IZA NO MBOLA MAHATANDRINA 100% ny LALAN'NY SABATA !?

1. Strong3 ( 17/12/2015 12:28)
« Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. » (Galatiana 4:10)

« Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jakoba 2:10) ...

fanotaniana
_ 1/ __ nanova ny lalan'ny sabata ve Jesosy sa tsia
_ 2/ __ mitovy ny dikan'ireto teny ireto sa samy hafa: _ manova=namboarina=namavozina=nanintsy=nanatsara

azavao ny hevitrao , araka ny fahatakaranao mazava ny baiboly fa tsy mila ny doctrine-nareo any
fa enao olombelona ary saina no ilaina mifampizara amin'ny namana eto

misaotra mialaoha amin'ny fahalalan-tsaina te ahalala ny marina araka ny baiboly fa tsy araka ny hoe : hoy dadapasy na presbiteranareo any!!!

2. tealala ( 17/12/2015 14:43)
Ny fanontanina apetrako dia :
Inona ilay Sabata?
Ho an'iza ilay Sabata?
Inona avy ny lalàna mifehy io Sabata io?
3. endriny ( 17/12/2015 15:16)

Strong3:

azavao ny hevitrao , araka ny fahatakaranao mazava ny baiboly fa tsy mila ny doctrine-nareo any
fa enao olombelona ary saina no ilaina mifampizara amin'ny namana eto

Hihihihi fa angaha lasa misy demokrasy koa ry tony ny finoana e?

Ny an'i Sareraka ho'a "Izay lazain'i PM"
4. RBNIR ( 17/12/2015 22:13)
Strong3:

1/ __ nanova ny lalan'ny sabata ve Jesosy sa tsia

Ilay voalohany ihany no hovaliako namana, satria ilay faharoa dia tsy hitako loatra izay hifandraisany amin'ny tenin'Andriamanitra (satria samy tsy misy voasoratra ao anaty baiboly ireo teny lazainao ireo raha ny momba ny sabata no resahina)...
Raha ilay voalohany dia izao no voasoratra.....
« Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy. » (Jao.5:18)

Hoy ny teny hoe "namahan'y ny Sabata, izany hoe ny nataon'i JEsosy dia ny namaha ny Sabata...

Raha araka izay dia nisy naneritery tao ka novahany ny fatorana....

Taloha dia tsy azo atao eny na dia ny manao soa aza amin'ny andro Sabata....Raha fintinina ny nataon'i JEsosy dia nofeheziny amin'ity teny iray ity....« Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata. » (Matio 12:12)

Jesosy tsy nandrava ny lalàna (anisany ny sabata)......fa nilaza kosa fa hanantanteraka....
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

Rehefa tonga ny sabata dia toy izao no "fanaon'i JEsosy"...« Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. » (Lio.4:16)

Fehiny, Jesosy tsy nandrava ny Sabata, satria noporofony araka "ny fanaony" fa mbola tokony tandremana marina tokoa ny Sabata....Ny nataony kosa dia ny "namaha" ny Sabata ary nampianatra izy fa "mety ny manao soa amin'ny Sabata fa tsy araka ny fampianaran'ireo fariseo sy ny mpanora-dalana akory.......
5. rhaj0 ( 18/12/2015 01:45)
Dia inona hono no ataonareo na TSY ataonareo rahefa mi-sabata eee??...

Ilay namako Jiosy izay ho'a nitantara hoe, raha vao mipaika ny azoma maty masondro izy teo, dia vita hatreo ny fampiasana fitaovana vy, koa na ny lakile idirana @ trano azany dia tsy ampiasaina, fa avela hivoha ny trano.

Ka io ho'a... izany ny "tena izy" raha mi-sabata tokoany.. F'n'enareo moa, ilay atao dia izay mampetimety ny baolina, dia manandra-tena ery nefa nareo avy eo, fa izany hono nareo raha manaja sabata..

