Voaporofo ve fa misy Atra?

21. Strong3 ( 05/02/2015 07:22)
raha anaraka ny hevitrin'ny evolutionniste aza isika, nahoana no nijanona teo amin'ny olombelona ny fivoarana?

manaraka izany avy aiza no niandohan'ny rano na ny atome iray?

raha mijery ny evolution nefa isika dia mahita fa ny atody no tonga fanday ary ny fanday tonga lolo dia tapitra teo ny fivoarany.

andeha indray anao saina adaladala, maki tonga rajako tonga olona , dia tapitra eo ny fivoarany

ary nahoana no teto amin'ny planeta tany ihany no nisy izany?
nahoana no eto amin'ny planeta tany ihany koa no nisy io fivoarana io?
22. endriny ( 05/02/2015 07:30)

Strong3:

Ito koa moa adihevitra hafa mihintsy e.. Fa na ho haintsika daholo aza antsipirihan'ny evolution, sy ny particule sy ny haute energie rehetra.. Ny valiny ny fikarohana mifandraika amin'ireo tsy hamaly mihintsy hoe misy Atra... fa hoe inona no nitambatra ho inona, na inona no niova ho inona...

Ny Vatican aza nametraka Telescope raitra dia raitra sy satelita varatra dia varatra mba hitiliana ny atomen'Atra sy Molekiolany... Tsy haiku na efa nahita ry zareo na tsia.. fa dia mino fotsiny aloha...
23. hafahafa ( 05/02/2015 07:57)

endriny:

hafahafa:

Izay lay finoana,"sambatra zay tsy mahita nefa mino"

Marina io Izay ilay finoana, fa tsy midika akory hoe misy ilay zavatra inoana: "Nandalo Rapeto dia nibata ny vato rehetra tety Analavory natohony ny renirano ka lasa nisy ny farihin'Itasy. Dia namindra niantsinanana izy ka ireo vato nodiaviny rehetra dia las lempona ary nisy ny diany daholo. Saika hanakatra ny volana mba atao kilalaon'ny zanaky ny mpanjaka izy no nisy mpitevy ala nandalo ka nikapa ny ranjony dia nidaraboka I Rapeto ary dia nianjera tany anaty ranomasina antsinanana. Noho ny ra very teo amin'ny ranomasina dia lasa nasira ny ranomasina"

Misy zavatra azo inoana: ny tsis navadika oe misy ary atao tantara sy foronina(misy fahatamperany iany zany ary mijanona o tantara sisa) fa lay finoana a'Atra tsis fahatamperany zany ary tsy otakatry ny zanakol'ombelona ny fahaizany.
Isika nge ry namana efa limité ny zavatra haintsika e, zany oe otrany efa voafaritra zany oe eto ka atreto fa ny any lay mpamorona dia tsis zany.
Raha tantara d lay mpianatra ndray no lasa maitre(misy miotra aza)
Efa ela no nanandrana nanao defie any lay mpamorina ny sience fa niala maina daholo ny taranaka amamparan'izy ireny. izany oe misy zavatra tsy takatry ny sainy olombelona raha tsy aminy alalany finoana tanteraka(izy no efa naha voisa volo eny aminy nefa ny siansa ary mahay mandrefy ny lalana dago tonga any chine ohatra) ary aminy farany d manaiky iany fa misy Atra.
Misy ny finoana zay efa naita no mahatsapa fa misy Atra(izany oe finoana misy ary aminy alalany finoana azy iany no aitana azy sy atsapana azy fa misy izy)
24. Strong3 ( 05/02/2015 08:34)

endriny:

Strong3:

Avy aiza ireo fanahy roa mifanohitra?

Io izao tsy haiku hoe avy aiza... ary noho ny tsy fahalalako azy dia tsy haiko porofoina io. Saingy ity maka aloha pila Tiger dia ho tsapanao fa tsy manana hery iny pila iny raha tsy misy miiba sy miabo.. Ary tsy hisy takamoa hirehitra eo raha tsy misy hery mifanohitra...

