Ny fijangajangana ao @ baiboly

101. RBNIR ( 28/01/2016 05:17)
rhaj0:

Ahemory h@ taona zero azany ny fotoana, dia heverovereto hoe, inona no mba tao an-tsain'i Jesosy raha izay no zava-(tsy)nisy niainany tao.
http://forum.serasera.org/forum/message/m56a8c87ee9a9b

Dia hovaliako any amin'ilay rohy vao nosokafanao ianao rhajo raha sitrapon'Andriamintra....
102. stahtam ( 28/01/2016 06:31)

gasy1zay:


rhaj0:

[quote=gasy1zay]tsy mila mamaky ela ianao dia hahita

Tena mba miangatra ianao ry Gasy1zay. Ianao izany no "tsy mila mamaky ela dia hahita", fa ahoana kosany ny namanao kristiana hafa...

Ohatra fotsiny ny zaza eny @ garabola. Dia nampianarina nino izy, dia ninobe izy, dia mivavaka @ fony manontolo ao. Fa TSY "namaky ela" ny Baiboly izy. Dia iny izy azany fa mikitikitika ny sex-ny ao, dia manao masturbation ao. Dia hoz'ianao izany hoe, "mpanota mpanota!!", ary dia ampianao latsa kely hoe, "tsy mahagaga raha arian'Atra".

gasy1zay:
kristianina tsy mahalala (..) raha tsy misy feon'Andriamanitra hiteny azy (..) dia miandry hahita maso sy hahare @ sofina, hitsapa @ tanana vao hino.

Ka misy sa tsy misy azany ilay "feon'Andriamanitra" eee ???
Hita sy re ary azo tsapain-tanana azany ve izao (atao na feo)-n'Atra izao eee ???


Raha ny fahitako azy, dia TSISY MISY izany... aiza no tsy mihanahana ganaganabe io foana ny Kristiana maro.

Io ilay ivanitihako eto hoe, ka "mivavaka-mikimpy-maso-toa-constipe", nefa rahefa misoktra ilay maso, TSISY n'inona miova eeee... esy eee :-)
Dia tambazana hoe, any @ "fiainana mandrakizay" re no tena izy eee....


Raha izao isika miteny izao tsy misy Andriamanitra miteny ka henon'ny sofinao olombelona araka ny eritreretanao azy rhaj0 a! Misy ihany ireo milaza fa niakatra tany an-danitra dia niresaka t@ JK sns... Fa raha ny baiboly no arahina, dia efa tsy misy intsony io fa ny Fanahy Masina no nirahiny, i Paoly no exception tao aorian'ny niakaran'i JK tany an-danitra hoe " nisehony" ma nahare ny "feony" tsy t@ fahitana satria izy no apostoly nofidian'Andriamanitra farany ( na dia mbola misy aza ireo milaza ny tenany ho apostoly nantsoina manokana ankehitriny), namono tena i Jodasy rehefa namadika dia nosoloana an'i Paoly, jereo ny Apokalypsia fa misy apostoly 12 ao fa i Jodasy aloha tsy ho anisany.

Raha ny marina zany dia tsy misy feon'Andriamanitra henonao intsony izao fa fitarihan'ny Fanahy Masina no misy @ zao androntsika izao,

t@ testamenta taloha : niresaka nivantana t@ olona nosafidiany Andriamanitra, dia avy eo niresaka t@ mpaminany t@ fahitana na naniraka ny anjely.

Tonga teto an-tany Jesoa nanomboka teo @ testamenta vaovao, dia izy no milaza ny sitrapon'Andriamanitra satria izy ilay teny tonga nofo, ilay zanak'Andriamanitra velona. Raha naheno ny teniny zany ianao raha niaina t@ izany dia naheno ny feon'Andriamanitra.

Rehefa niakatra tany an-danitra izy dia nilaza fa tsy afaka hanaraka azy any @ izay alehany ireo mpianany na koa isika olombelona fa haniraka ny Fanahy Masina izy hitaridalana, hanolotsaina, hananatra antsika olombelona.

Niteny izy hoe mivavaha fa hamaly anareo aho, hihaino anareo aho , fa izy tsy niteny hoe miandrasa fa haheno feoko nareo.

Tsisy inona inona miova hoy rhaj0, dia hoy aho hoe ny @ fiainanao ngamba zany satria ianao tsy nangataka ka inona moa no ho azonao eo, fa izaho ohatra na ireo kristianina fantatro dia maro no niova teo @ fiainany rehefa nanaraka ny Tompo.



