Voaporofo ve fa misy Atra?

41. RBNIR ( 06/02/2015 08:58)
Faly miarahaba ry namana isany,

JESOSY no fanaporofoana ho an'izao tontolo izao fa tena misy Andriamanitra

Andriamanitra dia tsy hita maso, ary noho izany dia maro ny olona no tsy mino ny fisiany ka tsy mandraharaha izay sitrapony,

Hoy anefa Izy indray andro tamin'ny olona (niteny tamin'ny alalan'ny mpaminaniny Isaia Izy tamin'izay) " Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony." (Isaia 7:11)

Nasainy nangataka famantarana ny olona.

Saingy.....hoy ny olona tamin'izany, "Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah" (Isaia 7:12)

Tsy sahy nangataka ny olona satria natahotra ny haka fanahy an'Andriamanitra

Dia Andriamanitra no voatery nanome ny famantarana ho an-tsika :
" Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ?" (Isaia 7:13)
"Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra]" (Isaia 7:14)
Io no famantarana nampanantenain'Andriamanitra ny olona : Hanan'anaka ny virijiny ka hiteraka.

Dia tanteraka tokoa io fanomezana famantarana io taty aoriana namana :" Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: " (Matio 1:22)
" Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra." (Matio 1:23)

Io famantarana io dia tsy inona fa : "ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany." (Matio 1:21)
I Jesosy namana no famantarana nomen'Andriamanitra an-tsika.

Nirahina hanao famantarana lehibe sady marobe Jesosy hanamporofoana fa tena misy tokoa Andriamanitra (Jereo ny boky Matio, Marka, Lioka ary Jaona) ao amin'ny testameta vaovao ao amin'ny Baiboly Masina fa ao no nanoratana ireo asa lehibe rehetra nataony.

Ary lehibe dia lehibe tokoa izany asa sy famantarana izany ka izay no mahatonga ny tantaran'i Jesosy mbola voarakitra foana na dia efa 2000 taona lasa aza izany rehetra izany.
Ataoko angamba fa ny ankamaroan'ny olona dia mahafantatra izany daholo ankehitriny.

Ireto avy anefa no tena antony nanirahana an'i JEsosy tety ka nanaovany ireny famantarana lehibe ireny :
1- Hoy Izy ao amin'ny Mat.7:21 "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra."
Antony voalohany : Hitaona ny olona rehetra mba hanao ny Sitrapon'Andriamanitra mba hahazoan'ny olona hiditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

2- " Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny." (Matio 11:21)
Araka io teny io dia ny mba hibebahan'ny olona no tena antony faharoa nanaovana ireny famatarana lehibe ireny.

Ireo ihany no antony nanirahana an'i Jesosy Tompo tety an-tany namana,
Ampahafantarana ny olona fa dia MISY TOKOA Andriamanitra ka tokony HIBEBAKA sy HANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA avokoa ny olona rehetra.

Tsy misy antony hafa fa ireo ihany.

Fa maninoa tokoa moa? Satria hoy Jesosy Tompo :
"Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy;" (Matio 25:31)
"Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;" (Matio 25:34)
"Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;" (Matio 25:41)
"fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;" (Matio 25:42)

Araka ireo teny nataon'i Jesosy Tompo ireo dia ho avy ny fotoana mbola hiverenany indray ka hisy FANAVAHANA LEHIBE SADY MAHATAHOTRA AMIN'IZAY,

Ny zava-doza dia ny anjaran'ireo izay voahavaka ho eo an-kaviany. AFO MAHARITRA MANDRAKIZAY NO ANJARA HO AZY.
Afo maharitra mandrakizay izay tsy natao ho an'ny olona tamin'ny voalohany fa hoe ho an'ny devoly sy ny anjeliny ihany, saingy taty aoriana dia voatendry hanana anjara any koa ny olona rehefa tsy MIBEBAKA SY MANAO NY SITRAPON ANDRIAMANITRA.

Minoa izay nolazain'i JEsosy Tompo namana ka hinoy ny fisian'ny Afo maharitra mandrak'izay.

Tian-tsika Jesosy ,
Ankehitriny dia mitaona an-tsika rehetra aho HIBEBAKA SY HANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA.

Samy ho tahin'ny Tompo namana
42. RBNIR ( 06/02/2015 09:21)
ity no porofon'izany teniko izany ry namana isany.....
« Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy]. » (Jao.1:18)

MINOA AN'I JESOSY ry namana isany, ireny famantarana nataony ireny no mariky ny fitiavan'Andriamanitra an-tsika ,....

Mbola tsy tara raha izao ianao vao hanapakevitra...

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana
43. RBNIR ( 06/02/2015 09:58)
44. endriny ( 06/02/2015 12:19)

gasy1zay:

Ny finoana dia tsy natao ho porofoina satria raha zavatra efa voaporofo dia tsy hinoana intsony fa ekena ho marina sisa satria efa voaporofo ( raha tsy hoe angaha porofo sandoka), fa ny vokatry ny finoana no hitanao ahafahanao mino na tsia! Hoy Jesoa hoe rehefa tsy mino ahy ianareo dia mba minoa ny asa ataoko.

