Andrana (essai) amin'ny fifanankalozan-kevitra: Andriamanitra sy ny vahoaka malagasy (fahiny sy ankehitriny)

41. Miharena ( 17/08/2012 16:45)
Tiafombagasy:

,Tsy mpianatra lesona mahafatra po araky ny voalazanao izany ny Malagasy, RAHA FAHENDRENA,FAHAIZANA MIAINA SY FITIANAVANA AN’ANDRIAMANITRA NO RESAHINA DIA SAHIKO NY MITENY FA TENA AMBONY LAVITRA BE NY MALAGASY FAHINY RAHA AMPITAHAINA AMIN’NY GASY ANKEHITRINY.




Tsy manana fiheverana ny handatsa velively no antony namoahako ireo fanadihadiana ieo fa ny fahitana fa misy ireo izay tsy mahatsiaro tena tsy mahay mitana ny maha-Malagasy Ftototra tsy azo hozongozonina, izay tsotra dia tsotra araka ny fitenenana hoe ny fanahy no olona.

Ilay resaka hoe lasa lavitra na tsia dia ny fanakarana izay fomba vahiny no atao hoe lasa lavitra fa izay nahatahiry ny maha-Malagasy kosa dai ireo izay efa mitombin-tsaina amam-panahy.

Izany hoe misy tsy fandikana mety tsy mifanandrify ihany omenao amin'ny fanazavana omeko eo ambony matoa ianao motsikera.
Saingy hevitra mety hiseho avokoa izany ary tsy voatery ho takatrao izay tiako holazaina raha tsy misy ny fanazavàna bebe kokoa .
42. Universal ( 17/08/2012 17:15)
Misaotra anao ry tiafombagasy nanao avocat, izaho efa tsy te hamaly fa....


Miharena - 16/08/2012 23:19
Citation
Rehefa tsy mahay mitana ny maha-fanahy maha-olona dia mazava fa mitrotrongy.


Rehefa tsy mahay mitana ny maha fanahy.... (F'ANGAHA NANAO FANAHY INIANA NY GASY KA NANARY NY MAHA IZY AZY? ) ... dia mazava fa mitrotrongy

Dia mbola sahinao ihany ve ny miteny hoe tsy latsa io teninao io???? TSY MISY DIKANY AMINAO VE NY RAN'IREO MALAGASY LATSAKA TAMIN'NY FANJANAHAN-TANY???? KA SAHINAO NY MILAZA HOE: "Rehefa tsy mahay mitana ny maha-fanahy maha-olona dia mazava fa mitrotrongy."

43. Miharena ( 18/08/2012 07:27)

TSY MISY DIKANY AMINAO VE NY RAN'IREO MALAGASY LATSAKA TAMIN'NY FANJANAHAN-TANY???? KA SAHINAO NY MILAZA HOE


Tsy misy idirany aminy' fanehoan-kevitro mihitsy ity resakao ity.

Tsy latsa fa fanamarihana satria niainan(ny Malagasy maro ny fahafatesan'ny fahatsiarovann-tena fa manam-panahy izy ka lasa nirotsaka tamin'ny fomba fanao isan-karazany izay anisan'ny nambotry azy ara-pahendrena sy ara-pitandroana ny fihavanana.

tsy mampiditra resaka fanjanahana aloha aho eto fa izay endrika manary izay mampijoro ny olona iray hananany ny maha-feno azy no ambara, ka raha midify io dia mazava fa tsy tompon'ny tena (io no ataoko hoe mitrotrongy).

Miala tsiny amin'y fomba fitenenana fa tsy mazava angamba izay ambara.
44. universal ( 18/08/2012 14:44)

Miharena - 18/08/2012 09:27


Miharena - 18/08/2012 09:27
Citation
TSY MISY DIKANY AMINAO VE NY RAN'IREO MALAGASY LATSAKA TAMIN'NY FANJANAHAN-TANY???? KA SAHINAO NY MILAZA HOE


Tsy misy idirany aminy' fanehoan-kevitro mihitsy ity resakao ity.


