Bien sûr qu'on peut se moquer des religions

1. rhaj0 ( 28/08/2015 17:09)
Izany no position ofisialin'ny ao @ provansin'i Kebek, Kanada.

Nampian'ilay PM hoe (jereo eto):
"La liberté d'expression consiste à pouvoir dire des choses multiples, y compris les choses les plus étranges et même parfois révoltantes, tant qu'on ne franchit pas une ligne que la société doit marquer... La liberté d'expression comprend le droit de dire des niaiseries, qu'on doit par la suite critiquer et dénoncer (...) Mais où est la ligne ? Il n'y a pas de liberté dans la société sans ligne. Est-ce que l'appel à la violence, par contre, doit être toléré ? Voilà la question qu'on pose."


hi hi hi... ny fahazoako azy...
- La liberté d'expression comprend le droit de dire des niaiseries ---> religion = niaiseries
- qu'on doit par la suite critiquer et dénoncer


Mino aho fa ny any Eoropa any koa, dia efa "normal" izany... taloha sy taorian'ireny Charlie ireny... :-)
novalian'i Strong3 ny 09/09/2015 13:32
2. rhaj0 ( 29/08/2015 12:31)
Hoe inona ilay "ligne" tsy tokony hodinganina tokony faritan'ny sosaity..

Ary raha mitori-teny ry Apostoly Tsaratsara, ka hoe (taterin'i Ndimby-Tribune) "asan'i Jesa' ny nahatonga "may ny doany", dia "liberte d'expression" ve izany ??
« Raha ny santionan’ny asan’i Jesoa hita niaraka taminy dia : May ny doany (Andriamisara) tao Mahajanga sy tao @renirano Sambirano koa : Nisy afo avy any an-danitra tonga dia nandoro ireo toerana fanompoana »


Fa kosa aloha, raha ohatra izao ny ataon'ny Apokalipsy .. "manimba ny ladoany" (@ anaran'i Jesoa), dia nandingana ny "ligne" izy, ka dia direction Fitsarana (-mbahoaka)
http://inovaovao.com/spip.php?article8566
"Tratran’ireo Tangalamena, any amin’iny Distrikan’Amparafaravola, ao amin’ny Kaominina Anorohoro teo am-pikasana handrava ny Ladoany, izay toeram-panompoana amin’ny fomban-drazana ny mpitondra fivavahanana ao amin’ny Apokalypsy, ka niharan’ny fitsaram-baohoaka."
3. Strong3 ( 31/08/2015 07:52)
raikitra ato ny fikirakirana ny vaovao manerantany!

misy fefy tsy azo ihoarana tokoa ao anaty fiarahamonina laika , manaiky izany 100% ny rehetra , izaho koa mba anisany.

... eto amin'ity tranga makarary ny fon'ny malagasy rehetra ity moa izany dia anisany tohina ny tena, satria nahoana ???
satria, fananana iombonana ireny na dia tsy razamben'ny rehetra aza no nonina tao. fa ny soa toavina mahamalagasy dia miaraka mijoro amin'ireny. ka izay no mahatohina ny fo

_ somary nasiaka ihany ny tena raha naheno an'ingahy Turbo nilaza fa misy sekta extremista mikotrika io fandoroana doany sy rova io.
nefa ny filazana ampahibe maso sy fisehoana mivatravatra amin'ny haino amanjery toa izao dia mahamenatra sy manimba ny hafa izay tsy manana saina toa izany.

_ Noho izany; dia anisany manilika ireo fisainana mitondra fanampotehana ny filazantsara ny tena manoloana ny tranga toa izao.
eto moa izany dia tany tan-dalana i madagasikara ka aoka ny lalana no hamaritra ny nahavanona ny loza, amin'ny maha- laika ny firenena (tsy mbola nisy lalana teto nilaza hoe dory izay tsy mitovy firehena aminao)

efa hitantsika ngamba ny tranga tany mahajanga izay nampiharana ny lalana mahakasika ny mpitondra fivavahana iray.

