoronany azy teo fa izy efa eo vo itako.
15. endriny ( 05/02/2015 06:13)

hafahafa:

Raha maita trano mijoalajoala be any aminy dezaka be ve za d hiertreritra oe tsis mpamorina io raha to ka tsy hitany masoko ny tompony sy tsy itany masoko ny namoronany azy teo fa izy efa eo vo itako.

Tiako be ilay valiny... Raha mahita trano iray ianao dia hoy ianao hoe nisy mpandrafitra nanao io trano io... satria efa nahita olona nandrafitra trano ianao... Fa iza no efa nahita Atra nanamboatra voalavo, na rahona, na kintana... ? Kanefa izy dia sahy milaza fa Atra no nanao ny volana sy izao tontolo izao...
16. endriny ( 05/02/2015 06:17)

rhaj0:

endriny:
Ny olona haiko rehetra dia mino fa misy izany merkiora mena izany.

http://fr.wikipedia.org/wiki/Mercure_rouge
mercure rouge = oxyde de mercure

Ie misaotra fa haiko io ka, fa io ange tsy ranony ohatran'ny mercure e, fa vovoka e, sady tsy ahitana amin'ny girama eny amin'ny natiora akory io... NY an'ny olona mantsy hoe ny merkiora mena hono misy volamena... Tsetsatsetsa tsy aritra iny ry Havana
17. hafahafa ( 05/02/2015 06:53)

endriny:

hafahafa:

Raha maita trano mijoalajoala be any aminy dezaka be ve za d hiertreritra oe tsis mpamorina io raha to ka tsy hitany masoko ny tompony sy tsy itany masoko ny namoronany azy teo fa izy efa eo vo itako.

Tiako be ilay valiny... Raha mahita trano iray ianao dia hoy ianao hoe nisy mpandrafitra nanao io trano io... satria efa nahita olona nandrafitra trano ianao... Fa iza no efa nahita Atra nanamboatra voalavo, na rahona, na kintana... ? Kanefa izy dia sahy milaza fa Atra no nanao ny volana sy izao tontolo izao...

Izay lay finoana,"sambatra zay tsy mahita nefa mino"
Izay no maha Atra mpahary an'izao tontolo zao azy. Ny azy tsis fetrany fa ny any olombelona misy fetrany iany ny zavatra hainy sy foronony.
Na lay jamba tsy nahita olona namboatra trano ary tsy miahiahy mitsiny oe tsis mpamorina lay trano ipetrahany fa rehefa mikasika, rehefa mitsapa any lay trano izy d mety manotany tena oe mba iza ary no namorina an'ty trano ty, fa isika mahiratra d tonga d mafatatra oe otran'izao lay namorina anio.

18. Strong3 ( 05/02/2015 07:03)

sitlo:

Strong3:
Avy aiza ireo fanahy roa mifanohitra?
na ny tandrefana na tatsimo na ny tasinana sy ny tavaratra dia samy mahatsapa io hery tsy hitamaso mifanohitra io
ying yang(sinoa), fanahy ratsy fanahy tsara(malagasy), force mal sns....

nahoana ireo no eken'ny rehetra???
ny tsara dia lazainy fa Atra ary ny ratsy ataony hoe devoly ... iraisan'ny rehetra io fanononana io .

Tsy ny rehetra kosa an.
Ny ying yang dia tsy hoe tsara sy ratsy fa zavatra mifameno. Raha avy nihazakazaka be ohatra ianao (yang), dia mba mila maka aina indray avy eo (ying). Tsy misy idiran'ny devoly sy andriamanitra mihitsy izany.

hihih anao izany de tsy mamaky mihitsy fa ny hamaly avy hatrany!!
hery roa mifanohitra no lazaiko, ny ying yang dia samy manana ny fandraisany azy angamba. raha izay fialana sasatra izany no fandraisanao azy dia tsy haiko indray. ny loko maintsy sy ny fotsy , dia efa mitory ny tsy fitoviana, ary raha ilay lazainao hoe: mifameno dia tsy dia mitombina lohatra; mitory ny fisian'ny ratsy ao anatin'ny tontolo fotsy misy ny fahatsarana dia mifanohitra amin'izay ny tontolo maintsy mba misy soa ihany.
Tsy hivelatra be amin'io isika fa ny zavatra tiana ahatongavana dia ny hoe: __ misy itovizany daholo ny tany mantolo amin'ny fanekena fa misy ny herin'ilay ratsy.

hoy ianao : tsy izy rehetra.
__ na ny firenena matanjaka indrindra aza dia manao fanadihadiana momba ny matoatoa, trano misy angatra sns...
__ fa izany hoe : hita fa te hampiady karajia fotsiny angamba ianao ka minia mikipy tsy ahalala izany.

ekeny fiarahamonina anefa fa ny fanahy atao hoe ratsy na ambanibany dia resin'ny ambonibony na fanahy tsra noho izireo. hita na aiza na aiza io
fa noho ny fivoarana dia toa variana sy revo amin'ny fandrosoana ny fiarahamonina ka manilika ny fisiany izany raha tsy efa miantraika amin'ny tenany manokana vao mino izany izy ireo.

