Andrana (essai) amin'ny fifanankalozan-kevitra: Andriamanitra sy ny vahoaka malagasy (fahiny sy ankehitriny)

1. lovegod ( 03/08/2012 08:47)
Rehefa mba namaky izay rehetra voalaza ato amin'ny forum sy indrndra loha hevitra iray: 'soso-kevitra sao mahasoa" dia talanjona ny tena mahita fa tena mitondra fifanolanana ny fomba fiady hevitra eto amin'ny forum. Andriamanitra sy ny teniny no fakafakaina nefa mivadika resaka hafa avy eo, nefa Andriamanitra no heverina fa mpampiavana.

Ka andrana ihany ity loha hevitra ity: Andriamanitra sy ny vahoaka malagasy (fahiny sy ankehitriny) ka izao no iangaviana anao te handray anjara:
- aoka hajanona ny fitiavana mitory sy hampianatra soratra masina
- ny resaka atao dia tsy ankinina be loatra amin'ny toko sy andininy, fa fiainan'ny malagasy sy ny fandraisany ny atao hoe Andriamanitra no tokony resahina.

Averiko, andrana ihany izy ity mba hianarana mifanakalo hevitra sy hifampizarana, ka tsy tokony misy hiseho ho mahay mihoatra ny hafa
novalian'i RBNIR ny 04/02/2015 06:11
2. bor2lais ( 03/08/2012 09:19)
Misaotra an'i "lovegod" nanokatra ity lohateny ity.

Andrana moa izy ity ka ny ahy dia mikasika an'Andriamanitra sy ny vahoaka malagasy fahiny no kasihiko kely :

"Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha ..."
"Andriamanitra tsy andrin'ny hafa andriko ihany ..."

Tsy fantatro raha H.S na tsia ny zavatra soratako ! ;-)

Ary miala tsiny fa lasa nanome andininy indray aho e ! :-)
Fa tsy misy toko kosa aloha e ! ;-)
3. lovegod ( 03/08/2012 10:54)
misaotra anao bordelais
tsy HS mihitsy ny resakao ka, raha ny fahazahoako azy dia ny Malagasy fahiny izany raha araky ny voalazanao dia efa nahalala sy natahhotra an'Andriamanitra


"Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha ..."
"Andriamanitra tsy andrin'ny hafa andriko ihany ..."


Ireo teny ireo raha ny fandraisako azy dia milaza zavatra betsaka eo amin'ny fiheveran'ny malagasy fahiny an'Andriamanitra ka nahatonga ny fiarahamonina tamin'izany nanjakan'ny fihavanana sy filaminana. Asa na tena izay voalazako izay no tianao aseho amin'ireo teny ireo.
4. universal ( 03/08/2012 11:09)
misaotra anao lovegod amin'ity loha hevitra andrana ity

Tena tsara be ilay lohahevitra satria mba ahafahana mamakafaka ny mahagasy antsika.

Manarak'izany ny malagasy fahiny rehefa miteny dia matetika izy miteny hoe Zanahary, Andriananahary, Andriamanitra, Fanahy no olona. Ny fanontaniana apetrako dia ny hoe: Andriamanitra ve = Zanahary = Andriananahary = fanahy?
5. lovegod ( 03/08/2012 12:05)
Izaho aloha ry namana universal tsy dia mahay ny fomba sy tantara malagasy loatra fa raha ny fahazahoako azy toy iray ihany ireo, izany hoe Andriamanitra = Zanahary = Andriananahary = Fanahy.

Raha misy mahay ny fomba sy tantara malagasy dia tena irariana izay mba hitondra fanazavana
6. mirananirina ( 03/08/2012 13:29)
Ka ny finoana tsirairay dia samy midoika fa manana ny marina ary diso ny an ny hafa! Hany ka miady sy mifamono mht aza ny sasany noho ny finoana tsy mitovy! Tadidiko tsara izahay fony 12 ,13 ans eo ho eo dia antoko katolika sy antoko protestanta miady dia hoe : protestanta ambavahady mipiritika ny tainy dia any ambavany aby!hoy ny ankilany katolika romanina ny olona mivavaka izy mihina kanina grrrrr asa naninona angaha izahay t@ izany ny an ny sasany aza moa dia niaraka t@ violence mht t@ izay
7. lovegod ( 03/08/2012 13:59)