Strong3:

na ny tandrefana na tatsimo na ny tasinana sy ny tavaratra dia samy mahatsapa io hery tsy hitamaso mifanohitra io
ying yang(sinoa), fanahy ratsy fanahy tsara(malagasy), force mal sns....

Io ilay ataon'ny Malagasy hoe Lafiratsy sy Lafitsara, raha tianao hitarina dia hoe mpisikidy sy mpamosavy. Araka ny tenin'i Sitlo dia izao ao amin'ny baiboly izay vakinao sy inoanao fatratra io dia misy izao teny izao: "Fa izay te ahavonjy ny ainy no ho very fanahy... Izay te ho lehoibe aminareo no aoka ho mpanomponareo"... DIa hoy aho aminao hoe : "amin'ny sainao tsy miangatra mety ve, tsara ve ny mampijaly tena?" Dia mino aho fa hamaly ianao hoe : "Tena mety mihintsy satria izay no nolazain'ny baiboly?"... Dia ahoana izany ilay hoe: "I Satana dia hamiravira ny vatanao" ? Dia hiteny indray ianao iny hafa fa iny Satana ve?

Ny hatsaran'ny bonsai dia mitoetra eo amin'ny fampijaliana natao ilay hazo nandritry ny am-polo taonany Ying Yang

Strong3:

Mafinaritra ahy ny miresaka amin'ny olona tahaka izao!!! hihihi

Tahaka ny milaza hoe tsy fiainana ny fiainana raha tsy misy + sy - ; heih!!
__ IO SAINA IO DIA HITA AMIN'IREO toetsaina kapitalite, sy athée koa angaha ; tsy hitany ny aniliany ny ratsy eo amin'ny fiainany dia alainy mora sy ekeny , ary raisiny ho fahendrena HAMPIONONANY NY SAINY FA "ANISAN'NY MAHA FIAINANA NY FIAINANA NY fiainana amin'ny tsy fahombiazana sy ny fahoriana ary ny fijaliana"
____ nanomana tontolo lavitra ireo anefa Atra ho amin'izay manana imagination fa misy izany :p

ny tsara dia lazainy fa Atra ary ny ratsy ataony hoe devoly ...

Tsy haiko na isika no mandika vilana ny baiboly na ahoana... Fa ao amin'io baiboly io dia famonoana, famaizana ary fandringanana no ataon'Atra izay tsy manaraka ny teniny... Dia tsara ve izany aminao. Ny olona aza efa mandrara ny fikapohana ankizy any ampianarana.

I Satana tsy mba nibedy na nandrara velively ireo olona mifaly, na miliba, na manao izay mba hiadadan'ny fony.

Sa Atra be fialonana araka ny anarany ity Iaveh tompontsika ity? Ka tsy faly amin'ny hafalian'ny olona namboariny... Tsy mahagaga izany raha be fialonana daholo isika rehetra... Araka ny fiteny Malagasy hoe ory hava-manana.

hihihih enjana koa ity resaka ity eto

Ny endry no anarina.

namana endriny//
inoako fa manana tanana ianao, ary tianao ny mikarakara azy io.
cruel ve ianao raha manala ny hohonao?
cruel ve ianao raha manala ny sisiny ambony izay misy cellule morte?

ohatra kely iny hilazako aminao fa toa mpiaro ny tontolo iainana ireny io asa iray ataony io, diovina ny tanana mba tsy ho maimbo sy hikorotana.
_ tsy lasa saina ve ianao fa ireo didy amandalana resahin'ny any amin'ny Fitsarana sy Assemblé national dia saiky avy ao amin'ny FITANDROVANA NY FIARAHAMONINA TEO AMIN'NY ZANAK'ISIRAELY NOMEN'ATRA tsy hampikorotana azy ireo io mbola IAINANAO AMIN'IZAO IO?
___ fialonan'ny fanjakana anao bôgôsy sy be sôsy mahavita mampirafy folo ve izany, ny manenjika anao amin'ny huissier eo ampanaovana vadikely. na koa hoe Mamo amin'ny alina dia manakorotana sy mety hampitera-doza ny fiarahamonina ka hanidian'ny polisy anao araka ny lalàna.

