IZA NO MBOLA MAHATANDRINA 100% ny LALAN'NY SABATA !?

41. RBNIR ( 20/12/2015 08:09)
Tealala:

fopla??????

Dia tena nahita ilay tsy misy kilema marina tokoa ange ianao izany e!!!......
42. tealala ( 20/12/2015 17:30)

RBNIR:

Tealala:

fopla??????

Dia tena nahita ilay tsy misy kilema marina tokoa ange ianao izany e!!!......

Ie, fopla satria manandratra olombelona ho Andriamanitra e
43. Strong3 ( 21/12/2015 05:34)
aza dia miolakolaka ange nareo eh; nanao raharaha Jesosy sy ny mpianany tamin'ny sabata sa tsia? .
44. RBNIR ( 21/12/2015 06:24)

Strong3:

aza dia miolakolaka ange nareo eh; nanao raharaha Jesosy sy ny mpianany tamin'ny sabata sa tsia? .

Raha te hahafantatra ny antsipirihiny hoy aho dia araho ilay fandaharana...
Ny Fanahy no hampahafantatra anao amin'izay fotoana izay fa eto ange forum hoy aho e (voafetra ihany no tena azo ambara eto),
45. Yahl ( 21/12/2015 10:58)

RBNIR:

Namana Strong3 hoy ianao hoe iza no mbola mahatandrina 100% ny lalan'ny sabata?

Isika tsy amin'ny fanekena taloha intsony:

Taloha ilay làlana na ilay didy dia ivelan'ny olona, ary iny lalàna iny no nifehy ny fiainan'ny olona....

Amin'ny fanekena vaovao dia "novonoina iny soratanana ivelany iny": « ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana, » (Kol.2:14)

Fa nosoloina kosa : « Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Heb.8:10)

Amin'ny fanekena vaovao ilay lalàna dia tsy atao soratra ivelany intsony fa soratra anatiny (soratra am-po)....

Ny fomba hanantanterahany izany dia izao :

« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Eze.36:26)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Eze.36:27)

Ilay lalàna dia tsy ampianarina na vakiana intsony fa efa Soratan'ny Fanahy Masina ao anaty...
Ary tsy misy atoro intsony fa samy efa mahalala ny tokony ataony ny rehetra « Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra; » (Heb.8:11)

Ny olona iray efa "tanteraka" ao amin'i Kristy dia tsy mila atoro intsony ny amin'ny fitandremana ny sabata (na ny lalàna)......

Fantaro ihany koa fa ny Fanahy Masina (ILAY TENA IZY) dia i Jesosy no mpanome azy ary tsy misy mandray an'io raha tsy efa vonona ny hanompo an'i Jesosy marina tokoa « Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; » (Matio 3:11)





Yahl
Itony l tena mpangala-tahaka fampianarana tsotra izao!
Taiza no misy mandrava ny didy folo sy ny lalàn' i Mosesy nefa mbola miantso Jesôsy ihany???

izao no vokatry ny fangala-tahaka, dia miteniteny foana!
Mahaiza manetri-tena kao, fa mpianatr'i EPISCOPO eh!
Le @ KTV ISAKY NY @ 5H30 maraina io tsy menatra io !
Tena efa ANTIKRISTY kouh! satria mampifangaro ny fampianaran'YAHOSHUAH @'ny anaran' i JESÔSY DEVOLY !!!

Jesosinareo mpampitandrina didy folo sady mapanota anareo!
Sady andrimamnitr ny Grika ny Jesosinareo, ilay devoly mipetraka ao Olympe, ilay sampy nentin'i Antikiosy IV Epiphane tao @ templin' i Jerosalema ka nametavetana ny tempoly !

F'aza mangalatra fampianarana fa tsy ho hainao izany io, fa tsy mitovy @' i Jesosinao izany mihintsy!!!
Yahoshuah izay tompon'ny fampianarana mandrava ny DXLM! Ary EPISCOPO no iraka nitondra izany fampianarana izany efa hatr@' ny taona 1995 !!!

