IZA NO MBOLA MAHATANDRINA 100% ny LALAN'NY SABATA !?

121. RBNIR ( 06/01/2016 05:42)
NO it is not necessary to keep the sabbath:

Isaiah 1:13
Bring no more vain oblations; incense is an abomination unto me; the new moons and sabbaths, the calling of assemblies, I cannot away with; [it is] iniquity, even the solemn meeting.

Matthew 12:2
But when the Pharisees saw [it], they said unto him, Behold, thy disciples do that which is not lawful to do upon the sabbath day.

John 5:16
And therefore did the Jews persecute Jesus, and sought to slay him, because he had done these things on the sabbath day.

Romans 14:5
One man esteemeth one day above another: another esteemeth every day [alike]. Let every man be fully persuaded in his own mind.

Colossians 2:16
Let no man therefore judge you in meat, or in drink, or in respect of an holyday, or of the new moon, or of the sabbath [days]:

Isa.1:13
« Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana! » (Isa.1:13)

Sabata au pluriel ihany koa ny resaka ary tsy ilay sabata no halany fa "ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana"

Mat.12:2 & Jao.5:16, nisy zavatra naneritery tao amin'ny sabata dia "novahan'i Jesosy" « Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy. » (Jao.5:18)
(fampianarana tsy avy amin'Andriamanitra fa fampianarana nentin'ny mpanora-dàlana sy ny fariseo)
Raha fintinina ny fampianaran'i JEsosy dia tsy foana tsy akory ny fitandremana ny sabata kanefa hoy izy « Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata. » (Mat.12:12)
Io teny io tsy midika mihitsy hoe mety ny tsy mitandrina sabata...

Rom.14:5
« Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy. » (Rom.14:5)

Tsy sabata no resahina eto fa haka ohatra akaiky aho : ny andro talata dia lazain'ny ankamaroan-tsika malagasy fa "gorobaka" dia misy tsy mandevina amin'io andro io....dia izay ilay resaka ery ambony ao amin'ny Rom.14:5, fa tsy misy idiran'ny Sabata (andro fahafito) izay didin'Andriamanitra....

Kol.2:16 efa nazavaiko ery ambony fa Sabata au pluriel ary ny Sabata taona (ao amin'ny levitikosy 25) no resahina eo fa tsy ny "andro fahafito" akory....
122. rhaj0 ( 06/01/2016 12:40)
Ka araka ny intrepretation sy fehi-kevitr'i RBNIR izany dia... inona tsara hoe ee : "tandremana" ny sabbath (faha-7) fa tsy ny sabbathS (au pluriel)... OK izany eee :-)

Dia ahoana hozy ny hafa? Satria ilay sabbathS (au pluriel) dia inona aby tokoany moa : Paska, Petekoty, h@ Krismasy ?... TSY mila, na hoe tsy tokony ho "tandremana"? Sa ho,a inona aby izany izany sabbathS (au pluriel) izany ry RBNIR??
123. RBNIR ( 06/01/2016 13:02)

rhaj0:

Sabbats au pluriel (ireo karazana sabata voalaza ao amin'ny levitikosy 25 : taona sabata, sabata jaobily) ilay andro fahafito dia ilay heb.4:9 no manamafy fa tsy maintsy mbola hotandremana iny (vakio ny dikan-teny Diem) na ny dikan-teny katolika amin'ny teny angilisy)...
P.S: ny paska, pentekosta kosa dia voasokajy ho andro firavoravoana Deot.16:1 (efa tsy tandremana ihany koa araka ilay kol.2:16,17)....ny krismasy (25 décembre) indray dia didy noforonin'olombelona taty aoriana izany pape antsoina hoe libère (liberius) izany no nampiditra azy tamin'ny taona 354 AD....https://fr.wikipedia.org/wiki/25_d%C3%A9cembre
124. rhaj0 ( 06/01/2016 14:02)
hhheeeeeee.... indrisy izany fa dia TSY mba hi-fety mihintsy izany 'nareo ao ry RBNIR...

Izaho indray k'lou dia faly foana rahefa mi-fety eee... Fa izaho kosa ho'a TSY hilalao saribakoly ny andro Noely, na koa tsy hihinan-kena ny Paska, na koa.. tsy "manakipy-maso-toa-constipé" lava izao isan-kerinandro, na alohan'ny hisakafo na alohan'ny hatory...

