Andrana (essai) amin'ny fifanankalozan-kevitra: Andriamanitra sy ny vahoaka malagasy (fahiny sy ankehitriny)
61. tiafombagasy
(
28/08/2012 07:24)
Namana Miharena
misaotra anao amin'ny fanehoankevitrao. Raha ny marina tsy nanana olana tamin'ny voalazanao ny tenako, fanehoan-kevitra fotsiny no nataoko, tsy voatery ho marina ny resaka ataoko ary indrindra tsy mitady fahamarinana ho ahy aho.
Tanora ianao araky ny voalazanao. Raha ny fijeriko ny hetahetanao te hahalala zavatra heveriko mbola afaka misondrotra ambony tokoa ianao eo amin'ny lafiny rehetra amin'ny fiainana indrindra fa ny aram-panahy.
Milaza ianao fa tsy mahay n' inon''inona... Ny azoko hambara anao dia ity fomba fiteny vazaha ity: " Si tu sais que tu ne sais rien, ce que tu sais tout; et si tu sais que tu sais tout, ce que tu ne sais rien"
Efa an-dàlana mitondra any amin'ny tsaratsara kokoa ianao zandrikely a....
Te haka ny contact ianao fa "te hanana fahalàlana toa anao aho" hoy ianao. Ny azoko hambara anao dia:
1/ Voalohany aloha dia tsy tompon'ny fahalalana ny tenako. Andriamanitra irery ihany no tompon'ny fahalalana. Ka tsy aleonao ve any no maka ny contact-ny toy izay aty amiko no mitady fahalalana.
2/ Faharoa, mahatsiaro ny tenako fa tena kely sy bitika ny fahalalana ato amiko, Tsy hoe rehefa nitanisa ny fahendrena malagasy fahiny aho dia izaho no tena dadany. Tsia, maro ny olona mahalala sy afaka mitanisa azy ireny.
3/ Miala tsiny zandry kely fa tsy afaka manome ny adresse mail-ko na numéro tel. anao aho

arist - 27/08/2012 17:43
Namana tiafombagasy
Ny tenako dia mbola tanora taty aorina, notezaina tao amin'ny finoana kristianisma fa sincèrement tena zava-baovao amiko ny zavatra voalazanao. Tena mahatsiaro ho tsy mahay na inona mihitsy aho manoloana ny zavatra nolazainao amin'ny fahendren'ny malagasy fahiny sy ny fanehoanao ny hevitrao am-pahendrena.
Tanora ianao araky ny voalazanao. Raha ny fijeriko ny hetahetanao te hahalala zavatra heveriko mbola afaka misondrotra ambony tokoa ianao eo amin'ny lafiny rehetra amin'ny fiainana indrindra fa ny aram-panahy.
Milaza ianao fa tsy mahay n' inon''inona... Ny azoko hambara anao dia ity fomba fiteny vazaha ity: " Si tu sais que tu ne sais rien, ce que tu sais tout; et si tu sais que tu sais tout, ce que tu ne sais rien"
Efa an-dàlana mitondra any amin'ny tsaratsara kokoa ianao zandrikely a....
arist - 27/08/2012 17:43
Namana tiafombagasy
Ka raha tsy manahirana anao dia mba omeo ny contact-nao aho (na mail na tél.) fa mbola betsaka ny zavatra manitinitika ahy. Mba te hanana fahalalàna toa anao aho mantsy...
Te haka ny contact ianao fa "te hanana fahalàlana toa anao aho" hoy ianao. Ny azoko hambara anao dia:
1/ Voalohany aloha dia tsy tompon'ny fahalalana ny tenako. Andriamanitra irery ihany no tompon'ny fahalalana. Ka tsy aleonao ve any no maka ny contact-ny toy izay aty amiko no mitady fahalalana.
