IZA NO MBOLA MAHATANDRINA 100% ny LALAN'NY SABATA !?

21. tealala ( 18/12/2015 12:52)

RBNIR:

Ary tsy maharaka mihitsy anie nareo izany namana tealala e, tsy resaka fahagagana mihitsy no naharesy lahatra ahy fa fampianarana izay voamarina arka ny baiboly...

ie tena tsy arako mihitsy, fa misy fanontaniko tsy mba novalinao mihitsy oa e, tadidinao ve ilay daniel 7: 13? mba valio hoe olona firy no hita eo e, isa no angatahiko (1 na 2 3 4 ...) fa tsy soratra lava be miainta avy amin'ilay testamenta vaovao a
22. RBNIR ( 18/12/2015 13:05)

tealala:

Efa voavaly e, Andriamanitra Ray dia Jesosy Zanany hoy aho, misy hierarchie eo amin'Andriamnatira....« Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. » (Jao.14:28)

23. RBNIR ( 18/12/2015 13:10)
Mikasika ilay Dan.7:13 kosa dia mbola hovaliana ihany raha sitrapon'Andriamanitra, tahaka an'ilay nolazaiko hoe raha sitrapon'Andriamanitra dia holazaiko eto ny fomba hamotehan'Andriamanitra an'izao tontolo izao...fa hatreto aloha dia miandry ny Sitrapony isika namana....
24. RBNIR ( 18/12/2015 13:12)
25. tealala ( 18/12/2015 13:18)

RBNIR:

tealala:

RBNIR:

Ary tsy maharaka mihitsy anie nareo izany namana tealala e, tsy resaka fahagagana mihitsy no naharesy lahatra ahy fa fampianarana izay voamarina arka ny baiboly...

ie tena tsy arako mihitsy, fa misy fanontaniko tsy mba novalinao mihitsy oa e, tadidinao ve ilay daniel 7: 13? mba valio hoe olona firy no hita eo e, isa no angatahiko (1 na 2 3 4 ...) fa tsy soratra lava be miainta avy amin'ilay testamenta vaovao a

Efa voavaly e, Andriamanitra Ray dia Jesosy Zanany hoy aho, misy hierarchie eo amin'Andriamnatira....« Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. » (Jao.14:28)

lol dia iza no anaran ilay Ray? dia firy izany ire hitaireo?
26. tealala ( 18/12/2015 13:20)

RBNIR:

tealala:

Dia gaga angamba i Herinirina raha mahita ny anaovan'i RBNIR ny fampianarany ka

Raha manohitra ny fampianarany no lazaiko dia normal raha gaga izy fa saingy raha manaraka ny fandaharana ianao dia Jereo raha manohitra na tsia

ka ilay fampianarana mihitsy no feno kilema ko, asa angamba tsy ampy v ny ampahafolon karena omenareo azy?
27. RBNIR ( 18/12/2015 14:00)
tealala:

ka ilay fampianarana mihitsy no feno kilema ko, asa angamba tsy ampy v ny ampahafolon karena omenareo azy?

Ary ianao b resaka ity angeh mbola tsy hitako nizara mazava teto miihitsy e?? toa fanakianana tsy misy fototra fa dia manakiana fotsiny ihany??? aiza ary ilay tsy misy kilema hoe jerena??
28. rhaj0 ( 18/12/2015 14:33)
Ka i Tealala anie ho'a "tsy takany" akoriny ny teorian'izao tontolo izao (ohatra galaxie) ao @ Torah-ny ao eee...

Na ho'a ny marimarina kokoa, TSY takatry ny Torah ny teorian'izao tontolo izao (ohatra galaxie)..
29. tealala ( 18/12/2015 15:04)

RBNIR:

tealala:

ka ilay fampianarana mihitsy no feno kilema ko, asa angamba tsy ampy v ny ampahafolon karena omenareo azy?

Ary ianao b resaka ity angeh mbola tsy hitako nizara mazava teto miihitsy e?? toa fanakianana tsy misy fototra fa dia manakiana fotsiny ihany??? aiza ary ilay tsy misy kilema hoe jerena??