Ekeko fa tsy ampy satria ny finoana zavatra iray dia tsy natao ho porofoina, ary tsy midika akory fa misy ilay zavatra inoana na koa marina...

gasy1zay:

Mino ve ianao ry endriny fa tia anao ny vadinao? aona no hanaporofoanao(ny) hoe mino ny fitiavany ianao na hoe tia anao izy? Ianao resy lahatra fa mahatoky ny fitiavany fa izahay ve mahalala izany? Dia izahay ve afaka hitsara anao hoe adala ianao mino ny fitiavany satria tsisy porofo izany nefa ianao mahalala sy miaina miaraka aminy isan'andro, izahay ...Tsia, fa izahay izany ilay sceptique mila porofo mivaingana vao manaiky :)

Aoka aloha, ho anao izany tsy voaporofonao hoe tianao ve ny vadinao? Ny ahy dia voaporofoko fa tia ahy ny vadiko ary tiako izy ka nomeko anjakany ny vatako. Nilaozanay ny akany nahafoizanay ary nanorina akany tokana ho anay izahay... Tsy hotanisaiko lava be aminao fa...

Fa ny zavatra inoana dia tsy voatery hisy, na misy na marina
45. endriny ( 06/02/2015 13:09)

RBNIR:

ity no porofon'izany teniko izany ry namana isany.....
« Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy]. » (Jao.1:18)

Izany hoe efa tsy mandaitra intsony moa ny testamenta taloha, fa any izao misy miteny hoe I Mosesy niakatra teo Sinay nahita sy niresaka tamin''Atra... Dia nisy iraka lahy koa nifampitafa taminy teo ambany voaloboka saingy efa tsy tadidiko intsony ny anarany fa efa soara aho mantsy...
46. gasy1zay ( 06/02/2015 14:27)

endriny:

gasy1zay:

Ny finoana dia tsy natao ho porofoina satria raha zavatra efa voaporofo dia tsy hinoana intsony fa ekena ho marina sisa satria efa voaporofo ( raha tsy hoe angaha porofo sandoka), fa ny vokatry ny finoana no hitanao ahafahanao mino na tsia! Hoy Jesoa hoe rehefa tsy mino ahy ianareo dia mba minoa ny asa ataoko.

Ekeko fa tsy ampy satria ny finoana zavatra iray dia tsy natao ho porofoina, ary tsy midika akory fa misy ilay zavatra inoana na koa marina...

gasy1zay:

Mino ve ianao ry endriny fa tia anao ny vadinao? aona no hanaporofoanao(ny) hoe mino ny fitiavany ianao na hoe tia anao izy? Ianao resy lahatra fa mahatoky ny fitiavany fa izahay ve mahalala izany? Dia izahay ve afaka hitsara anao hoe adala ianao mino ny fitiavany satria tsisy porofo izany nefa ianao mahalala sy miaina miaraka aminy isan'andro, izahay ...Tsia, fa izahay izany ilay sceptique mila porofo mivaingana vao manaiky :)

Aoka aloha, ho anao izany tsy voaporofonao hoe tianao ve ny vadinao? Ny ahy dia voaporofoko fa tia ahy ny vadiko ary tiako izy ka nomeko anjakany ny vatako. Nilaozanay ny akany nahafoizanay ary nanorina akany tokana ho anay izahay... Tsy hotanisaiko lava be aminao fa...

Fa ny zavatra inoana dia tsy voatery hisy, na misy na marina

Azonao ny tiako ambara ry namana, ianao milaza tsara fa voaporofonao ny fitaiavanao azy satria ianao mahalala ny fifandraisanareo mivady ao fa izahay tsy mahita ny porofom-pitiavana nataonao taminy, aiza tokoa moa no ahalalanay hoe tena tianao izy fa fantatray fotsiny hoe milaza ianao hoe tianao izy, mety hiteny izahay hoe anaty imagination anao fotsiny izany fa fitiavana tsy azo tsapaitanana , tsy hita maso, ny toky fitaka sns sns...

Ny fifalianao sy fihetsemponao rehefa miaraka na mahita ny vadinao tsy ho afaka ho porofoina mintsy, dia toy izany koa ny finoana, fa ny fanehompitiavana ivelany no hita (ianao manome fanomezana, manao teny mamy, sns sns) dia toy izany koa Andriamanitra manome anao izay ilainao sy mahasoa anao.

Ianao anie no nametraka ilay fanontaniana hoe voaporofo ve fa misy Andriamanitra e! Dia anontaniako ianao hoe voaporofo ve fa misy ny fitiavana ohatra? Tsy tianao ve ny vadinao raha tsy afaka porofoina ny fitiavana ao anatinao?
47. endriny ( 06/02/2015 14:32)

gasy1zay:

[quote=endriny]

[quote=gasy1zay]
Ny finoana dia tsy natao ho porofoina satria raha zavatra efa voaporofo dia tsy hinoana intsony fa ekena ho marina sisa satria efa voaporofo ( raha tsy hoe angaha porofo sandoka), fa ny vokatry ny finoana no hitanao ahafahanao mino na tsia!