[size=8](hi hi hi... hitako ery izao i Strong3 ohatra, "manakipy-maso-toa-constipé" rahefa avy mamaky serasera eto, dia rahefa misokatra anefa ny masony, angaha misy miova :-)[/size]
125. RBNIR ( 08/01/2016 11:37)

Tafiditra ao anatin'ny hanina indraim-bava daholo ireny rhajo a!
« fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an'i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava. » (Heb.12:16)

Aleho mionona amin'ny izay Sitrak'Andriamanitra....Tsy mahafaty akory izany....
126. rhaj0 ( 08/01/2016 12:23)
Raha tsy diso ny fitadidiko, dia ny Temoins de Jehovah koa TSY mankalaza fety, na fety nahaterahanao izany na noely ets...

Fa ny hoe fety ve tsy hoe, mba miara-misakafo, miara-mandihy, mikorana mivanitika... inona kosany no maharatsy an'izany eee ?? Sa inona tsara ilay TSY ataonareo ??
127. RBNIR ( 08/01/2016 12:24)
rhaj0:

Raha tsy diso ny fitadidiko, dia ny Temoins de Jehovah koa TSY mankalaza fety, na fety nahaterahanao izany na noely ets...

Fa ny hoe fety ve tsy hoe, mba miara-misakafo, miara-mandihy, mikorana mivanitika... inona kosany no maharatsy an'izany eee ?? Sa inona tsara ilay TSY ataonareo ??

Rehefa tsy mandika ny sitrapon'Andriamanitra tsy misy olana ny fety e!
128. rhaj0 ( 08/01/2016 12:34)
Ka mba miara-misakafo, miara-mandihy, mikorana mivanitika... ihany izany ianao io.

Fa inona ho'a no TSY ataonareo izany ee ?

- misotrosotro ? tsy voatery misotrosotro anie rahefa mikorana ee...

- mandihy slow ? ka io anie ilay hoe, ampirisiho handihy slow ry zalahy, mba ho zatra manaja viavy, @ izay tsy mba sahala @ vao nahita rahefa miaraka @ viavy (ao am-pandriana)

- sa hoe, ity fety ity dia ho fisaorana na ho fahatsiarovana na ho fanajana ny ... razana ohatra.. Izay ve ilay TSY tianareo ?.. Raha izaho manokana aloha, dia tsy olana izany, raha izay no maha-salanitra ny tompo-pety.. fa ilay miara-misakafo, miara-mandihy, mikorana mivanitika kosa aloha dia atao foana eee...
129. RBNIR ( 08/01/2016 12:38)
Ity koa izao ohatra, misy fety be: feno toaka, feno sex, feno fifohana.....feno teny ratsy....
Tena mahazo fahafinaretana tanteraka aloha ny nofo saingy araka ny hevitrao Sitrak'Andriamanitra v izany???

Araka an'o angeh tsy dia mila atoro be hoe izao no tokony atao na izao, fa araka ilay teny hoe izay avy amin'ny marina dia mihaino ny feon'ILAY MARINA e!......

« Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jao;18:37)

Ny tsirairay tokony avy dia hahafantatra ny mety sy ny tsy mety fa tsy dia mila atoro be e!
130. rhaj0 ( 08/01/2016 13:40)
Ka raha fety anie mety mba maotina koa eee... sa nampinoana ianao fa rahefa fety dia tsisy frein toa izany foana?

Misy re ry RBNIR fety tsisy sex, satria mpianadahy mpianaka no ao, tsisy toaka, satria misy marary aty sy vavony no betsaka, tsisy fifohana satria tsy zakan'ny vola.. fa ny fahafinaretana dia ny fiarahana (misakafo, mandihy, mivanitika..)