Iafio ao amin'ny misy kilema ao aloha e, rehefa itanao ny kileman'ny ao dia atoroko anao ilay izy.. io manko tsy hoe tsy atoro na afenina fa izay tena manana finiavana te ahita no mahita azy io ary mahalala azy.. tiko ho fantatrao fotsiny fa tao aminareo tao no nahatonga ahy ahita io iray io, betsaka loatra ny kilemanareo tao manko.
30. rhaj0 ( 18/12/2015 15:08)
hi hi hi... "tsy takatr'i Tealala" akoriny ho'a ny resaka, dia mody hoz'izy hoe, "rahefa xxx dia atoroko anao ilay izy"... mba honnete ry Tealala aaaa...

Ary tsy ho an'i RBNIR irery anie io fa mba zarao ho an'ny izay mandalo eto rehetra ee... sa nareo mi-Torah Torah TSY mba mizara?
31. tealala ( 18/12/2015 15:13)
RBNIR:

Ary ianao b resaka ity angeh mbola tsy hitako nizara mazava teto miihitsy e?? toa fanakianana tsy misy fototra fa dia manakiana fotsiny ihany??? aiza ary ilay tsy misy kilema hoe jerena??

Sady izaho anie manakina tsy voavalinao akory ny kina ataoko fa ny anao tonga dia ataonao baiboly lava be vaovao ilay famaly dia avy eo tsy mahavaly ninoninona akory e.. Ilay hoe izao tsy mizara tsy anjarako no mizara, ny anjarako eto an tany efa aiko.. Ary izaho ny fiainana eto no homaniko fa tsy tahaka ny anareo any an danitra any hoe atao batisa dia afaka ilay fahotana t@ fototra moa izy izay..
Ra tena kina izao ny holazaiko dia izao : Ao aminareo izao no hitako hoe miteny amin'ny teny tsy fantatra ny olona isak'asabotsy lava izao misy mitomany, ohatry ny mihetsika tromba izany.
32. tealala ( 18/12/2015 15:20)

rhaj0:

hi hi hi... "tsy takatr'i Tealala" akoriny ho'a ny resaka, dia mody hoz'izy hoe, "rahefa xxx dia atoroko anao ilay izy"... mba honnete ry Tealala aaaa...

Ary tsy ho an'i RBNIR irery anie io fa mba zarao ho an'ny izay mandalo eto rehetra ee... sa nareo mi-Torah Torah TSY mba mizara?

Tsy hoe tsy mizara fa izay te halala no mahalala.. nga izy ity zarazaraina fotsiny e.
33. lavasanga ( 18/12/2015 16:03)

Strong3:

« Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. » (Galatiana 4:10)

« Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jakoba 2:10) ...

fanotaniana
_ 1/ __ nanova ny lalan'ny sabata ve Jesosy sa tsia
_ 2/ __ mitovy ny dikan'ireto teny ireto sa samy hafa: _ manova=namboarina=namavozina=nanintsy=nanatsara

azavao ny hevitrao , araka ny fahatakaranao mazava ny baiboly fa tsy mila ny doctrine-nareo any
fa enao olombelona ary saina no ilaina mifampizara amin'ny namana eto

misaotra mialaoha amin'ny fahalalan-tsaina te ahalala ny marina araka ny baiboly fa tsy araka ny hoe : hoy dadapasy na presbiteranareo any!!!

34. Yahl ( 18/12/2015 20:11)

rhaj0:

Ka i Tealala anie ho'a "tsy takany" akoriny ny teorian'izao tontolo izao (ohatra galaxie) ao @ Torah-ny ao eee...

Na ho'a ny marimarina kokoa, TSY takatry ny Torah ny teorian'izao tontolo izao (ohatra galaxie)..

Yahl
Tsy misy fantatrareo izany ry be resaka ah! Aza matikambo ho mahalala izay tsy mitondra n'inoninona ho anao sy tsy nataonao eo eh!
Mba lazao ahy
35. lavasanga ( 19/12/2015 07:02)
OK! ZANY EH!
36. Yahl ( 19/12/2015 20:13)

Strong3:

« Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. » (Galatiana 4:10)

« Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jakoba 2:10) ...

