Ny Katolika ... amerikana

1. rhaj0 ( 02/09/2015 11:37)
Eto misy lahatsoratra maneho ny revn'ny Katolika Amerikana, araka ny fitsapa-kevitr'olona (sondage)... Samy Katolika ihany fa ny an-dreo (toa) hafa ny fi(s)ainana..

http://www.lapresse.ca/international/etats-unis/201509/02/01-4897145-les-catholiques-americains-pas-si-catholiques.php

Afaka iarahana veraberatina eto aoriana...
novalian'i Strong3 ny 09/09/2015 13:13
2. Strong3 ( 02/09/2015 11:55)
mety ho faly izany ny papa hoe : antsoina hoe papa daholo ny ao antrano fa tsy misy maman intsony
na koa hoe maman maman

fa raha hanao toa izany daholo moa ny olona dia ahoana?
sa sitrany mihena ny tarak'olombelona rehetra eto antany.
dia farany mandroso ny fikarohana ara-tsiantifika hoe mera portera ...

azo lazaina hoe fiantsoana ny rehetra tsy hataotra hiditra ampiangonana izany izy ity. satria teo aloha kizitina be ny papa
izao izany efa libre be ny fiainana , hoy ilay henjana vaovao eto antanana izany hoe tsy misy ratsy izany fa ny sainao no milaza izany hoe ratsy izany.
ka mety mba manomboka hanafoana ny ratsy ny papa izany kou!

lava izy ao fa izay aloha no hitako voalohany :-)
3. rhaj0 ( 02/09/2015 12:03)
Rahefa tsapain-kevitra ireo r-a-d katolika @ resaka be dia be, na condom io na zavatra hafa, dia .... "mampivanitika be" ny mijery an-dreo mialahoala sy mangarigarika... te-hanao aminy (Papa) ao kouh... :-)
4. Strong3 ( 02/09/2015 12:09)
fa ilay condom nge hoy ny rasazy ka mety hampisy cancer ao amin'ny fivaviana ao eh... ka aza dia atao matetika !

asa moa na voalaza ao na tsia ny hoe:
_ famonoana olona fanambeazan'aizana?
5. rhaj0 ( 02/09/2015 12:17)
io ho'a aza mba "minomino" (foana) hotr'io foana... mandehana mi-google dia vahabahao ny resak'olona isan-karazany ao, ny fotoana sy ny toerana, dia jereo iza no miresaka, etsetra ..

dia ... ampiasao toa izay koa ilay saina rahefa mamaky Baiboly eee...

Fa @ ilay hoe ""mampivanitika be" ny mijery an-dreo mialahoala sy mangarigarika... "... dia tena mampivanitika... h@ izao aho mbola mivanitika mahatsiaro :-)

... selectif be mihintsy ilay Finoany...
6. rhaj0 ( 02/09/2015 12:34)
Fa mahavariana ilay hoe "ota" (pEchE) amin-drizareo...

Quelque 41% d'entre eux estiment qu'acheter des produits de luxe sans donner aux pauvres est un péché, mais seulement 23% d'entre eux estiment que dépenser de l'énergie sans considérer l'environnement est un péché.

Efa mba misy 23% izany mihilana any @ (fampianaran'i) Grand Manitou... ve ? :-)
7. Strong3 ( 02/09/2015 12:45)
siii ... fampianarana efa tsy misy finoana izany fa atao MARIMARITRA IRAISANA FOTSINY

En outre moins de la moitié des catholiques américains considèrent l'homosexualité, la concubinage ou la contraception comme des péchés --respectivement 44%, 33% et 17%.

dia mbola hoe kristiana hoe ...!?
8. rhaj0 ( 02/09/2015 12:51)
hi hi hi... zovy koa moa ianao no hitsararatsara azy hoe, "kristiana" izy sa tsia ?
Sa koa ianao sahala @ Profeta Tsaratsara ?? :-)
9. Strong3 ( 02/09/2015 13:01)
hahahah raikitra indray ny hoe mitsara sa tsia, ny atao rou hita hoy ny betsil!!! :-)
ianao izao no mitarika eo haha
10. rhaj0 ( 02/09/2015 13:32)
inona tokoany ilay hoe "mitsara"...
RAha hoe "juger" dia misy dikany maro.. jereo ohatra wiki, izay raha ny fazahoako azy dia hoe...

