FANTARO NY AMPITSO IZAY HO AVY TSY HO ELA.....

21. rhaj0 ( 03/08/2016 14:04)
tealala:
Lasa any anaty resaka mariazy indray isika izany fa tsy le idéologie mikasika ilay réligions 2?
ohatrin'ny mivaona ny resaka a.

Ka ny tsipihinao anie ry Tealala dia ny TSY tokony isian'ny "amalgame entre le fer et l'argile", na Kristiana sy Moslimo, hozy ny Boky Masina (araka ny interpretation manokan'i Tealala azy ao). Dia hoe, "olana" ny "alliance" @ ireo roaroa ireo.

Dia tena TSY takatrao ve, sa dia miziriziry be ao fotsiny ianao, satria milohaloha ny be-rebareba ao fotsiny eee...

Raha ny MOslimo anefa izao no miteny an'io teneninao io, dia efa lavabe ny lela fa hoe, extremiste ilay Moslimo.


Dia averiko indray, fa ny karazan'ny fitenenana ataonao io, no mahatonga ny guerre de religion, na fara-fahatsarany, ny fifanavakavahana sy fifanilikilihana eo @ fiaraha-monina sy @ samy firenena. Loza ho anao sy ny mitovy aminao, mampiady olona @ anaran'ny Boky Masina.
22. tealala ( 03/08/2016 14:14)
Tsy ny fitambaran'ireo hoy aho ny olana, fa efa misy kakay amin'zareo e.. Vao t@ alahady aho izao no nahita video ana djihadiste iray nanentana ireo rahalahiny hoe vonoy ny frantsay rehetra tsy misy ankanavaka ary mifohaza ry rahalahy sasany fa efa hita ireo mpiantsara ivelatsihy (ireo izay niara-ory t@ alahady tany am-piangonana ny maraina angamba izany).
Zareo no tsy mety hifangaro fa tsy izaho no mametraka olana amin'ny fiarahany.
23. rhaj0 ( 03/08/2016 14:22)
Asa aloha raha ny eritreretinao dia hoe ny moslimo (rehetra) dia "djihadiste".

Izaho izao ato miara-miasa amina Irakiana sy pakistanais, izay SAMY MOSLIMO.... efa hoe, mivoaha haingana tao @ io box-kely io, fa manjary sain'ady toa be-rebareba hotr'io.


Fa izaho koa ho'a, "vao androany no nahita soratra ana extremista iray manipika hoe tsy mi-s'amalgame ny samy hafa finoana, fa izany hozy ny Boky Masina"
24. Miharena ( 03/08/2016 14:24)
Raha ny resaka tanimanga sy vy indray, manambara ny fihenan-kery noho ny fanankinana ny maha-izy ny olona amin'ny fitaovana sy rafitra noforoniny io. Ka hany ka tsy hita intsony ny fifanampiana manome lanja ny fanahy fahendrena mirindra fototry ny hery ary mampahery ny tsirairay hiaraka mitombo fa tsy mifambodtry toy ny misy amin'izao fotoana izao.
25. tealala ( 03/08/2016 14:28)
misy "blancs des yeux bleus" ny djihadiste, ary ny djihadiste rehetra dia silamo.
26. rhaj0 ( 03/08/2016 15:03)
asa ianao raha nihaino ny Papa. Mba henoy ihany ilery, fa indraidray anie ireny bainina ireny mba kibokiboin'ny fahendrena ihany eee... avadibadiho google fa voaravina any daholo ny resakany

hoz'izy toatoa ny hoe, misy tokoany ny "ady" izao, fa tsy ady reliziosy io, fa ady ekonomika sy ady fahefana... Efa izay foana moa no lazain'ny mpandinika hafa, fa io izany ny Papa mba miteny koa. Asa raha mba hihaino ianao, na koa ny Kristiana, na koa ny Katolika fointsy azany eee...


Dia hadihadio ihany hoe, ahoana tokoany ireny olona djihadiste ireny. Ny hitako aloha, dia ireo avy aty @ tany tandrefana ka lasa djihadista, dia ireo izay TSY niangona akoriny fony fahazazany, fa taitaitran'ny propagandy ao. Ny sasany moa, tsy an'asa ao @ tany manakarena ao, dia araviravin-dry djihadista vola, na koa hoe ho lasa heros hono, dia lasa tokoany. FA ny fehin-kevitra aloha, dia olona misavika ny fivavahana silamo ho @ tombo-tsoany na izay agenda-ny manokana ao ity djihadisme ity.

