Voaporofo ve fa misy Atra?

81. endriny ( 17/02/2015 05:28)

nirinaWH:

IE, efa nahita azy tao anaty finoana za ry namana kah, efa namonjy ahy taminy sarotra izy,
tsy kisendrasendra fa tena izy.(na enao ko aza mety efa nampahitany zavatra mahagaga fa izaho na enao na ny rehetra no maniasia)

Mahafinaritra izany. Fa hono ho'a hoy ianao "efa namonjy ahy taminy sarotra izy,
tsy kisendrasendra fa tena izy". Dia efa im-piry izany ianao no novonjeny tamin'ny sarotra?
Sambatra raha samy sambatra ianao nomeny fitiavana manokana... Saingy manana porofo ve ianao fa Atra mihintsy no namonjy anao?

nirinaWH:

Manoloana ireo fijoroana vavolombelona ho an'ireo nentiny Jesosy Kristy taminy helo sy ny lanitra ireo ve, d mieritreritra enao oe tena mampiresaka fotsiny ireny?

Izaho aloha mbola tsy tany ka tsy haiko hoe iza sy iza avy no nentiny any, ary iza sy iza no lasa any amin'ny Helo e? Sa ianao efa nahazo fahita momba an'io?

nirinaWH:

Inona no mety tombotsoany olona(tsy fiangonana) mitarika anao hampafatatra ny fisian'Atra?)
Anjaranao ny mamaly azy
Adala d tsy manatsaina daholo ve ny mirohatra miazakazaka aminy fitadiavana an'Atra aminy finoana azy? ka hiakohaka aminy hazo tsy fantatra?

Ny tombotsoany mitarika ahy ho any ve? Faly izy, mahatsiaro sambatra, ary maminany fa ahazo ny lanitra amin'ny fitoriana ny filazantsara amiko. Dia manantena izy fa hividy ilay boky aho aho ho mpilatsaka an-tsitra-po sy ho mpanompo mahatoky androtsaka rakitra sy vokatra isaky ny alahady.

Tsy adala akory ianareo mitady azy, kanefa toy ny olona manenjika aloka na tadio fotsiny ihany ny mitoky amin'ny zavatra nofinofisina fotsiny.
82. RBNIR ( 17/02/2015 05:47)

endriny:

I Jesosy no nanao ny asa ve dia Atra no osora-menaka?

Faly misera namana endriny,
Andriamanitra no osora-menaka satria
1- Jesosy no nanambara an'Andriamanitra « Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy]. » (Jao. 1:18)

2- tsy nitory ny momba ny tenany Jesosy fa nitory ny momba ny Ray sy Izay nandidian'Andriamanitra Azy ihany .... « satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. » (Jao.12:49)

JESOSY NO FAMANTARANA NY AMIN'NY FISIAN'ANDRIAMANITRA RY NAMANA ISANY.
MINOA AN'I JESOSY DIA HO VELONA IANAO SY NY ANKOHONANAO!!

Samia ho tahin'ny Tompo namana......
83. endriny ( 17/02/2015 06:08)

RBNIR:

Faly misera namana endriny,
Andriamanitra no osora-menaka satria
1- Jesosy no nanambara an'Andriamanitra « Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy]. » (Jao. 1:18)

Ilay ao amin'ny testamenta vaovao dia matoateny HO AVY ny hoe : "Izy ihany no HANAMBARA azy" Fa tsy hoe nanambara azy... Satria ahoana moa no nanambarany zavatra tsy hitany... Izy koa ange mba fetsy e...

RBNIR:

2- tsy nitory ny momba ny tenany Jesosy fa nitory ny momba ny Ray sy Izay nandidian'Andriamanitra Azy ihany .... « satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. » (Jao.12:49)

JESOSY NO FAMANTARANA NY AMIN'NY FISIAN'ANDRIAMANITRA RY NAMANA ISANY.
MINOA AN'I JESOSY DIA HO VELONA IANAO SY NY ANKOHONANAO!!

Samia ho tahin'ny Tompo namana......

Ka I Jesosy ve raha nampianatra ny olona, nampianatra ny olona tamin'ny boky taloha ange izy e.. Tsy namorona boky vaovao izy... ary tadidio ry namana ny vavaka nampianariny ... Tsy misy mihintsy ao na dia singan-tsoratra iray milaza hoe: "Mivavaha amiko Jesosy dia ho tonga any an-danitra sy ny fiainana mandrakizay ianareo"
84. endriny ( 17/02/2015 06:10)
Fa dia misaotra ihany aloha amin'ilay firarian-tsoa... fa tsy misy tsy maty tsy amin'ny androny hoy ny Ntaolo Malagasy
85. andry 1000 ( 23/04/2015 08:54)
amiko misy andriamanitra ary ny hoe impiry ianao no efa novonjeny dia isan'ora isa-tsegaondra mihintsy ary, moa tsy tsapanao tsy mino io ve ny firitsoky ny rivotra malefaka izay miantefa sy hamonjeny antsika isan-tsegaondra io mba hamelombelomana antsika, efa famonjena sy fahagagana lehibe ataony io, fantantsika ny fiantefany rivotra amintsika fa tsy hitantsika ny rivotra, dia ohatr'izay andriamanitra mpamorona ny zavatra rehetra amiko.Tsapako sy reko ny zavatra ataony fa tsy hitany masoko izy. Fa raha te ahita an'andriamanitra mpamorona izao tontolo izao ianao de hoy ny teniny soratra masina hoe :" ISAIA 47 : 10 Fa nitoky tamin'ny faharatsianao* ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.[Na: hafetsenao] "
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2862