[quote=stahtam]
Izaho izao ilay lazaina hoe "mandray tsy raisina toa ny tsipolitra antitra.."
Saingy "forum" moa ilay natao hojerijerena sy vakian'ny rehetra dia mba nahita zavatra somary nanaitra t@ fanehoan-kevitrao ka te-hanontany misimisy kokoa anao ry gasy1zay:
Avy @ zavatra nosoratanao hoe "... i Paoly no exception ... satria izy no apostoly nofidian'Andriamanitra farany ... namono tena i Jodasy rehefa namadika dia nosoloana an'i Paoly, JEREO ny APOKALYPSIA fa misy apostoly 12 ao fa i Jodasy aloha tsy ho anisany." (izaho no manao ny sora-baventy). Raha mamaky sy mandinika io fanazavanao io aho dia tena vaka tanteraka; hoe lavinao ve ny Asan'ny Apostoly 1/20,21,25,26. Firy marina izany ny Apostoly? Misaotra fa mba tsetsatsetsa tsy aritra iny e!
103. RBNIR ( 28/01/2016 07:41)
stahtam:

Raha izao isika miteny izao tsy misy Andriamanitra miteny ka henon'ny sofinao olombelona araka ny eritreretanao azy rhaj0 a!
.....................
Raha ny marina zany dia tsy misy feon'Andriamanitra henonao intsony izao fa fitarihan'ny Fanahy Masina no misy @ zao androntsika izao,

Tsy misy feo intsony?
« Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano. » (Asa.10:13)

Iza moa ilay Fanahy Masina?
« Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. » (2 Kor.3:17)
tsy iza akory fa JESOSY IHANY io FANAHY io.....

Miteny amin'ny olona v io Fanahy Masina io?
« Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io. » (Asa.8:29)
Tena mbola miteny amin'ny olona IZY namana....
104. RBNIR ( 28/01/2016 07:46)
Misy zavatra fantatro tsy fantatrao, misy zavatra iainako tsy iainanao....
Matoa aho miteny hoe misy IZY dia tena marina izany fa dia tena MISY TOKOA IZY...
Toy ny firesahanao amiko izao no hiresahany ihany koa amin'izay olona tiany horesahina....
« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, » (Jao.14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jao.14:17)

« Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay. » (2 Tim.1:12)

Tsy moramora ny miarintra ny esoeson'ny olona sy ny fanambaniana na ny fanaratsiana noho ny fivavahana nefa FANTATRO IZAY INOKO RY NAMANA ISANY.....

IZAY MAMANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
105. rhaj0 ( 28/01/2016 22:52)
RBNIR:
Misy zavatra fantatro tsy fantatrao, misy zavatra iainako tsy iainanao....
Matoa aho miteny hoe misy IZY dia tena marina izany fa dia tena MISY TOKOA IZY...

Io ho'a toatoan'ny fony zahay tanora, dia nisy razokinibe te-ho hajaina hono satria fotsiny izy no zokinibe, dia mitefotefoka ny hoe, zahay hono tsy manisy sira, na hoe, maniratsira izany hoe "experience vecue"... Fa dia tsy niteny zahay ho'a, fa vao nivadika tany ambadika dia nikimokimo hoe, "experience vecue... par un con"

RBNIR:
Tsy moramora ny miarintra ny esoeson'ny olona sy ny fanambaniana na ny fanaratsiana noho ny fivavahana ...

ooopsie :-)

Ilay izy k'lou ny fandraisako azy.. hitanao, hotr'ireny eny @ gradin-n'i Mahamasina ireny, dia miara-mijery baolina eo, dia ... mifandrangitra eee...

Fa dia manja k'lou fa tena "fo sport" kosany i RBNIR eee... hitakitako teto nisinisy, ry Tefigasy mbamin-dry Maranatha, na koa ry Radavison tena TSY hita intsony mba mijery baolina.. koa na ry Strong3 sy ry Bor2lais azany h@ izay nahazoany taona 1 fanampiny teo izay, dia tena toa tsy rere intsony eeee... :-)

(io ho'a rizareo, mba jerijereo any @ misy azy any ireo namana ireo, ngo dia mi-deprime irery any, fa mazamazana ihany anie ny hoe, tonga saina hoe, kay tena finoanoam-poana no nasesika t@ sainy tao h@ izay eee... :-)
106. RBNIR ( 29/01/2016 05:10)
rhaj0:

Fa dia manja k'lou fa tena "fo sport" kosany i RBNIR eee... hitakitako teto nisinisy, ry Tefigasy mbamin-dry Maranatha, na koa ry Radavison tena TSY hita intsony mba mijery baolina.. koa na ry Strong3 sy ry Bor2lais azany h@ izay nahazoany taona 1 fanampiny teo izay, dia tena toa tsy rere intsony eeee... :-)

(io ho'a rizareo, mba jerijereo any @ misy azy any ireo namana ireo, ngo dia mi-deprime irery any, fa mazamazana ihany anie ny hoe, tonga saina hoe, kay tena finoanoam-poana no nasesika t@ sainy tao h@ izay eee... :-)

Mety tanteraka indray koa izany ny teny koa :-)
« Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina. » (Eks.14:14)....
Ary nomena maso hahita mihitsy ange ianao ity ry rhajo e! (tandremo ihany anefa sao ho ela fandroso an.....

