FANTARO NY AMPITSO IZAY HO AVY TSY HO ELA.....

1. RBNIR ( 29/07/2016 17:50)
Aleo angamba hotohizantsika ato ity lohahevitra ity.....

http://forum.serasera.org/forum/message/m5704374e35428
novalian'i RBNIR ny 11/01/2017 08:17
2. RBNIR ( 29/07/2016 18:34)
Raha fintinina dia otran'izao ilay voalaza tany...

Asan'ny anjely voalohany....(Apok.14:6,7)
Ny anjely voalohany dia hitaona ny olona hiankohoka amin'ilay Andriamanitra tena Izy (ilay nahary ny lanitra sy ny tany) , hatahotra ary koa hanome voninahitra Azy io....

Raha fintinina ny zavatra izay hataon'io voalohany io dia hitaona ny olona hitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy...

« Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apok.14:12)

Asan'ilay anjely faharoa kosa (Apok.14:8) dia handrava ilay babylona lehibe izay voalaza fa renin'ny fijangajangana....

Rehefa rava moa ny reniny dia ho rava koa ireo zanany rehetra (ireo Andriamanitra tsy izy rehetra)...

Ny asan'ireo anjely 2 voalohany ireo araka izany dia hitaona ny olona hanompo Andriamanitra Tokana sady Marina ary koa hitaona ny hafa hiala amin'ny Andriamanitra tsy izy rehetra....

Hizotra amin'ny fanompoana Andriamanitra TOKANA SADY MARINA IZAO TONTOLO IZAO ARAKA IZANY.....

Ny fivavahana kristianina sisa no hitoetra fa ho rava avokoa ireo karazam-pivavahana hafa rehetra......

Hiroborobo fatratra ilay FITORIANA LEHIBE FARANY hataon'ireo olona izay hofidin'i Jesosy mivantana....

Hifidy an'ilay bibidia amin'izay kosa ny dragona (na devoly na satana) entiny hanoherana ny fampianaran'ireo olona hofidin'i Jesosy mivantana ireo (TSY TIANY HO VOAVONJY NY OLONA)

Eo indray amin'izay kosa no hitsanga ilay anjely fahatelo hitaona ny olona tsy hiankohoka (tsy hanaiky ny fampianarana) eo anoloan'io bibidia io......

« Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, » (Apokalypsy 14:9)
« dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; » (Apokalypsy 14:10)
« ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. » (Apokalypsy 14:11)

Hizara 2 mazava hatreo ny fivavahana kristianina, etsy andaniny ireo manaraka ireo olomboafidin'Andriamanitra vaovao hitaona ny olona hitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy « Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apokalypsy 14:12)

Etsy ankilany kosa ireo mpanaradia an'ilay bibidia (miankohoka hoy ny soratra masina) izay mitaona ny olona hino an'i Jesosy ihany saingy kosa mitaona ny olona hanitsakitsaka ny didin'Andriamanitra fa kosa hanaraka izay didy havoakany......

Rehefa vita kosa ny asan'ireo anjely telo ireo dia inona no hitranga????
3. RBNIR ( 29/07/2016 18:50)
Rehefa vita ny asan'ireo anjely telo ireo dia hiraraka amin'izay ny loza fito farany voalaza ao amin'ny apokalipsy 16

Araka ny voasoratra ao dia natao ho an'ireo izay nandray ny marik'ilay bibidia sy niankohoka teo amin'ny sariny ireo loza ireo « Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny. » (Apok. 16:2)

Inona avy ary ireo loza ireo???

Ny loza voalohany ka hatramin'ny loza faha dimy (apok.16:2-11).....

4. tealala ( 30/07/2016 06:33)
Hoy ny jenezy hoe :8,21
L'Éternel aspira la délectable odeur, et il dit en lui-même: "Désormais, je ne maudirai plus la terre à cause de l'homme, car les conceptions du cœur de l'homme sont mauvaises dès son enfance; désormais, je ne frapperai plus tous les vivants, comme je l'ai fait.
5. rhaj0 ( 01/08/2016 12:12)
esy e ry RBNIR.. hitako @ google images ity famintinana ny Loza 7 sy izay resaka 7 ao anaty Baiboly..