Yahl
Tena fantatrao io ary hainao tsianjery saingy tsy hainareo ny mampihatra azy, satria mpandika lalàna ianareo mpitandrina didy folo sy lalàn' i Môizy @ ity SABATA ventesinao ity

Strong3:

fanotaniana
_ 1/ __ nanova ny lalan'ny sabata ve Jesosy sa tsia
_ 2/ __ mitovy ny dikan'ireto teny ireto sa samy hafa: _ manova=namboarina=namavozina=nanintsy=nanatsara

azavao ny hevitrao , araka ny fahatakaranao mazava ny baiboly fa tsy mila ny doctrine-nareo any

Yahl
1° Tsy anaran'ny zanak 'Andriamanitra alo ilay Jesôsy, fa na ny baiboly aza efa tafiditry ny devoly,ka lasa anaran-devoly no misoloky sy misoloky ny asa vitan' Andriamanitra sy ny famonjena nataon' ny Zanany.

Ka misoloky sy mamitaka ny mpivavaka ao aminy ny mpitondra fivavahana rehetra miantso Jesosy, Jesus, Jésus, Ieshoua, ry Yéshoshuah, sy ny andriamanitra tsy izy rehetra mpanao fahagagana mandainga rehetra sy ny mampitandrina didy folo sy lalàn'i Môizy maneran-tany na Jiosy izy na Jiosy Gasy na Arabo na Anglisy na Frantsay na Jiosy Allemand n'inon'inona eto ambonin' ny tany na Amerikana, ka vita batisa sy mivavaka @' io anarana io, dia mpandika lalàna daholo! Dia mihevera tena dieny izao, fa mitsipy mankany @ helo rehefa maty!

Satria izao ny lalàna araka ny soratra masina:

1)- II Jaona: 9 Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin'ny fampianaran'i Kristy, dia tsy manana an Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin'ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka.

Tsy misy andriamanitra izany ao aminareo satria tsy mitoetra @ fampianarana fa mpandika lalàna. Ary tsy manana ny Ray sy ny Zanaka !

2)- Mpanota foana ianareo satria ilay Jesôsy mihintsy no mampanota anareo @ fandikan-dalàna asainy arahinareo, dia ny fitandremana ny SABATA sy ny didy folo(Mba milaza ihany etsy ambony hoe: DISO @' IRAY LOHA MELOKA @' IZY REHETRA/ Tsianjerim-boloky fotsiny fa tsy hay sady tsy azo mihitsy aza ny fampiasana azy) ary ny ampahampahany @ lalàn' i Môizy.
Tena tsy hainareo milaza mpitandrina didy folo izany ny momba ny fitandremana io, fa tsaratsara aminareo ny miova manao Jiosy Gasy koa, @'izay mba milahatra @ Hebreo eh!
dia omeny fahazahoan-dalana mitandrina ny lalàna rehetra @'izay eh!
sady lasa zanaky ny helo in-droa noho ry Kohen sy ny Raby !

Matio 23:15 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza.

Dia tsy Kristiana izany nareo fa PROSELYTA ry zanaky ny helo 2X !
Ka ny mpanota dia tsy mihaino aty Andriamanitra.
Araka ny soratra Masina hatrany izay lazaina eto:

Isaïa 59:1Indro, ny tànan'i YHWH tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare;
2 Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.

Ity koa mbola kadô kely!

I Kor.6:9 Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo

Romana 7:9 Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.

Mamelona ota izany ianareo mpitandrina SABATA, VOLANA sy ANDRO ary FOTOANA sy ny didy folo ny ampahampahan'ny lalàn' i Môizy !

10 Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.

Dia efa an-dRafahafatesana izany ianareo kouh!

11 Fa io didy io dia nentin'ny ota namitaka sy nahafaty ahy.

Dia mbola velona ao aminareo koa izany ny ota sy ny fahafatesana @'izao an !
Iza izany ota sy mpanota izany?

I Jaona 3:8 Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany.

Izay ary ny anareo, fa zanaky ny devoly ianareo satria MPANOTA !
Ary marina ny Tenin'ny Zanak' Andriamanitra Mpamonjy araka ny soratra Masina hoe:

Jaona 8:43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.
44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao.

Satria ilay Jesôsy arahinareo dia devoly (taranaka Nefilima ianareo sy ny Jiosy)

b)Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin*'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga.