2/ Faharoa, mahatsiaro ny tenako fa tena kely sy bitika ny fahalalana ato amiko, Tsy hoe rehefa nitanisa ny fahendrena malagasy fahiny aho dia izaho no tena dadany. Tsia, maro ny olona mahalala sy afaka mitanisa azy ireny.
3/ Miala tsiny zandry kely fa tsy afaka manome ny adresse mail-ko na numéro tel. anao aho
62. arist
(
29/08/2012 05:48)
Miarahaba ny namana rehetra
Miasaotra anao aho ry namana tiafombagasy amin'ny teny nomenao ahy, ary tsy manome tsiny anao koa raha tsy nanome ny contact-nao ahy ianao, marina ny anao satria fanehoan-kevitra tokoa ny nataonao fa tsy fandresen-dahatra ary hitaona ny olona hivavaka atsy na aroa, na koa ho any amin'ny vondrona atsy na aroa.
Ka eo amin'ilay fangalana contact-n'Andriamanitra mihitsy no tena olana anie.
Anisan'ny antony nidirako teto amin'ny forum "fivavahana sy finoana" dia mba ny hijery ny làlana ahitàna an'Andriamanitra. Rehefa namaky ny lohahevitra samihafa aho anefa dia diso fanantenana satria:
- lasa adi-hevitra tsy misy làlany no hita ato (discussion sans issue) angamba raha mifanatri-tava dia tena lasa ady mihitsy. Tsy hita intsony izay marina fa samy milaza azy ho mpitory mahay avokoa. TAKONA TANTERAKA ANDRIAMANITRA FA RY ZAREO SY NY TOKO SY ANDININY NO TENA MISONGADINA.
- Indraindray aza ny fanehoan-kevitry ny sasany toa hoatry ny milaza fa any aminy mihitsy ny lakilen'ny lanitra (clé des cieux) ohatra amin'izany: " mba hamojena ny fanahinao dia omeko anao ity toko sy andininy ity... " sns...
(Tena ialako tsiny raha manafitohina anareo io voalazako io fa zava-misy azo hamarinina ireo voalazako ireo)
Raha nahita ity lohahevitra: "Andrana (essai) amin'ny fifanankalozan-kevitra: Andriamanitra sy ny vahoaka malagasy (fahiny sy ankehitriny)" ity aho dia faly satria nivoitra ny lafiny maha olona, fitiavana ny mpiara-belona indrindra fa ny fatahorana an'Andriamanitra.
Ary rehefa mamaky ny fanehoan-kevitrao aho ry tiafombagasy dia mahatsapa fa misy fahendrena lalina sy fanahy mihitsy avy aminao.
Nanontany anao aho hoe inona ny finoanao? Namaly ianao fa tsy manam-pinoana (tsy kristianina, tsy silamo, tsy boudhiste sns...) ary hoy ianao hoe: "olon'Andriamanitra aho".
Ny fanontaniako dia ity: inona ary no atao hoe olon'Andriamanitra? Ahoana no atao mba hahatonga olon'Andriamanitra?

tiafombagasy - 28/08/2012 09:24
1/ Voalohany aloha dia tsy tompon'ny fahalalana ny tenako. Andriamanitra irery ihany no tompon'ny fahalalana. Ka tsy aleonao ve any no maka ny contact-ny toy izay aty amiko no mitady fahalalana.
Ka eo amin'ilay fangalana contact-n'Andriamanitra mihitsy no tena olana anie.
Anisan'ny antony nidirako teto amin'ny forum "fivavahana sy finoana" dia mba ny hijery ny làlana ahitàna an'Andriamanitra. Rehefa namaky ny lohahevitra samihafa aho anefa dia diso fanantenana satria:
- lasa adi-hevitra tsy misy làlany no hita ato (discussion sans issue) angamba raha mifanatri-tava dia tena lasa ady mihitsy. Tsy hita intsony izay marina fa samy milaza azy ho mpitory mahay avokoa. TAKONA TANTERAKA ANDRIAMANITRA FA RY ZAREO SY NY TOKO SY ANDININY NO TENA MISONGADINA.