Tsy io zavatra noteneneniko no cité-nao io no zava-dehibe tompoko ka hilaza ianao hoe: "tsy misy idirany amin'ny fanehoan-kevitro mihitsy ity resakao ity", fa ny zavatra noteneninao mbola ho cité-ho eto ambany no tena mandratra fo RAHA GASY HOATR'AHY NO MITENY AZY


Miharena - 16/08/2012 23:19
Citation
Rehefa tsy mahay mitana ny maha-fanahy maha-olona dia mazava fa mitrotrongy.


DE TOUTE FACON, HITSAHATRA TSY HANDRAY ANJARA INTSONY ETO AMIN'NY FORUM AHO, TSY HANDANY ANDRO HIFAMALY AMINAO ETO AHO, ALEO MANAJA TENA...

FRATERNELLEMENT VOTRE
45. arist ( 20/08/2012 07:53)
Ary toa lasa nangina be isika. Marina fa tsy dia mendrika loatra ny nolazain'ny namana Miharema hoe: "Rehefa tsy mahay mitana ny maha-fanahy maha-olona dia mazava fa mitrotrongy." Fa izany ve dia natao hanajanonana ny fanehoan-kevitra?

Aleo rangahy tohizana ihany ny resaka eto a. Tena mahaliana mihitsy ilay izy. Betsaka ny manaraka ny resaka eto (amin'izao fotoana hanoratako izao dia efa 578 ny isan'ny olona namaky ity loha hevitra ity) ka tohizo fa mahalian'e. Vao ny malagasy fahiny sy Andriamanitra mantsy no nazava tsara ny fanazavana, FA MBA TIANAY HO FANTATRA NY HEVITRAREO MOMBAN'NY GASY ANKEHITINY SY ANDRIAMANITRA.

Misy fanontaniana hoan'i tiafombagasy manokana ity raha tsy mahadiso : "Inona marina ny tena finoanao? fomban-drazana ve sa Kristianina?
46. bor2lais ( 20/08/2012 12:51)
arist:

FA MBA TIANAY HO FANTATRA NY HEVITRAREO MOMBAN'NY GASY ANKEHITrINY SY ANDRIAMANITRA.

Izahay koa aloha mba te ahafantatra ny hevitrareo a ! :-)
47. tiafombagasy ( 20/08/2012 18:37)

arist - 20/08/2012 09:53
Ary toa lasa nangina be isika. Marina fa tsy dia mendrika loatra ny nolazain'ny namana Miharema hoe: "Rehefa tsy mahay mitana ny maha-fanahy maha-olona dia mazava fa mitrotrongy." Fa izany ve dia natao hanajanonana ny fanehoan-kevitra?


Marina izany, ninia nangina tokoa ny tenako amin'ny maha mpandala ny fomba malagasy ahy. Tohina ihany ny tena satria tsy sitrapon'ny gasy ny hanary ny maha izy azireo fa nanaovan'ny mpanjanaka amboletra ry zareo tamin'izany fotoana izany KA TSY RARINY RAHA MISY MITENY HOE: "REHEFA TSY MAHAY MITANA NY MAHA FANAHY MAHA OLONA..."


arist - 20/08/2012 09:53
... FA MBA TIANAY HO FANTATRA NY HEVITRAREO MOMBAN'NY GASY ANKEHITINY SY ANDRIAMANITRA.