"juger = attribuer un prédicat", ohatra hoe "beau" na "manja" ve ?
Sa "jugement de gout", hoe tiako/tsy tiako
Sa "jugement de faits", hoe marina/tsy marina
Sa "jugement de valeurs", hoe @ rariny/hitsiny sa tsia
Sa ...

Raha ny kely takatry ny saiko (kely), dia TSY manome "jugement" ny Katolika aho, fa mitatitra fotsiny dia ... mivanitika :-)

Fa i Strong3, raha miteny (ankolaka) hoe, "tena TSY kristiana intsony ireto Katolika (sasany) ireto", dia ... "jugement" ve izany? ... tsy haiko, ary sintomiko azany ny teniko... fa lazao amiko azany hoe inona izany.
11. gasy1zay ( 02/09/2015 13:37)
Ka io raha kristiana ianao dia tokony mba hamaky baiboly sy handinika ny tena sitrapon'Andriamanitra fa tsy ny fomba fijerin'olombelona @ sondage no raisinao ho sitrapon'Andriamanitra, rehefa mifanipaka @ fampianaran'ny baiboly dia tsy mifanaraka @ sitrapon'Andriamanitra na 99,99% ny olombelona aza milaza fa zay no tokony ho izy.
12. rhaj0 ( 02/09/2015 19:16)
HOtry ny tonga dia pehanao Gasy1zay ho TSY "namaky baiboly sy nandinika ny tena sitrapon'Andriamanitra" (toa anao) izany anie ireo Katolika ireo eeee...

Izy ireo anefa voataiza sy voasasa lalinabe tao, ary ny sasany amin-dreo azany mbola mandeha any @ leglizy, ary hotry ny efa ao anaty genes-ny mihintsy anie io fa efa tao foana h@ razambeny eee.. fa ianao moa izany mahay kokoa "namaky baiboly sy nandinika ny tena sitrapon'Andriamanitra" eee...

Tairo ao izany ny anareo, mifanabatia ao... "inona ny olana amin'izany", hozy i Hery izay...
13. Strong3 ( 03/09/2015 06:53)

rhaj0:

inona tokoany ilay hoe "mitsara"...
RAha hoe "juger" dia misy dikany maro.. jereo ohatra wiki, izay raha ny fazahoako azy dia hoe...

"juger = attribuer un prédicat", ohatra hoe "beau" na "manja" ve ?
Sa "jugement de gout", hoe tiako/tsy tiako
Sa "jugement de faits", hoe marina/tsy marina
Sa "jugement de valeurs", hoe @ rariny/hitsiny sa tsia
Sa ...

Raha ny kely takatry ny saiko (kely), dia TSY manome "jugement" ny Katolika aho, fa mitatitra fotsiny dia ... mivanitika :-)

Fa i Strong3, raha miteny (ankolaka) hoe, "tena TSY kristiana intsony ireto Katolika (sasany) ireto", dia ... "jugement" ve izany? ... tsy haiko, ary sintomiko azany ny teniko... fa lazao amiko azany hoe inona izany.

mba izay ahay dia milamina ny resaka.
ianao mitatitra izaho koa mitatitra.
... jereo tsara fa eto misy baiboly , de etsy misy fiangonana kristiana iray
... etsy misy coran, de ery ny fiangonana silamo iray

raha ny maridrefy izany dia izay fototra niaingany no marina. ka tsy inona io fa ilay boky naha mpino anao.

« Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany, » (Jaona 12:48)

ka io izany dia samby ambanin'io TENY IO DAHOLO izay mitonotena ho mpino eh.
ka tsy mpitsara aho raha miteny fa misy diso ny ataonao fa mampiantra fotsiny izay lazain'ilay TENY.

dia ohatran'ny hoe mitsara ihany moa izany angamba :-)

ka raha tsy hisy ifampiteny izany nefa samy miaina ao ambanin'io TEny io dia mazava hoazy fa horava ny fototra.

Ka ity tsy lalana velona fa fiainana (fiainana ny baiboly) , ka raha ny fomba fiaina ao anaty membre ny baiboly no misy manova tsy aharatsy fijery ny membre hafa ve izany????...

14. gasy1zay ( 03/09/2015 13:26)

rhaj0:

HOtry ny tonga dia pehanao Gasy1zay ho TSY "namaky baiboly sy nandinika ny tena sitrapon'Andriamanitra" (toa anao) izany anie ireo Katolika ireo eeee...

Izy ireo anefa voataiza sy voasasa lalinabe tao, ary ny sasany amin-dreo azany mbola mandeha any @ leglizy, ary hotry ny efa ao anaty genes-ny mihintsy anie io fa efa tao foana h@ razambeny eee.. fa ianao moa izany mahay kokoa "namaky baiboly sy nandinika ny tena sitrapon'Andriamanitra" eee...

Tairo ao izany ny anareo, mifanabatia ao... "inona ny olana amin'izany", hozy i Hery izay...

Ka ny voasoratra ao @ baiboly efa mazava ny tokony sy ny tsy tokony atao, raha kristianiana ianao dia manaraka ny voalaza ao fa tsy ny hevitry ny be sy ny maro raha mifanohitra ny voalaza ao ny sondage, tsotra izany hanaraka ny baiboly sa ny hevitry ny olona? Misy antony matoa voalaza hoe hisy ny fampianaran-diso, satria tadiavin'ny olona hamboarina @ zay mapetipety ny fiainany ny fanarahana ny Tompo.
15. rhaj0 ( 03/09/2015 14:36)
gasy1zay:
Ka ny voasoratra ao @ baiboly efa mazava ny tokony sy ny tsy tokony atao (...) hamboarina @ zay mapetipety ny fiainany ...

hi hi hi... voalazanao :-)

Vazivazy iny, fa ry Gasy1zay koa sahala @ tsy manaraka resaka tatsy.. Ka ahoana ho'a, iza @ ireto ohatra azany no arahinao eeee...

Deoteronomia 24:1 Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-tànany ka hampiala azy ao an-tranony.2 Ary rehefa miala ao an-tranony ravehivavy, dia mahazo mandeha ka manambady olon-kafa.
==> mahazo mi-divaorsa... yeah ...

Marka 10:2 Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy. 5 Fa hoy Jesosy taminy: (..) 8 ary ho nofo iray izy roroa [Gen. 2. 24] ; ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.
==> TSY mahazo mi-divaorsa... yeah ...
16. gasy1zay ( 03/09/2015 15:02)

Araho tsara ny tantara rhaj0 dia hazava aminao ny tena tokony ho atao :

Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy?
3 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian’ i Mosesy anareo?
4 Ary hoy izy: Navelan’ i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady [Deo. 24.1] .
5 Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;
6 fa hatramin’ ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona
[Gen. 1.27] .
7 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny;
8 ary ho nofo iray izy roroa [Gen. 2. 24] ; ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.
9 Koa izay nakamban’ Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’ olona
.
10 Ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin’ izany koa ny mpianatra.
11 Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny [Na: mijangajanga mandika ny lalàn’ ny fanambadiana ny amin’ ny vadiny] .
12 Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.

jereo koa fa t@ testamenta taloha dia efa nisy hoe :"Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah"

Ny sitrapon'Andriamanitra izany tany ampiandohana izany dia tsy tokony hisy "divorce" izany fa rehefa mpivady dia lasa nofo iray ihany izy 2, L+V =1

Fa nony namoaka ny lalàna i Mosesy dia niady varotra ireo zanak'Israely hoe fa ahoana kosa moa zay no ijanona @ vadinay izahay raha nijangajanga izy, nanota izy izany dia tsy tokony ho mendrika ho vady intsony, dia io no excéption natao hoe raha nijangajanga ramatoa dia afaka miala ramose satria ramose hono zany tsy te hikambana @ ramatoa nanota. Fa i Jesoa dia nanamafy hoe tsy sitrapon'Andriamanitra izany.
17. rhaj0 ( 03/09/2015 15:10)

Deoteronomia 24:1 Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy,...