Azonao ny tiako ambara ry namana, ianao milaza tsara fa voaporofonao ny fitaiavanao azy satria ianao mahalala ny fifandraisanareo mivady ao fa izahay tsy mahita ny porofom-pitiavana nataonao taminy, aiza tokoa moa no ahalalanay hoe tena tianao izy fa fantatray fotsiny hoe milaza ianao hoe tianao izy, mety hiteny izahay hoe anaty imagination anao fotsiny izany fa fitiavana tsy azo tsapaitanana , tsy hita maso, ny toky fitaka sns sns...

Hono ho'a aza fady: "Ho anao ve izany tsy mino intsony ianao fa tia anao ny vadinao satria efa voaporofonao ilay izy?"

Sa hoe efa voaporofano fa tia anao ny vadinao dia any an-kafa indray ianao no mitady porofo? O zalahy e
48. gasy1zay ( 06/02/2015 14:56)

rhaj0:

gasy1zay:
nangataka taminy aho dia novaliany

mba ameo ohatra iray azany hoe ho dinihina e...
(ohatra mampa-confortable anao fa tsy zavatra privE be ngo dia hoe...)

Anisan'ny faheno matetika moa ilay hoe Andriamanitra manasitrana, izaho aloha misaotra ny Tompo fa tsy mbola nandalo aretina gravy ka hoe tena fahagagana ny nanasitranany ahy, fa kosa ny vavolombelona tantaraiko eto dia mikasika ny dadanay, narary nisy calcul reinal, tena nandoa @ seau mintsy, fa tena natahotra izahay t@ izany nahita azy sady nalahelo. Efa nahazo RDV tany @ hopitaly fa hoe tsy maintsy didina, akory anefa fa nony natao ny analyse talohan'ny fandidiana dia nanjavona ilay vato! Tsy nisy fandidiana fa dia sitrana ho azy teo. Dia raha izaho no anontanianao dia izany no fiasan'Andriamanitra amin'ny olony, ianao ve hilaza hoe diso diagnostic ny dokotera? Dia ahoana ilay narary be sy nandoa t@ seau? hatr@ izao, taona maro aty aoriana tsy nisy hoe niverina ilay izy ka tsy maintsy nodidiana na aona fa dia mahagaga e!

Mikasika ny asa aman-draharaha indray dia haka ohatra iray aho hilazako ilay hoe tena hafa mihintsy ilay mivavaka, nisy asa iray izay tena anisan'izay niriako fatratra, tsy izaho irery anefa fa betsaka ny naniry ho tafiditra t@ io boite iray io, izaho t@ izany tsy hoe be expérience be ohatran'ny ahoana an!Tsy hoe mahafantatr'olona natao piston!Fa mba nametraka candidature dia nivavaka mafy, rehefa nampanaovina test izahay (candidat maromaro) dia efa betsaka no nilaza hoe toa tena tsy ho tafavoaka ity ry zalahy fa efa misy candidat interne iretsy fa ato hono izay efa miasa ao anatiny no prioritaire rehefa misy recrutement, rehefa nentina ambavaka anefa ilay izy dia voaray soa aman-tsara ny tenako, izaho tsy hoe mahay be tahaka ny inona an! Tsy hoe tena matanjaka be ny CV-ko ! Tsy hoe manana expérience be @ ny secteur activité an'io boite io aho fa hoe tena naniry ny hiasa tao aho ary mba poste ambony ilay izy, dia nentiko ambavaka dia voaray soa aman-tsara aho. Amiko dia valimbavaka ilay izy satria fantatro hoe maro t@ ireo olona nanao entretien tamiko manana CV matanjaka lavitra noho ny ahy, nisy ireo candidature interne efa mahalala ny fandehany tao fa noho ny fitahian'Andriamanitra dia izaho no voaray. Tsoriko aminareo fa misy ireo mpiara miasa aminay mbola manontany tena hoe fa nahoana ary no olona tany ivelany no noraisina fa tsy ny efa tato anatiny. Tsy hoe izaho akory no inona fa ilay Andriamanitra anankinako ny fiainako no mahery, ny voninahitra dia ho azy irery ihany fa ny fiadanana hoan'ny olona ankasitrahany.

Santionany fotsiny ireo fa mbola maro ny zavatra nataony teo @ fiainako, tsy izaho irery fa teo @ fiainan'ireo kristianina nanakina ny fiainany taminy.

49. endriny ( 06/02/2015 16:09)

gasy1zay:

rhaj0:

gasy1zay:
nangataka taminy aho dia novaliany

mba ameo ohatra iray azany hoe ho dinihina e...
(ohatra mampa-confortable anao fa tsy zavatra privE be ngo dia hoe...)

Anisan'ny faheno matetika moa ilay hoe Andriamanitra manasitrana, izaho aloha misaotra ny Tompo fa tsy mbola nandalo aretina gravy ka hoe tena fahagagana ny nanasitranany ahy, fa kosa ny vavolombelona tantaraiko eto dia mikasika ny dadanay, narary nisy calcul reinal, tena nandoa @ seau mintsy, fa tena natahotra izahay t@ izany nahita azy sady nalahelo. Efa nahazo RDV tany @ hopitaly fa hoe tsy maintsy didina, akory anefa fa nony natao ny analyse talohan'ny fandidiana dia nanjavona ilay vato! Tsy nisy fandidiana fa dia sitrana ho azy teo. Dia raha izaho no anontanianao dia izany no fiasan'Andriamanitra amin'ny olony, ianao ve hilaza hoe diso diagnostic ny dokotera? Dia ahoana ilay narary be sy nandoa t@ seau? hatr@ izao, taona maro aty aoriana tsy nisy hoe niverina ilay izy ka tsy maintsy nodidiana na aona fa dia mahagaga e!