Efa fantatry ny Jiosy izao fa manana lalàna izy manao hoe: AZA MAMONO OLONA, fa novonoiny ihany ilay zanak' Andriamanitra, na dia efa nampatsiahivin' ilay Zanak' Andriamanitra azy ireo aza izany. Fa samy nihogahoga izy rehetra nanao hoe: HOMBOY.10²!
Fa na i Pilato Jentilisa tsy mpitandrina didy folo aza mba nilaza fa tsy mahita heloka @'io lehilahy io!
Nefa tsy lavitra loatra no misy ilay izy(lalàna) fa ao @ Eks.20:13 anie!!!

Dia mpamono olona toy izany ve no mbola arahinareo sy mampitandrina anareo ny DIDY FOLO SY NY LALAN' I MOIZY EFA NOHITSAKITSAHINY???
Mba mieritrereta ihany!!!

Mbola araky ny soratra masina ihany:
Jaona 5:45 Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo.

Ary tena marina izany!
Fa raha nahalala an' Andrimanitra ianareo mpitandrina didy folo sy lalàn'i Mosesy, dia tsy namono ny Zanak' Andriamanitra akory. Misika izany fa tsy misy andriamanitra izany ao aminareo, fa devoly no tompoinareo.
Dia io ianareo manaonao foana io! Manompo Jesôsy devoly!!!

IJaona 3:6 Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy.

Tsy mahagaga izany fa ny zanaky ny devoly, sady tsy nahita no tsy nahalala ilay Andriamanitra sy ny Zanany!
Tena mampalahelo ianareo!!!
Izao indray izany dia HANKALAZA NOFON-DEVOLY fa KRISMASY sy NOELY ôôh!?!

Dia izao indray ny lalàna! araka ny SM foana!
II Kor.5:Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an'i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy.

Satria ianareo tena tsy mahalala izany Andriamanitra marina izany tokoa! Satria tsy manana ny Fanahy Masina ianareo miaraka @ ' Jesôsy Zezo Jésus Jesus rehetra!

Matio 13:11 Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela**.
12 Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.
13 Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala.
14 Dia tanteraka aminy ny faminanian'Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;

Izany no tsy halalanareo an' Andriamanitra, ka mahatonga anareo mankalaza NOFO OTA!!! Anniversaire-n' ilay noahozona !!!

17 Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.

[quote=Strong3]
fa enao olombelona ary saina no ilaina mifampizara amin'ny namana eto

Yahl
Tsy manana hery ny nofo aman-drà toa anao diso andriamanitra rehetra ireo handinika ny baiboly miaraka @' i Jesôsy sy ny théologiens eto ambonin'ny tany, sady tsy nampahalalana anareo ny fanjakan' ny lanitra araka ny voalaza etsy ambony.

[quote=Strong3]
misaotra mialaoha amin'ny fahalalan-tsaina te ahalala ny marina araka ny baiboly fa tsy araka ny hoe : hoy dadapasy na presbiteranareo any!!!

Yahl
Eo indrindra mihintsy isika izao!!!
Fa tsy misy afa-miala @' i EPISCOPO Samuelson Edward ny olombelona eto ambonin' ny tany!!!
Ary tsy maintsy mandalo eo ambany masony sa ny orony no tianareo?!!, raha te ho any an-danitra.
Izay lé tena tsy zakanareo eh!?!

Raha hoany Amerique enaw, tsy maintsy mandalo ao @ Ambassade ao @ consulat maka visa vao mety ahazo mankany amin-dry zareo!
Toy izany koa Son Excéllence Ambassadeur des cieux Samuëlson Edward nofidian' Yahoshuah zokiny tao an-danitra , ao aminy no hakanao ny visa sy ny billet hidirana mankany an-danitra ao @ Yahoshuah sy ny Ray nahary ny tany sy ny lanitra ary nahary tongotra aman-tanana ny olombelona izay nihodina sy nanota taminy, ary nomeny famindra-po tao @' Yahoshuah zanany izay novonoin' ny Jiosy, ka maty hatr@'ny fampianarany satria novonoina koa ireo Apôstôly rehetra.
Episcopo no namerina ny fampianaran' Yahoshuah sy ny Anarany.
Mino enao tsara, tsy mino enao any @ helo, sady tsy mampiova ny marina koa izany.

Izany no fahalalahan-tsaina, itoeran' ny fanetre-tena sy ny toetra masina rehetra!!!

