Ny fijangajangana ao @ baiboly

1. gasy1zay ( 13/01/2016 15:38)
Ny Ntaolo malagasy dia tsy dia tena havanana loatra ny mifampiresaka "sexualité" hany ka somary voafetra ihany ny voambolana ampiasaina raha resaka sexualité no resahina eo @ fiteny andavanandro.

Misy fiantraikany be anefa zany raha toa hiresaka fandikana ny baiboly satria dia betsaka ny kristianina no mandika vilana na diso fandray ny atao hoe "fijangajangana" ao @ baiboly.

ny fijangajangana ao @ baiboly dia misy endriny 2 miavaka,

1- fijangajangana @ Andriamanitra = fanompoantsampy, fivadiahana t@ Andriamanitra, manana andriamani-kafa

2- fijangajangana eo @ samy olombelona io dia misy endriny maro

Ny tiana ho zaraina eto dia ny fijangajangana eo @ olombelona satria maro no mihevitra fa adultère fa fampirafesana ihany no atao hoe fijangajangana, raha nojerena anefa ny traduction français/anglais dia milaza fa ny tiany ambara @ fijangajangana dia
a) fornicateur/impudique/débauché= olona nanao firaisana nefa tsy mpivady
b) adultère = olona manambady nanao firaisana t@ olona ankoatra ny vadiny

Ny tiana hiavina dia tsotra, maro ankehitriny no tokantrano malagasy kristianina no mikorotana sy rava satria manjaka ny fijangajangana, satria maro no tsy nanaja na manaja intsony ny sitrapon'Andriamanitra fa nanaraka ny fanaon'ny jentilisa, firaisana ivelan'ny fanambadiana, fampirafesana, fitsiriritana, sns... Inona ny vokan'izany : fijangajangana (nampirafy koa ny ankilany rehefa tratrany nampirafy ny andaniny), vohoka tsy niriana, korotana an-tokatrano, hasarotampiaro, tsy fifampitokisana, fisarahampanambadiana sns...

raha kristianina ianao ka nahatsiaro tena nanao izany dia ndao hibebaka mba hahazo famelankeloka sy fitahiana ho an'ny tokantranonao.

novalian'i rhaj0 ny 30/01/2016 21:35
2. rhaj0 ( 13/01/2016 16:27)
laingan'izany fa, ataovy daholo aloha izay mahasalanitra anao ao...

Raha tia anal sex ohatra ianao, dia reveo ao, f'aza mba teriteren'izao bainina taloha izao.. Izy no mety nanao anal sex tany, dia tsy tia na tsy nahay azy tao, dia izay no nanozonany ny taranaka aty aoriana

Raha tia hanao firaisana @ olon-kafa ianao, dia ... reveo ee.. Raha sanatria tsy mahay mampirevy Ivadinao, dia tsory aminy, f'ianao koa ve hiharitra ao mandra-pahafatinao ao, fa tsy mba hahita tsirony mandrakizay ao ohatra...

Fa dia mahaiza fotsiny maka dern ee... mibebaka rahefa antitra be, rehefa iny tsy afa-manao iny intsony :-)

Vaizvazy izany, fa ny soatoavina andrianina dia misy maromaro.. toa ny vivre et laisser vivre, transparence, communication franche et honnete, mutuel sy reciprocity..
3. gasy1zay ( 13/01/2016 17:45)

rhaj0:

laingan'izany fa, ataovy daholo aloha izay mahasalanitra anao ao...

ohatrany hitako mitovitovy @ ity ilay nosoratanao io ambony io rhaj0 an! :) :

1 Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon’ i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ ny saha?
2 Fa hoy ravehivavy tamin’ ny menarana: Ny voan’ ny hazo eo amin’ ny saha dia azonay ihinanana ihany;
3 fa ny voan’ ny hazo eo afovoan’ ny saha kosa no efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza ihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty hianareo.
4 Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory hianareo;
5 fa fantatr’ Andriamanitra fa amin’ izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’ Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.