- Indraindray aza ny fanehoan-kevitry ny sasany toa hoatry ny milaza fa any aminy mihitsy ny lakilen'ny lanitra (clé des cieux) ohatra amin'izany: " mba hamojena ny fanahinao dia omeko anao ity toko sy andininy ity... " sns...
(Tena ialako tsiny raha manafitohina anareo io voalazako io fa zava-misy azo hamarinina ireo voalazako ireo)
Raha nahita ity lohahevitra: "Andrana (essai) amin'ny fifanankalozan-kevitra: Andriamanitra sy ny vahoaka malagasy (fahiny sy ankehitriny)" ity aho dia faly satria nivoitra ny lafiny maha olona, fitiavana ny mpiara-belona indrindra fa ny fatahorana an'Andriamanitra.
Ary rehefa mamaky ny fanehoan-kevitrao aho ry tiafombagasy dia mahatsapa fa misy fahendrena lalina sy fanahy mihitsy avy aminao.
Nanontany anao aho hoe inona ny finoanao? Namaly ianao fa tsy manam-pinoana (tsy kristianina, tsy silamo, tsy boudhiste sns...) ary hoy ianao hoe: "olon'Andriamanitra aho".
Ny fanontaniako dia ity: inona ary no atao hoe olon'Andriamanitra? Ahoana no atao mba hahatonga olon'Andriamanitra?
63. tiafombagasy
(
30/08/2012 11:30)
arist - 29/08/2012 07:48
Nanontany anao aho hoe inona ny finoanao? Namaly ianao fa tsy manam-pinoana (tsy kristianina, tsy silamo, tsy boudhiste sns...) ary hoy ianao hoe: "olon'Andriamanitra aho".
Ny fanontaniako dia ity: inona ary no atao hoe olon'Andriamanitra? Ahoana no atao mba hahatonga olon'Andriamanitra?
Namana arist.
Tena madity mihitsy ianao sy ny fanontanianao ry zandry kely a. Eny e, amin’ny maha forum ny eto moa dia ny fifampizarana no zava dehibe, ka ho valiako ihany ny fanontanianao araky ny fahazoako azy (tsy voatery ho marina akory).
Inona no atao hoe olon’Andriamanitra?
Gaga aminao aho ry zandrikely amin’io fanontanianao io.
Raha ny fiainana an-davan’andro dia ireo mpivavaka no manasokajy ny tenany ho olon’Andriamanitra ary ny ankoatr’izay dia sokajin-drizareo ho olon’izao tontolo izao na koa antsoina hoe tsy mpino.
Ny fahitako azy indray dia tena faran’izay tsotra be ary mifanohitra amin’ny fijerin’ny mpivavaka. Andriamanitra tsy namorona antokom-pinoana (katolika, protestanta, silamo….). Izao tontolo izao no zavatra nohariany ary anisan’izany ny olombelona. Ka diso aho ve raha miteny hoe: «olon’Andriamanitra aho?»
Eo anatrehan’Andriamanitra dia sarobidy ny tontolo nohariany (tafiditra ao ny olombelona) ary namoahany didy mihitsy mba hiarovany azy ireo: «tsy mahazo mamono, tsy mangalatra ny zavatry ny hafa, tsy manao vavolombelona tsy marina, sns…» Marihina fa tsy natao ho an’ny mpivavaka irery ihany ireo didy ireo ka rehefa tsy mivavaka dia azo vonoina hoatran’ny mamono moka sy voalavo.
Ny fanontanianao faharoa: Ahoana no atao mba hahatonga olon'Andriamanitra?
Ho valiko araky ny fahazoako azy ihany.
Raha ny marina tsy misy atao satria araky ny voalazako izy no nahary antsika ary sitrapony matoa misy isika.