Soa ianao fa nino an'Atra.. Dia mirary soa ho an'ny Dadanareo aloha...

Ndry... raha mijery ity fanazavanao ity aho dia mahita fa rehefa nandoa matetika ny dadanreo dia nomenareo rano matetika.. sa diso io

Ka tsy gaga aho raha levona ilay sira nibahana ny voany na ny lalan'ny pipiany. Sira avy amin'ny sokay, faosifata, na asidra iorika miforona noho tsy fisotroana rano io. Ary ny rano dia efa afaka mandevina avy... Tsy mazia mazia na fofo masina izany, tsy Atra, tsy demonia...

50. rhaj0 ( 06/02/2015 17:26)
O ry Gasy1zay... raha hoe "valim-bavaka" no inoanao fa nahafahanao tafiditra @ io asa tianao io dia ... raha izay tokoany moa no fanazavana hitanao, dia izay izany.
- Fa hanontanio azany hoe ilay embaucheur ao hoe, tena nisy nibitsika tokoany ve izy sa ...
- Dia ahoana ilay ranamana iray "mpino" koa nefa tsy tafiditra...
- Dia ahoana raha competent noho ianao izy (indrindra moa raha viavy izy) nefa ianao no nosafidin'A.trao izany...
- Dia izay rehetra embauchE izany dia dian-tananan'A.tra daholo ?

Amiko anefa ny embauche dia tena mba takatry ny saiko kosany ny fandehany ao, ary TSY mahita, ary tsi ilavana, ny tanan'A.tra izay io ... mety hoe valopy marron akorniy azany no mandeh ao..

Fa misaotra fa dia izay kay izany ny (santionany) fiainan'ny Mpino...

Fa raha tsoriko dia, i Caillou koa afaka manazava tsara miohatra noho izany miaraka @ Georges-ny
51. endriny ( 06/02/2015 18:09)

rhaj0:

O ry Gasy1zay... raha hoe "valim-bavaka" no inoanao...

HO an-dry zareo mpino sy mpitarika finoana dia goavana dia goavana tokotrany ny valim-bavaka... fa mivavaka ho anao sy manoro ny marina ho anao izy ary manala ny devoly eo aminao..

Dia indreo ny valim-bavany mitsanga sy mijoalajoala: Trano vato, Kaonsesiao, 4x4, Hopitaly, Sekolim-pinoana...

Koa raha te hanana ireo isika dia andao hitarika finoana ary andao hivarotra baiboly...

Aminy anarany, sy ny miaraka aminy ary ny eo aminy...

Amen
Dia mirary weekend bonne be daholo ry akama isany a
52. gasy1zay ( 06/02/2015 18:28)

rhaj0:

O ry Gasy1zay... raha hoe "valim-bavaka" no inoanao fa nahafahanao tafiditra @ io asa tianao io dia ... raha izay tokoany moa no fanazavana hitanao, dia izay izany.
- Fa hanontanio azany hoe ilay embaucheur ao hoe, tena nisy nibitsika tokoany ve izy sa ...
- Dia ahoana ilay ranamana iray "mpino" koa nefa tsy tafiditra...
- Dia ahoana raha competent noho ianao izy (indrindra moa raha viavy izy) nefa ianao no nosafidin'A.trao izany...
- Dia izay rehetra embauchE izany dia dian-tananan'A.tra daholo ?

Amiko anefa ny embauche dia tena mba takatry ny saiko kosany ny fandehany ao, ary TSY mahita, ary tsi ilavana, ny tanan'A.tra izay io ... mety hoe valopy marron akorniy azany no mandeh ao..

Fa misaotra fa dia izay kay izany ny (santionany) fiainan'ny Mpino...

Fa raha tsoriko dia, i Caillou koa afaka manazava tsara miohatra noho izany miaraka @ Georges-ny

Ny valimbavaka dia individuel, mahatoa nomeny ahy dia mahasoa ahy, ianao mivavaka mety tsy mety aminao ilay asa fa mety amiko na mitovy ary ny asa tadiavintsika, ianao izao mety hoe tena mifanentana be aminao ny vadinao fa raha miaraka amiko izy mety tsy mifanaraka loatra ohatra satria mety tsy mitovy ny finoana na tsy haiko .
Io rehefa mivavaka ianao dia tsy ny herinao na ny fahaizanao no ahazoanao azy raha izany dia tsy ho resy lahatra ianao hoe valimbavaka ilay izy fa hoy ianao hoe :"tsss tena mahay kosa alou za e!", ny zanak'Israely ve andevo nitsoaka tany Egypta no naharesy ireo fahavalony dia tokony hihevitra hoe izahay tena matanjaka an! fa io no nampitombo ny fahatokisany an'Andriamanitra, tsy mpianady anie ireo fa andevo fahiny e! Nefa dia maharesy rehefa miady @ ireo fahavalo efa zatra ady. Dia ohatrizay, noho ny herin'Andriamanitra, avy eo hoy aho finoana io hoe mino ianao fa Andriamanitra no nanao izany t@ fiainanao sa tsia. Raha nivavaka momba izany ianao ka azonao ilay izy dia tokony hino ianao mazava ho azy. :)
53. gasy1zay ( 06/02/2015 18:59)