4. rhaj0 ( 13/01/2016 18:06)
Rahefa manao parallel ry Gasy1zay dia tohizo h@ farany aaa...

rhaj0:
Raha tia anal sex ohatra ianao, dia reveo ao...

gasy1zay:
fa amin’ izay andro hihinananareo azy dia (..) ho tahaka an’ Andriamanitra hianareo

Hay va re ry Gasy1zay ka mahay anal sex (tahaka) i Andrmntra :-)

vazivazy iny, fa ny anao izany ny fitondra-tenanao dia ankininao tanteraka @ soatoavim-baiboly de l'an zero, ary ara-baki-teny:
teny midina tsisy adi-hevitra, na pouiquoi na comment = "aza mijangajanga"

Ny ahy indray dia, mandehana any Mahajanga, ary miaina en société de l'an 2000 ianao, ka dia tandremo fotisny ny... vivre et laisser vivre, transparence, communication franche et honnete, mutuel sy reciprocity..

fa ny folklore manaraka @ kortezy ao aoriana, dia n'enao izany dia feno anjely/demony sns... Ny ahy indray, dia mety hoe kapOty sy kama sutra sy ny lalàna velona ary izay eranao ao ihany eee...
5. gasy1zay ( 13/01/2016 20:38)

Ka ny antony nanokafana ilay lohahevitra araka ny nambarako dia tena maro ireo namana kristiana no manaraka ny fanaona(re)o tsy mino @ société de l'an 2000 dia miaina anaty fijangajangana ka na i pasitera sy mompera aza indraindray dia sadaikatra ny hananatra ny tanora hoe aza manao firaisana alohan'ny fanambadiana, ohatrany ilay fangalarambadin'olona foana no dradradraina nefa ny "fornication" koa dia tena fahotana mitovy lanja @ ilay iray.

1 Ary ny amin’ ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin’ ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.
2 Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.

Now concerning the matters about which you wrote: “It is good for a man not to have sexual relations with a woman.” 2 But because of the temptation to sexual immorality, each man should have his own wife and each woman her own husband.

Ireo andininy 2 ireo dia mbola manamafy fa fijangajangana ny firaisana ara-nofo eo @ lahy sy vavy ivelan'ny fanambadiana.

6. rhaj0 ( 14/01/2016 03:09)
gasy1zay:
..maro ireo namana kristiana no manaraka ny fanaona(re)o tsy mino @ société de l'an 2000 dia miaina anaty fijangajangana...

eny ho'a eee... rahefa "tsy-mino" dia automatiquement mijangajanga: izany ny tampo-pahalalana ao @ Kristi(ana).

Mivoaha ihany ho'a ao @ ilay box-kely, dia 'ndana hanontaniio ohatra ireo monk boudista TSY-mino (ny Andrmntrareo).. tena manao be noho ireo pretra-(sasany)-manolana-ankizy, na pasitera-(sasany)-mamely-ny-mativady-sy-ny-dorkasy, tena manao an'izany ve zareo monk boudista ao izao.
7. Strong3 ( 14/01/2016 08:59)
ka mivoaha hono ao anaty box-kely fa manjary tsy misy manao sipa sy manao rs aloha ny tanora sy ny ankizy

mety amin'i rhaj0 mihitsy mantsy io resaka mitsaingotsaingoka kely eran'ny tanana io !!
mifanakalo vadi sy manome libérté ny zanany handrangao amin'ny alina sy harivariva... efa mivoatra fa tsy fisainana l'an 0 :-) :-) :-) !!!...
8. rhaj0 ( 14/01/2016 11:26)
Strong3:
ka mivoaha hono ao anaty box-kely fa manjary tsy misy manao sipa sy manao rs aloha ny tanora sy ny ankizy

Fony nareo tany @ garabola ve, dia tsy mba nanana ilay sertifica de santé izay, dia misy case ao mila cocher-na hoe: "apte à vivre en société". Raha ny fahitako azy, ny an'i Strong3 sy Gasy1zay dia tena mbola tsy voa-cocher ilay izy tao, ary tsy ho voa-cocher mihintsy mandrakizay, raha izao finoanoany izao no mitohy..