Jesosinao tsy mitondra mankany an-danitra hatra@' izay, satria andriamanitra tsy izy!!!

Tsy hanaovan clientèlisme ny fampianaran' Yahoshuah mandrava didy folo sy ny lalàn' i Mosesy fa ho an' izay voafidy irery ihany!!!
Tena tsy mahalala menatra mihintsy sady manevateva ny Andrimanitra masina!
Mitandrema tsara ianareo ireo! fa efa betsaka no nahita faisana t@'ny fampiasana io fampianarana io, fa ny devoly namanareo ihany no hampoisika hanosika anareo hiditra hatrany @ fahadisoan-kevitra hanohitra an' Andrimanitra @' izao ataonareo izao!

Hay enaw RBNIR no tena mpianatra voasolokin' i H.N ?!
Enaw kay le mody milaza, fa misy mpanompon' andriamanitra voafidy mitoy ny fampianaran tsy misy kilema, ary parallèle amin' i H.N koa anankiroa any am-pita any!

Dia ilay lazainao fa hoe ao @ Apokalypsy, fa i H.N ilay anjely!!
Nanadihady anao aho hoe: iza ilay parallèle amin'i H.N any am-pita dia tsy novalianao intsony!

Hay ataonareo fitadiavam-bola any ivelany ny fampianaran maandrava didy folo sy ny lalàn' i Moizy raha izany no fihetsikao sy ny mpitondra anao!!!

TRATRA IANAREO (RBNIR) FA MPISOLOKY NY FAMPIANARAN' YAHOSHUAH ENTIN' I EPISCOPO!!!!

TENA FIHETSIKA DEVOLY IZAO HATAONAREO IZAO!!!!

TANDREMO ! TANDREMO ! TANDREMO !

TANDREMO REY OLONA FA: TSY MISY MANDRAVA DIDY FOLO SY NY LALAN' I MOSESY IRERY AFA-TSY NY FAMPIANARANA ENTIN' IEPISCOPO SAMUELSON EDWARD IRERY IHANY ETO AMBONIN' NY TANY, ARY YAHOSHUAH NO ANARAN' NY ZANAK' ANDRIAMANITRA MPAMONJY !!!!!!

AZA MANAIKY HO FITAHINA IANAREO REY OLONA!!!
FA MPISANDOKA SY MPAMITAKA ARY JIOLAHY MANANIKA NY FEFY (RBNIR/Pseudo) SY NY MPAMPIANATRA AZY!!! SATRIA MBA MILAZA FA MANDRAVA NY DIDY FOLO SY NY LALANA TALOHA KOA HONO RY ZAREO NA DIA MITORY JESOSY IHANY AZA!!! TENA FA MITAHANA IZANY, SATRIA JESOSY MAMPITANDRINA DIDY FOLO SY NY LALAN' I MOIZY! SADY MPANOTA HATRIZAY KA HATRAMIN' IZAO NY MIARAKA AMINY REHETRA!!!

DIA MBOLA MANKALAZA KRISMASY SY NOELY KOA AMBONIN' IZAY!!!
AZA MISOLOKY, FA TSY HO HAINAREO IZANY MIHINTSY IO FAMPIANARANA IO NA HANDEHA MBAMIN' NY LOHANAREO AZA. FA AZA FITAHINA SY SOLOKIANA NY OLONA !!!

Romana 16:17 Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin'izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin'ireny olona ireny.
18 Fa izy ireny tsy mba manompo an'i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon'ny tsy ary saina.


46. RBNIR ( 21/12/2015 16:25)
Faly misera namana Yahl,

Izaho tsy niteny mihitsy hoe rava ny didy folo satria Jesosy Kristy tsy nandrava didy velively...
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

Ny nolazaiko dia tokony hotandremana ny didy saingy tsy tahaka ny nitandremana azy tamin'ny fanekena taloha fa kosa araka ny fanekena vaovao....

Ilay "soratanana hita sy re tety ivelany" no novaina natao sorata am-po...Ilay didy teo aloha iny ihany fa tsy didy hafa akory....