RBNIR:

Faly miarahaba ry namana isany,

JESOSY no fanaporofoana ho an'izao tontolo izao fa tena misy Andriamanitra

Andriamanitra dia tsy hita maso, ary noho izany dia maro ny olona no tsy mino ny fisiany ka tsy mandraharaha izay sitrapony,

Hoy anefa Izy indray andro tamin'ny olona (niteny tamin'ny alalan'ny mpaminaniny Isaia Izy tamin'izay) " Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony." (Isaia 7:11)

Nasainy nangataka famantarana ny olona.

Saingy.....hoy ny olona tamin'izany, "Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah" (Isaia 7:12)

Tsy sahy nangataka ny olona satria natahotra ny haka fanahy an'Andriamanitra

Dia Andriamanitra no voatery nanome ny famantarana ho an-tsika :
" Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ?" (Isaia 7:13)
"Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra]" (Isaia 7:14)
Io no famantarana nampanantenain'Andriamanitra ny olona : Hanan'anaka ny virijiny ka hiteraka.

Dia tanteraka tokoa io fanomezana famantarana io taty aoriana namana :" Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: " (Matio 1:22)
" Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra." (Matio 1:23)

Io famantarana io dia tsy inona fa : "ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany." (Matio 1:21)
I Jesosy namana no famantarana nomen'Andriamanitra an-tsika.

Nirahina hanao famantarana lehibe sady marobe Jesosy hanamporofoana fa tena misy tokoa Andriamanitra (Jereo ny boky Matio, Marka, Lioka ary Jaona) ao amin'ny testameta vaovao ao amin'ny Baiboly Masina fa ao no nanoratana ireo asa lehibe rehetra nataony.

Ary lehibe dia lehibe tokoa izany asa sy famantarana izany ka izay no mahatonga ny tantaran'i Jesosy mbola voarakitra foana na dia efa 2000 taona lasa aza izany rehetra izany.
Ataoko angamba fa ny ankamaroan'ny olona dia mahafantatra izany daholo ankehitriny.

Ireto avy anefa no tena antony nanirahana an'i JEsosy tety ka nanaovany ireny famantarana lehibe ireny :
1- Hoy Izy ao amin'ny Mat.7:21 "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra."
Antony voalohany : Hitaona ny olona rehetra mba hanao ny Sitrapon'Andriamanitra mba hahazoan'ny olona hiditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

2- " Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny." (Matio 11:21)
Araka io teny io dia ny mba hibebahan'ny olona no tena antony faharoa nanaovana ireny famatarana lehibe ireny.

Ireo ihany no antony nanirahana an'i Jesosy Tompo tety an-tany namana,
Ampahafantarana ny olona fa dia MISY TOKOA Andriamanitra ka tokony HIBEBAKA sy HANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA avokoa ny olona rehetra.

Tsy misy antony hafa fa ireo ihany.

Fa maninoa tokoa moa? Satria hoy Jesosy Tompo :
"Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy;" (Matio 25:31)
"Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;" (Matio 25:34)
"Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;" (Matio 25:41)
"fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;" (Matio 25:42)

Araka ireo teny nataon'i Jesosy Tompo ireo dia ho avy ny fotoana mbola hiverenany indray ka hisy FANAVAHANA LEHIBE SADY MAHATAHOTRA AMIN'IZAY,

Ny zava-doza dia ny anjaran'ireo izay voahavaka ho eo an-kaviany. AFO MAHARITRA MANDRAKIZAY NO ANJARA HO AZY.
Afo maharitra mandrakizay izay tsy natao ho an'ny olona tamin'ny voalohany fa hoe ho an'ny devoly sy ny anjeliny ihany, saingy taty aoriana dia voatendry hanana anjara any koa ny olona rehefa tsy MIBEBAKA SY MANAO NY SITRAPON ANDRIAMANITRA.

Minoa izay nolazain'i JEsosy Tompo namana ka hinoy ny fisian'ny Afo maharitra mandrak'izay.

Tian-tsika Jesosy ,
Ankehitriny dia mitaona an-tsika rehetra aho HIBEBAKA SY HANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA.

Samy ho tahin'ny Tompo namana

Tsy ohatrany misy zavatra adinonao ve ry RBNIR? Inona no tena nalehan'i Jesoa Kristy tety an-tany?
"Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay."
Inona no tena sitrapon'Andriamanitra?
"Fa izao no sitrapon’ ny Raiko, dia ny hahazoan’ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany"
54. rhaj0 ( 06/02/2015 19:46)
gasy1zay:
Raha nivavaka momba izany ianao ka azonao ilay izy dia tokony hino ianao mazava ho azy.

Ka dia ahoanao azany ity...

:-) nanao zava-mahagaga ho ahy Izy... ato @ imagination-ko ato..
Hozy i Butler izay hoe, tena nanana vision aho fa tena hanao lalao favy r@ SuperBowl, ary dia novalian'A.tro izany. Voninahitra ho Azy.