Ialàna tsiny fa tsy manana zavatra lazaina momban'ny gasy ankehitriny sy Andriamanitra ny tenako satria:
1/ Zon'ny olombelona tsirairay avy ny manaraka ny finoana izay metimety aminy.
2/ Manaja ny finoan'ny hafa ny tenako
3/ IZA MOA AHO NO AFAKA HIRESAKA NY FINFANDRAISAN'NY GASY NAMAKO AMIN'ANDRIAMANITRA? TSY ANJARAKO NY MANAO IZANY.
Ny antony niresahako ny gasy fahiny sy Andriamanitra dia tsotra fotsiny: " Nanana SOATOAVINA lehibe sy sarobidy ny Malagasy fahiny, izay heveriko fa REHAREHANTSIKA taranaka ankehitriny ka ilaina tsiahivina ihany....
4/ Rahalahiko sy anabaviko daholo ianareo rehetra, tiako daholo, tsy fahalalam-pomba HONO ny miresaka finoana, ...


arist - 20/08/2012 09:53
Misy fanontaniana hoan'i tiafombagasy manokana ity raha tsy mahadiso : "Inona marina ny tena finoanao? fomban-drazana ve sa Kristianina?


Inona marina no tena finoako?
Fomban-drazana ve? TSIA, efa very izany, tsy hita intsony...
Tsy manana antokom-pinoana aho, tsy manana fiangonana aho, ny azoko lazaina anao fotsiny dia olon'Andriamanitra aho.

48. Miharena ( 21/08/2012 14:05)
Isaorana ny fanehoan-kevitr'i Universal ary ialàna tsiny raha nanafintohina be azy ilay fanazavàna notohizana.

Mety hiteny isika hoe tsy fidiny amin'ny Malagasy ny mahazo azy ankehitriny ho an'izay nanary ny fombany izay ahitana soa toavina manan-karena tokoa. Nefa izay aloha no misy. Saingy azo antoka kosa anefa ny fiverenana satria efa maro ireo izay efa manandratra avo ny maha-Malagasy azy ary tsy ambakan'ny hafa firenena mihitsy izy ireo.

Na izany na tsy izany dia azo antoka fa manana otri-pahendrena avokoa ny Malagasy rehetra na dia heverina aza fa efa nivily lalana any amin'ny fanomezan-danja kokoa ny vola eo anoloan'ny fihavanana. Io no antenaina hanjaka dia ny fiombonan-po amam-panahy eo amintsika rehetra. Ary tsy isika ihany fa ireo olombelona rehetra koa aza.
49. arist ( 22/08/2012 09:04)
namana tiafombagasy
Tena variana aho amin'ny valiteninao, raha nanaraka ny fanehoan-kevitrao aho milaza ny gasy fahiny sy Andriamanitra, dia nanantena aho fa hisy tsikera be avy aminao momban'ny fiainana ankehitriny, gasy ankehitriny sy Andriamanitra, Kinanjo tsy izany no niseho. Ny mahatonga ahy hiteny izany mantsy, rehefa mandinika ny samy kristianina mifanakalo hevitra eto aho dia ny hita dia fa misy tsy fitoviam-pijery na dia baiboly iray ihany no vakiana, indraindray aza mila hifandramanatra.
Izaho manokana moa rehefa mba mandray anjara eto dia miteny hoe: "tsy mahay mamaky baiboly". Ny marina dia kristianina aho, Fa rehefa nandinika izay voasoratra rehetra amin'ny loha hevitra samihafa teto amin'ny forum aho dia anisan'ny niavaka ny fanehoan-kevitrao. Ny fandraisako azy hoatran'ny misy fahatsorana izany avy any aminao, misy fanetretena, misy fitiavana...
Raha tsy manahirana anao, misy fanontaniana hafa indray: "Ahoana ny eritreritrao amin'ireny dadarabe mpanao ody gasy ireny"?
50. bor2lais ( 22/08/2012 12:37)
Fanamarihana kely
tiafombagasy:

tsy fahalalam-pomba HONO ny miresaka finoana, ...

Ary isika rehetra eto izany ange HONO ka samy tsy mahalala fomba daholo e ! :-)
Sa izay moa ilay hoe :
tiafombagasy:

Fomban-drazana ve? TSIA, efa very izany, tsy hita intsony...