Safidy io ry namana . Nomeny lalana ianao mba ahatonga anao hiadana sy ho sambatra ary migalabona, fa mila manaraka ny toromarika fotsiny. Manaiky fehezina, tantanana, misy mpitarika de manaiky tarihina (toa lalà-miaramila io, manaja ny ambony hatrany...)
HEVERINA FA MANIMBA NY FIARAHAMONINA ny olona iray raha tsy manaiky izany dia eny ety antany.
Koa izany no hanitsiana azy ireo sahady; manampahefana amin'izany izay nanao izao tontolo izao. Nahoana ianao no tsy mahavita manohitra izay ataony?
na hita aza ny fanefitra ny aretina rehetra , moa misy mahay ody fatY ?

Voaporofo fa misy Atra, fa ny olombelona no minia manilika ny fisiany saingy tsy mbola hitany ny lalana ny amin'izany.

25. rhaj0 ( 05/02/2015 11:37)
Efa hoe ho'a hoe, "misy A.tra' ao @ imagination-n'ny tsi11 ao. Izany dia "voaporofo"-n'ny tsi11 ao ihany.

Ka ahoana? ndao azany ampitoviana ny A.tra ao @ imagination-ntsika tsi11 eto e...

Ny ahy izao I A.tra ato @ imagination-ko ato, dia ...

raha ohatra izy ka ilay A.tra masiakabe an'i Gasy1zay na I RBNIR ohatra, dia Ingahibeantitra tsy niharatra, manao akanjo rebareba fotsy, mitondra tehina, ary "lava lela" toa io smiley io... izany no maha-masiaka be azy io.

26. Strong3 ( 05/02/2015 12:21)
kay ve mitady ho resa-jaza izany izy ity eh!

ny endrik'Atra ve sa ny maha Atra an'Atra no tédavina eto eh!

raha Atra dia mazava ny lazin'ny baiboly fa manenika izao rehetra izao Izy ka sary sy endrika inona moa no hamitovianareo Aminy

iza rakizy no efa nahita rivotra ?! :p

ny lanitra hono no seza fiandrianany, ary ny tany no fitoeran'ny tongony..
.. ao amin'ny imagination-ako ao de tsy hay faritana izany ILay Atra hivavahako fa lehibe Izy ary porofon'izany ny inivéra manotolo noharian'ny tanany fa tsy izao tany honenako izao ihany.

27. rhaj0 ( 05/02/2015 13:52)
Strong3:
kay ve mitady ho resa-jaza izany izy ity eh!

Ka hita fa resa-jaza ny Tatape Noely sy ny namany kouh...

Strong3:
ny endrik'Atra ve sa ny maha Atra an'Atra no tédavina eto eh!

Ka tena sur izany ianao fa tena TSISY representation-n'A.tra ao @ imagination-nao ao an... tena sur an... tsy mandainga dia manota na dia tsy afaka verifier-nay azany an... madio sahala @ virijiny ny imagination-nao raha ny @ A.tra an...

Aza mampome ho'a dia miala bala tahakan'io mody tezitra io... :-)

Hiezaka ihany azany aho hanakatra ny ao @ imagination-nao ao..
i A.tra izany dia sady TSY mibika toa ny olb, no tsy mibika toa ny biby, no tsy sahala @ zava-maniry izay hita eto an-tany, tsy sahala @ vato, fa tena mbola tsy hitan'izay voamason'olb mihintsy e... saika hilaza aho hoe, ny lokony izao dia mainty manjavozavo manalokaloka, nefa dia tena TSISY loko koa angamba izao A.tra ao @ imagination-n'i Strong3 ao izao.