Ka dia "mino" izany i Butler (sahala @ Gasy1zay sy ny teoriany io).
Ary ahoana kosa i Russel eto ambany?

;-) tena (saika) hanao zavatra hafa taminao nefa ny A.tro... ato @ imagination-ko ato.. fa izaho no tsy nihaino Azy, fa nilaozako nihaino ny mpanazatra.
Hozy Russell, efa h@ demi-finale, dia tena sitrapoNY ny handreseko hoz'izy tato @ imagination-ko.. nolazaiNY aho hanome ny baolina an'i Lynch, ato @ imagination-ko, ary dia ho Voninahitra ho Azy (sy ho ahy). Fa hozy ny mpanazatra hoe, atsipazo any @ Lockette..

Hi hi hi ... dia mbola mino koa izany i Russel, na dia tsy nahazo azany, ary na dia tsy t@ voninahiny azany ny valin'ny baolina.

Fa tsy hita ve izao @ io fa i A.tra dia tena saika sady momba ny atsy no momba ny aroa ??? (ao @ imagination-n'izy roalahy tsi11 ao)

Fa na sady atsy no aroa azany i A.tra @ io hita taratra avy @ imagination-n'izy roalahy io, dia mazavabe k'lou izany @ finoan'i Gasy1zay, fa dia "la main de Dieu" koa no niasa t@ io Superbowl io...

Izaho izany nety niangaran'i A.tra koa fa izaho koa naka Patriots.. hi hi hi "nivaly ny vavako"... (coup de gueule no tiako lazaina @ vavako)
Ka asakasakareo naka Seahawks fa dia ... signe iny... signe avy @ A.tra fa ... hum hum...
55. RBNIR ( 08/02/2015 03:38)
gasy1zay:

RBNIR:

Faly miarahaba ry namana isany,

JESOSY no fanaporofoana ho an'izao tontolo izao fa tena misy Andriamanitra

Andriamanitra dia tsy hita maso, ary noho izany dia maro ny olona no tsy mino ny fisiany ka tsy mandraharaha izay sitrapony,

Hoy anefa Izy indray andro tamin'ny olona (niteny tamin'ny alalan'ny mpaminaniny Isaia Izy tamin'izay) " Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony." (Isaia 7:11)

Nasainy nangataka famantarana ny olona.

Saingy.....hoy ny olona tamin'izany, "Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah" (Isaia 7:12)

Tsy sahy nangataka ny olona satria natahotra ny haka fanahy an'Andriamanitra

Dia Andriamanitra no voatery nanome ny famantarana ho an-tsika :
" Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ?" (Isaia 7:13)
"Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra]" (Isaia 7:14)
Io no famantarana nampanantenain'Andriamanitra ny olona : Hanan'anaka ny virijiny ka hiteraka.

Dia tanteraka tokoa io fanomezana famantarana io taty aoriana namana :" Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: " (Matio 1:22)
" Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra." (Matio 1:23)

Io famantarana io dia tsy inona fa : "ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany." (Matio 1:21)
I Jesosy namana no famantarana nomen'Andriamanitra an-tsika.

Nirahina hanao famantarana lehibe sady marobe Jesosy hanamporofoana fa tena misy tokoa Andriamanitra (Jereo ny boky Matio, Marka, Lioka ary Jaona) ao amin'ny testameta vaovao ao amin'ny Baiboly Masina fa ao no nanoratana ireo asa lehibe rehetra nataony.

Ary lehibe dia lehibe tokoa izany asa sy famantarana izany ka izay no mahatonga ny tantaran'i Jesosy mbola voarakitra foana na dia efa 2000 taona lasa aza izany rehetra izany.
Ataoko angamba fa ny ankamaroan'ny olona dia mahafantatra izany daholo ankehitriny.

Ireto avy anefa no tena antony nanirahana an'i JEsosy tety ka nanaovany ireny famantarana lehibe ireny :
1- Hoy Izy ao amin'ny Mat.7:21 "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra."
Antony voalohany : Hitaona ny olona rehetra mba hanao ny Sitrapon'Andriamanitra mba hahazoan'ny olona hiditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

2- " Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny." (Matio 11:21)
Araka io teny io dia ny mba hibebahan'ny olona no tena antony faharoa nanaovana ireny famatarana lehibe ireny.

Ireo ihany no antony nanirahana an'i Jesosy Tompo tety an-tany namana,
Ampahafantarana ny olona fa dia MISY TOKOA Andriamanitra ka tokony HIBEBAKA sy HANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA avokoa ny olona rehetra.

Tsy misy antony hafa fa ireo ihany.

Fa maninoa tokoa moa? Satria hoy Jesosy Tompo :
"Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy;" (Matio 25:31)
"Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;" (Matio 25:34)
"Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;" (Matio 25:41)
"fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;" (Matio 25:42)

Araka ireo teny nataon'i Jesosy Tompo ireo dia ho avy ny fotoana mbola hiverenany indray ka hisy FANAVAHANA LEHIBE SADY MAHATAHOTRA AMIN'IZAY,

Ny zava-doza dia ny anjaran'ireo izay voahavaka ho eo an-kaviany. AFO MAHARITRA MANDRAKIZAY NO ANJARA HO AZY.
Afo maharitra mandrakizay izay tsy natao ho an'ny olona tamin'ny voalohany fa hoe ho an'ny devoly sy ny anjeliny ihany, saingy taty aoriana dia voatendry hanana anjara any koa ny olona rehefa tsy MIBEBAKA SY MANAO NY SITRAPON ANDRIAMANITRA.