__ ahoana ary no ilazana fa misy ny ratsy dia misy ny tsara.
mitondra fanimbana eo amin'ny fiarahamonina ny fanahy ratsy. ireo anefa dia afaka atosika amin'ny hery lehibe na tsra noho izy.
Milaza ny boky fa ny Herin'ny Mazava dia manosika ny Aizina.
araka ny soratra ihany dia aizina no teo amin'ny tontolo, fa nasiana fahazavana. ary ny herin'ny mazina dia mananjaka ao anaty aizina.

_ mety ailikin'ny fotompisainana manohitra izany tokoa ny fijery hoe:
ilay fisehon'izay mazava sy aizina izay no nisitsonana ny fisian'Ilay Atra sy ny devoly , ratsy sy tsara, mazava sy maizina sns..

raha fisainan'olombelona ohatranao ihany ary no namorona ny fisian'Atra sy ny devoly. nahoana ianao no tsy mahavita mamorona hery ho anao manokana.
raha imagination ihany koa ilay izy, dia andeha mba hanandrana isika hanantona ireo mpanana imagination hampiasa ny herin'ny devoly hampisy tromba na bilo na kokolampy na ambalavelona na fanahimanambady zazavavin-drano na fanainga lavitra na ireo karazana mosavy sns...
dia hohitantsika eo hoe ahaoana no ahafaka anao amin'izany. fa izaho dia sahy milaza aminao fa raha tsy amin'ilay imagination-an'ny Kristiana hoe misy i Jesosy Kristy sy Andriamanitra dia tsy ho afaka eo izany ianao.

Fa ny fanotaniana dia hoe:
Nahoana no miala amin'izany tranga izany ny firenena mandroso, fa toa mythe sisa no fandraisany izany?
_ satria ny fiarahamonina misy azy variana amin'ny siansa daholo ka tsy misy hirika hidiran'ireo fanahy roa;

* ahoana ary izany? manjaka amin'ny osa sy ny tsy afaka amin'ny eo amin'ny fiainana fotsiny ihany ary ve ireo fanahy roa ireo, sa ireo no tsy manana zavatra ifantohana dia mandefa imagination any hoany toa an'i Abrahama ka NISY NAMALY HOAZY (dia noraketina fa misy Atra)?

Ary raha izany tokoa no izy, __ TSY LASA SAINA VE IANAO RAHA MBA MAMAKY NY BAIBOLY, fa ireo hevitra anoherana an'Atra rehetra dia efa voavaly ao daholo.
Mba nahita boky tahaka izany ve ianao?

__ raha nandinika ny baiboly aho dia hitako fa raha tsy misy Atra dia filôzôfa tapitroatra no nanoratra azy io. Vita kajy tanteraka ny zavatra rehetra; tsy misy zavatra afaka anaporofoana fa tsy marina ny filazany.

Manasa anao ary hiditra amin'izany fanotaniana izany?
19. endriny ( 05/02/2015 07:04)

hafahafa:

Izay lay finoana,"sambatra zay tsy mahita nefa mino"
Izay no maha Atra mpahary an'izao tontolo zao azy. Ny azy tsis fetrany fa ny any olombelona misy fetrany iany ny zavatra hainy sy foronony.
Na lay jamba tsy nahita olona namboatra trano ary tsy miahiahy mitsiny oe tsis mpamorina lay trano ipetrahany fa rehefa mikasika, rehefa mitsapa any lay trano izy d mety manotany tena oe mba iza ary no namorina an'ty trano ty, fa isika mahiratra d tonga d mafatatra oe otran'izao lay namorina anio.

Ny an'ilay jamba nidona tamin'ny potao izany ity a... : "Mandehana rakizy azerao ilay hazo maty atsy amoron-dalana atsy atao kitay a..."
20. endriny ( 05/02/2015 07:15)

hafahafa:

Izay lay finoana,"sambatra zay tsy mahita nefa mino"

Marina io Izay ilay finoana, fa tsy midika akory hoe misy ilay zavatra inoana: "Nandalo Rapeto dia nibata ny vato rehetra tety Analavory natohony ny renirano ka lasa nisy ny farihin'Itasy. Dia namindra niantsinanana izy ka ireo vato nodiaviny rehetra dia las lempona ary nisy ny diany daholo. Saika hanakatra ny volana mba atao kilalaon'ny zanaky ny mpanjaka izy no nisy mpitevy ala nandalo ka nikapa ny ranjony dia nidaraboka I Rapeto ary dia nianjera tany anaty ranomasina antsinanana. Noho ny ra very teo amin'ny ranomasina dia lasa nasira ny ranomasina"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2507