Ny ao an-toerana indray, ny ao Irak ohatra, dia fantatra fa ireo miaramilan'i Saddam Hussein taloha, izay very (fahefana), no namahana ireo djihadista tao; dia nosavihan'izay mollah extremista tao koa moa ny resaka, mba azahoany voninahitra sy fahefana, dia ... eo izao isika izao.


Fa io hotry ny miaramila ihany ee.. amena daina dia lasa izao tokoany, tsy mahalala izay mahafaty azy, na koa ny rariny/hitsiny, fa tonga daroka. Dia hainao tsara fa religion = opium.

Ka ilay religion dia "fitaovana" fotsiny ampiasain'ireo debabe.
27. tealala ( 03/08/2016 15:27)
"olona misavika ny fivavahana silamo", inona avy ny zavatra hatao raha hivadika silamo?
"Ka ilay religion dia "fitaovana" fotsiny ampiasain'ireo debabe." tsy athée tahakanao daholo ireo olona ireo ka isaky ny hipoka dia hiantso allah akbar silamo ireo, fa ianao moa izany dia mino izay hitanao sy izay loharanom'baovao izay tianao, fa amiko ireo silamo, "descendents d'Ismael" Ismael= Dieu entend=> henon'Andriamanitra ny taraina ataony raha tianao ho fantatra.
28. tealala ( 03/08/2016 15:32)
Ilay izy manko ohatrin'ny hoe miady amin'ny terroriste foana, inona no ifotoran'ireo terroristes? Lazao mazava eto hoe.
29. tealala ( 03/08/2016 15:53)
Sady ny silamo rehefa tsy mitovy fonoana aminy ianao dia ajedany jereo fotsiny ny any siria
30. rhaj0 ( 03/08/2016 16:11)
an an... dia averiko ihany fa mivoaha ianao tao @ box-kelinao tao.. haingana mihintsy..

Izaho ho'a ato izao miray birao @ silamo... nefa tsy "voajedaka". an?!

Ny Jiosy ao Israel koa izao "manajedaka" ny Palestiniana. Nisy mitapison niteny ve hoe, ireny Jiosy (rehetra) ireny, rahefa tsy manaiky ny Israel, dia ajedany? Dia ireo misavisavika te-ho Jiosy toa an-dry Tealala sy Stahtam koa, ireo dia "mpanajedaka" (potentiel) ???


tealala:
inona no ifotoran'ireo terroristes?

Averiko indray azany: ireo terroriste na djihadiste ireo, dia io hotry ny miaramila ihany ee.. amena daina dia lasa izao tokoany, tsy mahalala izay mahafaty azy, na koa ny rariny/hitsiny, fa tonga daroka. Dia hainao tsara fa religion = opium. Fa ilay "opium" dia "fitaovana" fotsiny ampiasain'ireo debabe, izay manao ady fahefana sy ady ekonomika.

Ny ao Zamerika izao misy koa mirevy "opium = religion". Mpanajedaka daholo koa ve zareo???
31. tealala ( 03/08/2016 16:52)
"djihadiste rehetra dia silamo" ve aminao midika fa ny silamo rehetra dia djihadiste?
djihadiste ve ilay ray birao aminao?
Inona ilay djihadiste aminao?
32. rhaj0 ( 03/08/2016 17:34)
ah ha..izaho indray no mahazo ny fanontaniana, rahefa avy niteny ry Tealala hoe, fer/argile misara-mianakavy. Tsara rahefa tonga saina kah... Fa tsy Ogaiko azany ianao eee... :-)
33. tealala ( 04/08/2016 04:59)
Izaho ho'a ato izao miray birao @ silamo... nefa tsy "voajedaka".
34. tealala ( 04/08/2016 05:05)
"un musulman extrémiste veut vous décapiter! Un musulman modéré veut qu'un musulman extrémiste vous décapite"
Teneno anie izy hoe mampiomehy ahy ianao mitsingolobody ty dia imehezo ao anie ingahy pakistanais sa tsy aiko izy teo e.
Ny coran ihany no miteny an izany manaova indray recherche hoe amtsika mécréants sy infidèle sns.
35. Miharena ( 04/08/2016 05:57)
Rehefa tsy tody amin'ny fiainana mandrakizay dia rava izay fa aoka isika tsy ho diso hevitra
36. Miharena ( 04/08/2016 05:58)
Rehefa tsy tody amin'ny fiainana mandrakizay dia rava izay fa aoka isika tsy ho diso hevitra
37. stahtam ( 04/08/2016 06:32)