P.S: efa resy lahatra ny amin'ny Sabata izany ianareo raha azoko tsara?

Izahay tsy manao krismasy satria tsy nasain'i JEsosy ataon'ny mpianany sady koa tsy didy avy amin'Andriamanitra fa noforonin'olombelona taty aoriana....
« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). » (Mat.15:9)
47. RBNIR ( 21/12/2015 16:39)
Yahl:

Jesosinao tsy mitondra mankany an-danitra hatra@' izay, satria andriamanitra tsy izy!!!

Ity kosa aloha dia tena marina, satria i Jesosy Kristy dia tsy nampanantena lanitra fa "tany vaovao sy jerosalema vaovao"....
Ny lanitra mantsy natao ho an'Andriamanitra fa ny olona kosa natao handova tany....

Vakio ny apok.21:(1,2) fa tsy nampanantena lanitra ho an'ny olona izy fa tany vaovao sy jerosalema vaovao ary hisy lanitra vaovao saingy ao amin'ilay tany no hofonenan'ny olona fa tsy any amin'ilay lanitra.....

O.K marina ny anao tamin'iny fa tsy nampanantena lanitra Jesosy...(ilay anareo izany nampanantena lanitra an'ingahy episkopo?????) mahagaga izany......
48. Yahl ( 22/12/2015 10:58)
Yahl

RBNIR:

[quote=Yahl]
Jesosinao tsy mitondra mankany an-danitra hatra@' izay, satria andriamanitra tsy izy!!!

Ity kosa aloha dia tena marina, satria i Jesosy Kristy dia tsy nampanantena lanitra fa "tany vaovao sy jerosalema vaovao"....
Ny lanitra mantsy natao ho an'Andriamanitra fa ny olona kosa natao handova tany....


Yahl
Tena tsy mahalala n' inon'inona tokoa ny mpangala-tahaka, satria MPANGALA-TAHAKA fa tsy voafidy. Tsy omena toko sy andininy alo fa mamitak' olona fosiny, manao ny kibony ho andriamaniny sady manary olona mankany @ helo miaraka aminy!

Nanamarina ny voalazanao ena, fa tsy mandova ny tany akory aza enaw sady ny lanitra koa tsy fantatrao!



RBNIR:


Vakio ny apok.21:(1,2) fa tsy nampanantena lanitra ho an'ny olona izy fa tany vaovao sy jerosalema vaovao ary hisy lanitra vaovao saingy ao amin'ilay tany no hofonenan'ny olona fa tsy any amin'ilay lanitra.....

Yahl

Jesosy mampanota ve de mbola handova ny tany ihany ny mpanaraka azy?!
Ny mpamitaka sy ny voafitaka ve mbola hanana anjara lova ihany eto an-tany @' izany?!
Aza de miteniteny foana ry mpamitaka ah!

[quote=RBNIR]
O.K marina ny anao tamin'iny fa tsy nampanantena lanitra Jesosy...(ilay anareo izany nampanantena lanitra an'ingahy episkopo?????) mahagaga izany......


Yahl
Raha tsy ho any ihany tsy aleo niaraka taminareo fara-faharatsiny, satria efa ratsy kouh!
Na haka tahaka toy inona aza, lé pasteranareo ao @ KOLOtv iny; Tsy hitovy @' i EPISCOPO izany mihintsy! Na ho lasa ny loha aza no mitsongoloka mandeha @ tany, dia tsy hisy izany!
IPasitera H.N afaro tsara @ fisolokiana olona @ fampianarana mamitaka sy tsy feno no manary olona koa no sady manosihosy sy mandoto fampianarana lasa misy kilema. Hita daholo ny kilemanareo rehetra @ fampianarana, Tonga mpiara-miasa @ devoly izao nareo rehetra ao @' io giangonanareo io! Zanaky ny devoly daholo satria manao fampianaran-devoly!!

