IZA NO MBOLA MAHATANDRINA 100% ny LALAN'NY SABATA !?

61. rhaj0 ( 23/12/2015 19:00)
diso ahoana aho dokotera aa? Io nampandaloviko google dia io mety k'inona indray..
http://lmgtfy.com/?q=n%27engage+que+celui+qui+y+croit+ry+bor2lais+a
62. RBNIR ( 24/12/2015 03:21)
RBNIR:

(ilay anareo izany nampanantena lanitra an'ingahy episkopo?????) mahagaga izany......

Yahl:

Yahl
Raha tsy ho any ihany tsy aleo niaraka taminareo fara-faharatsiny, satria efa ratsy kouh!

Ary mandainga mihitsy koa ange izany ingahy Episkopo izany e,
Hoy Petera hoe:
« Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana. » (2 Pet.3:13)

Ekena fa voasoratra hoe "lanitra vaovao" fa saingy rehefa mamaky tsara ny apokalipsy toko faha 21 sy faha 22 isika dia ao amin'ilay "tany vaovao" no tena honona mandrakizay ny olona fa tsy ao amin'ilay lanitra vaovao akory.....
http://www.smartbaiboly.org/online#Apokalypsy%2021;22

Ny lanitra dia natao ho an'Andriamanitra, ny olona kosa dia natao handova "tany".....
63. RBNIR ( 24/12/2015 04:07)
bor2lais:

Fanamafisana ny voalazan'ny namana Strong3 :
Mat_11_28:

Mankanesa aty Amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

Mat_12_8:

Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona

Gal_2_21:

Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana dia maty foana Kristy.

Gal_3_3:

Adala toy izany va hianareo? Rehefa nanomboka tamin'ny Fanahy hianareo, dia hahatanteraka amin'ny nofo va ankehitriny?

Gal_5_1:

Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.

Gal_5_4:

Dia tafasaraka amin'i Kristy hianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana hianareo

Ny tiana ahatongavana : endrika "marche-arrière" (efa tao amin'ny Fanahy no lasa niverina ao amin'ny nofo indray) ny fiverenana na ny fampifangaroana ny lalàna sy ny fahasoavana !
:-)

Faly misera namana,

Ny fanovana nisy teo amn'ny fanekena taloha sy ny fanekena vaovao dia izao : ilay soratanana ivelany teo aloha Kol.2:14 nosoloina ho soratra anatiny Heb.8:10, Ilay lalàna teo aloha iny ihany saingy tsy atao ivelan'ny olona intsony fa soratana ho ao anatiny.....

Taloha dia noho ilay lalàna ivelany no nitandremana ny didy, saingy amin'ny fanekena vaovao kosa dia noho ilay lalàna efa voasoratra ao anaty (io ilay Kristy velona ao anaty)....Izay nataon'io Kristy io fahavelony no hitarihany ilay "olona vaovao"...Ka raha nitandrina Sabata i Kristy sy ny mpianany dia hitandrina Sabata ihany koa izay olona tarihin'IO FANAHY VELONA ao anatiny io.....

Ekena fa misy ny diso fandray ka hoy indrindra i paoly apostoly....

« Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany! » (Rom.6:15)

Sanatria izany hoy paoly....Ny dikan'ny hoe manota dia mandika ny lalàn'Andriamanitra « Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » (1 Jao.3:4)

Tsy marche arrière velively fa fandrosoana....
Ilay lalàna tsy nety tanteraka teo aloha lasa tanteraka....« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat. 5:17)

Fanadiovana hatrany anatiny no nataon'i Jesosy fa tsy fanadiovana ivelany fotsiny tahaka ny nataon'ireo fariseo sy mpanora-dalàna.....« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana. » (Mat.23:25)

Rehefa ny ao anatiny no madio dia hita taratra ho azy avy ety ivelany ny fahadiovan'izany ao anatiny izany.....« Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany. » (Lio.6:45)

Io ny secret an'ny fiainana mandrak'izay "fadiovam-po" « Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, » (Mat.5:8)
(ilay lalàn'Andriamanitra tsy ivelany intsony fa lasa "fiainana vaovao ao anaty"« Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. » (Gal.2:20)
......

Izay rehetra tonga amin'izany toerana izany no manana ny "fanjakan'Andriamanitra" ary nahavita ny hazakazaka izay nampanaovina azy.....« Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo*.[*Na: efa eo aminareo] » (Lioka 17:21)

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!
64. Strong3 ( 24/12/2015 06:21)
« Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo. » (Matio 24:20)

dia samby amin'ny teolojiany ny olona ka hiihihi :-)

AMIN'I RBNIR izany dia hoe : mbola misy ny sabata amin'izany, ie mbola misy tokoa
fa tsy mby ao antsainy ny hoe :

fa maninona no milaza Jesosy hoe : mivava mba tsy ho amin'ny ... sabata no handosiranareo!
__ tsy tsara kokoa ve ny andro sabata no hiavian'ny andron'ny Tompo?