[quote=rhaj0]
ny tian'io hotenenina... "à son image"

Izay indrindra ilay izy: Hozy ny Anglisy koa hoe:
Genesis 1:27 So God created mankind in his own image, in the image of God he created them; male and female he created them.

Ka dia avilambilano ao izany io ry Stahtam aaa..."own image... male and female". Izaho indray ve no handrara anao "hamilambilana ny Boky masina" ao.. :-)

Dia @ anaran'io "voasoratra" io (na interpretation-n'i Stahtam manokana azy ao), dia TSY afa-miara-miaina hono izany ny Silamo sy ny Kristiana eee...

Io stahtam misavitsavika ho Jiosy io...

[quote=stahtam]
Mba azonao omena ve ny porofon'ilay fisavitsavihana?
Efa nanazava ny Gen 1/27 taminao ve i stahtam? raha eny, inona ilay mivilambilana?
Oviana ilay filazako hoe "tsy afa-miara-miaina ny Silamo sy ny kristiana??
38. rhaj0 ( 04/08/2016 10:52)
stahtam:
Mba azonao omena ve ny porofon'ilay fisavitsavihana?
Efa nanazava ny Gen 1/27 taminao ve i stahtam? raha eny, inona ilay mivilambilana?
Oviana ilay filazako hoe "tsy afa-miara-miaina ny Silamo sy ny kristiana??

z'afady fa kay i Tealala no nisisika teo, manakapoka ny silamo rehetra ho djihadista na mpanajedaka olona, dia nafangaroko 'nareo mi-tsam eee...

Fa "impression"-ko aloha rahefa mamaky ny soratr'i Stahtam, dia..
- "misavisavika ny ho Jiosy" i Stahtam (toa an'i Tealala),
- na angamba, te-hiverina @ originelle ("tena izy")... fa dia ny Jiosy ihany anefa io

Ka ahitsio na amafiso azany izany "impression" izany raha mety eee...
39. stahtam ( 04/08/2016 11:18)

rhaj0:

[quote=stahtam]Mba azonao omena ve ny porofon'ilay fisavitsavihana?
Efa nanazava ny Gen 1/27 taminao ve i stahtam? raha eny, inona ilay mivilambilana?
Oviana ilay filazako hoe "tsy afa-miara-miaina ny Silamo sy ny kristiana??

z'afady fa kay i Tealala no nisisika teo, manakapoka ny silamo rehetra ho djihadista na mpanajedaka olona, dia nafangaroko 'nareo mi-tsam eee...

Fa "impression"-ko aloha rahefa mamaky ny soratr'i Stahtam, dia..
- "misavisavika ny ho Jiosy" i Stahtam (toa an'i Tealala),
- na angamba, te-hiverina @ originelle ("tena izy")... fa dia ny Jiosy ihany anefa io

Ka ahitsio na amafiso azany izany "impression" izany raha mety eee...
[quote=stahtam]
Efa nanazava kosa aho teto hoe ny amerikana dia afaka miditra ho silamo (fa tsy misavika ho arabo), ny arabo dia afaka miditra ho kristiana (fa tsy misavika ho eoropeana), ny malagasy dia afaka miditra ho bouddhistes (fa tsy misavika ho hindou)...
40. rhaj0 ( 04/08/2016 11:42)
ok.. misaotra namerina ny fanazavana, fa mazava tsara tokoany io petra-kevitrao io.

Fa tena izaho no diso izany. Satria dia nafangaroko ny fivavahana (jiosy) sy ny kolotora (jiosy) na ny firenena/Tantara (jiosy). Dia miala tsiny fa diso izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2133