ka dia manentana sy manao do-tandroka ny rehetra. aza mangady lavaka hianjerena eh!
raha ianao midoboka ao moa efa safidinao izay, fa izahay mipetraka tsara no haiaraka voatonotonana sy voatondro molotra tsy fidiny.
4. rhaj0 ( 31/08/2015 11:03)
Strong3:
tsy mbola nisy lalana teto nilaza hoe dory izay tsy mitovy firehena aminao

Ny an'ny Kristiana (sasany) anie, ny lalAna ao anaty Baiboly dia ambony noho ny lalAna velona eee... Ary @ maha-mpino azy, dia hahita foana izy, "interpretation"-ny (an'azy manokana irery ao) an'io Baiboly io, manamarina ny ... "saim-pantany".

Diniho tsara (ny tenanao) fa ianao koa manao toa izay ... indraidray.
5. Strong3 ( 31/08/2015 12:15)
ngamba somary nataoko vazivazy ny teniko tatsy ambadika tatsy raha nanotany enao hoe: mba taranak'iza enao no miady lova?
dia hoy aho hoe:
andriana ray, andriana reny aho. :-)
ny fasana izay ilevenan'ny razambeko dia topoin'olona amin'izao, ary aminanaliny ny olona mandalo amin'izy ireo.
fady kisoa , tongolo , sns...
izahay taranaka dia tonga kristiana avokoa taty aoriana. ka tsy manao fanompoambe intsony.

ny mpihavy no manohy ny ataony ao. ka tsy dia olako lohatra ny amin'izay. raha izay no tianao hofantarina rhaj0

fa ny filazako amin'ny rahalahy hafa izay mitory teny toa miendrika kristiana nefa mampivily ny fototra no ahintsiko.
na ianao tsimisiAtra aza mbola tsy nilazako hoe tsy mila anao eto amin'ny tanin'ny velona aho. fa hoy aho: mahafianatra ny fisianao eto.

sa toany ahoana izany teniko izany? ... mba ampitsahivo hoe? :-)
6. rhaj0 ( 31/08/2015 13:51)
okey dokey ry andrian-dray andrian-dreny... Dia narianao izany ny an'ny razanao..

Fa tsory mazava eto azany : ny lalana velona no andrianinao, sa ny lalana ao anaty Baiboly ???
7. Strong3 ( 01/09/2015 07:09)
fa enao ve aloha ao tsara eh? hahahah :-)

raha tsimisiAtra ianao inona moa no hirarahianao mecanika efa simba sy lou ao ampasana ao. ny anareo any andilambato any aza atao anirotra !

sa avadika indray ny resaka hoe mino ny fitahian'ny razana tampoka ra rhaj0???
8. rhaj0 ( 01/09/2015 10:03)
Izaho ange ho'a manaja ny "finoan'ny olona" eee... manaja ny "fitahian'ny razana" aho: ohatra hoe ho'a hoe, taloha, fony tanora, dia rahefa misotrosotro ireny, dia ampazahoana ny razana etsy an-joron-trano eee... inona ny olana?.. zara azany mba mihena ny alikaola (tsy maintsy) sotroina :-)

Fa averiko ny resaka fa mitady hiala pas i Strong3 eeee...

"ny lalana velona no andrianinao, sa ny lalana ao anaty Baiboly ??? "
9. Strong3 ( 01/09/2015 11:15)
kay kay kay... manao fa tsy mino izany , mivavaka fa tsy mino izany, mamaky baiboly fa tsy mino izany. mety an (y)

ny lalana velona eo amin'ny tany repoublik na ny tany demokratika dia tsy misy hafa amin'izay ao anaty baiboly , fa misy moa ny manitatra kely hoe ... blablabla constitutionel sy wawawa

fa izao tontolo izao dia samy mitsongo kely ao adaholo, sa boky aiza eto antany no misy hoe aza mangalatra sy aza mijangajanga rhaj0?

ao amin'ny baiboly koa dia hoe : manaja ny mpitondra anare
ao koa ny hoe: omeo an'i kaisara izay an'i kaisara , ary an'Atra izay an'Atra

ka tsy manana olona amin'ny lalana velona sy lalan'ny baiboly aho fa samy iainako daholo izany raha mbola tsy manohitra an'ilay Atra ivavahako
10. rhaj0 ( 01/09/2015 11:27)
Mila mandalina kokoa ianao, fa ireo voasoratra ao anaty Baiboly, na ireo fombafomba na ireo lalAna, dia ... inspiration t@ fombafomba sy lalAnan'nhy fiaraha-monina talohan'ny nanoratana ilay Baiboly... eritrereto tsara...