Izay ve ?
28. gasy1zay ( 05/02/2015 14:57)

rhaj0:

gasy1zay:
Andriamanitra aloha dia saro-piaro tokoa ka tsy tiany raha hanompo Andriamanitra hafa isika..

Te-hilalao monopoly Izy izany, ary dia tena "famonoana, famaizana ary fandringanana no ataon'Atra izay tsy manaraka ny teniny".

hi hi hi .. hotr'izany koa ve i Gasy1zay rahefa milalao monopoly miaraka an-janany ao ? :-)

Za tsy masiaka izany rehefa milalao fa fair play ka! tsy mahazo carton jaune akory
29. rhaj0 ( 05/02/2015 15:02)
wow... raha @ fijerin'olb (na ny tsy-mpino) izany ianao ry Gasy1zay dia ... tsara fanahy noho ... ny A.trao... wow
30. gasy1zay ( 05/02/2015 15:22)

rhaj0:

wow... raha @ fijerin'olb (na ny tsy-mpino) izany ianao ry Gasy1zay dia ... tsara fanahy noho ... ny A.trao... wow

Ianao(nareo) no mahita azy masiaka fa izahay mahita hoe tena be fitiavana sy be famindram-po izy koa :)
31. endriny ( 05/02/2015 15:44)
hafahafa:

Misy zavatra azo inoana: ny tsis navadika oe misy ary atao tantara sy foronina(misy fahatamperany iany zany ary mijanona o tantara sisa) fa lay finoana a'Atra tsis fahatamperany zany ary tsy otakatry ny zanakol'ombelona ny fahaizany.

Fa ny finoana an'ity Atra ity ve tsy tantara noforonina e? Sa Atra mihintsy no nanoratra ny fisiany? Mino isika fa misy Atra, saingy izany ve midika fa misy Atra?.

Hatramin'ny taon-dasa isika no nitabataba hoe: "Mino aho fa ny olom-belona dia namboarin'Atra mitokana, ka tsy mitovy amin'ny rajako..." Saingy izao ny Papa aza efa miaiky fa misy fivoarana na ny Evolution. Dia andeha ho foanana izany ny Genesisy ao amin'ny baiboly rehefa kelikely... ?

hafahafa:

Isika nge ry namana efa limité ny zavatra haintsika e, zany oe otrany efa voafaritra zany oe eto ka atreto fa ny any lay mpamorona dia tsis zany.

Marina io... Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary... Dia izay no mahatonga antsika ho mpino an'izay lazaintsika hoe Atra, satria tsy haintsika hoe no namorona ny elekitraona. Saingy izao raha miaiky isika ao amin'ny foto-pisainatsika ao fa tsy maintsy nisy namorona daholo ity zavatra rehetra ity, DIa iza aza no namorona an'Atra e?... Ny sain'ny olona ihany no namorona an'io hoy aho...

hafahafa:

Efa ela no nanandrana nanao defie any lay mpamorina ny sience fa niala maina daholo ny taranaka amamparan'izy ireny. izany oe misy zavatra tsy takatry ny sainy olombelona raha tsy aminy alalany finoana tanteraka(izy no efa naha voisa volo eny aminy nefa ny siansa ary mahay mandrefy ny lalana dago tonga any chine ohatra) ary aminy farany d manaiky iany fa misy Atra.

O rey olona e, izao ilay atao hoe mampitovy taomobilina amin'ny rameva. NY FINOANA dia zavatra tsy voaporofo... Ny SIANSA dia fitadiavana ny fifandraisana misy eo amin'ny tranga roa na maromaro mifampiankina... Hoy ny Sihanaka, aza fady aminareo Sihanaka e.... "Fantatrao ve hoe misy ny ranomasina?" ... "Ie misy ny ranomasina"... "Mino ianao fa misy ny ranomasina a?"... "Ie misy ny ranomasina ka, ry zareo Betsimisaraka no nilaza izany taminay"... "Ohatran'iza ary izany ranomasina izany?"... "Gedageda noho ny Alaotra"... Nino izy satria nilazana, fa tsy nahita porofo..
32. rhaj0 ( 05/02/2015 16:34)
gasy1zay:
Ianao(nareo) no mahita azy masiaka fa izahay mahita hoe tena be fitiavana sy be famindram-po izy koa