37. RBNIR ( 20/12/2015 05:05)
tealala:

Iafio ao amin'ny misy kilema ao aloha e, rehefa itanao ny kileman'ny ao dia atoroko anao ilay izy.. io manko tsy hoe tsy atoro na afenina fa izay tena manana finiavana te ahita no mahita azy io ary mahalala azy.. tiko ho fantatrao fotsiny fa tao aminareo tao no nahatonga ahy ahita io iray io, betsaka loatra ny kilemanareo tao manko.

Raha izany dia mazava, fa nihemotra ianao fa tsy nahazaka ilay làlana ety ry namana...
Efa fantatrao moa ny anjaran'izay mihemotra ka dia anao sy ny any ambony sisa izany....
38. RBNIR ( 20/12/2015 05:32)
Namana Strong3 hoy ianao hoe iza no mbola mahatandrina 100% ny lalan'ny sabata?

Isika tsy amin'ny fanekena taloha intsony:

Taloha ilay làlana na ilay didy dia ivelan'ny olona, ary iny lalàna iny no nifehy ny fiainan'ny olona....

Amin'ny fanekena vaovao dia "novonoina iny soratanana ivelany iny": « ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana, » (Kol.2:14)

Fa nosoloina kosa : « Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Heb.8:10)

Amin'ny fanekena vaovao ilay lalàna dia tsy atao soratra ivelany intsony fa soratra anatiny (soratra am-po)....

Ny fomba hanantanterahany izany dia izao :

« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Eze.36:26)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Eze.36:27)

Ilay lalàna dia tsy ampianarina na vakiana intsony fa efa Soratan'ny Fanahy Masina ao anaty...
Ary tsy misy atoro intsony fa samy efa mahalala ny tokony ataony ny rehetra « Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra; » (Heb.8:11)

Ny olona iray efa "tanteraka" ao amin'i Kristy dia tsy mila atoro intsony ny amin'ny fitandremana ny sabata (na ny lalàna)......

Fantaro ihany koa fa ny Fanahy Masina (ILAY TENA IZY) dia i Jesosy no mpanome azy ary tsy misy mandray an'io raha tsy efa vonona ny hanompo an'i Jesosy marina tokoa « Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; » (Matio 3:11)
39. RBNIR ( 20/12/2015 06:22)
tealala:

Sady izaho anie manakina tsy voavalinao akory ny kina ataoko fa ny anao tonga dia ataonao baiboly lava be vaovao ilay famaly dia avy eo tsy mahavaly ninoninona akory e.. Ilay hoe izao tsy mizara tsy anjarako no mizara, ny anjarako eto an tany efa aiko.. Ary izaho ny fiainana eto no homaniko fa tsy tahaka ny anareo any an danitra any hoe atao batisa dia afaka ilay fahotana t@ fototra moa izy izay..
Ra tena kina izao ny holazaiko dia izao : Ao aminareo izao no hitako hoe miteny amin'ny teny tsy fantatra ny olona isak'asabotsy lava izao misy mitomany, ohatry ny mihetsika tromba izany.

Efa mazava hoy aho namana tealala, nihemotra ianao satria tsy nahazaka ilay fampianarana tsy misy kilema dia mitady hanamarina ny tenanao amin'ireo "kiana" tanisainao ary dia mampalahelo koa fa dia efa lasa "mpanaratsy" koa ankehitriny....
Anjaranao sy ny Tompo izay fa dia aleo tsy asiana adi-hevitra be e....
40. Tealala ( 20/12/2015 07:06)

RBNIR:

tealala:

Iafio ao amin'ny misy kilema ao aloha e, rehefa itanao ny kileman'ny ao dia atoroko anao ilay izy.. io manko tsy hoe tsy atoro na afenina fa izay tena manana finiavana te ahita no mahita azy io ary mahalala azy.. tiko ho fantatrao fotsiny fa tao aminareo tao no nahatonga ahy ahita io iray io, betsaka loatra ny kilemanareo tao manko.

Raha izany dia mazava, fa nihemotra ianao fa tsy nahazaka ilay làlana ety ry namana...
Efa fantatrao moa ny anjaran'izay mihemotra ka dia anao sy ny any ambony sisa izany....

Lol, ny ao aminareo aza no tena fopla ko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1713