IZA NO MBOLA MAHATANDRINA 100% ny LALAN'NY SABATA !?

101. rhaj0 ( 30/12/2015 19:36)
Ka raisina toa ny ahoana azany ilay (concept) Madame Eve ao @ Genesisy eee...
102. tealala ( 30/12/2015 19:39)
Mitadiava olona ao am google re ry rhaj0 anazava anao an izany a, enao anie olona tia karokaroka e
103. rhaj0 ( 30/12/2015 20:03)
kamo ny saina fa dia aleo akapoka hoe.. i Ismael no namorona an'i Madame Eva izany eee.

Ka ianao tsy hizara (sa tsy mahatakatra) kouh..
104. tealala ( 30/12/2015 20:17)

rhaj0:

kamo ny saina fa dia aleo akapoka hoe.. i Ismael no namorona an'i Madame Eva izany eee.

Ka ianao tsy hizara (sa tsy mahatakatra) kouh..

Pouhahahahaha, izay ve no mba takatry ny panaraka an'i Darwin?
105. rhaj0 ( 31/12/2015 01:14)
iiieee... efa hoe miezaka mi-raisonne hotr'anao Tealala indrindra izaho io. Hoe rehefa kamo ny saina dia akapoka no Andrmntra na whatever ny zava-drehetra. Ka raha ny raisonnement-nao ve moa no "Pouhahahahaha"-nao, dia ... tsy olana izany eee... miaraka mi-"Pouhahahahaha" isika :-)
106. tealala ( 31/12/2015 03:59)
aaa, ny tena mampiomehy ahy dia tsy fantatrao ohatry ny tsy fantatrao i Ismaely :D
107. rhaj0 ( 31/12/2015 14:17)
tsy takatrao fa, ny tena mampihomehy dia ny fi-considerer-nao an'i Ismaely ao... ny taona(nao) ity efa hiampy iray indray anefany :-)
108. tealala ( 31/12/2015 14:55)

rhaj0:

tsy takatrao fa, ny tena mampihomehy dia ny fi-considerer-nao an'i Ismaely ao... ny taona(nao) ity efa hiampy iray indray anefany :-)

Fa mba fantatrao ve ny personalité an i Ismaely e. Ianao anie izao no tena mampiohomehy e manankina ny zavatra tsy hay dia lasa miteniteny foana.
109. rhaj0 ( 31/12/2015 15:27)
izaho ve hampiady karajia aminao @ izay personnalite-n'izao olona rehetra ao @ (conte et) legende-nao ao... sahala @ ireny zaza eny @ garabola ireny ho'a, ka hiady hevitra @ personnalite-n'ny nain sy schtroumpf ary lutin...

110. tealala ( 31/12/2015 17:18)
Izay izany ko, be dia be ny olona tsy fantatrao amin'ilay boky tsy misy omena tsiny amin'izany anie e, fa rehefa mba manenjika olona hoy aho dia mba zavatra hay anenjehana fa manao fomba firesaka babakoto :D, mba resaka misy volombava no atao fa tsy resaka be volovolo amin'ny vatana
111. rhaj0 ( 31/12/2015 17:39)
n'enao tsy resaky ny be volombava fa resaka-na garabola mbola tsisy volony, dia nefa mbola tsy asianao lohany koa, fa ihodikodinanao tahaka ny alika manenji-drambo ao..

tsy aleo ve ry nama mba olon'ny taona 1900-2000 no halalinina dia ampianarana ny ankizy ...

bonanée eee...
112. RBNIR ( 01/01/2016 06:40)
tealala:

Misy fantatro ny fitandremana ny sabata ry RBNIR a, fa tsy mba ohatra ny anareo rehefa metimety amin'ny tena dia tanterahina fa rehefa tsy mety amin'ny tena dia efa novahain'olombelona izay nasandratra ho andriamanitra kely.

Hoy Jesosy indray andro : « Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. » (Mat.5:20)

Araka io teny io dia "manana" fahamarinana ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo "saingy" tsy ampy hahafahana miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra "mihitsy" izay fahamarinana ananany izany.....