...

5..4..3..2..1..0.. eritrereto tsara fanindroany :-)


Fa inty azany lalAna na fitsipi-pitondra-tena ao anaty Baiboly eeee... Iza @ ireto no arahinao:

Deoteronomia 24:1 Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-tànany ka hampiala azy ao an-tranony.2 Ary rehefa miala ao an-tranony ravehivavy, dia mahazo mandeha ka manambady olon-kafa.
==> mahazo mi-divaorsa... yeah ...

Marka 10:2 Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy. 5 Fa hoy Jesosy taminy: (..) 8 ary ho nofo iray izy roroa [Gen. 2. 24] ; ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.
==> TSY mahazo mi-divaorsa... yeah ...
11. rhaj0 ( 01/09/2015 13:23)
hi hihi... tsy hita ny nalehan'i Strong3... ka @ Strong3, raha vao miresaka vehivavy ao anaty Baiboly, dia metafaoro-na fiangonana no dikan'izany.. dia fanina @ ataony ao ihany i Strong3 :-)
12. Strong3 ( 02/09/2015 08:28)
hehehe ity aho fa mba miasa koa fa tsy eto foana !

ie nga moa lasa mitory tsy misy porofo indray hono ra rhaj0 eh?
lalAn'ny fiarahamonina taiza no nilaza izany?

marina aloha fa isam-poko dia mba samy nanao dinampokon'olona tao daholo.

fa ny lalana velona voa rakitra toa tsy mbola nahita boky aho an.. sa inona ilay holalinina
fa tamin'ny taonjato fahafiry ity baiboly lazainao hoe tara fanoratana?

13. rhaj0 ( 02/09/2015 10:29)
Ka mahazo mi-divaorsa (Deoteronomia 24:1) sa TSY mahazo mi-divaorsa (Marka 10:5) ry Strong3 le politifiana aaaa ????

Hozy ny lalana velona hoe, mahazo mi-divaorsa.
14. Strong3 ( 02/09/2015 11:39)
« Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no namelan'i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin'ny voalohany dia tsy mba toy izany. » (Matio 19:8)

tsy mahazo eh, izay aloha no eritreritr'Atra amin'ny sitrapony.
fa amin'ny maha be famindra-po azy dia nanaiky anao hisaobady izy.

io zany dia ohatranao ao antrano ao eh, izay zanakao tena manaraka ny teninao no mahazo fitia aminao bebe kokoa
15. rhaj0 ( 02/09/2015 11:58)
okey dokey.. "TSY MAHAZO MI-DIVAORSA" hoz'i Strong3.. Na mahazo (mi-divaorsa) ihany fa mahazo (tsy-fitia bebe kokoa) izay manao... :-)

Izany hoe, @ io, dia ny lalAna ao anaty Baiboly no andrianin'i Strong3. OK.


Ity indray azany..
Romana 1:28 Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an’ Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,29 ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,-30 mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan’ Andriamanitra [Na: mpankahala an’ Andriamanitra] , mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,31 tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;32 dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen’ Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.


Averina kely : "miendrika ho faty" izay manao ireo "tsi-fahamarinana" rehetra voatanisa ireo.


@ lalAna velona, dia tsy "mandika lalAna" ny ankabeazan'ireo resaka tanisain'ilay olombe ao @ BAiboly ireo...


Ka ahoana ry Strong3, aza miala (pas eo indray) aloha an...

Ka ireo lalAna na fitsipi-pitondra-tena anaty Baiboly io no andrianinao, sa ny lalAna velona ???