Mahaiza manetri-tena, fa mpiantr' i EPISCOPO eh! Amin' izay koa de mba lasa any an- danitra any @-le tsy fantatrao! Fa rehefa tafiditra ahalala ihany ! Saingy raha vao miala de handraingiraingy an!
Mihaino no asaina hataonao, fa tsy mangala-tahaka ny fampianaran!
Dia rehefa resy lahatra, dia miditra manao batisa, dia voavonjy raha mipetraka tsara hatr@' ny farany!

Sao de mba efa Antikrist kosa alo fa tonga de veloma any @ helo mandrakizay miaraka @ i Da-Pasy H.N ao @ KOLO tv isaky ny @ 5h30 maraina ry mpamitaka ah!
Tsy ampy anareo angaha ireny efa any am-pigadrana ireny ny fiafaran' ny mpaniratsira io Andriamanitr' i EPISCOPO io!
Olombelona ihany izy, fa tsy mitovy aminao!!!
49. bor2lais ( 22/12/2015 11:33)
HS kely
ramose:

Ilay namako Jiosy izay ho'a nitantara hoe, raha vao mipaika ny azoma maty masondro izy teo, dia vita hatreo ny fampiasana fitaovana vy, koa na ny lakile idirana @ trano azany dia tsy ampiasaina, fa avela hivoha ny trano.

Misy koa tsy mety manindry ascenseur mihitsy fa miandry olon-kafa ho tonga vao miditra. :-)
Vita ny HS
:-)
50. rhaj0 ( 22/12/2015 12:23)
Tena marina io... dia nivazivazianay ho'a ilay ranamana Jiosy hoe, dia ahoana raha misy vy koa ny tati-nonon'i Lamadame ?? na koa ny fermeture-n'ny patalohan'i Lamose??

Fa raha tsy diso ny fitadidiko, dia tsy mahazo manao koa zareo rahefa "sabata".. ka dia tsy olana izany ny @ iny eeee


Fa izany hoe, izay izany ilay "sabata" orizinelle 100%... Ka O Iza Iza no mba manaraka an'ilay izy izao???


Fa dia mazavabe io fa samy manao izay tiatiany mampetimety ny baolina ho'a io... Dia nefa anie, dia sakay kely rano ery ry Kristiana isan'isany rahefa mba tsy manaraka ny ataony, izy irery ao, ny hafa eee...

Dia hita izany fa izy Kristiana rehtra ao dia Kristiana-mpanota!!... mpanota!!... tsy manaraka ny "sabata orizinelle"
51. bor2lais ( 22/12/2015 15:43)
strong3:

1/ __ nanova ny lalan'ny sabata ve Jesosy sa tsia
_ 2/ __ mitovy ny dikan'ireto teny ireto sa samy hafa: _ manova=namboarina=namavozina=nanintsy=nanatsara

tealala:

Ny fanontanina apetrako dia :
Inona ilay Sabata?
Ho an'iza ilay Sabata?
Inona avy ny lalàna mifehy io Sabata io?

Mat 12_8:

Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona

Ilay sabata resahina eto dia sabatan'ny jiosy : fitsaharana amin'ny andro fahafito (araka ny fanisan'andron'ny jiosy = sabotsy). Misy lalàna maro mifehy izany sabata izany (izay tsy maintsy arahina daholo) !
Fanazavana tamin'ny jiosy ny fomba fampiharana ny lalàna no nataon'i Jesoa (decret d'application angamba no azo iantsoana azy) Izany fampiharana izany dia mifototra hatrany amin'ny Fitiavana (jereo ohatra ny tantaran'ilay samaritana tsara fanahy) : fitiavana an'Andriamanitra sy fitiavana ny namana !
Noho izany amiko (olombelona ary saina te-hizara ;-)) dia
1/tsy nanova ny lalàn'ny sabatan'ny jiosy akory Jesoa fa mampiseho amin'izy ireo fa tsy arany 100% ilay izy : ny fiezahany manaraka lalàna iray dia (mety) anadinoiny ny lalàna hafa (variana amin'ny "forme" ry zareo ka tsy mahita na adino ny "fond" ;-))

2/mitovy ny dikan'ireo teny ambaran'ny Strong3 ireo !