Fa indrindra koa, ny maha-salanitra ny tompo-pety, dia satria izy faly maneho fisaorana na ho fahatsiarovana na ho fanajana ny ... Razana ohatra (rahefa famadihana ohatra).. dia ahoana ho'a? ngo dia zay ilay TSY revinao ? Raha ny fazahoako azy, dia izay no TSY revinao.
131. RBNIR ( 08/01/2016 15:19)

Izay ilay nolazaiko e! rehefa tsy mandika ny sitrapon'Andriamanitra ianao dia mety....ary tsy misy règle b manao ahoana fa arakarak'izay mitranga eo no hahatsapanao hoe mety izy izany na tsia.....
132. rhaj0 ( 09/01/2016 01:45)
Ary ry RBNIR izany koa toa efa amena sopapa nefa dia... mbola mikiry ihany hoe, ilay mifety "mandika ny sitrapoNY" ihany no tsy tokony atao...

ilay fety toa ny mifety ny Razana ohatra, na koa izay concept hafa mi-concurrencer AZY, toa ny fetin'ny pagans manaja ny azy ireny... ireny karazam-pety ireny no tsy tian'Atra re eeee.. fa raha mifety-manota (migoka-mifoka-mijanga) ve ianao, tsy ho n'enao ao hoz'izy no anao.

Fa ny an'i RBNIR indray, dia ilay mifety fa tia mifety no TSY tiany, satria ialonany, ary dia fariparitany sy be lazainy fa, ireny hono no "tsy @ sitrapon'Andrmntra"... nefa hita io fa ny imagination-nao ao no ratsiratsy fo sy loha ao... aoka ho'a... Ka azoma ity ny andro re ry RBNIR, ka 'ngo dia sorendrena ao am-pandriana ao ny namana, ny olona any ivelany rehetra any nefa mirevy vendredi magnifika.. :-)
133. Strong3 ( 12/01/2016 08:32)
ka hatramin'izao mbola tsy voavaly hoe :
vonjena amin'ny fankatoavan'dalana ve ny olona sa fonjena amin'ny finoana an'i Jesosy
vonjena amin'ny asan'ny fahamarinana ve ny olona sa fonjena maimimaimpoana amin'ny finoana an'i Jesosy???,

fa raha nahavita nanamaritena tamin'ny fakatoavana ny olona inona moa no ilana an'i JK??,

raha namaha ny sabata io JK io dia mazava, tsy novavahana fahatany izy io fa ny fiainan'ny mino iray manotolo no hatokana ho Azy Atra fa tsy ny fahafito ihany !!
ny fanahy no mila mitsahatra fa tsy ny nofo (vatana)
ka ahoana no hampitsahatra ny fanahy ?

tsy misy afatsy ny manantona Ilay niteny hoe MAKANESA ATY AMIKO IANAREO FA IZAHO HANOME ANAREO FITSAHARANA ...

mbola averiko ihany ; io JK io dia mitarina ny olona amin'ny marina rehetra, ka raha tsy manaraka ny lalana sy ny didy lany daty izy ireo dia tsy midika hoe tsy manao ny sitrapon'Atra ; fa ny finoany sy ny fanaharahany an'i JK no tena FANKATOAVANA AN'ATRA izay mitika fa tsy manota izy ireo: ____ « ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy; » (Jaona 16:9)

fa tsy hoe fahotana satria tsy nivavaka tamin'ny sabata na hoe nandika didy 10 sy lalana 613
134. RBNIR ( 12/01/2016 09:07)
Strong3:

Otran'ny efa voalvaly daholo an!!
Raha tsy mazava dia mba avereno vakiana azafady......
135. Strong3 ( 12/01/2016 12:28)
voavaly araka ny imaginationao ozy i rhaj0 n'i Jesosy izay :-) :-) ... lol :-)
136. rhaj0 ( 12/01/2016 13:39)
hi hi hi.. ka dia raiso dia ekeo azany ny imagination-n'i RBNIR ry Strong3 aaaa..

tena mila ampivadiana anie ilay imagination-nareo, ampamafy orina ny imagination collective eee... ao mouh mba mifaneke ao izany nareo roaroa eeee... Fitiavana daholo izany, ary izany no lehibe indrindra izy teo :-)
137. Notiavina Rasamiharimanana ( 06/04/2018 19:13)
NY fianarana ny bokin ny APOKALIPSY dia manandanja goavana @fanarahana dia an'ANDRIAMANITRA,ny fiangonana mahafehy na mahay mazava ny bokin apokalipsy dia mitandrina ny SABATAN'I JEHOVAH.Marobe ny zavatra novan i fitondrana ROMANINA ka lasa nifangaro voraka ny fampianarana.Misy nef reo fiangonan te hiala amin zany nef mbol mis potipotin fampianarana romanina ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2055