mirananirina - 03/08/2012 15:29
Ka ny finoana tsirairay dia samy midoika fa manana ny marina ary diso ny an ny hafa! Hany ka miady sy mifamono mht aza ny sasany noho ny finoana tsy mitovy! Tadidiko tsara izahay fony 12 ,13 ans eo ho eo dia antoko katolika sy antoko protestanta miady dia hoe : protestanta ambavahady mipiritika ny tainy dia any ambavany aby!hoy ny ankilany katolika romanina ny olona mivavaka izy mihina kanina grrrrr asa naninona angaha izahay t@ izany ny an ny sasany aza moa dia niaraka t@ violence mht t@ izay


Tena marina tokoa ny volazanao ary izany mihitsy ny nanaovana ity lohahevitra andrana ity mba hianarantsika hahay hiadi-hevitra sy ho tolérant amin' ny fahasamihafana. Niniana nofidiana mihitsy ilay resaka: "Andriamanitra sy ny vahoaka malagasy (fahiny sy ankehitriny) satria mba nisy soatoavina tsraa tokony ho raisina ny fiainanan'ny malagasy fahiny.
8. dadabe ( 04/08/2012 07:29)
henjana b le tsy asina toko sy andininy nefa Andriamanitra no resahina...ny baiboly tenin Andriamanitra....sao dia mba ....
9. bor2lais ( 04/08/2012 10:59)
lovegod:

raha ny fahazahoako azy dia ny Malagasy fahiny izany raha araky ny voalazanao dia efa nahalala sy natahotra an'Andriamanitra ...

... ka nahatonga ny fiarahamonina tamin'izany nanjakan'ny fihavanana sy filaminana.

Voalazanao ! ;-)

Ankehitriny indray dia toa lasa ny vola no tompoina sy atahorana fa tsy Andriamanitra intsony (aloha). Efa voasoratra rahateo moa io ao amin'ny Baiboly raha tsy diso aho (mamôna (na vola) sy Andriamanitra) ! ;-)
10. lovegod ( 04/08/2012 12:41)

dadabe - 04/08/2012 09:29
henjana b le tsy asina toko sy andininy nefa Andriamanitra no resahina...ny baiboly tenin Andriamanitra....sao dia mba ....


Marina tokoa ny voalazanao hoe tsy misy toko sy andininy, saingy izao no tiako isarihana ny sainao:
1/ ilay lohahevitra miantefa ho an'ny malagasy rehetra, fantatrao fa tsy kristianina avokoa ny malagasy, ao ny silamo, ao ny manaraka ny fomban-drazana sns... Ny tanjona dia mba ahafahan'ny rehetra maneho ny heviny momban'ny fiheverany an'Andriamanitra.

Raha raisintsika ohatra ny fiainan'ny malagasy fahiny, izany hoe mbola tsy tafiditra teto ny baiboly sy ny finoana kristianina, volaza ombieny ombieny fa nilamina ny tany, nanjaka ny fihavanana sns, raha ny fijeriko azy tsy hitako izay hitanisaina antoko sy andininy amin'izany.
Ny zava-dehibe dia ny famakafakana mba hijerena hoe maninona no tonga tamin'izany fihavanana izany ny malagasy fahiny.

2/raha nanaraka ny famakafakana eto amin'ny forum ianao dia raha vao samy miresaka toko sy andininy dia lasa fifandirana ny iafarany. Jereo koa ny manodidina anao, maro ireo fifanolanana amin'ny ireo fiangonana samihafa.
Efa nampiasa antoko sy andiny foana teto amin'ny forum, fa mba aleo indray aloha isika hianatra hiadi-hevitra amin'ity lohahevitra andrana ity.
Ity voalazan'i namana Bor2lais ity izao dia manokatra lalan-kevitra mahafinaritra:


bor2lais - 04/08/2012 12:59
Ankehitriny indray dia toa lasa ny vola no tompoina sy atahorana fa tsy Andriamanitra intsony (aloha). Efa voasoratra rahateo moa io ao amin'ny Baiboly raha tsy diso aho (mamôna (na vola) sy Andriamanitra) !