Fomba fijery mba tiako zaraina ihany anefa ireo (ry RBNIR ) a ! Izay rahateo koa moa no nangatahan'ny namana Strong3 !

Ka rehefa tsy mety (aminao) dia avereno aty amiko ihany !
:-)
52. rhaj0 ( 22/12/2015 16:43)
Raha @ ankapobeny izany, dia raha ny fazahoako azy, dia

1- misy ny lalàna, na ilay nakapoka t@ vato, na ilay lovan-tsofina sy izay notantarain'ny vavolombelona (an'i Jesosy) tao anaty baiboly tao

2- fa rahefa TSY "araka 100%" ilay izy izay, hoz'i Bor2lais io ambonyio, dia tsy quoi, fa ... rehefa misy ilay "fitiavana" dia izay no zava-dehibe.


Io izao, dia atsy @ Romana 5:17 no tena hazo-damosiny... Io Romana 5:17 io (hono) no roritina toa ny elastika ary dia... mandeha ho azy ny sisa eee...

Romana 5:17 Fa raha ny fahadisoan’ ny olona anankiray no nanjakan’ ny fahafatesana noho ny nataon’ ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben’ ny fahasoavana sy ny fanomezan’ ny fahamarinana no hanjaka amin’ ny fiainana noho ny nataon’ ny Anankiray, dia Jesosy Kristy.

izany hoe ilay lalàna taloha (sy ny otan'i Adama) dia eo ihany, fa ilay lalàna vaovao, na hoe ny revin'i Jesosy (fitiavana) dia ... eo koa.

Ka ho an'ny Kristiana ("tena izy" hono) dia io "fitiavana" io no ambony kokoa (noho izay tany @ Adama sy izay Mosesy tany aloha tany).


Fa raha ny fahitako azy ho'a... dia "izay mampetimety ny baolina" dia asandratra ho "tena izy" fotsiny izany eee... inona tokoany moa ny olana.. izay tsy faly @ izany dia mibontsina. Ary dia io mibontsibotsina io daholo tokoany ry Yahl sy ry Tealala ary ry RBNIR sns.. rahefa tsy te-hibontsina dia mi-degonfle izany eee... hi hi hi... dia ao nareo "mpino mody miady" ... fa tsisy mahakitika anay ho'a izany eee... :-)
53. bor2lais ( 22/12/2015 16:54)
ramose:

... dia ao nareo "mpino mody miady" ... fa tsisy mahakitika anay ho'a izany eee...

Ka arakaraka izay inoany kosa ange io e ramose izao mino fa tsy misy Andriamanitra ohatra ! hihihi ! Dia hita tokoa fa isan'ireo (mody) miady eto koa ramose ? :-)
54. rhaj0 ( 22/12/2015 18:07)
HItanao hoe "miady" ve izaho ry Radoko? fa tsy manOga sy mivanitika fotsiny ve??.. Eny azany ee...

Fa ahitsikko indray izany ilay expression, fa nareo indray izany no toga @ hoe:
"Kristiana mody miady" eeee...
55. rhaj0 ( 22/12/2015 21:10)
Fa eny azany ho'a fa dia "miady" koa hono izany izaho eto e... misaotra an-dradoko ihany aloha manome tamberina :-)

Nieritreritra mafy aho, ary dia rahefa nandini-tena elabe dia elabe, à l'infini io... dia hoe...
- ka "miady" @ tsy-fahalalana (ignorance) sy ny finoanoam-poana (crédulité) aho,
- satria rahefa marefo (fragile) ny namana, na émotionellement io na ara-pahalalana, na fotsiny aza hoe filàna fototra (besoins fondamentales),
- dia robodroboka @ ity finoana/fivavahana ity,
- ary izany dia manimba ny fi(s)ainany... tsy ny azy ihany fa ny an'ny fiaraha-monina ankapobeny mihintsy.