DIKAN'IO IZAY MIVAVAKA SABATA DIA HO TRATRA EO AMIN'NY TSY FINOANY , satria niantehitra tamin'ny fanamarinan'ny lalàna fa tsy tamin'ny finoana an'i Jesoa Kristy

... KA DIA HITA MIHARIHARY FA TSY KRISTIANA MIHITSY IREO mbola fehezin'ny lalàna ny sainy sy ny fanompoany !!
65. RBNIR ( 24/12/2015 16:11)
Strong3:

AMIN'I RBNIR izany dia hoe : mbola misy ny sabata amin'izany, ie mbola misy tokoa
fa tsy mby ao antsainy ny hoe :

fa maninona no milaza Jesosy hoe : mivava mba tsy ho amin'ny ... sabata no handosiranareo!
__ tsy tsara kokoa ve ny andro sabata no hiavian'ny andron'ny Tompo?

Fantatro tsara ny antony ka, saingy zava-miafina ho an'ny tsy mino izany (ame sensible s'abstenir ary) Mila mamaky ny bokin'ny makabeo isika (toy izao no hahazo ny olona any ampandosirana raha sanatria ka Sabata ny andro hahatratrarana azireo)....

Vakio ny I Makabeo fa mitovy amin'izany no haverin'ilay bibidia rehefa hanenjika amin'ny fotoana farany izy (terena ny olona tsy hivavaka amin'ny andro Sabata)

Sombiny no alaiko ao izay mifanaraka amin'ny resan-tsika ry namana....

1 Mak.2:31-38

31Nilazany ny manam-boninahitry ny mpanjaka mbamin'ireo miaramila tao Jerosalema, amin'ny tanànan'i Davida, fa nisy olona nandika ny didin'ny mpanjaka, lasa nididna any an'efitra, amin'ny toerana fierena miafina. 32Niaraka tamin'izay, dia lasa maro izy ireo nanenjika azy. Nony trany izy, dia nitoby teo an-trandrifiny, nivonon-kamely azy amin'ny andro sabata. 33Hoy izy taminy: Aoka izay amin'izao. Mivoaha hianareo, tanteraho ny didin'ny mpanjaka, dia ho velona hianareo. 34Hoy ny navalin'ny Jody: Tsy hivoaka izahay, ary tsy hankatò ny didin'ny mpanjaka, fa ho fandikana ny andro sabata izany. 35Niaraka tamin'izay dia nandraikitra ny ady taminy ny Siriana. 36Tsy namaly azy na nitora-bato azy iray akory, na nanampina ny fiereny izy ireo. 37Aoka isika ho faty avokoa amin'ny fahatsoram-pontsika, hoy izy ireo! Ny lanitra sy ny tany no vavolombelona mahita anay, fa vonoinareo tsy an-drariny izahay. 38Dia nasian'ny miaramila tamin'ny andro sabata izy ireo, ka maty avokoa izy mbamin'ny vady aman-janany, sy ny biby fiompiny, sahabo ho arivo no isan'ny olona.

Ato ny rohy (eto amin'ny serasera ihany fa aza maka sarotra e!) http://baiboly.katolika.org/boky/1%20Makabeo/2

Io no antony nitenean'i JEsosy hoe mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny andro Sabata no handosiranareo......
66. Yahl ( 25/12/2015 17:27)

RBNIR:

RBNIR:

(ilay anareo izany nampanantena lanitra an'ingahy episkopo?????) mahagaga izany......

Ary mandainga mihitsy koa ange izany ingahy Episkopo izany e,
Hoy Petera hoe:
« Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana. » (2 Pet.3:13)

Ekena fa voasoratra hoe "lanitra vaovao" fa saingy rehefa mamaky tsara ny apokalipsy toko faha 21 sy faha 22 isika dia ao amin'ilay "tany vaovao" no tena honona mandrakizay ny olona fa tsy ao amin'ilay lanitra vaovao akory.....
http://www.smartbaiboly.org/online#Apokalypsy%2021;22

Ny lanitra dia natao ho an'Andriamanitra, ny olona kosa dia natao handova "tany".....