tsara fipetraka io resaky ny namana bordelais satria mba:
- ahafahantsika tsirairay avy manao auto évaluation ny tenantsika,
- ahafahantsika manao fampitahana ny gasy taloha sy ankehitriny
11. didi10 ( 06/08/2012 07:33)
Sao dia any amin'ny "antson'ny fo" na any amin'ny "fiaraha-monina" ianao namana no tokony hanokatra lohahevitra fa any tsy misy toko sy andininy sady tsy dia mandray anjara any koa ireo olona mpanafana ny adi-hevitra eto. Afaka migalabona tsara amin'ny oha-pitenenana sy ny fahalalana tsotsotra tsara ianao any.

12. bor2lais ( 06/08/2012 10:01)
didi10:

Sao dia any amin'ny "antson'ny fo" na any amin'ny "fiaraha-monina" ianao namana no tokony hanokatra lohahevitra fa any tsy misy toko sy andininy sady tsy dia mandray anjara any koa ireo olona mpanafana ny adi-hevitra eto. Afaka migalabona tsara amin'ny oha-pitenenana sy ny fahalalana tsotsotra tsara ianao any.

Izaho indray aloha radidi dia mahita fa tsy dia mivoana amin'ny lohahevitra "fivavahana sy finoana" ilay lohateny a ! :-)

Noho izany mba hajao ny lohatenin'ny hafa radidi ô ! Tsy voatery miditra ange rehefa tsy dia azoazo ilay izy e ! ;-)
13. lovegod ( 06/08/2012 11:54)

didi10 - 06/08/2012 09:33
Sao dia any amin'ny "antson'ny fo" na any amin'ny "fiaraha-monina" ianao namana no tokony hanokatra lohahevitra fa any tsy misy toko sy andininy sady tsy dia mandray anjara any koa ireo olona mpanafana ny adi-hevitra eto. Afaka migalabona tsara amin'ny oha-pitenenana sy ny fahalalana tsotsotra tsara ianao any.


Namana didi10

Miala tsiny fa hamaly anao am-pitiavana aho.

Raha araky ny fihevitrao dia tsy tokony ho ato amin’ny «fivavahana sy finoana» no misy ity lohahevitra ity. Fa raha araky ny hevitro kosa dia mety izany. Ny hitaritako ny sainao dia ireto:

1/ Miangavy anao mba ho tolérant amin’ny fisian’ny hafa.

2/ Ny dinika forum fivavahana sy finoana dia tsy natokana ho an’ny mpitory irery ihany, tsy natao ho an’ny kristianina irery ihany koa. Ny Malagasy tsy voatery ho kristianina avokoa, ao ny silamo, misy gasy fantatro boudhiste, hindouiste, ao koa ny olon-tsotra manana ny fiheverany momba an’Andriamanitra sns… Ka heveriko fa azo atao tsara ny mifampiresaka tsy misy toko sy andininy. Fomba toy izany no ahafahana mi-developper ny tolerance eo amin’ny samy mpiara-belona ary mampiroborobo ny fifankatiavana .

3/ Dinika sy forum izany anie raha ny fahazaoako azy dia sehatra iray natao ifampizarana, ifanakalozana izany. Tsy natao ifandresen-dahatra velively. Ny sehatra tena mety amin’ny fitoriana amiko dia ny famoronana lohahevitra vaovao antsoina hoe «EVANGELISATION EN LIGNE» na koa hoe «LA BIBLE EN LIGNE».

Am-pitiavana
14. leva2 ( 06/08/2012 14:29)
Velona Jesosy!

Ny atao hoe kristiana anie ry namako isany dia tsy mandeha araka ny heviny manokana izany e, na mandeha araka ny hevitr'antokom-pivavahana, na ny hevitr'i Pasitera na i mompera, fa miaina sy mivelona mandrakariva araka ny tenin'Andriamanitra. Ary ny tenin'Andriamanitra dia ny baiboly. Izany hoe n'inon'inona zava-miseho sy mitranga eo amin'ny fiainana dia misy verset biblique mifandraika amin'izay hatrany manampy, manohana, manoro hevitra, mankahery.