Dia tsy sirikao ve fa, imagination de l'an zero daholo izany resaka izany? Inona no idiran'ny Andrtrmna (ao @ imagination-nao ankehitriny) @ izany??
6. rhaj0 ( 01/08/2016 15:06)
Dia mahonena mihintsy ho'a hoe, mba olon-dehibe @ fiaraha-monina ao ve nama, dia minomino foana an'izany loza 7, trompeta 7 sy fitombo-kase 7 ary koa, t@ voalohany, ny andro 7. Inona ity numerologie primitive ity ee ????

Ilay trompeta 7 dia tena mampihomehy.. dia ny ampahatelon-javatra hono no potika. SAtria 3 no piston @ trompetra?? nefa kay moa anjomara ny t@ l'an-zero fa mbola tsisy piston.

Ilay soavaly maro loko koa tena mahatsikaiky.. hi hi hi.. ka soa izany fa nampidirin'ny mpiavy taty amintsika ny soavaly cheval, ary dia io koa izany ry RBNIR fa ho voan'ny fitombo-kase-n'ny soavaly maro loko..
7. Miharena ( 02/08/2016 11:48)
Tsy mbola miova ihany RijaD hatramin'izao na dia efa be dia be aza ny mpitory.

Efa fantatra anefa izy fa manaraka tantara be mihitsy.

Fa izao angamba no tokony mbola hojeren'ny namana isany hoe : hatraiza ny fahafahana manatanteraka ireo loza voalaza ireo raha toa ka ny tany sy ny masoandro ary ny Univers aza vitan'Andriamanitra no manetsika azy, ka ilay loza ve tsy hainy hatao?

Fa azo tarafina amin'ny tantara daholo ny zavatra voasoratra raha Tenin'Andriamanitra ny Baiboly.

Fa mba ahirato ihany ny masom-panahy namana fa raha tsy masom-panahy tsy mahalala izay voasoratra sy ny zava-misy hitranga.

Azo atao tsara ny manaraka ireny zavatra maro izay mitranga amin'izao fotoana izao ary manombolka miray feo ireo mpitory rehetra ka aoka angamba tsy hanao tsinontsinona ireny isika rehetra e!

Mazotoa daholo
8. stahtam ( 03/08/2016 08:24)

[quote=Miharena]
Tsy mbola miova ihany RijaD hatramin'izao na dia efa be dia be aza ny mpitory.

Efa fantatra anefa izy fa manaraka tantara be mihitsy.

Fa izao angamba no tokony mbola hojeren'ny namana isany hoe : hatraiza ny fahafahana manatanteraka ireo loza voalaza ireo raha toa ka ny tany sy ny masoandro ary ny Univers aza vitan'Andriamanitra no manetsika azy, ka ilay loza ve tsy hainy hatao?

Fa azo tarafina amin'ny tantara daholo ny zavatra voasoratra raha Tenin'Andriamanitra ny Baiboly.

Fa mba ahirato ihany ny masom-panahy namana fa raha tsy masom-panahy tsy mahalala izay voasoratra sy ny zava-misy hitranga.

Azo atao tsara ny manaraka ireny zavatra maro izay mitranga amin'izao fotoana izao ary manombolka miray feo ireo mpitory rehetra ka aoka angamba tsy hanao tsinontsinona ireny isika rehetra e!

Mazotoa daholo

[quote=stahtam]
Sarihiko ny sainao ry Miharena handinika ity zavatra iray nolazain'i RBNIR ity:
"Ny fivavahana kristianina sisa no hitoetra fa ho rava avokoa ireo karazam-pivavahana hafa rehetra......":
Iza no hino an'izany na dia atao hoe tsy azo atao aza ny manao tsinontsinona ny hafa? Ahirato ny maso fa ny sentiments dia mahavery. Dia ahoana izany ny silamo, ny judaismes...?
Manaraka izany, tsy hiray feo izany ireo fa hiray saina hanambaka ny marivo salosana fotsiny (escroquerie évangélique). Jereo dia diniho fa fampihiratana ny maso izao andro izao. Tsy ny habetsahan'ny mpitory no midika fa marina izay lazain'izy ireo. Avy any Amerika sy Eoropa no nihavian'io fivavahana lazaina fa ho sisa tafajanona io ka iza no nane(nd)ry ny Eoropeana sy ny Amerikana hitory filazantsara? Valiny: ny intérêts économiques et industriels tany aminy.
9. Miharena ( 03/08/2016 08:54)

stahtam:


[quote=Miharena]
Tsy mbola miova ihany RijaD hatramin'izao na dia efa be dia be aza ny mpitory.

Efa fantatra anefa izy fa manaraka tantara be mihitsy.

Fa izao angamba no tokony mbola hojeren'ny namana isany hoe : hatraiza ny fahafahana manatanteraka ireo loza voalaza ireo raha toa ka ny tany sy ny masoandro ary ny Univers aza vitan'Andriamanitra no manetsika azy, ka ilay loza ve tsy hainy hatao?

Fa azo tarafina amin'ny tantara daholo ny zavatra voasoratra raha Tenin'Andriamanitra ny Baiboly.

Fa mba ahirato ihany ny masom-panahy namana fa raha tsy masom-panahy tsy mahalala izay voasoratra sy ny zava-misy hitranga.

Azo atao tsara ny manaraka ireny zavatra maro izay mitranga amin'izao fotoana izao ary manombolka miray feo ireo mpitory rehetra ka aoka angamba tsy hanao tsinontsinona ireny isika rehetra e!

Mazotoa daholo

[quote=stahtam]
Sarihiko ny sainao ry Miharena handinika ity zavatra iray nolazain'i RBNIR ity:
"Ny fivavahana kristianina sisa no hitoetra fa ho rava avokoa ireo karazam-pivavahana hafa rehetra......":
Iza no hino an'izany na dia atao hoe tsy azo atao aza ny manao tsinontsinona ny hafa? Ahirato ny maso fa ny sentiments dia mahavery. Dia ahoana izany ny silamo, ny judaismes...?
Manaraka izany, tsy hiray feo izany ireo fa hiray saina hanambaka ny marivo salosana fotsiny (escroquerie évangélique). Jereo dia diniho fa fampihiratana ny maso izao andro izao. Tsy ny habetsahan'ny mpitory no midika fa marina izay lazain'izy ireo. Avy any Amerika sy Eoropa no nihavian'io fivavahana lazaina fa ho sisa tafajanona io ka iza no nane(nd)ry ny Eoropeana sy ny Amerikana hitory filazantsara? Valiny: ny intérêts économiques et industriels tany aminy.


Mety ho marina ny fanamarihana raha toa ka tsy mahatsikaritra hoe misy tsy fahampiana ireo karazam-pirehana izay hita taratra aminy ny fampiasana karazam-pomba tohanana ka miteraka ireo ....isma be dia be ireo. Dia rehefa tonga amin'izay sehatra izay dia mila miakatra ambony kokoa mamantatra hoe inona no hafatra ampitain'ny tsirairay avy amin'izy ireo dia mahita hoe iza no marina indrindra tsy misy fifikirana amin-javatra na tsangan-kevitra.

Ny tsangan-kevitra manko doa mazava fa fahaiza-manao avy amin'ny maha-olombelona na avy amin'ny voary ara-panahy hafa ihany ary azo ravana na tsy arahina rehefa hita fa tsy mahomby fa ny drafitra Fototra dia tsy azo hozongozonina dia tadiavina izay Tompon'Antoka mahay io Drafitra Fototra io ahafahana mianatra Aminy. Mety azo hadihadiana hatrany ny marika ahitana fa drafitra tsy azo hivalozana ny IRAY mahafehy ny firehana rehetra.
10. rhaj0 ( 03/08/2016 11:58)
Miharena:
hatraiza ny fahafahana manatanteraka ireo loza voalaza ireo raha toa ka ny tany sy ny masoandro ary ny Univers aza vitan'Andriamanitra no manetsika azy

Efa noresahina lavabe teto io, ohatra tato, ry Miharena
http://forum.serasera.org/forum/message/m572361c41a7df

Fa dia aleo averina kely, fa ny amerimberenanana zy no manan'ny antitra hono eeee..
Genesisy 1:27 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’ Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.