Ny sabata eo ihany.. Fa ilay hoe, manaja ilay "fampianarana tsisy kilema" (na ara-baki-teny h@ teboka amam-paingo)... namangy ireny Amish ireny ho'a zahay, fa ny azy dia tena ilay fomba fi(s)aina ao @ Baiboly mihintsy no arahiny, h@ tsy fampiasana lelekitrisitia, ka h@ fifampitondrana ao @ fianakams sy fiaraha-monina, ny resaka vola sy fitaovana ets...

Dia tena, miverina indray, fa nareo Kristiana ireo ho'a, dia inona fa tsy ny manao "izay mampetimety ny baolina, dia manandra-tena ery nefa nareo avy eo, fa izany hono nareo raha manaja ny Baiboly sy ny fampianarany"

ka ahoana eee... arahina izy io sa tsy arahina?? 'ngaha tsy mampihomehy mahonena..
- raha manaraka, dia: "'ty 'ngaha adala? fomba fiaina t@ l'an 0 ve hita ho ampiharina izao, ny taona efa 2015..."
- raha tsy manaraka, dia sahala @ ilay hoe: "mpanota 'ty.. mpanota!!! tsy manaja ny fampianaran'ny Baiboly"
6. RBNIR ( 18/12/2015 05:10)
7. Strong3 ( 18/12/2015 08:28)
8. endriny ( 18/12/2015 08:53)
Erony e.. misy raha madina eka donc any e!
9. tealala ( 18/12/2015 09:13)

RBNIR:

Strong3:

1/ __ nanova ny lalan'ny sabata ve Jesosy sa tsia

Ilay voalohany ihany no hovaliako namana, satria ilay faharoa dia tsy hitako loatra izay hifandraisany amin'ny tenin'Andriamanitra (satria samy tsy misy voasoratra ao anaty baiboly ireo teny lazainao ireo raha ny momba ny sabata no resahina)...
Raha ilay voalohany dia izao no voasoratra.....
« Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy. » (Jao.5:18)

Hoy ny teny hoe "namahan'y ny Sabata, izany hoe ny nataon'i JEsosy dia ny namaha ny Sabata...

Raha araka izay dia nisy naneritery tao ka novahany ny fatorana....

Taloha dia tsy azo atao eny na dia ny manao soa aza amin'ny andro Sabata....Raha fintinina ny nataon'i JEsosy dia nofeheziny amin'ity teny iray ity....« Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata. » (Matio 12:12)

Jesosy tsy nandrava ny lalàna (anisany ny sabata)......fa nilaza kosa fa hanantanteraka....
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

Rehefa tonga ny sabata dia toy izao no "fanaon'i JEsosy"...« Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. » (Lio.4:16)

Fehiny, Jesosy tsy nandrava ny Sabata, satria noporofony araka "ny fanaony" fa mbola tokony tandremana marina tokoa ny Sabata....Ny nataony kosa dia ny "namaha" ny Sabata ary nampianatra izy fa "mety ny manao soa amin'ny Sabata fa tsy araka ny fampianaran'ireo fariseo sy ny mpanora-dalana akory.......

Tsy nandrava izy fa namaha dia avy teo ianareo nandeha fiara na dia teo aza ny lalàna ny didy folo= rava ilay didy hoe hajao ny sabata ho anareo, ny sabata ko anie ry RBNIR tsy natao ho an'ny hafa firenena e, sa ianareo ko anvoaka tao egipta?
10. RBNIR ( 18/12/2015 10:38)
tealala:

Tsy nandrava izy fa namaha dia avy teo ianareo nandeha fiara na dia teo aza ny lalàna ny didy folo= rava ilay didy hoe hajao ny sabata ho anareo, ny sabata ko anie ry RBNIR tsy natao ho an'ny hafa firenena e, sa ianareo ko anvoaka tao egipta?

« Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko » (Isa.56:6)
« Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra. » (Isa.56:7)
11. tealala ( 18/12/2015 10:53)

fa tsy jesosy, efa mba mamaky ihany anie ianao fa mody fanina e
12. RBNIR ( 18/12/2015 10:59)
Strong3:

efa navy koa !