Tsy mandiso ilay lohahevitra anefa izany, ary tokony ho dinihina tokoa ny amin'ireto malagasy ireto sy ny fifandraisany amin'Andriamanitra.

Izao no atao namana didi10 a : rehefa mandray anjara isika amin'ity indray mitoraka ity aloha dia tsy manome toko sy andininy ho porofo eto, fa mamporisika hatrany kosa anefa aho ny mba hakantsika "référence" hatrany amin'ny tenin'Andriamanitra.

Misaotra e!
15. niryna ( 06/08/2012 20:15)
bor2lais:

Misaotra an'i "lovegod" nanokatra ity lohateny ity.

Andrana moa izy ity ka ny ahy dia mikasika an'Andriamanitra sy ny vahoaka malagasy fahiny no kasihiko kely :

"Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha ..."
"Andriamanitra tsy andrin'ny hafa andriko ihany ..."

Tsy fantatro raha H.S na tsia ny zavatra soratako ! ;-)

Ary miala tsiny fa lasa nanome andininy indray aho e ! :-)
Fa tsy misy toko kosa aloha e ! ;-)

misaotra aky bor2lais a
Izany hoe na dia nihevitra aza ny olona sasany(mba tsy ho lazaina hoe ny gasy rehetra ) ny fisian'Atra ,na dia niaina tao anatin'ny finoana ny razana aza izy ireo dia nahalala avy hatrany fa tsy ny lohasaha mangina no nojereny fa Atra izay ao an-tampon'ny loha e.
Noho izany dia tsy mitombona izany ny hoe ny norvegiana na ny fanjanahantany no nitondra ny fivavahana e, sa diso aho hi,hi
kanefa indray aky ny ohabolana iray nilaza hoe "mitahy ny razana ao atsimon-trano " dia io indray ary ra malagasy fa nino ny razana sa lasa HS aho?


Raha hoy ny resaky lovegod indray hoe aza asiana toko sy andiny indray dia tsy dia izay no olana angamba satria ny teny rehetra ao anaty baiboly dia natao hiainantsika amin'ny fiainana.Nandalovana,ho andalovana ary mbola andalovana amin'ny fiainana avokoa.ka raha maka antoko sy andininy amin'izany angamba ny olona tsy olana izany fa ny olana amiko dia ilay olona miziriziry amin'ny fiangonany ooops,maka soapapa ao amin'ny TT dia eo ka eo ka eo ,tsy mijery ny hafatr'i Kristy.eo no olana amiko
16. Miharena ( 07/08/2012 11:48)
Tsara ny lohahevitra. Fa mbola misy ihany aloha ny mierikerika mitady izay hanamarinana izay hevitra aposany amin'ny fitadiavana resaka anaty Baiboly, mihevitra mihitsy manko izy fa raha tsy izay tsy manana fahamarinana.

Ny fanalàna izay hevitra noheverina fa raiki-tapisaka no mila esorina aloha vao mamoaka hevitra amin'ny loha-hevotra toy itony. Izany hoe déconditionnement mihitsy no ilaina.

Ka raha fiheverana Malagasy momba an'Andriamanitra no resahana dia teny efa nisy io Andriamanitra sy Zanahary io fa ny fandikana azy no mety nisy ihany koa fiovaovana taty aoriana. Zanahary ohatra dia tsy hoe izay nahary no tena heviny fa anarana mihitsy io tami'ny Malagasy. Nangatahana fitahiana i Zanahary.

Raha manao fikarohana indray momba ny fototry ny niantsoana hoe Zanahary dia mety avy tamin'ny "The Emerald Tablets of Thoth The Atlantean" no niandohany. Ny tenim-pahefana nasain'i Thoth notononina tamin'izany dia hoe ZIN-URU. Io no teny fototra manam-pahefana nampiasaina ary natoron'i Thoth tamin'ireo takelabato tao Atlanta. Efa manomboka mitady ny fampiharana reo izao tontolo izao.

Ireto fanononana ireto koa dia mahavariana ihany eo amin'ny fianarana ny momba ny fanahy efa mielim-patrana eran'izao tontolo izao : Kiristi (Ny fanjakan'i Krsity ao anaty), Antakarana (fantsona Izay ifandraisana amin'i Maria renin'i Jesoa). ka asa hoe aiza ho aiza tokoa ity teny malagasy ity sy ny fifandraisany amin'ny fivavahana amin'Andriamanitra eran'izao tontolo izao.