Dia inona daholo ireo ao anaty baiboly miresaka "famonoana, famaizana ary fandringanana no ataon'Atra izay tsy manaraka ny teniny"...

incantation marina ny anao ka (f)atao... f'angaha raha averimberina hoe "be famindra-po" ohatra Izy io, dia lasa marina fa, namindrany fo tokoany ireo arojony any @ afobe ?
33. gasy1zay ( 05/02/2015 18:11)

Ny finoana dia tsy natao ho porofoina satria raha zavatra efa voaporofo dia tsy hinoana intsony fa ekena ho marina sisa satria efa voaporofo ( raha tsy hoe angaha porofo sandoka), fa ny vokatry ny finoana no hitanao ahafahanao mino na tsia! Hoy Jesoa hoe rehefa tsy mino ahy ianareo dia mba minoa ny asa ataoko.

Mino ve ianao ry endriny fa tia anao ny vadinao? aona no hanaporofoanao(ny) hoe mino ny fitiavany ianao na hoe tia anao izy? Ianao resy lahatra fa mahatoky ny fitiavany fa izahay ve mahalala izany? Dia izahay ve afaka hitsara anao hoe adala ianao mino ny fitiavany satria tsisy porofo izany nefa ianao mahalala sy miaina miaraka aminy isan'andro, izahay ...Tsia, fa izahay izany ilay sceptique mila porofo mivaingana vao manaiky :)

Tsy misy hafa an'izany io lazainao(reo) io, izaho mino an'Andriamanitra satria mifanerasera aminy isan'andro amin'ny vavaka, fantatro ny zavatra ataony amin'ny fiainako izay mety tsy fantatrao(reo), mety hoy ianao(reo) hoe anaty imaginationko(nay) izany, tsy maninona fa fantatro hoe tena iainako ilay valim-bavaka, nangataka taminy aho dia novaliany ary azoko ilay izy fa tsy zavatra nijanona tanaty saiko na tanaty vavaka notononiko, mety fifanjifin-javatra amin'ny tsy mino ny vavaka =valimbavaka, mety lazain'ny sasany ho lahatra, vintana, na noho izaho (heriko-fahaizako-tanjako sns), mety possible raha in-1 na in-2 fa raha mihoatra ny 10 ohatra dia aona? ary tsy voatanisa?
Dia eo koa ilay fiadanana tsapako(nay) araky ny voalazany hoe homeny antsika, dia avy aiza io izany raha tsy avy aminy, sa misy imagination mahay mampiadana olona?
Valiny : tena miasa eo @ fiainako(ntsika) Andriamanitra, tena mamaly vavaka izy, mety sarotra hoan'ny sasany ny hino satria tsy mba miaina izany izy, fa ny fanontaniana dia hoe mba naniry na maniry hiaina izany ve ianao sa tsia? Voalaza hoe izay mandondona no ho vohaina ary izay mangataka no omena.
34. gasy1zay ( 05/02/2015 20:21)

rhaj0:

gasy1zay:
Ianao(nareo) no mahita azy masiaka fa izahay mahita hoe tena be fitiavana sy be famindram-po izy koa

Dia inona daholo ireo ao anaty baiboly miresaka "famonoana, famaizana ary fandringanana no ataon'Atra izay tsy manaraka ny teniny"...

incantation marina ny anao ka (f)atao... f'angaha raha averimberina hoe "be famindra-po" ohatra Izy io, dia lasa marina fa, namindrany fo tokoany ireo arojony any @ afobe ?

Jereo ao amin'ny baiboly raha mba nisy olona nanaraka ny teniny novonoiny na nofaiziny na naringany fa izay manaraka ny teniny dia nahazo fahasoavana foana na i Abrahama, na Josefa, na Davida, na Solomona, na ireo mpianatr'i Jesosy, sns sns ...