Ka ny détail tsy ho vita eto mihitsy e, famonjena ny fanahy no ambony....« Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. » (Asa.4:19)

Film efa nandeha ange ity miverimberina eto ity e!!!
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
13. tealala ( 18/12/2015 11:08)
RBNIR mba asio lojika ihany hoy aho ilay finoana fa manjary mampiomehy be ilay zavatra teneninao eto, raha izao no hitan i pasitera dia manongotena ngamba izy.
14. RBNIR ( 18/12/2015 11:23)
tealala:

RBNIR mba asio lojika ihany hoy aho ilay finoana fa manjary mampiomehy be ilay zavatra teneninao eto, raha izao no hitan i pasitera dia manongotena ngamba izy.

Manompoa an'i JEsosy aloha e, dia ho fantatrao hoe nahoana ry petera no tsy nety nangina na dia norarana mafy aza.....
Misy tetik'adin'ny devoly iray koa ity, avoaka daholo izao teny manakantsakana rehetra izao tsy hipoahan'ny marina.....saingy ny marina tsy maintsy avoaka namana!!!

Misy foana mandray an'io, na dia tsy handray aza ny sasany....
15. tealala ( 18/12/2015 11:28)

Fa iza izany devoly izany e? avy aiza izany dia inona no ataon'izany? fahavalon Andriamanitra ve izany?
16. RBNIR ( 18/12/2015 12:28)
tealala:

Fa iza izany devoly izany e? avy aiza izany dia inona no ataon'izany? fahavalon Andriamanitra ve izany?

aza mora enti-po ry namana tealala a, izaho ange tsy tezitra mihitsy fa eo no miakapofona eo e,
Izao ilay lojika namana,

Miverina Jesosy mampianatra indray ny fampianarana tsy misy kilema,

1- Gaga ny jiosy (sy ny jiosy gasy toa anao) fa misy olona mahafantatra an'ILAY ANDRIAMANITRA nafenina tamin'ny olona hatramin'izay (ary noheveriny fa izireo ihany no mahafantatra AZY) Nefa hay mbola misy olona mahafantatra lavitra noho izireo....Dia mipetraka ny fanontaniana ao ampon'izireo fa iza koa itony????

2- Mikoropaka ny goika antitra kristianina rehetra fa toa mipoitra ilay marina nafinimpenina hatr'izay (io baiboly io ange efa ela no norarana tsy hovakiana e! aoka ho fantatry ny maro iza) mivoaka daholo ny teny mandatsa, ny ompa, ny fanesona, ny lainga isan-karazany mba hampanginana ilay milaza ny marina...

3- Taitra ny tsy misy Andriamanitra fa mipaka hatrany am-pony ny hafatr'ilay anjely voalohany...« [Ny amin'ny anjely telo izay nitory, sy ny fahasambaran'izay maty ao amin'ny Tompo, ary ny andro fijinjana] Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, » (Apok.14:6)
« nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora] » (Apok.14:7)

4- Miorikoditra i babylona lehibe fa efa hitany manangasanga ny hanjo azy.....« Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany. » (Apok.14:8)

Ilay bibidia koa dia efa manomakomana sahady ny hanaovana an'ilay fiangonana farany (anontanio an'i strong3 fa efa hivoaka hono ny didy handrarana ny olona tsy hivavaka amin'ny andro SAbata)

Ny ao ambadik'ireny rehetra ireny anefa dia tokana ihany : tsy iza fa ilay devoly sy satana izay efa matahotra mafy dia mafy satria efa tena kely dia kely sisa ny androny
« Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny. » (Apok.12:12)

Ireo karazan'olona rehetra ireo dia tsy misy mahafantatra fa misy hery ratsy mimanipuler azy ary ny tanjon'io hery ratsy io dia ny hampangiana ny olona mitory ny marina amin'izao fotoana izao....