Rahefa miaina anaty sosaity re ry Gasy1zay sy Strong3, dia misy soatoavina roa ohatra
- "vivre et laisser vivre": samia manao izay mahasoasoa azy, ary mazava ho azy, mifametra ny soasoa @ andaniny sy ankilany
- "mutualité sy réciprocité": samy manana ny TSY tiatiany, ka dia eo no miainga ny compromis.

Ohatra: raha "mangalatra" ianao, dia "mangalatra" koa ny hafa, dia kOpy ianao fa hikorontana ny sosaity, ka dia TSY mangalatra ianao. Dia raha mangala-badin'olona ianao, nefa ny vadinao koa angalarin'ny hafa, dia kOpy ianao izany hoe, ahoana ny fomba fiainana anaty sosaity eee...

Ka ny olona rehetra "apte à vivre en société" dia manana izay reflexe sy reflexion izay, fa TSY mila, toa ny zaza eny @ garabola, eny ho'a, TSY MILA "teny-midina-nakapoka-t@-vato" izany..

9. vahiny2004 ( 14/01/2016 14:29)
rhaj0:

laingan'izany fa, ataovy daholo aloha izay mahasalanitra anao ao...

Mazava izao fa manakana an'i rhaj0 tsy hanao izay hahasalanitra azy "Ilay Boky" ka io mahatonga azy hi s'acharner eto e

Tsy ho valiana intsony ny resakao fa efa mazava ny pourquoi du comment ka inona moa
10. rhaj0 ( 14/01/2016 15:07)
vahiny2004:
Mazava izao fa manakana an'i rhaj0 tsy hanao izay hahasalanitra azy "Ilay Boky"

rhaj0:
Ka ny olona rehetra "apte à vivre en société" dia manana izay reflexe sy reflexion izay, fa TSY mila, toa ny zaza eny @ garabola, eny ho'a, TSY MILA "teny-midina-nakapoka-t@-vato" izany..
11. gasy1zay ( 14/01/2016 15:33)

rhaj0:

gasy1zay:
..maro ireo namana kristiana no manaraka ny fanaona(re)o tsy mino @ société de l'an 2000 dia miaina anaty fijangajangana...

eny ho'a eee... rahefa "tsy-mino" dia automatiquement mijangajanga: izany ny tampo-pahalalana ao @ Kristi(ana).

Mivoaha ihany ho'a ao @ ilay box-kely, dia 'ndana hanontaniio ohatra ireo monk boudista TSY-mino (ny Andrmntrareo).. tena manao be noho ireo pretra-(sasany)-manolana-ankizy, na pasitera-(sasany)-mamely-ny-mativady-sy-ny-dorkasy, tena manao an'izany ve zareo monk boudista ao izao.

Efa notsindriko fa misy ireo kristianina no miaina anaty fijangajangana toa ireo tsy mpino, fa aleo ampiko kely hoe toy ireo tsy mpino sasany ary mbola mijangajanga lavitra noho ireo tsy mpino sasany aza. Mety aminao @ zay ve rhaj0?

ka io ry rhaj0 rehefa ny mpino na kristianina no manota dia vao maika mafimafy kokoa ny fakampanahy mahazo azy avy eo noho ireo tsy mpino satria ny tanjon'ilay ratsy dia ny tsy idiran'ilay kristiana any @ fiainana mandrakizay, vao mitady hiala ry zareo toa voa maika tafaroboka, dia ireny lasa "obsédé" na "addict" (sexe, toaka, rongony, sns ireny...)
tadidio fa ny olona iray tsy mahatsapa tena hoe voagejan'ny ota izy na ny fahazandratsiny raha tsy efa te hiala @ izany ka nahatsapa fa tsy mety tafala.