Minoa izay nolazain'i JEsosy Tompo namana ka hinoy ny fisian'ny Afo maharitra mandrak'izay.

Tian-tsika Jesosy ,
Ankehitriny dia mitaona an-tsika rehetra aho HIBEBAKA SY HANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA.

Samy ho tahin'ny Tompo namana

Tsy ohatrany misy zavatra adinonao ve ry RBNIR? Inona no tena nalehan'i Jesoa Kristy tety an-tany?
"Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay."
Inona no tena sitrapon'Andriamanitra?
"Fa izao no sitrapon’ ny Raiko, dia ny hahazoan’ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany"

Faly misera namana,
Ilay hoe "mino Azy "hoy aho tsy araka ny eritreritry ny olona hatramin'izay fa ny devoly koa ange hoy aho mba nino Azy e! nefa ny devoly tsy ho avotra na dia nino Azy aza...
Mila mianatra isika e...Araho ilay fandaharana,

Samia ho tahin'ny Tompo namana....
56. endriny ( 09/02/2015 06:21)

gasy1zay:

Ianao anie no nametraka ilay fanontaniana hoe voaporofo ve fa misy Andriamanitra e! Dia anontaniako ianao hoe voaporofo ve fa misy ny fitiavana ohatra? Tsy tianao ve ny vadinao raha tsy afaka porofoina ny fitiavana ao anatinao?

Ianao izany toa hitady ampitovy fatapera mitsitsy amin'ny varatr'afo. Atra tsy hitako, fa ny vadiko hitako eo foana isaky ny miditra ny trano. Mitsiky izy, hitako fa hoe falifaly izy izay, mitomany izy tsapako hoe nalahelo izy izay, omeny oroka aho, hividianany gateau tsapaka fa tia ahy izy izay... indrindra moa fa omeny oroka sy safosafo aho... aoka fotsiny

Fa ho anao milaza hoe misy Atra manampy ny fiainanao ka miaro anao amin'ny aretina ary manasitra mihintsy moa izy teo eee... Ianao ve izany tsy voan'ny sery mihintsy? sa tsy tratran'ny kohaka mihintsy? Sa dia mitovy aminay ihany... Rehefa nandalo ve ny oram-be dia ny teo an-tokotaninareo irery no tsy lena, sa Rehefa nandalo ny rivodoza dia ny teo aminareo tsy nisy rivotra fa nambenan'Atra?

Aza fady fa somary betsaka koa angamba ilay nofohako teo k'le...
57. Strong3 ( 09/02/2015 12:45)

rhaj0:

Strong3:
kay ve mitady ho resa-jaza izany izy ity eh!

Ka hita fa resa-jaza ny Tatape Noely sy ny namany kouh...

Strong3:
ny endrik'Atra ve sa ny maha Atra an'Atra no tédavina eto eh!

Ka tena sur izany ianao fa tena TSISY representation-n'A.tra ao @ imagination-nao ao an... tena sur an... tsy mandainga dia manota na dia tsy afaka verifier-nay azany an... madio sahala @ virijiny ny imagination-nao raha ny @ A.tra an...

Aza mampome ho'a dia miala bala tahakan'io mody tezitra io... :-)

Hiezaka ihany azany aho hanakatra ny ao @ imagination-nao ao..
i A.tra izany dia sady TSY mibika toa ny olb, no tsy mibika toa ny biby, no tsy sahala @ zava-maniry izay hita eto an-tany, tsy sahala @ vato, fa tena mbola tsy hitan'izay voamason'olb mihintsy e... saika hilaza aho hoe, ny lokony izao dia mainty manjavozavo manalokaloka, nefa dia tena TSISY loko koa angamba izao A.tra ao @ imagination-n'i Strong3 ao izao.

Izay ve ?

hihihi ...!!!

raha ny baiboly no jerena dia hoy Izy: " ...Andeha isika hamorona olona tahaka antsika tahaka ny endrintsika..."

ka hono hoa ry namana rhaj0 : araka ny mba fahatakaranao, endrika nofo sa endrika fanahy io lazainy ao amin'ny Gen 1:26
« Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Genesisy 1:26)

Araka ny filazan'ny baiboly ihany anefa dia ruah na hoe rivotra sns... ny atao hoe :"fanahy" Atra anefa dia milaza tena fa FANAHY.

[Le mot esprit vient du latin « spiritus » (dérivé de spirare = souffler) qui signifie souffle, vent. Il a aussi notamment donné les mots inspirer (lat. inspirare) et expirer (lat. expirare). Esprit, ou spiritus, est aussi la traduction du grec pneuma et de l'hébreu ruach]

Amin'ny namana rhaj0; inona no mety ho endrik'izany rivotra izany amin'ny IMAGINATION-NAO???