Yahl:

Tena sarotra ho anao ny fomba andraisana ny teny voalaza rehetra!
Fa ny tany onenana ankehitriny angaha tsy manidina eny @ lanitra? saingy samy zarazarain' ny rafitra nanaovan' Atra azy ny misy rehetra(système).
Raha tsy fantatrao ny ambaranao dia ireto misy fomba aseho anao:
1°- Hisy ny arivo taona ety an-tany
2°- Hisy tany vao² sy lanitra vao²
Samy antsoina hoe Jerosalema avokoa ireo fa misy ny fifaliana ary misy ny Vaovao; Ka iza @' ireo le tianao lazaina fa samy manidina amy lanitra ireo ?
Dia aiza ho aiza le mampandainga an'i EPISKOPO?
67. RBNIR ( 26/12/2015 04:55)

Ianao ilay miteny lava hoe ho any an-danitra no mahatonga ahy niteny hoe ary mandainga aminao izy.
Satria tsy nampanantena mihitsy IZY( Jesosy) hoe eny an-danitra ny olona no honina fa ao amin'ilay tany vaovao izay hisy tanana masina atao hoe Jerosalema Vaovao (nampidinina avy any amin'ilay lanitra vaovao).........

« Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. » (Apok.21:2)

Vako tsara fa ilay tanàna dia "nidina avy any amin'ilay lanitra"....Io no porofo fa ao amin'ilay tany no honina ny olona fa "tsy any an-danitra" akory....

Aza mety ho fitahina isika!!!!

P.S : ilay arivo taona tsy ara-bakiteny ilay arivo taona (raha sitrapon'Andriamanitra dia holazaina eto ny momba azy).....
68. tealala ( 26/12/2015 08:42)
Nga ry RBNIR tsy hoe mitandrina ny sabata fa ohatri'ny mi connect eto indray e?
Sa io ilay nolazaiko hoe rehefa metimety ilay izy dia atao ihany aloha?
69. Yahl ( 26/12/2015 10:22)

Io no ilazako anareo hoe: MPANGALA-TAHAKA FAMPIANARANA, satria tsy nomena ny teny avy any an-danitra, fa ny efa ampianarin' ny iraka manokana no alain-tahaka, fa tsy mba manetry tena rehefa manaiky ny fahamarinana, fa mamorona famitahan' olona hatao ahazoam-bola sy olona ariana any @ helo miaraka aminareo mpiantso Jesôsy rehetra!
Dia mba mieritrereta !

F' izahay ho any Jerosalema any an-danitra sady efa mby any @' ilay tananàn' Andriamanitra velona fa tsy ety an-tany toy ny anao izany!!!

Hebreo12: 22 Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan'Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny anjely tsy omby alinalina,
23 amin'ny fihaonana fifaliana* sy ny fiangonan**'ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona marina izay efa natao tanteraka,ho amin'ireo tsy omby alinalina, dia ny fivorian'ny anjely
24 sy amin'i Yahoshuah, Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary amin'ny rà famafazana, izay tsara lavitra noho ny an'i Abela.

Angaha kouh efa ianaranareo tsara le momba ny arivo taona?!!!
Ento indray ary ho jerena!
quote
[/quote]
70. RBNIR ( 26/12/2015 17:32)

tealala:

Nga ry RBNIR tsy hoe mitandrina ny sabata fa ohatri'ny mi connect eto indray e?
Sa io ilay nolazaiko hoe rehefa metimety ilay izy dia atao ihany aloha?

Tsy misy fantatrao ny fitandremana ny Sabata ry tealala a!!
Ianao mbola variana manadio ny ivelany fotsiny tahaka ny mpanora-dalàna sy ny fariseo (dia mirehareha ery fa manana ny tsara nefa taimboraka no mba hananana)....
Izaho manao araka ny nampianarin'i Jesosy......« Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin'ny Sabata. » (Lio.4:31)
Fampianarana no ataoko eto ho an'izay tia.....
71. RBNIR ( 26/12/2015 17:37)
Yahl:

Hebreo12: 22 Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan'Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny anjely tsy omby alinalina,
23 amin'ny fihaonana fifaliana* sy ny fiangonan**'ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona marina izay efa natao tanteraka,ho amin'ireo tsy omby alinalina, dia ny fivorian'ny anjely
24 sy amin'i Yahoshuah, Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary amin'ny rà famafazana, izay tsara lavitra noho ny an'i Abela.

Ary tsy mamaky mihitsy anie ianao izany e! ilay jerosalema ankehitriny any an-danitra....
Fa kosa hoy ny teny hoe « Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. » (Apok.21:2)

Tsy any andanitra mandrakizay fa hisy fotoana hampidiinina izy io satria ao amin'ilay tany vaovao no ho fonenana mandrakizay fa tsy any an-danitra akory......
72. bor2lais ( 28/12/2015 09:53)
bor2lais:

endrika "marche-arrière" (efa tao amin'ny Fanahy no lasa niverina ao amin'ny nofo indray) ny fiverenana na ny fampifangaroana ny lalàna sy ny fahasoavana !

RBNIR:

Tsy marche arrière velively fa fandrosoana...