Ka "tahaka ny endrik'Andtrmna" hono izany ianao io ry Miharena. Et reciproquement, tahaka ny endrikao Miharena izao Andmntra izao.

Dia... jereo kely hoe ny tabilao



Ka aiza ho aiza, ary @ ahoana, izany Andmntra tahaka ny endrikao izany no "manetsika" an'ireo tany/kintana/galaksia ireo re ry Miharena..

hi hi hi .. ka ho ampiasaina ilay "saina" sa ilay "imagination" ry Miharena ooooo ??? :-)
11. tealala ( 03/08/2016 12:21)
Izao an i rhajo izao no hatao hoe mandray tsy raisina : "tahaka ny endrik'Andtrmna" hono izany ianao io ry Miharena. Et reciproquement, tahaka ny endrikao Miharena izao Andmntra izao.
Ny tsy takany dia ny tian'io hotenenina tsy hoe Andriamanitra manana tongotra sy tanana sns fa izy namorona ny tany sns be dia be dia niteny foana izy hoe "ka hitany fa tsara izany" eo no mahatonga izany hoe "à son image" tsy raisina ara-bakiteny hoe tahak'azy.

Ny ampitso izay tsy ho ela angamba dia io efa manomboka io http://www.europe1.fr/politique/pacte-avec-lislam-de-france-lexercice-delicat-de-manuel-valls-2812345 : "Pacte" avec l'islam de France : l'exercice délicat de Manuel Valls
Daniel 2,41
Et si tu as vu que tes pieds et les orteils étaient partie en argile de potier et partie en fer, c'est que ce sera un empire divisé; toutefois il aura en lui quelque chose de la solidité du fer, en raison de ce que tu as vu du fer mêlé avec de l'argile boueuse.
2,42
Les orteils des pieds étaient partie de fer et partie d'argile: c'est que cet empire sera en partie fort et en partie fragile.
2,43
Et si tu as vu le fer mêlé avec de l'argile boueuse, c'est que ces [deux parties] se mêleront par des alliances humaines, mais sans qu'elles s'attachent solidement l'une à l'autre, pas plus que le fer ne s'amalgame avec l'argile.
Argile : Islam
Fer : Christianisme
12. rhaj0 ( 03/08/2016 12:51)
ny tian'io hotenenina... "à son image"

Izay indrindra ilay izy: Hozy ny Anglisy koa hoe:
Genesis 1:27 So God created mankind in his own image, in the image of God he created them; male and female he created them.

Ka dia avilambilano ao izany io ry Stahtam aaa..."own image... male and female". Izaho indray ve no handrara anao "hamilambilana ny Boky masina" ao.. :-)

Fa raha izaho k'lou dia, io izany ny "voasoratra" (dia voasoratra) fa ilay "image...male and female" no "manetsika" ny .. tany/kintana/galaxy eee...

Ka ampiasaina ve ho'a ilay saina sa ilay imagination eee....


Dia mahonena koa ho'a ilay hoe "Argile : Islam, Fer : Christianisme" miaraka @ ilay " le fer ne s'amalgame avec l'argile". Inona tokoany moa fa dia samia ho'a "mamilambilana" izay voasoratra (dia voasoratra) ao eee... Dia @ anaran'io "voasoratra" io (na interpretation-n'i Stahtam manokana azy ao), dia TSY afa-miara-miaina hono izany ny Silamo sy ny Kristiana eee...

Ataovy ao ihany ny miteniteny foana ao, fa sahala @ tsy takatrao mihintsy fa @ fiaraha-monina anie ka misy dia misy ny "interfaith marriage": be dia be ohatra ny silamo/kristiana mivady...