:-)
51. tiafombagasy ( 22/08/2012 17:55)
Namana bordelais
Ny antony ilazako hoe: "tsy fahalalam-pomba HONO ny miresaka finoana..." dia tsotra fotsiny, tsy izaho velively no namorona izany fiteny izany, efa eken'izao tontolo izao io fisainana io ary tafiditra amin'ilay antsoina hoe "savoir vivre" izany, ka anisan'ny tafiditra amin'izany ny resaka politika, ny resaka finoana sns... Ny antony? Rehefa samy mafana fo amin'ny heviny dia mety mampifamaly sy mandrava fiavanana, ka ny tena tsara dia ny miresaka zavatra mampifandray.

Miala tsiny aho raha toa ka tsy mety aminao io fiteniko io, fa amiko ilay izy rehefa ampiarina amin'ny fiainana dia mandrindra ny fiaraha-mtiafombagasy
Fomban-drazana ve? TSIA, efa very izany, tsy hita intsony...
onina.


bor2lais - 22/08/2012 14:37
Ary isika rehetra eto izany ange HONO ka samy tsy mahalala fomba daholo e !
Sa izay moa ilay hoe :

tiafombagasy
Fomban-drazana ve? TSIA, efa very izany, tsy hita intsony...



Tsy niteny antsika rehetra eto kosa aloha aho hoe tsy mahalala fomba daholo isika rehetra eto e... Nanontaniana aho hoe: "inona no hevitro momba ny gasy ankehitriny sy Andriamanitra?", valiteny ankitsi-po no nataoko araka ny fanabezana ahy hoe:" tsy fahalalam-pomba HONO ny..."

Fomban-drazana ve? TSIA, efa very izany, tsy hita intsony... Amiko ny fomban-drazana dia ny fomba fiainany, ny fahatsoram-pny, ny fitandroana ny maha olona, ny fihavanana sns... Aiza izany?

Eny iky Ramalagasy, tsara vatsy, tsara sampy
Ianao no tena Malagasy, fa tsy ireny Ntaolo ireny...

Namana arist, mbola no valiako ny fanontanianao amin'ny manaraka.
52. arist ( 23/08/2012 07:30)
Mikasika ilay fanamarihan’I Bor2lais momban’ilay »tsy fahalalam-pomba hono ny miresaka….» Dia heveriko fa tsy tokony hipetraka akory, tsy hamerina ny efa voalazan’I tiafombagasy aho momban’ny antsoina hoe: «savoir vivre», fa na ho HS aza ny resako, na koa hoe manafitohina aza dia mba aleo aho mba hitondra fanamarihana kely koa.

1 – Efa zatra miady hevitra momban’ny tenin’Andriamanitra ve isika ka gaga sy tohina ary manao fanamarihana rehefa misy olona miteny hoe: «tsy fahalalam-pomba ny…», TSY ALEO VE IZY MANAJA-TENA TOY IZAY HITSIKERA SY HANENJIKA NY FINOAN’NY HAFA? Izany ihany anie no hipoiran’ny fivakivakisan’e.

2 – Niarahana nahita fa fanehoan-kevitra andrana ihany ity, ary tsy nasiana antoko sy andininy. Nefa dia talanjona ny tenako fa misy olona malaza manandratra ny tenany ho mpitory eto amin’ny forum milaza fa tsy tokony eto amin’ity «fivavahana sy finoana» no tokony atao ity loha hevitra ity. Maro moa ny resaka efa nandeha momban’io ka tsy hiverenako fa dia anjaranao ny maminavina hoe: «inona ary ity misisika hiadi-hevitra amin'ny tenin'Andriamanitra ity …»

(fanamarihana hafa: fa mba lasa aiza I lovegod namorona ity loha hevitra ity fa tsy hitahita tato no ato.)