Na dia izany aza, raha ekentsika fa Andriamanitra no fototra nihavian'izao tontolo izao dia misy zavatra tokony ataontsika ihany toy ny fankasitrahana an'Andriamanitra, ny atao amin'izany dia ny manaja ny zavatra rehetra nohariany, manaja ny tenanao ary manaja ny mpiara-belona aminao. Rehefa vitanao izay rehetra izay, apetraho ao anatinao ny hetaheta mitady an'Andriamanitra sy ny fitiavana an'Andriamanitra, tsy mila miteny akory ianao fa Andriamanitra mahafantra ny ao am-po tsy miloaka satria omnipotent izy, omniprésent izy ary omniscient izy. Izay ihany atao fa aza mangataka fahasoavana izany, aza mangataka paradisa izany sns...
ps: rehefa mitady an'Andriamanitra tena ataovy amin'ny fo, fadio ny mitsapatsapa
64. arist
(
31/08/2012 03:34)
tiafombagasy - 30/08/2012 13:30
...tsy mila miteny akory ianao fa Andriamanitra mahafantra ny ao am-po tsy miloaka satria omnipotent izy, omniprésent izy ary omniscient izy. Izay ihany atao fa aza mangataka fahasoavana izany, aza mangataka paradisa izany sns...
Namana tiafombagasy.
Misaotra anao nanana fandavatena namaly ahy, ny tsy iraisako aminao dia ilay filazanao hoe: "... aza mangataka fahasoavana izany, aza mangataka paradisa izany..."
F'angaha aminao tsy misy lanjany ny fahasoavana? ny paradisa? Sao dia ho lasa any amin'ny afo-be ary aho raha izany no fandehany.
65. RBNIR
(
31/08/2012 09:45)
RBNIR
Faly miarahaba sy manasa ny namana rehetra,
Fandaharana ao @ TN TV UHF 471.25 anio alina amin'ny 8h 30.
Samia ho tahin'ny Tomp namana,
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Raha tsy nahita ianao dia mbola afaka mijery ny alahady 02-09-2012 ho avy izao ao amin'io télé io ihany fa amin'ny 1ora tolakandro fandaharana tsiambara3,
Samia ho tahin'ny Tompo,

66. tiafombagasy
(
03/09/2012 07:13)
arist - 31/08/2012 05:34
Citation
Namana tiafombagasy.
Misaotra anao nanana fandavatena namaly ahy, ny tsy iraisako aminao dia ilay filazanao hoe: "... aza mangataka fahasoavana izany, aza mangataka paradisa izany..."
F'angaha aminao tsy misy lanjany ny fahasoavana? ny paradisa? Sao dia ho lasa any amin'ny afo-be ary aho raha izany no fandehany.
Mila tsiny fa somary niandry kely aho vao namaly anao, niandry aho satria sao mba misy namana te haneho hevitra momban'io fanamarihanao io.
Ny hamaliako anao dia tsotra be.
1/ Hoy aho hoe aza mangataka fahasoavana izany Tsara faritana angamba ny atao hoe fahasoavana. Amin'ny olombelona ny fahasoavana dia ny vola aman-karena, ny fananam-be, ny ara-materialy (fiara, villa, sns...), ny fahasalamana, sns... Rehefa mahazo ireo fahasoavana ireo ra-olombelona dia mety hizahozaho, hiavona, sns ... (nefa koa mety tsy ho izany), fa ny tena iraisana dia tsy mety ho afa-po mihitsy fa ny mitady hatrany hatrany (izay manana 1000Ar te hahazo 2000Ar, izay mahazo fiara 4X4 te hahazo Hummer (société de consomnation no misy antsika, mitobaka hatrany ny zava-baovao, ary mitombo hatrany koa ny filàna).
Tsaratsara koa angamba faritantsika tsara koa ny resaka: ny fanontanianao dia hoe: "Ahoana no atao mba hahatonga olon'Andriamanitra?" Dia izay no valiny satria hoy i Kristy momban'ny vola:
- "Avereno amin'i kaisara izay an'i kaisara, ary an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra". Tsy an'Andriamanitra izany ny vola raha io teny io no dinihina.