Ny deoteroniomia dia resaka "virijiny"... ny "vady mijangajanga" angaha moa tsy resaka "cocu" ??

Fa na izany na tsy izany, ny an'ny Kristiana izany ny divaorsa dia resaka sex fotsiny ihany eeee... Nefa anie ny antony hi-divaorser-na toa misy maro ihany eee...

an an... dia soa izany io fampianarana io ho anao ao eeee...
(izany no mba takatry ny olombe fahiny, izany no hany takany, dia ao koa ianao mamikitra an'izany ao fa tsy mba mivoatra...)
18. gasy1zay ( 03/09/2015 16:44)

Ny dikan'ilay nahitana fahalotoana ry rhaj0 dia efa tsy virjiny intsony izy fa efa nanao firaisana t@ lehilahy hafa a!

Ny an'ny zanak'Israely dia ny adultère no hany "raison" hahafahan'ny olona misaraka @ vadiny, izany hoe zay ihany no tokony tsy azo leferina, ny kristianina taty aoriana dia nizara 2, ao ny manaiky io fisaorambady io (protestant) ary ao ny nijanona @ ilay hoe halan'i Jehovah ny fisaoram-bady ka tsy manaiky divorce (katolika). Marina ny anao fa ny protestant toa tsy manadihady hoe fa naninona ianao no nisaraka fa raha divorcé ianao no hoe hamasinina indray ny mariazy vaovao dia toa manaiky ny pasitera. Ny mompera aloha hatreto tsy manaiky an'io remariage io.
19. rhaj0 ( 03/09/2015 17:18)
gasy1zay:
Ny an'ny zanak'Israely dia ny adultère no hany "raison" hahafahan'ny olona misaraka @ vadiny

Toa te-ho zanak'Israely moa izany nareo sa ...

Dia ireo antony hafa hi-divaorser-n'ny olona izany tena tsisy valerany aminareo kouh... hoe misy incompatibilite.. hoe misy abus (physique sy psychologique)... hoe tsy mbola vonona akoriny fa nanambady fony tanora loatra (toa an'i Maria, izay novadian'i Josefa fony mbola erotrerony be, nefa i Josefa io efa ho 70 taona)... na dia hoe tsy mahita fahafinaretana @ sex fotsiny azany ohatra i ramatoa eee.. (efa noresahina lava tato) ka lasa "mpanjaka vavin'ny fiaretana" fa tsy mbo hoe "mpanjakan'ny fahafinaretana"...
20. gasy1zay ( 03/09/2015 18:13)

Manazava fotsiny aho fa izaho hoy aho tsy d'accord @ fisaraham-panambadiana koa satria tsy sitrak'Andriamanitra izany, ka io fanambadiana io resaka lavabe satria dia efa niova tanteraka ny fomba fisainana sy ny fijerin'ny olona azy ankehitriny efa na dia ireo kristianina aza dia betsaka ny mampirafy, manao tokatrano maso, misaram-panambadiana sns... Tena very tanteraka ny lanjan'ny fanambadiana.

Jereo @ io nosoratanao io rhaj0 fa ny kristiana any @ firenena mandroso toa ohatrany tsy mahalala hoe tsy sitrapon'Andriamanitra anie izany "concubinage" izany, izany ray aman-dreny "gay" izany, misy principe nambaran'ny baiboly ohatrany tsy arahin'ny olona intsony satria manaraka ny fanaon'ny jentilisa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2087