Miandry ny valiteninao aho ry namana tiafomba gasy momban’ny fanontaniako mikasika an’I dadarabe sy ny ody gasy.
53. bor2lais ( 23/08/2012 09:46)
Mba fanamarihana ange ny ahy iny e ! Tsy tohina na malahelo velively akory bor2lais fa vazivazy aza no nanaovako an'io : inona tokoa moa no atao eto @ ity sehatra "fivavahana sy finoana" ity raha dia "tsy fahalalam-pomba HONO ny miresaka finoana" ? ;-)

Mba te-hisintona ny saintsika @ zavatra soratantsika eto fotsiny i bor2lais : tsy voatery ho azon'ny rehetra akory izay tiantsika soratana ! Hay zavatra kely tsy ampoizina na tsy eritreretin'ny mpanoratra akory dia mety manindrona na mahasarotiny antsika ! ;-)

Faranako eo iny HS ko iny, fa izaho koa mba te-hanontany tahaka an'i arist hoe "sao dia tsara manao bilan kely indray i lovegod mikasika ity lohateny andrana nosokafany ity" : aiza ho aiza isika izao @ ilay lohateny, amin'ny maha andrana azy, nampiova zavatra ve ny tsy fampiasana toko sy andininy (lafy tsara sy lafy ratsiny), sns :-)
54. pakopako ( 23/08/2012 22:51)
Mankasitraka ny namana rehetra!

Za dia tsy mpandray anjara loatra @ adi-hevitra eto @ forum fa mpamaky fotsiny, fa taitra ihany ny tena hoe feno fahendrena yt feno fanajana ny fanehoan-kevitra teto,na dia nisy saika handoto rano aza ny sasany.Midika izany amiko fa raha ny fifakatiavana miaraka @ tompo tokoa izany no ampiasaina d mety ary azo antenaina ny hiverenan'ny fifakatiavana tsy misy fanaratsiana.
Isaorana tokoa i tiafombagasy nanafana ny sehatra.
55. tiafombagasy ( 24/08/2012 05:56)

arist - 22/08/2012 11:04
Raha tsy manahirana anao, misy fanontaniana hafa indray: "Ahoana ny eritreritrao amin'ireny dadarabe mpanao ody gasy ireny"?


Miala tsiny ry namana arist raha toa ka izao vao afaka mamaly ny fanotanianao. Napetrakao mivantana amiko moa ilay izy hoe: "ahoana ny eritreritro amin'ireny dadarabe ireny..." ka hiezaka aho hamaly izany.

Voalohany aloha dia hovaliako araky ny fandraisako ny resaka ataon'ny olona.
1/ raha eo amin'ny kristianina dia dadarabe = fanompoan-tsampy, asan'ny maizina sns (fitanisana ny zava-misy fotsiny no ataoko eto fa tsy mitsara akory).
2/ nisy mpanao gazety iray nanontany an'i Profesora Ratsimamanga hoe: "ianao marina ve no tena savant"? Dia namaly Profesora nanao hoe: "tsia, tsy izaho no savant, fa ireo ombiasa, dadarabe, mpanazary sns..., nanatona an-drizareo aho, ary namadika ny fomba fitsaboan-drizareo hifanaraka amin'ny siansa". Fanamarihana kely: nieli patrana manerana izao tontolo izao ny asan'i Profesora.
Ka raha ny eritreritro momban'ny dadarabe ireny no ho zaraiko dia toy izao: fahiny tamin'ny andron'ny Ntaolo dia tsy nisy dokotera, tsy nisy hopitaly fanisy olona teo amin'ny fiaraha-monina nanana fahaiza-manao ary afaka nitsabo ny mpiray tanàna aminy. Tsy isika malagasy ihany anefa no nanana dadarabe fa manerana izao tontolo izao dia samy manana ny dadarabeny daholo fa ny fiantsoana azy no samy hafa.