Nahoana? Nanazava izy eo ambany (misy ohatra vitsivitsy manomboka eo amin'ny Mat.5:21 ; fa ity iray ity no horaisiko hampahazava azy tsara)
« Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14). » (Mat.5:27)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. » (Mat.5:28)

"Tsy ampy" ny fitandremana ny lalàna ivelany fotsiny ihany....ary nohamafisiny tato izany....
« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny fahalotoana rehetra. » (Mat.23:27)

Ny fanekena taloha (izay ny fariseo sy ny mpanora-dalana no tena spécialiste aminy) nahafahana nanadio ny ivelan'ny olona fotsiny ihany fa tsy nahafahana nanadio ny tany anatin'ny olona rehetra tany....manamafy izany ity teny ity....« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana. » (Mat.23:25)

Izay indrindra ilay "tsininy tamin'ny fanekena taloha (izay voarakitra manontolo ao amin'ny bokin'ny testameta taloha) « Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa. » (Heb.8:7)

Ny vahaolana nentin'Andriamanitra araka izany dia novonoina ilay soratra ivelany .....
« ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana, » (Kol.2:14)

Nosoloiny kosa "soratra anatiny".....« Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Heb.8:10)
« "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy," » (Heb.10:16)

Iza no hanoratra ireo lalàna ireo ampon'ny olona sy ao an-tsainy?

« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Eze.36:26)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Eze.36:27)

Araka io teny io dia ny Fanahiny no hanoratra ilay lalàna ho ao am-pon'ny olona.....

Iza no mpanome an'io Fanahy Masina io? « Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; » (Mat.3:11)

I Jesosy no voatendrin'Andriamanitra hanome ny Fanahy Masina (na lazaina tsotra hoe voatendry hanao batisa amin'ny Fanahy Masina)

Izay ihany koa no manamarina ity teny nolazain'i Jesosy ity....« Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jao.14:6)

Izay manana maso aoka hahita....Izay manana saina aoka hisaina......
113. Strong3 ( 04/01/2016 13:12)
dia mampalahelo ilay jiosy gasy sy ilay mba milaza ho manana nyf ampianaran'i kristy nefa miantehatra amin'ny andro sy ny volana ny famonjena sy ny handovan'izy ireo ny paradisa

maty foana Ilay Zanak'Atra Tsitoha raha aminareo ireo!

izay no ilazako fa tsy kristiana ianareo fa Isaia 4 ihany , izay mba te hotononina hoe mpianatr'i Kristy fotsiny fa ny filanareo laza sy dera ary ny sai-patanareo ihany no ataonareo amin'ny andro sabata sy ny baiboly !
114. tealala ( 04/01/2016 14:17)

Strong3:

dia mampalahelo ilay jiosy gasy sy ilay mba milaza ho manana nyf ampianaran'i kristy nefa miantehatra amin'ny andro sy ny volana ny famonjena sy ny handovan'izy ireo ny paradisa

maty foana Ilay Zanak'Atra Tsitoha raha aminareo ireo!

izay no ilazako fa tsy kristiana ianareo fa Isaia 4 ihany , izay mba te hotononina hoe mpianatr'i Kristy fotsiny fa ny filanareo laza sy dera ary ny sai-patanareo ihany no ataonareo amin'ny andro sabata sy ny baiboly !

Cours du soir ireny e, any amin'ny mangingina any olona tokana na roa na telo no niresahan'ilay jesosy fa tsy natao tahaka ilay teny amin'ny tendrombohitr sinay
115. RBNIR ( 05/01/2016 06:05)
Faly misera hatrany,

Fa inona marina moa no tian'ireto teny ireto ambara?
« Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. » (Gal.4:10)
« Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo. » (Gal.4:11)

Mitovy amin'ny izay voalaza ao amin'ny kol.2:16,17 ihany...
« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kol.2:16)
« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kol.2:17)

Ny andro dia tsy inona fa ireo andro firavoravoana,
Ny volana dia tsy inona fa ny voaloham-bolana,
Ny taona kosa dia tsy inona fa ireo sabata taona (vakio ny levitikosy 25)