:-)
Kristiana no resahina eto a !
:-)
Jaona 1_17:

Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy

:-)
73. Yahl ( 28/12/2015 10:50)

RBNIR:

Ary tsy mamaky mihitsy anie ianao izany e! ilay jerosalema ankehitriny any an-danitra....
Fa kosa hoy ny teny hoe « Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. » (Apok.21:2)

Tsy any andanitra mandrakizay fa hisy fotoana hampidiinina izy io satria ao amin'ilay tany vaovao no ho fonenana mandrakizay fa tsy any an-danitra akory......

[quote=Yahl]
Ny efa tao an- danitra niaraka t@ Yahoshuah no homena io fa tsy ny ety an-tany!
AOKA HAZAVA TSARA!
Fa ny lazainao anie, ny hoe: aiza koa no hoe any an-danitra no itondran' i EPISKOPO anay e!Angaha io tsy efa manambara fa any an-danitra no aleha!
Sady mba mahay mandray e! F' angaha ho'ah[ny tany tsy manidina ety @ lanitra e!?!
Tena mampmé!!/quote]
74. tealala ( 28/12/2015 11:32)

Yahl:

[quote=RBNIR]

Nenareo rangaha ireto olona iray ihany no resahina fa ny iray fotsiny tononina amin'ny teny hebrio ilay anarana.
75. tealala ( 28/12/2015 11:35)

RBNIR:

tealala:

Nga ry RBNIR tsy hoe mitandrina ny sabata fa ohatri'ny mi connect eto indray e?
Sa io ilay nolazaiko hoe rehefa metimety ilay izy dia atao ihany aloha?

Tsy misy fantatrao ny fitandremana ny Sabata ry tealala a!!
Ianao mbola variana manadio ny ivelany fotsiny tahaka ny mpanora-dalàna sy ny fariseo (dia mirehareha ery fa manana ny tsara nefa taimboraka no mba hananana)....
Izaho manao araka ny nampianarin'i Jesosy......« Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin'ny Sabata. » (Lio.4:31)
Fampianarana no ataoko eto ho an'izay tia.....

Misy fantatro ny fitandremana ny sabata ry RBNIR a, fa tsy mba ohatra ny anareo rehefa metimety amin'ny tena dia tanterahina fa rehefa tsy mety amin'ny tena dia efa novahain'olombelona izay nasandratra ho andriamanitra kely.
76. Yahl ( 29/12/2015 10:26)

tealala:

Nenareo rangaha ireto olona iray ihany no resahina fa ny iray fotsiny tononina amin'ny teny hebrio ilay anarana.

Yahl
Ny tsy ao @' YAHOSHUAH tsy mahalala izany lazaiko izany, toa anao milaza ny tsy fantatrao io kouh!

77. Tealala ( 29/12/2015 11:49)

Yahl:

tealala:

Nenareo rangaha ireto olona iray ihany no resahina fa ny iray fotsiny tononina amin'ny teny hebrio ilay anarana.

Yahl
Ny tsy ao @' YAHOSHUAH tsy mahalala izany lazaiko izany, toa anao milaza ny tsy fantatrao io kouh!

Jesus ihany = YAHOSHUAH
78. Yahl ( 30/12/2015 11:03)

Tealala:

Yahl
Ny tsy ao @' YAHOSHUAH tsy mahalala izany lazaiko izany, toa anao milaza ny tsy fantatrao io kouh!

Jesus ihany = YAHOSHUAH
[/quote]

Yahl

Efa miteny anao aho fa devoly io Jesôsinao io!!! Avy nankalaza devoly izao enao t@ 24-25 Déc teo! Mba omeo ahy ny nahatonga ny hoe: Andriamanitra Ray no Mpamonjy ao @'le Jesôsy.
Raha izany dia: JE= andriamanitra ray; SÔSY= mpamonjy. Ireo ve le (Jaona 17:11)?
Dia ilay anaran' ny Ray nomena ny Zanaka?
JE angamba le jehôvah?! fa le SÔSY @ izao fotoana le vola!!! Efa tena matim-bola sy tena voafitaka nareo izany fa mihevera tena![/quote]
79. tealala ( 30/12/2015 12:07)

Dia tsy mba menatra ve ianareo mivoy raisonnement tahaka izany? mdr!!!
80. rhaj0 ( 30/12/2015 16:08)
Ka "mino(mino)" (foana) tahaka anao Tealala ihany kosa anie i Yahl eee... satria ve TSY tahaka ny raisonnement-nao ny azy, dia pehanao hoe tokony mba ho menatra izy? Nefa nareo mitovy samy "mpino an'Andrmntra" ao ihany??

Dia ahita raha avy @ ilay Andrmntra inoanareo ao moa izany nareo roaroa ireo ee.. ataovy eo ihany mouh kouh...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3352