Médecine traditionnelle
Selon la définition officielle de l'OMS, la médecine traditionnelle « se rapporte aux pratiques, méthodes, savoirs et croyances en matière de santé qui impliquent l’usage à des fins médicales de plantes, de parties d’animaux et de minéraux, de thérapies spirituelles, de techniques et d’exercices manuels – séparément ou en association – pour soigner, diagnostiquer et prévenir les maladies ou préserver la santé ».

Fonction au sein des sociétés traditionnelles
Article détaillé : chamanisme.
Le rôle est assumé par des hommes ou des femmes avec des fonctions très variées dans les sociétés traditionnelles, incluant la direction de la tribu, l'élaboration et la direction des rituels, la guérison par sa connaissance des plantes ou une action psychique directe, l'enseignement, le conseil; ces rôles sont souvent combinés.

Les aptitudes supposées des chamanes sont, entre autres, une perception extra sensorielle; des pouvoirs psychiques variables suivant les traditions et l'individualité du chamane (télépathie, prescience, vision à de grandes distances, divination...); en tant que psychopompe, il relie le monde des morts, l'au-delà, à celui des vivants par une série de transformations personnelles, parfois par l'emploi de substances psychotropes, guidés par un chamane plus ancien, selon une relation Maître-Disciple.

Ny Chamane moa dia mitovitovy amin'ny dadarabe eto amintsika.

KA RAHA NY ERITRERITRO DIA OLONA MPANASOA OLONA DADARABE, ACTE NOBLE IZANY, ialako tsiny fa tsy mitovy fijery amin'ireo izany milaza ny dadarabe ho herin'ny maizina aho.


o
56. arist ( 25/08/2012 03:44)
Namana tiafombagasy

Misaotra anao namaly ny fanontaniako momban'i dadarabe, marina tokoa fa tamin'ny fotoana tsy mbola nidiran'ny fitsaboana tandrefana dia ry dadarabe ihany no tsy maintsy itondrana ny olana sy aretina rehetra eo amin'ny Ntaolo, ary heveriko fa rariny izany.

Ny tena tiako hanontaniana dia ny hevitrao amin'ireo ody gasy entina hamosaviana na entina hisomparana fiainan'olona (ilay tena herin'ny maizina ireny e)
57. bor2lais ( 25/08/2012 11:13)
Ity misy rohy mikasika io resaka "ody gasy" io sao mahaliana antsika :
tsindrio eto
:-)
58. tiafombagasy ( 26/08/2012 14:29)
Misaotra ny namana Bor2lais amin'ny fizarana zava-misy amin'ny ody gasy


arist - 25/08/2012 05:44
Namana tiafombagasy
Ny tena tiako hanontaniana dia ny hevitrao amin'ireo ody gasy entina hamosaviana na entina hisomparana fiainan'olona (ilay tena herin'ny maizina ireny e)


Voalohany aloha mab misy fanamarihana kely, forum ity misy antsika ity ka heveriko fa rariny sy hitsiny raha toa ka tsy atao direct amiko ny fanontanianao ry namana arist satria lasa dialogue ntsika sy ianao ilay resaka, tsara koa mantsy raha mba samy mandray anjara ny olona rehetra.

Raha mikasika ny ody gasy indray aloha dia tsy dia mahalala loatra ny momban'io aho satria tsy mbola nampiasa azy. Fa ny eritreritro dia toy izao:
Raha raisintsika ohatra ny antsy. Ny antsy dia manampy amin'ny fiainana andavanandro, eritrereto hoe tsy misy ny antsy, hanao ahoana ny fiainana? Dia hilaza ve isika fa tsara ny antsy? Etsy andanin'izay ny antsy azo hamonoana olona, dia hilaza ve isika fa ratsy ny antsy? Amiko ny antsy fitaovana ihany fa ny olona mampiasa azy ny mety ho ratsy na tsara.