Dia hotry ny tsy takatrao koa, fa ny fitenitenenana foana toa izao no mahatonga ny guerre de religion, na fara-fahatsarany, ny fifanilihana sy fanavakavahana ao anaty fiaraha-monina.
13. tealala ( 03/08/2016 13:03)
-tealala io fa tsy stahtam ka.. finoana 2 samy naneho herisetra ireo

-be dia be ohatra ny silamo/kristiana mivady...(tsy dia hidirako ny fivadiny fa maneran'tany io lazaiko io, ny silamo anie izao efa miparitaka ry rhajo e, dia mba mijereva vaovao, te hitambatra ireo fa ny vy sy ny tany ve iraikitra aminao? zavatra sadasada be.)
jereo ny ao frantsa manambitamby ny silamo ao aminy, vy sy tany ary ve hoy aho hitambatra? mbola hitohy io.. Izaho ato efa tsy gaga intsony amin'ireny vaovao mandeha ireny.

-"Dia hotry ny tsy takatrao koa, fa ny fitenitenenana foana toa izao no mahatonga ny guerre de religion, na fara-fahatsarany, ny fifanilihana sy fanavakavahana ao anaty fiaraha-monina."
Ny fisainan'ny silamo dia rehefa tsy manaraka ny finoany ianao dia apaokany ahazony virijiny 12 any andanitra any hono.
14. tealala ( 03/08/2016 13:10)
"Dia hotry ny tsy takatrao koa, fa ny fitenitenenana foana toa izao no mahatonga ny guerre de religion, na fara-fahatsarany, ny fifanilihana sy fanavakavahana ao anaty fiaraha-monina."
Ny olana rehefa tsy resahana na tsy raraina dia tsy midika hoe foana ny olana.
15. rhaj0 ( 03/08/2016 13:29)
Ka ny "amalgame" Kristiana-Moslimo izany "olana" aminao.

Ny anay aty Kanada izao dia 1/5-n'ny mariazy no "inter-religious"
http://www.statcan.gc.ca/pub/11-008-x/2006003/9478-eng.htm

marihina tsara fa inter-religious dia eo @ izay SAMY HAFA finoana, toa moslimo sy Kristiana, na Boudista sns... ny Protestanta/Katolika dia mbola samy kristiana.

Ka dia mariazy iray @ mariazy dimy izany no "amalgame".


Legoza... mba mivoaha ihany ho'a ao @ box-kely ao. Dia hotry ny izaho foana no Irainizeloza rahefa miteny ana(re)o hoe, mba sokafy ilay saina sy maso, fa tsy mba izao nosesefan'izay be-rebereba anareo ao izao foana no bolokiana eee... Efa misy io interinety dia mba ampiasaina ilay interinety sy ilay saina ho'a eee...

tabarouette (ompa kebekoa io eee ... :-)
16. Miharena ( 03/08/2016 13:32)
Ka io anie RijaD tsy misy afatsy ao amin'ny Baiboly ihany no ahitana fa marina fa endrik'Andriamanitra ny olona fa ny tsy nosaininao dia tsy ampy kely tampoka izy vao nanaraka feo hafa ankoatran'Andriamanitra niteraka azy. Raha tsy asiana ohatra mivaingana toa an'i Jesoa tsy mahatsiaro hiverina. Io aza efa tonga ny ohatra tonga lafatra mbola tsy mino ihany.
17. tealala ( 03/08/2016 13:36)
Lasa any anaty resaka mariazy indray isika izany fa tsy le idéologie mikasika ilay réligions 2?
ohatrin'ny mivaona ny resaka a.
18. tealala ( 03/08/2016 13:37)
izaho izao mbola tsy naheno hoe silamo sy kristianina nivady dia nisy baomba nipaoka tao an tranony manko.
19. Miharena ( 03/08/2016 13:43)
Ka raha hoe resaka faharavana, tsy ny endrik'Andriamanitra nampiasaina tamin'ny ratsy ihany ve dia efa ampy hitondra amin'ny faharavana? Satria hery roa mifanohitra!
20. tealala ( 03/08/2016 13:46)
Ka ny faharavana anie izao tsy hoe olona manao ny (tsara) no iharan'ny faharavana, fa ny olona tahaka ny tao sodoma ireny e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1481