__ amin'ny imagination-ko; atsofoka amin'ny tavohangy lavalava izy dia tonga endrika tavohangy, atsofoka amin'ny bika sy endrik'olombelona izy dia olombelona ny fahitana azy (ilay fanahy eto no resaka)

ka araka ny fandalinako ny baiboly dia sarotra refesina izay mety ho endriny fa " MANENIKA " no azo ambara ny amin'izay.
____ heverin'isé angamba ho tahaka ireo zaza saina aho ka hampanahaka Azy amin'ny rangahy be misy volombava fotsy be (hihihi mdr...)

raha JERENTSIKA NY BAIBOLY DIA MIOVAOVA NY FISEHONY, ...
ohatra:
_ ao anaty andry afo na rahona
_ miaraka amin'ny tadio na rivotra be na kotroka sy tselatra
_ ao anaty rohy memy
_ toa anjely
_ sns...
tranga manokana koa no nasehony tamin'i Mosesy nahita ny lamosiny.
tsy hiadian-kevitra iny fisehoana iny fa izay ilay voalaza teo ambony hoe: maka endrika araka izay tiany isehoana IZY

izay ilay didy faha2_ "AZA MANAO SARIN-JAVATRA VOASIKOTRA" « Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. » (Eksodosy 20:4)

°° « Koa ampitovinareo amin'iza moa Andriamanitra ? Ary endrik'inona no ampanahafinareo Azy ? » (Isaia 40:18)
« Koa ampitovinareo amin'iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina. » (Isaia 40:25)
« Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy? » (Isaia 40:27)
« Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany. » (Isaia 40:28)

Tsy afaka manao sary na sikotra na mamorona sary ao antsaina ao isika olombelona hoarina amin'ny endriny ry olombelona rhaj0 ah!...
FA I NAMANA rhaj0 mba te hampiady imagination ...hihihih
58. endriny ( 09/02/2015 15:03)

Strong3:

raha ny baiboly no jerena dia hoy Izy: " ...Andeha isika hamorona olona tahaka antsika tahaka ny endrintsika..."
.....

Tsy afaka manao sary na sikotra na mamorona sary ao antsaina ao isika olombelona hoarina amin'ny endriny ry olombelona rhaj0 ah!...
FA I NAMANA rhaj0 mba te hampiady imagination ...hihihih

Tsy Rhaj0 kanefa mahatakatra fa eto dia ianao ihany no manohitra ny tenanao, " ...Andeha isika hamorona olona tahaka antsika tahaka ny endrintsika..." hoy ilay Atra tamin'io a... "Tsy afaka manao sary na sikotra na mamorona sary ao antsaina ao isika olombelona hoarina amin'ny endriny ry olombelona rhaj0 ah!..." Hoy ianao. Koa raha mitovy endrika amintsika Atra dia inona no tsy azo anaovana sary azy atao mitovy endrika amintsika: Maso roa vava iray orona misy lavaka roa, sofina roa, volo, volom-bava (raha lehilahy izy).

Fa ity koe e: "Iza no nahita ny namoronan'Atra ny olona? Ary taiza tao amin'ny Genesisy Atra no nitantara tamin'ny olona hoe izao no nanamboarako anareo? Fa heritreritra nofy mangina ny antsika..."

Raha ilay hoe teny an-tendrombohitra, tao anaty rahona, rivotra mifofo... tsy endrik'Atra ange izany fa environnement nisy ilay evenement fotsiny e... aleo aho aloha mba hindrana ny tenin-dry zareo manampahaizana ka... ahahhahaha
59. Strong3 ( 10/02/2015 06:15)

___ Ngamba mazava ny fanazavako hoe: fanahy=esprit=ruah=rivotra
Atra dia fanahy hoy ny baiboly ; soratra io fa tsy imagination-ko
KA ENDRIKA INONA ILAY RIVOTRA???
_____ taorian'io ny Soratra vao nilaza fa dia namolavola votaka Izy ; hatao tranon'io fanahy mitovy Aminy io. inspiration-NY angamba hoy aho ny namoronana ny endrik'olombelona SATRIA NY FILAZANY AO AMIN'NY ISAIA 40 dia mazava fa tsy hitovy velively amin'ny endriky ny zavatra noforoninY IZY.

_____ Mbola famaizana hamaly sy hitsara ny valiteniko ny filazan'isé namana "endriny" hoe : nampitoviako amin'ny rohimemy na rahona Izy;
HOy izaho: niseho tao...// niditra tao ...
MIDIKA IZANY TENY NOLAZAIKO IZANY FA NAKA ENDRIK'IZAY ZAVATRA NISEHOANY IZY;
teo amin'ny rohimemy IZY dia izay IHANY NO HITA TEO
teo amin'ny rahoana IZY dia izay IHANY NO HITA TEO

TSY MIDIKA velively izany fa rahona Izy na tselatra na rohimemy... sns

mamakia tsara ôh , na mba manakatra kely ry namana hahahaha
60. Strong3 ( 10/02/2015 06:22)
« Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan'ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho. » (Eksodosy 3:4)

AMIN'NY NAMANA endriny ve izany , DIA METY HO ATONONA TAO AMIN'ILAY RIMEMY ATRA???

alohan'ny hamaliana izany dia mila fantatra ny zavatra lazaina mba tsy hiteniteny foana ...hahahaha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2269