16. Strong3 ( 02/09/2015 12:37)
« Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany: » (Asan'ny Apostoly 15:28)
« dia ny hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo. » (Asan'ny Apostoly 15:29)

ireto aloha ny fototra rhaj0 ; ary ireo tanisainao ireo aza mbola tsy ampy raha hijery ny Gal 5 isika!

manaraka izany dia azo ambara fa raha fiainana no andraisana ny baiboly dia tsy lalàna ny lalàna fa tonga fiainana mandaha hoazy.
ary toa izany koa ny lalàna velona, mandeha miasa ny tenako ny maraina dia miasa tsara tsy manao kolikoly, mody indray avy eo raha sy misy fivoriana amin'ny fikambanana misy ahy dia izay.
inona moa no atahorako ny lalana velona rehefa tsy mandika azy aho?
satria tiako ny tenako dia tiako koa ny ankohonako dia manao ny tsara aho mba hiadanan'izy ireo tsy misy ahiahy.
17. rhaj0 ( 02/09/2015 12:49)
ilay "miendrika ho faty" anie no tena mba hoe, ahoana koa azany no ampitoviana kilasy ny "mpibitsibitsika" sy ny "vonoan-olona"...

Dia nefany ny toa io izao no "arahin'ny sasany ara-baki-teny", ary dia, hoz'izy hoe, "miendrika ho faty" hozy ny Baiboly, ary dia hamono tokoany izy... na hilaza toa an'i Profeta Tsaratsara, ka hoe "Nisy afo avy any an-danitra tonga dia nandoro"


Dia tena tsy mba manontani-tena ve ianao Strong3 hoe, ngo dia "mamo" toa an'i Lota koa azany izay nanoratra an'io, ka dia miteniteny be fahatany toa izao ao...
18. Strong3 ( 02/09/2015 13:06)
hihihih... rehefa ota dia ota eh

ny hoe ho faty nge eto namana dia ny hoe: very (tsy miaraka lalana amin'Atra eh)
fa tsy hoe vonona tapaka tenda

izay hoa ilay atahoranareo mivavaka io ry tsimisiAtra, satria ilazan'olona lainga ianareo dia mino hoe izany tokoa io Atra io :-)
19. rhaj0 ( 02/09/2015 15:00)
Strong3:
ny hoe ho faty nge eto namana dia ny hoe: very

Dia ahoana koa izany izao ilay "tsy manoa ray sy reny"... rahefa TSY manaraka ny (Finoan'ny) rainao sy reninao, na ny rain'ny reninao, miitatra any @ razanao izany, dia ... "miendrika ny ho faty", izany hoe ho "very" koa ???

Sa moa, tsy ny teny hoe "maty" ihany no metafaoro, fa koa, ny "rainao" dia i Jesoa, ary ny "reninao" dia ny Fiangonana ?

an an... dia raha tsy "mamo" sahala @ Noah (fa tsy manary lamba) na i Lota (fa tsy mandry amin-janany) angamba tsy mahatakatra an'izany kah...
20. Strong3 ( 03/09/2015 07:11)
mdr... aza dia ampivadiana daholo izay rehetra mitovy eh

izahay moa teknika fahiny, dia nianatra RDM tany andakilasy ... ka io taranja io zany dia be filirony.
raha misy sujet mipetraka exo io zany, iray ny sujet mivoaka fa ny valiny dia mety ho 100
ary raha 15 izahay no promo; dia tsy possible mihitsy ny hitovizan'ny valin'ny exo-nay
ka dia tratra eo izay mifangalatahaka :-)

ka i rhaj0 eto dia tahatahaka ilay mpangalatahaka be fahatany ihany raha jerena amin'ity resaka ; fiangonana sy jesosy, vehivavy sy lehilahy .

faharaoa ny hoe : manaja ny rainao sy ny reninao
_ raha ray sy reny , ao anaty (na ambanin'ny) lalàna : dia azo atao tsara ny mankatoa azy. ary maha very (faty) ny tsy fanoavana azy ireo

ka aza dia mampifangaro resaka na te hivanikika be fahatany hoe hisotro toaka ho mamo sy handry amin'janaka vao ahatakatra ny baiboly.
fa toa ny mpahay lalana ihany ny fiainana io baiboly io. mila hay daholo ny artikila manotolo vao afaka mitsara na misolo vava :-) :-) hihihih...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.525