Tantara miverina io ry namana, izay nanjo an'i Jesosy ihany no tsy maintsy hanjo izay miaraka aminy.....« Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.  » (1 Jao.2:6)

Jesosy dia efa betsaka no nihezaka nanampina ny vavany,

Ny apostoly koa torak'izany io ambony io no porofo fa betsaka no nihezaka ny nampangiana azy...
17. tealala ( 18/12/2015 12:39)
Voalohany aloha, tsy tezitra aho na enti-po (miomehy ary no ataoko ato mahita ny zavatra mba takatry ny pasiteranao), faharoa izaho tsy jiosy
I jesosy anie mety nampafantatra izany Andriamanitra izany e, fa i saoly mo na i saoly no tena nandika vilana hatramin ny farany, io baiboly nao io dia ny Torah no nakana azy io, fa mety nolazaina fa hoe tonta angamba dia aleo asina testamenta vaovao, dia rehefa vaovao ny zavatra dia aleo asina andriamanitra vaovao e, tsy aleo ve ity olona mapianatra ity no atao andriamanitra e, atao messie, ny messi anefa efa fantatrafa taranak'i David, i jesosy izay tsy zanak'i Josefa fa lazaina fa zanak'andriamanitra tsy taranak'i Davida, io ko anefa ilay messi dia efa fantatra fa avy amin'ny rainy no mahataranak'i David azy fa tsy avy amin'i Marie reniny.
Nampanginina satria niteniteny foana, raha tena napitsangana ny maty izy aiza le olona natsangany tamin'ny maty, raha resaka fahagagana izany hoy aho aza mahatoky olona ohatr'izany ry RBNIR a, zao lasa mino andriamanitra maro be, mino izany devoly izany, lasa misy fahavalo potentiel ilay Andriamanitray anaovanareo azy.
18. Strong3 ( 18/12/2015 12:40)
nandrava= manitsi=manova= namaha= nanalefaka= nanamafy= notovonana = notovanana

= modifier

rehefa nokitihina dia efa nokitihina fa tsy hoe :
tsy nandrava izy ka !!!

asa aloha hoan'izay teolojiana mivaralila any fa raha ity an'i RBNIR ITY DE EEEH
19. RBNIR ( 18/12/2015 12:47)
tealala:

Voalohany aloha, tsy tezitra aho na enti-po (miomehy ary no ataoko ato mahita ny zavatra mba takatry ny pasiteranao), faharoa izaho tsy jiosy
I jesosy anie mety nampafantatra izany Andriamanitra izany e, fa i saoly mo na i saoly no tena nandika vilana hatramin ny farany, io baiboly nao io dia ny Torah no nakana azy io, fa mety nolazaina fa hoe tonta angamba dia aleo asina testamenta vaovao, dia rehefa vaovao ny zavatra dia aleo asina andriamanitra vaovao e, tsy aleo ve ity olona mapianatra ity no atao andriamanitra e, atao messie, ny messi anefa efa fantatrafa taranak'i David, i jesosy izay tsy zanak'i Josefa fa lazaina fa zanak'andriamanitra tsy taranak'i Davida, io ko anefa ilay messi dia efa fantatra fa avy amin'ny rainy no mahataranak'i David azy fa tsy avy amin'i Marie reniny.
Nampanginina satria niteniteny foana, raha tena napitsangana ny maty izy aiza le olona natsangany tamin'ny maty, raha resaka fahagagana izany hoy aho aza mahatoky olona ohatr'izany ry RBNIR a, zao lasa mino andriamanitra maro be, mino izany devoly izany, lasa misy fahavalo potentiel ilay Andriamanitray anaovanareo azy.

Ary tsy maharaka mihitsy anie nareo izany namana tealala e, tsy resaka fahagagana mihitsy no naharesy lahatra ahy fa fampianarana izay voamarina arka ny baiboly...
20. tealala ( 18/12/2015 12:48)
Dia gaga angamba i Herinirina raha mahita ny anaovan'i RBNIR ny fampianarany ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2061