Ka eto zany mba mananatra ny namana kristiana hoe aleo mitandrina @ fijangajangana fa tsy manao ny fanaon'izao tontolo izao.
12. gasy1zay ( 14/01/2016 15:46)
rhaj0 >fa olona toa inona zany no hitanao fa "apte à vivre en société" ? Izay tia manao firaisana sa izay mangalatra na manaiky angalarin'olona ny vadiny sa rehefa aona fa tsy azoko tsara?
13. rhaj0 ( 14/01/2016 15:47)
Ny olana @ fomba kristiana anie, efa noresahina teto, dia "interdits" foana no ventesinareo eee..

Toa ny zaza eny @ garabola, raha ohatra ka "interdits" no eritreretinao hoe hampa-hendry azy, dia eritrereto tsara fa ny mifanohitra @ izany no hitranga. Vao tsy eo ilay affiche-na interdits, dia tapa-kofehy ny soavaly.

Ny ankizy nozarina hieritreritra, tsisy affiche-na interdits erak'izay alehany, ireny no ho "apte à vivre en société" haingana ary mahomby kokoa.

Dia efa samy lehibe izao izany nareo, dia mbola avy ihany izany i Gasy1zay mandrangaranga ny "interdits" sy ny "teny-midina-nakapoka-t@-vato".

Fa ianao Gasy1zay ihany moa no mi-insulter ny (intelligence-n'ny) Kristiana namanao, ka dia... ao nareo izany eee...

14. rhaj0 ( 14/01/2016 16:19)
gasy1zay:
fa olona toa inona zany no hitanao fa "apte à vivre en société" ?

Raha ny mba fahatakarako azy, dia ny olona dia mahalala hoe, ao anaty sosaity, dia misy ny soatoavina (iombonana) izay mampilamina ny fiarahana. Ary hajaina izay soatoavina izay.

Dia misy koa ny lalàna sintomina avy @ izay soatoavina izay. Fa ny fahalalanao ny soatoavina, dia efa ahalalanao ny @ lalàna.

Ohatra hoe fantatrao fa "laisser vivre" no ady eo, ka dia TSY handeha hanandevo olona ianao.
Dia io ilay hoe, misy ny lalàna hoe, "tsisy manandevo eto", fa TSY izay lalàna izay no arangaranga sy ventesina lava eo, fa efa kOpy ianao fa TSY atao izany fanandevozana izany.

Dia hitanao @ io ohatra io izany, hoe mba hotrhotry ny ahoana i Rakrisy-garabola sy ny "boky tonta"-ny.
15. gasy1zay ( 14/01/2016 16:22)

rhaj0:

Ny olana @ fomba kristiana anie, efa noresahina teto, dia "interdits" foana no ventesinareo eee..

Toa ny zaza eny @ garabola, raha ohatra ka "interdits" no eritreretinao hoe hampa-hendry azy, dia eritrereto tsara fa ny mifanohitra @ izany no hitranga. Vao tsy eo ilay affiche-na interdits, dia tapa-kofehy ny soavaly.

Ny ankizy nozarina hieritreritra, tsisy affiche-na interdits erak'izay alehany, ireny no ho "apte à vivre en société" haingana ary mahomby kokoa.

Dia efa samy lehibe izao izany nareo, dia mbola avy ihany izany i Gasy1zay mandrangaranga ny "interdits" sy ny "teny-midina-nakapoka-t@-vato".

Fa ianao Gasy1zay ihany moa no mi-insulter ny (intelligence-n'ny) Kristiana namanao, ka dia... ao nareo izany eee...

Aza mapme re ry rhaj0 fa dia tena marina tokoa ny lazain'ny namana etsy ambony hoe mazava ny tena manindrona anao @ ty box kely sy ny baiboly ity.

Ianao io zao miaina any Canada, ka hilaza ve ianao hoe ianao no nieritreritra hoe tokony hipetraka eto ve za sa tsia sa misy paneau d'interdiction milaza aminao hoe "parking interdit ôh!