Izay aloha no hevitra hita ka asa ny an'ny hafa fa tsy natao hotsikeraina ireo fa fahitana araka ny fikarohana ihany.
17. bor2lais ( 08/08/2012 10:34)
miharena:

Zanahary ohatra dia tsy hoe izay nahary no tena heviny fa anarana mihitsy io tami'ny Malagasy.

Amiko indray dia tsy voatery ifanipaka ireo hevitra roa ireo ! ;-)
18. Miharena ( 08/08/2012 11:35)
Marina ny fanamaihan'i Bor2lais fa ny mahasamihafa azy fotsiny dia tenim-pahefana momba ny famoronana ilay izy ao amin'ny fanazavana ny momba ilay Zin-Uru fa tsy nofaritana hoe mpamorona. Mety manana ny heriny amin'ny famoronana io teny io.

Fa na izany n atsy izany, dia samy tsy manan'endrika na Zanahary na Andriamanitra teo amin'ny Malagasy fa miseho amin'ny alalan'ny fitenenana na fampitana hafatra ihany.

Ny tena azo lazaina eo amin'y finoana Malagasy dia ny tsy fisian'ny fahafatesana fa fitohizan'aina no fantany matoa nisy ny fiantsoana ny razana.

Nisy mihitsy ny fahatombenan-tsaina lehibe raha nanatrika ny fodiamandrin'ny renibe sy dadabe taloha. Tsy noheverina mihitsy izy ireo hoe maty fa miampita amin'ny maha-razana azy ary raha vao niditra ny Krsitianisma dia tsy nanaitra mihitsy ny Maritiora ny nanolotra ny ainy toy ny tamin'y andron'ny Apostoly izay nofantsihana toa an'i kristy araka ny tantara.

Io fahalalàna io no ezahana fohazina ankehitriny mba ho maro ireo olona izay tsy hangorohoro intsony eo am-pandaozana ny vatany. Ny tena nampisy kilema ny fampianarana tsy mivoy io fa milaza zava-poana aorian'ny fahafatesana no nampisy ny tahotra ka nanjary tsy zarizary ny fahatoniana eo am-piatrehana ny fahafatesana ho an'ny olona maro. Be no matahotra ho faty na hodimandry.

Raha kolontsaina fifohazana Malagasy no jerena dia manam-pahasahiana lehibe izy ireo ary milaza izy hoe mody mandry fa tsy maty. Miverina amin-dRay fa tsy maty.

Ka eo no mipetraka ny fanontaniana hoe : ireo izay mampihorohoro ve anisan'ny manana fahamarinana? ary avy aiza ilay fampihorohoroana? avy amin'ireo razana Malagasy ve sa iza marina no fotony?
19. jojo3t ( 09/08/2012 05:14)
Sarotra ny hitondrana io lohahevitra io eto satria resaka tsotra le izy, ary tsy asiana resaka soratra masina hoy ny mpanoratra na dia miresaka an'Andriamanitra aza, sarotra be io satria raha hiresaka tantaran'ny Malagasy, dia samy zava-tsarobidy amin'izy ireo zany hoe zanahary zany, raha tena mandinika tsara koa nefa isika dia tsy ataon'izy ireo ambanin'javatra mihitsy ny razana, ndrindra ny any ambanivolo, diniho ny tantara taloha e, samy ivavahan'izy ireo na Andriamanitra na ny razana, izay no hataoko hoe, sarotra io lohahevitra io, tsara le izy an, tsy mandà fa sao dia tokony hoe any amin'ny lohahevitra hafa fa tsy ato amin'ny ara-panahy.
20. bor2lais ( 09/08/2012 08:51)
jojo3t:

samy ivavahan'izy ireo na Andriamanitra na ny razana, ... sao dia tokony hoe any amin'ny lohahevitra hafa fa tsy ato amin'ny ara-panahy.

"Fivavahana sy finoana" ange no anaran'ity lohahevitra misy antsika ity e ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0531