VAKIO ATO AMIN'ITY ROHY ITY DIA HAZAVA AMINAO TSARA
http://forum.serasera.org/forum/message/m562a19c761ffb

Ilay Sabata voasoratra ao amin'ny kol.2:16 io dia au pluriel (vakio ny dikan-teny frantsay) fa tsy ny Sabata andro fahafito akory.....
16 Que personne donc ne vous juge au sujet du manger ou du boire, ou au sujet d'une fête, d'une nouvelle lune, ou des sabbats :

Araka ilay ao amin'ny kol.2:17 dia tsy tandremana intsony ireny satria "aloky ny zavatra ho avy"...

Tsy misy ifandraisany velively amin'ny Sabata andro fahafito izay mbola notandreman'i Jesosy sy ny mpianany fatratra ary mbola nanafarana ny olona fa...

« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (na ny andro fahafito vakio ny dikan-teny DIEM) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb.4:9)

Hamafisin'ny baiboly katolika (dikan-teny anglisy) 9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,

http://www.catholic.org/bible/book.php?id=65&bible_chapter=4
116. RBNIR ( 05/01/2016 06:05)
Iza no mbola mahatandrina 100% ny lalànan'ny Sabata?

1 Efa nambara fa tsy fahamarinana ivelany no takian'Andriamanitra fa fahamarinana anatiny (izay hita soritra ho azy ety ivelany rehefa madio ny ao am-ponao)

2- Ny Fanahy Masina no hanova ilay olona ho mpitandrina Sabata...
Rehefa tanteraka ao aminao ity teny ity....« Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy* ary tsy mandeha amin'ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana, [Na: Azy] » (Isa.58:13)

Vakio tsara "manao ny Sabata hoe Fahafinaretana"....

Rehefa tonga ao anatinao io dia tsy ho isan'izay "himonomonona" intsony ianao fa satrinao hitandrina ny Sabatan'i Jehovah mandrakariva......

Ny Fanahy Masina ihany koa no hanoro anao ny antsipirihiny ka dia ....« Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra; » (Heb.8:11)
117. rhaj0 ( 05/01/2016 11:48)
RBNIR:
Vakio tsara "manao ny Sabata hoe Fahafinaretana"

hi hi hi... Ka @ ilay Jiosy, rahefa Sabata dia tsy mahazo manao firaisana... Izany no tena hoe "Sabata 100%" ary originelle,,.
aiza koa azany ianao izany ry RBNIR sy ny Fahafinaretana... :-)
118. RBNIR ( 05/01/2016 12:59)
rhaj0:

RBNIR:
Vakio tsara "manao ny Sabata hoe Fahafinaretana"

hi hi hi... Ka @ ilay Jiosy, rahefa Sabata dia tsy mahazo manao firaisana... Izany no tena hoe "Sabata 100%" ary originelle,,.
aiza koa azany ianao izany ry RBNIR sy ny Fahafinaretana... :-)

raha hiditra lalin-dalina amin'ny détail hoy aho dia araho ilay fandaharana e! hatreto aloha dia saino lalina araka ireo fizarana hoe tena tokony tandremana tokoa v ny Sabata araka ny fampianaran'i Jesosy sa tsia? dia raha hitandrina azy ahoana? toy ny fanaon'ny fariseo sy ny mpanora-dalana sa ahaona marina?.....Rehefa resy lahatra dia mirosoa indray amin'ny lalina kokoa , ahoana marina ary ny fitandremana azy io.....Mandehana toy ny zaza dia tsy ho "zioga" ho anao io ry namana....hamafisiny miandalana ny taolanao, asiany nify ianao hitsakoana dia avy eo tolorany ventinkanina amin'izay.....Aza maika fa izay tonga hatramin'ny farany ihany no arabaina!!!

Eto moa zaza maroroka no betsaka ka avy dia te hisavika ny hena (misy taolana) eny antanan'i dadabe, ny nify entina mitsako tsy misy akory dia kendan'ny taolana vao hoe hoy aho hoy.....