Andriamanitra tsy te hamela anao ho any amin'ny helo, efa nomeny ny vahaolana (famonjena) 2000 taona lasa izay hahazoanao fiainana mandrakizay mba tsy hahavery anao any @ny afobe , fa anjaranao ny mandray na tsia, ny hino na tsia. Tsy famindrampony ve rhaj0 ny ahafahanao mamaky toriteny eto @ forum isan'andro mba hampino anao? Ianao tsy mila mamonjy fiangonana dia mahita toriteny @ endriny maro samihafa :)
35. rhaj0 ( 05/02/2015 20:27)
Fa avy eo mbola misy ary betsaka ihany no lasa any @ Helo ihany e...

ohatra hoe ny voaheloka ho faty rahefa amena "famindra-po" dia tsy vonoina. Ny anao izany "be famindra-po" fanefa mandefa any an-kady ihany e... okay.
36. rhaj0 ( 05/02/2015 20:30)
Raha tsy hoe indray hoe, ny teny hoe "famindra-po" dia tena tsisy hidirany @ fazahoan'ny samy olb azy, fa @ A.tra (na ny ao @ imagination-nao irery ao) dia hafa ny dikany...
37. rhaj0 ( 05/02/2015 20:35)
gasy1zay:
nangataka taminy aho dia novaliany

mba ameo ohatra iray azany hoe ho dinihina e...
(ohatra mampa-confortable anao fa tsy zavatra privE be ngo dia hoe...)
38. gasy1zay ( 05/02/2015 20:44)

rhaj0:

Fa avy eo mbola misy ary betsaka ihany no lasa any @ Helo ihany e...

ohatra hoe ny voaheloka ho faty rahefa amena "famindra-po" dia tsy vonoina. Ny anao izany "be famindra-po" fanefa mandefa any an-kady ihany e... okay.

Ny olona rehefa voavela heloka dia tsy misy makany @ helo na inona na inona heloka vitany rhaj0, izay ilay famindram-po, rehefa hozy ianao hoe miaiky ianao fa tsy mety ny nataonao ka mangataka fifonana aminy dia raisiny na inona na inona ratsy vitanao.

Ireo tsy manaiky sy tsy mety mino no lasa any an-kady araky ny voalazanao.

Raha kristianina ianao ka mino fa tsy mba handova ny lanitra ireo tsy mino sy mbola miaina anaty fahotana dia anjaranao no mandresy lahitra azy ireo mba hiova famindra izy ary mba tsy hakanesany any @ afobe!

Dia io hitanao namana eto @ forum mandresy lahatra anao(reo) io hoe mba mivavaha re e! misy Andriamanitra fa mba minoa azy e! Minoa an'i Jesoa kristy dia hanana fiainana mandrakizay ianao(reo)

Ny mampalaelo anie dia raha tsy mba ho ampahafantarinao ny zanakao ny baiboly satria heverinao ho imagination'olombe dia tsy mba hahita ny fahasoavan'Andriamanitra koa izy ireo nefa dia tsotra ery ny mivavaka (5 min araka ilay nolazaiko).
39. rhaj0 ( 05/02/2015 21:10)
Fa TSY mamela heloka ihany izany Izy @ andro farany, ary dia TSISY indra-fo (intsony) @ io fa tonga dia direct any @ Helo... Izany hoe tsy "erany" ilay indra-fo fa "tapany"... fa ny "tapany" amiko ve moa tsy ho "erany" aminao jamban'ny ao... okay.

Dia hoe minoa dia hanana fiainana mandrakizay... f'angaha moa izay "minoa" izay fotsiny indray ny conditions rey olona a ? politisiana mahery nareo zany kah... malamalama mampigorisa olona an...
40. 5laody ( 05/02/2015 21:55)

Horonantsary mety hahavaly ny fanontanianao: '' L'Odyssée de Pi''
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2796