Io ohatra io no entiko hiampitana any amin'ny ody gasy. Ny ody gasy dia zavatra nalaina avy amin'ny zava-boahary noharian'Andriamanitra. Dia sahy hiteny ve ianao fa ratsy fanahy Andriamanitra fa nanamboatra zava-boahary hanaovana ody gasy? Ny olona mampiasa azy no mety no ratsy na tsara. Marihiko fa ny olona mpilalao ody dia manana "pouvoir":
- ohatra ny mpanao ody may: rorany fotsiny ny olona may dia sitrana tanteraka. Izany hoe manasoa olona izy. (maro ny ohatra azo lazaina...)
- ohatra ny mpamosavy afaka mamono olona.
Ka io pouvoir io rehefa ampiasaina amin'ny zavatra ratsy dia ratsy ary rehefa ampiasaina amin'ny zavatra tsara dia tsara.

Na ny fanafody vazaha koa anie toy izany e, mety mahafaty, mety mahavelona.

Fomba fijery iray ny ahy, tsy voatery ho marina fa araky ny voalazako etsy ambony amporisihina ny rehetra hitondra fanehoan-kevitra
59. arist ( 27/08/2012 15:43)
Namana tiafombagasy

Marina tokoa fa lasa be fanontaniana tokoa ny tenako.tsy nieritreritra ny hanao dialogue aminao eto amin'ny forum fa mahaliana ahy ny fomba fanahoanao hevitra ary mandresy lahatra mihitsy e, hany ka misy eritreritra manitikitika foana ary mahatonga hametraka fanontaniana. Tsotra ny fanazavanao, mora takarina nefa mifona hevitra lalina.

Ny tenako dia mbola tanora taty aorina, notezaina tao amin'ny finoana kristianisma fa sincèrement tena zava-baovao amiko ny zavatra voalazanao. Tena mahatsiaro ho tsy mahay na inona mihitsy aho manoloana ny zavatra nolazainao amin'ny fahendren'ny malagasy fahiny sy ny fanehoanao ny hevitrao am-pahendrena.

Ka raha tsy manahirana anao dia mba omeo ny contact-nao aho (na mail na tél.) fa mbola betsaka ny zavatra manitinitika ahy. Mba te hanana fahalalàna toa anao aho mantsy...
60. Miharena ( 28/08/2012 04:27)
Tiafombagasy:

Tsy mpianatra lesona mahafatra po araky ny voalazanao izany ny Malagasy, RAHA FAHENDRENA,FAHAIZANA MIAINA SY FITIANAVANA AN’ANDRIAMANITRA NO RESAHINA DIA SAHIKO NY MITENY FA TENA AMBONY LAVITRA BE NY MALAGASY FAHINY RAHA AMPITAHAINA AMIN’NY GASY ANKEHITRINY.



Citation
Miharena - 16/08/2012 23:19
Rehefa tsy mahay mitana ny maha-fanahy maha-olona dia mazava fa mitrotrongy.


Dia gaga aho sady malahelo raha MALAGASY no miteny an’izany (indrindra ilay fitenenana hoe: rehefa tsy mahay mitana ny maha fanahy...). Isika izao no noheverina fa hanandratra ny maha Malagasy nefa toa lasa fandatsana ilay resaka… Mba fidio ihany lahy izay zavatra ho tenenina... ,
MBA HANANANAO FAHAMENDREHANA EO ANATREHAN'ANDRIAMANITRA



Mitovy ihany ny resaka hoe tsy mitovy ny fahendrena Malagasy taloha sy ankehitriny sy ny hoe olombelona mitrotrongy. Malagasy aho no miteny ary niainako io fitrotrongisana io matoa aho miteny. Aoka angamba raisina hoe fahatsapana anaty ilay lazaiko fa tsy manana resaka hanamavo na iza na iza aho matoa milaza io teny io.
Ny zava-dehibe dia ny fahatsapan-tena fa manana fahalemena ary miharina avy eo fa tsy ny fambolena hevitra manamafy zava-mandavo iray.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113