107. RBNIR ( 29/01/2016 08:15)
P.S: rhajo a! efa nampianatra IZY fa ny fahavalo dia tsy olona fa eny amin'ny rivotra...
Indraindray ange misy tsy mahatsapa tena fa hiasan'ingahirainy (devoly io) dia mitatatata (mahamenatr'olona) e!

Izao no nataon'i Jesosy rehefa ho faty IZY : « Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay nataony .... » (Lio.23:34)

Mba firy eto re no nahatsapa tena hoe tsy fantany marina izay nataony e????
108. RBNIR ( 29/01/2016 10:16)
Pro.20:3 C'est une gloire pour l'homme de s'abstenir des querelles, Mais tout insensé se livre à l'emportement.
109. rhaj0 ( 29/01/2016 12:51)
Ka io angamba izany no maha-samy hafa antsika eee...

Ny anao RBNIR, na koa ny kristiana namanao sasany, rahefa avy eto ohatra, dia mieritreritra ny "hiady ... sa hangina (Eks.14:14)", na koa "Pro.20:3 ... gloire... querelles ... à l'emportement."

Ny ahy indray nefany ny andehanako eto dia... vanitika gilady :-)
Na koa, mizara sy mamahabaha ny fahalalan-draolona (efa eraky google)..


ka ahoana: "(tsy) fantatrao va re ny ataonao" ??
110. RBNIR ( 29/01/2016 15:47)

rhaj0:

Ka io angamba izany no maha-samy hafa antsika eee...

Ny anao RBNIR, na koa ny kristiana namanao sasany, rahefa avy eto ohatra, dia mieritreritra ny "hiady ... sa hangina (Eks.14:14)", na koa "Pro.20:3 ... gloire... querelles ... à l'emportement."

Ny ahy indray nefany ny andehanako eto dia... vanitika gilady :-)
Na koa, mizara sy mamahabaha ny fahalalan-draolona (efa eraky google)..


ka ahoana: "(tsy) fantatrao va re ny ataonao" ??

s'abstenir des querelles
111. rhaj0 ( 29/01/2016 16:33)
querelles = Désaccord ou conflit qui entraînent des échanges vifs, voire agressifs et sentencieux, entre les parties concernées.

ka raha mivanitika aho izany dia TSY anisany eee :-)
Fa na izany na sy izany, raha ny fahitako azy, ny an-dRakrisy, rahefa mifanohitra @ "finoaNY" dia pehany ho ... Devoly. Ary mety ilay "échanges" mihintsy koa no tsy zakany eee.. hafa noho ilay teny-midiina mantsy izany.
112. RBNIR ( 30/01/2016 02:04)

rhaj0:

Ary mety ilay "échanges" mihintsy koa no tsy zakany eee.. hafa noho ilay teny-midiina mantsy izany.

:-) dia tsy hozaraina intsony v ny marina? aiza kosa e,
Ny mpisera (sasany) koa anie mba tokony mila mahay mandray teny ihany e!
« Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa. » (Jak.3:2)
113. rhaj0 ( 30/01/2016 16:28)
RBNIR:
Ny mpisera (sasany) koa anie mba tokony mila mahay mandray teny ihany e!

Ka io raha vao TSY @ finoaNY, eny an'azy manokana ao, dia tonga izy dia "tafintohina" i Rakrisy sy Ramino eee...

Koa na ianao azany dia lazainao fa "esoeson'ny olona sy ny fanambaniana na ny fanaratsiana" ny teo, nefa (matetika) resaka milaza zava-misy, fa saingy TSY @ finoaNAO, eny anao manokana ao..
114. RBNIR ( 30/01/2016 18:58)

rhaj0:

RBNIR:
Ny mpisera (sasany) koa anie mba tokony mila mahay mandray teny ihany e!

Ka io raha vao TSY @ finoaNY, eny an'azy manokana ao, dia tonga izy dia "tafintohina" i Rakrisy sy Ramino eee...

Koa na ianao azany dia lazainao fa "esoeson'ny olona sy ny fanambaniana na ny fanaratsiana" ny teo, nefa (matetika) resaka milaza zava-misy, fa saingy TSY @ finoaNAO, eny anao manokana ao..

Azo atao ange ny miady hevitra malalaka fa tsy voatery hasiana "sira" kely ilay izy e! :-)
115. rhaj0 ( 30/01/2016 21:35)
ka lasa matsatso kouh :-)

Fa marina ny anao.. "tsy voatery hasiana sira"..

Fanefa anie ilay izy anie tena efa halohalika ny ranom-bary ee.. Io ho'a tahaka ny olona rehetra sorena @ temoins de jehovah. Dia eo ilay hoe, n'inon'inona teneninao, dia ny masony fotsiny no hadiridiriny, ary dia ny azy ihany no asesiny. Ka dia tena eo ianao, ary dia hoe, tena asiana "sira" sy sakay mihintsy izy ity, fa mety izay no hampi-click azy eeee... :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4861