Izay manana maso aoka hahita!!!! Izay manana saina aoka hisaina!!!
119. rhaj0 ( 05/01/2016 19:33)
Ka dia tohizo infantiliser-na ao izany ny tenanao sy ny sainao ry RBNIR, na dia efa mandroso aza ho'a ny taonanao e...

Eny azany fa dia ivereno sy iaino ny garabola, ary mijanoana ao, fa manja koa ho'a ny adi-hevitra sy fifanakalozana momba ny lutin/schtroumpf/nain ohatra.. aiza tsara ilay lojika, inona aby ireo regles non-écrits, ahoana ny pouvoir surnaturel, ahoana no iresahana mivantana amin-jareo, ahoana ny incantation tsara fatao, ets...
120. rhaj0 ( 05/01/2016 20:47)
Inty azany ireo "voasoratra" momba ny Sabbath ao @ Baiboly eee.. @ teny anglisy ireo fa zahavo ny teny gasy azany. Dia aza manaiky fetsifetsen'izay belazao ao intsony, fa ianao ihany dia afaka mahalala ny @ izany.

http://bibviz.com/is-it-necessary-to-keep-the-sabbath-sab.html
- Is it necessary to keep the sabbath?
- YES and NO
.

Ka dia izay mampetimety ny baolinanao ao fotsiny atao fa mety foana io eee... :-)

YES it is necessary to keep the sabbath:

Exodus 16:29
See, for that the LORD hath given you the sabbath, therefore he giveth you on the sixth day the bread of two days; abide ye every man in his place, let no man go out of his place on the seventh day.

Exodus 20:8
Remember the sabbath day, to keep it holy.

Exodus 31:13-15
Speak thou also unto the children of Israel, saying, Verily my sabbaths ye shall keep: for it [is] a sign between me and you throughout your generations; that [ye] may know that I [am] the LORD that doth sanctify you.
Ye shall keep the sabbath therefore; for it [is] holy unto you: every one that defileth it shall surely be put to death: for whosoever doeth [any] work therein, that soul shall be cut off from among his people.
Six days may work be done; but in the seventh [is] the sabbath of rest, holy to the LORD: whosoever doeth [any] work in the sabbath day, he shall surely be put to death.

Exodus 34:21

Six days thou shalt work, but on the seventh day thou shalt rest: in earing time and in harvest thou shalt rest.

Exodus 35:2
Six days shall work be done, but on the seventh day there shall be to you an holy day, a sabbath of rest to the LORD: whosoever doeth work therein shall be put to death.

Leviticus 19:3
Ye shall fear every man his mother, and his father, and keep my sabbaths: I [am] the LORD your God.

Leviticus 23:3
Six days shall work be done: but the seventh day [is] the sabbath of rest, an holy convocation; ye shall do no work [therein]: it [is] the sabbath of the LORD in all your dwellings.

Numbers 15:32
And while the children of Israel were in the wilderness, they found a man that gathered sticks upon the sabbath day.

Deuteronomy 5:12
Keep the sabbath day to sanctify it, as the LORD thy God hath commanded thee.

Isaiah 56:2
Blessed [is] the man [that] doeth this, and the son of man [that] layeth hold on it; that keepeth the sabbath from polluting it, and keepeth his hand from doing any evil.



NO it is not necessary to keep the sabbath:

Isaiah 1:13
Bring no more vain oblations; incense is an abomination unto me; the new moons and sabbaths, the calling of assemblies, I cannot away with; [it is] iniquity, even the solemn meeting.

Matthew 12:2
But when the Pharisees saw [it], they said unto him, Behold, thy disciples do that which is not lawful to do upon the sabbath day.

John 5:16
And therefore did the Jews persecute Jesus, and sought to slay him, because he had done these things on the sabbath day.

Romans 14:5
One man esteemeth one day above another: another esteemeth every day [alike]. Let every man be fully persuaded in his own mind.

Colossians 2:16
Let no man therefore judge you in meat, or in drink, or in respect of an holyday, or of the new moon, or of the sabbath [days]:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.407