Fa ny fomba "fiadiko" dia... hi hi hi... am-pivanitihana hatrany, na ve hoe...
"Vanitika dia Ampy"
56. Strong3 ( 23/12/2015 08:36)

bor2lais:

strong3:

1/ __ nanova ny lalan'ny sabata ve Jesosy sa tsia
_ 2/ __ mitovy ny dikan'ireto teny ireto sa samy hafa: _ manova=namboarina=namavozina=nanintsy=nanatsara

tealala:

Ny fanontanina apetrako dia :
Inona ilay Sabata?
Ho an'iza ilay Sabata?
Inona avy ny lalàna mifehy io Sabata io?

Mat 12_8:

Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona

Ilay sabata resahina eto dia sabatan'ny jiosy : fitsaharana amin'ny andro fahafito (araka ny fanisan'andron'ny jiosy = sabotsy). Misy lalàna maro mifehy izany sabata izany (izay tsy maintsy arahina daholo) !
Fanazavana tamin'ny jiosy ny fomba fampiharana ny lalàna no nataon'i Jesoa (decret d'application angamba no azo iantsoana azy) Izany fampiharana izany dia mifototra hatrany amin'ny Fitiavana (jereo ohatra ny tantaran'ilay samaritana tsara fanahy) : fitiavana an'Andriamanitra sy fitiavana ny namana !
Noho izany amiko (olombelona ary saina te-hizara ;-)) dia
1/tsy nanova ny lalàn'ny sabatan'ny jiosy akory Jesoa fa mampiseho amin'izy ireo fa tsy arany 100% ilay izy : ny fiezahany manaraka lalàna iray dia (mety) anadinoiny ny lalàna hafa (variana amin'ny "forme" ry zareo ka tsy mahita na adino ny "fond" ;-))

2/mitovy ny dikan'ireo teny ambaran'ny Strong3 ireo !

Fomba fijery mba tiako zaraina ihany anefa ireo (ry RBNIR ) a ! Izay rahateo koa moa no nangatahan'ny namana Strong3 !

Ka rehefa tsy mety (aminao) dia avereno aty amiko ihany !
:-)


2/ ____ mitovy dika ireo amin'ny olona malala-tsaina fa ny mason'ny mitapina lamboridy no milaza ireo ho tsy mitovy.

araka ny lalana velona dia hoe:
_ tsy azo ovana, na hatsiampanitsiana io didy sy lalana io
SATRIA : TSY MIOVA ATRA TSITOHA, ka ny LALANA ihany KOA DIA HO LALANA VELONA MANDRAKIZAY

koa nahoana no nanintsy , NAHAMA ny lalàn'ny SABATA NY TOMPO JESOA???

VALINY:
_ misy didy vaovao izay mahomby sy aradalana ao.
« Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo, » (Romana 8:3)

KOA AMBARA AMIN'NY FOMBA OFISIALY FA TSY KRISTIANA IREO MBOLA MITADY HO HAMARININA AMIN'NY LALANA SY NY SABATA.

TSY KRISTIANA izy ireo satria :
_ tsy ankininy amin'ny famonjena ny fahamanarinana azy fa amin'ny lalana
_ miezaka ny ho marina amin'ny fanohavany ny lalàna izy ireo
_ volana sy andro no heveriny ahatongany any andanitra


NB:
misy milaza fa hoe rehefa ambany fahasoavana ve izany hono dia afaka manota?
tsia !
satria i KRISTY JESOSY NO MITARIKA AZY AMIN'NY MARINA REHETRA ARAKA NY SITRAPON'NY TSITOHA;
ka raha manana natiora manota i Jesosy Kristy dia hitarika azy ami'ny ota. kanefa sanatria izany

ka noho izany ; azo antoka fa tsy zanakin'ny aizina izay miaraka amin'i JK fa zanakin'ny MAZAVA.

koa dia ao amin'ny KRISTY JESOA NO FITSAHARAN'IZAY TSY NAHEFA NY LALANA HANAMARINA AZY , satria ny fitarihin'io JK io no hanamarinan'Atra TSITOHA azy mandrakizay.
57. RBNIR ( 23/12/2015 09:13)
« Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo. » (Mat.24:20)
Araka io teny io dia tsy niheritreritra mihitsy i Jesosy fa tsy hisy intsony ny Sabata....


« Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; » (Mat.23:2)
« koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. » (Mat.23:3)

Inona moa no tena mahasarotiny ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna? moa tsy ny Sabata va?

Hoy Jesosy hoe izay rehetra lazainy (anisany ny Sabata) dia ataovy ka tandremo,

Ary taty aorina (rehefa maty Jesosy ka nitsangana ary lasa nandeha any ankavanan'ny Ray )
Dia nanamafy ny apostoly fa ......« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito araka ny dikan-teny Diem) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb.4:9)

Manamafy izany ny dikan-teny katolika amin'ny teny angilisy...
9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,

http://www.catholic.org/bible/book.php?id=65&bible_chapter=4

Fehiny : Tena mbola nampianatra ny Tompo fa tokony hotandremana ny Sabata na ny andro fahafito,

Ny antsipirihiny dia asaina ampitiavana isika hanaraka ny fandaharana, fa izao no azo ambara, tsy lalàna ety ivelany no tandremana fa ny lalàna dia soratan'ny Fanahy Masina ao anatin'ny olona ary amin'izany dia ny Fanahy Masina no mampahafantatra ny olona ny zavatra rehetra .... Io Fanahy Masina io no tao anatin'i Jesosy ka tsy nanota Izy, raha velona ao anatinao koa io Fanahy io dia tsy hanota ihany koa ianao rehefa hitarika anao hitandrina ny Sabatan'i Jehovah IZY......
58. bor2lais ( 23/12/2015 09:54)
Fanamafisana ny voalazan'ny namana Strong3 :
Mat_11_28:

Mankanesa aty Amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

Mat_12_8:

Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona

Gal_2_21:

Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana dia maty foana Kristy.

Gal_3_3:

Adala toy izany va hianareo? Rehefa nanomboka tamin'ny Fanahy hianareo, dia hahatanteraka amin'ny nofo va ankehitriny?

Gal_5_1:

Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.

Gal_5_4:

Dia tafasaraka amin'i Kristy hianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana hianareo

Ny tiana ahatongavana : endrika "marche-arrière" (efa tao amin'ny Fanahy no lasa niverina ao amin'ny nofo indray) ny fiverenana na ny fampifangaroana ny lalàna sy ny fahasoavana !
:-)
59. rhaj0 ( 23/12/2015 15:34)
Galatians: It is a letter from Paul the Apostle to a number of Early Christian communities in Galatia...
Matthew: Most scholars believe the Gospel of Matthew was composed between 80 and 90 CE, with a range of possibility between 70 to 110 CE (a pre-70 date remains a minority view).[2][3] The anonymous author was probably a male Jew...


Ireo izany no references-ndry Bor2lais eee... Wikipedier-o ireo dia ho hitanao.


Nataoko fa vavolombelon'i Jesoa anie ireo mpanoratra ity Baiboly TT ireo eee.. kay va re...


Koa raha ry Paoly sy ry Matio moa izany manao be famaritra toa rambon'osy tao t@ fotoan'androny, ka maninona kosany azany raha ny olona maoderina, toa an'i Joseph Smith, na koa ireo Papa, na koa i Herinirina sy ry Episcopo, raha mba manao be famaritra toa rambon'osy koa k'le... Dia ireo olona maoderina foana no iadianareo ry Bor2lais, nefa nareo koa kay mba gullible ao..

Fa dia hadalan'izay "mino" io, fa ny resakabe "n'engage que celui et celle qui y croit" eeee...
60. bor2lais ( 23/12/2015 17:07)
diso_ramose:

"n'engage que celui et celle qui y croit"

:-)
Miala tsiny fa mba nanaraka ny raisonnement 2 étages kely e ! Hihihi !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4033