Ianao ve no misaina sy mieritreritra hoe tokony tsy hifoka aho sa misy paneau d'interdiction de fumer?

Na aiza na aiza alehanao dia misy foana ny lalàna sy ny tsy azo atao, fa tsy ny anaty baiboly ihany, tadidio fa mbola mampigadra eto Madagasikara ny fangalarambadin'olona,ohatra fotsiny io, ka tsy hoe ianao no mieritreritra na mandinika sy misaina dia hahalala ny tokony ho atao fa tena misy ny lalàna velona mandrara anao tsy hanao zay tianao rehetra fa tsy hoe ny kristianina ihany no mandràra anao hanao zay tianao.

sao dia ianao mintsy no tsy apte à vivre en société fa vao rarana zany ianao dia ny handika lalàna no mahamaika anao?
16. rhaj0 ( 14/01/2016 17:08)
rhaj0:
Dia misy koa ny lalàna sintomina avy @ izay soatoavina izay. Fa ny fahalalanao ny soatoavina, dia efa ahalalanao ny @ lalàna.

Ohatra hoe fantatrao fa "laisser vivre" no ady eo, ka dia TSY handeha hanandevo olona ianao.
Dia io ilay hoe, misy ny lalàna hoe, "tsisy manandevo eto", fa TSY izay lalàna izay no arangaranga sy ventesina lava eo, fa efa kOpy ianao fa TSY atao izany fanandevozana izany.

Dia fantatrao fa ny lalàna dia nataon'ny legislateur, ary dia miova io araky ny fivoaran'ny fiaraha-monina.

Ohatra indray izao ny malaza aty, tonga ny teknolozia, ary dia mizara fiara ny olona (Uber) na mizara trano (airbnb). Dia ny lalàna taloha nefa ho an'ny taxi sy ny hotely. Dia misy cafouillage kely, fa ny olona izay "apte à vivre en société", dia miezaka ny manaja ny soatoavina hoe tokony ho vivre (ny taxi) et laisser vivre (ny Uber)...

Dia hitanao @ io ohatra hafa io indray izany, hoe mba hotrhotry ny ahoana i Rakrisy-garabola sy ny "boky tonta"-ny.
17. gasy1zay ( 14/01/2016 17:42)

Ka ianao no tsy mino hoe ny baiboly dia avy @ Andriamanitra fa tsy olombelona "législateur" no nanoratra azy ka ho azo ovaina araky zay mampetipety ny filàn'ny sasany (envie-désir),
18. rhaj0 ( 14/01/2016 17:45)
Inty azany i Jesosy sy ny "fampianarany" eee... io ihomehezan'ilay interpreter de l'an 2000 io :-)

19. rhaj0 ( 14/01/2016 17:56)
Dia ity koa ange ry Gasy1zay mba jerijereo eee...

https://www.youtube.com/watch?v=x-slAgzJmdU

@ ankapobeny, dia you are an intelligent person, hoz'izy. ka raha "intelligent" ianao, dia TSY ho afaky ny ho Kristiana... raha tsy hoe, tsy rahirahianao izay resaka any, fa rahefa mitono-tena ianao, eny, ny tenabenao ihany no mamaritra ny tenabenao, hoe, Kristiana ianao, dia izay no misy lanjany.
20. gasy1zay ( 14/01/2016 18:43)

Ka ny olàna rhaj0, dia tsy mitovy mintsy ny fomba fijerintsika, zaho tsy mitonotena ho intélligent ary tsy mitady izany, amiko matoa aho manana asa mifanaraka izay notadiaviko, nahazo diplaoma sns... dia tsy zaho no intélligent fa satria nomen'Andriamanitra tombom-pahasoavana, amiko izany tsy zaho no nahavita azy fa Andriamanitra, ianao no mety hirehareha @ fahaizana amam-pahalalanao satria ianao tsy mino hoe misy Andriamanotra nanome izany anao.

Ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4007