- Rehefa nahatandrina ny didy rehetra ilay rangahy mpanakarena dia hoy Kristy taminy: "amidio daholo ny fanananao dia andao hanarak'ahy". Avelao daholo aloha ny ara-materialy ra tena hitady an'Andriamanitra.
- " Aza manompo Andriamanitra roa (mamôna sy Izaho).
Ka raha tena hitady an'Andriamanitra marina ianao dia izay no làlana e. Ny hetaheta an'Andriamanitra no haingana indrindra hahatongavanao any.
ps: Marihiko fa izaho dia olombelona mikarama mitady vola.
2/Aza mitady paradisa izany Rehefa tafaray amin'Aandriamanitra ianao, hataonao inona indray paradisa? Izay misy an''Andriamanitra dia paradisa foana, n'aiza na'aiza misy azy.
67. arist
(
05/09/2012 07:26)
namana tiafombagasy
Tena lojika be ilay fanehoankevitrao raha faritana arak'ilay fanontaniako. Mampahatsiaro ireo mpianatr'i Kristy 12 lahy izay namoy ny asam-pivelomany avy sy ny fananany ary nanaraka an'i Kristy. Tsoriko aloha fa tena henjana ilay resak'e. Olombelona ihany ny tena, mbola mitady fahasoavana e.
Tsy misy làlana hafa ve ahazoana manatona an'Andriamanitra? Mba ahoana ny hevitrao momban'ny toko sy andininy?

68. bor2lais
(
05/09/2012 10:43)
tiafombagasy:
Namana arist.
Tena madity mihitsy ianao sy ny fanontanianao ry zandry kely a.
:-)
69. tiafombagasy
(
05/09/2012 13:38)
arist - 05/09/2012 09:26
namana tiafombagasy
Tsy misy làlana hafa ve ahazoana manatona an'Andriamanitra? Mba ahoana ny hevitrao momban'ny toko sy andininy?
Ny làlana hany fantatro dia tsy misy afa-tsy ny hetaheta an'Andriamanitra amin'ny fo madio e. Ny tena olana anie dia heverintsika olombelona mitovy amintsika Andriamanitr'e. Isika olombelona no mihevitra fa rehefa manao zavatra iray dia tsy maintsy misy tambiny ary izany foana no nalentika tao an-dohantsika tao (raha manao ny tsara isika dia mihevitra fa hahazo fahasoavana, raha manao ny ratsy isika dia mijinja sazy).
Tsy izany kosa no fiheverako an'Andriamanitra satria:
1/ Raha ekenao fa Andriamanitra no nanome aina ny voahary manontolo, mba azonao an-tsaina ve ry namana Arist ny lanjan'izany fahasoavana nomeny izany? Tsy nangataka na inona na inona taminao izy nefa nomeny anao ny fiainana. Sarobidy izany saingy isika olombelona ihany no nanimba ny fiainantsika, ary koa tsy mety ho afa-po amin'izay nomeny antsika.
2/ Andriamanitra tsy manao takalo izany, ka raha manao an'ity ianao dia mahazo paradisa, ary raha manao an'itsy ianao dia any amin'ny afobe. Averiko ihany fa izany no fisainan'ny olombelona. Azo tarafina tamin'ny fandalovan'i Kristy tany amin'ny jiosy ny eritreritr'Andriamanitra, haka ohatra isika: voalazan'ny didy folo fa tsy azo atao ny mijangajanga. Nisy anefa vehivavy nijangajanga (nanitsaka ny didy) saika hovonoina amin'ny tora-bato... (fantatrao ny zava-niseho rehefa niditra an-tsehatra i Kristy).
3/ Andriamanitra dia fitiavana. Tsy masiaka, Tsy mpanasazy fa raha manao izany izy dia mitsahatra ny maha Andriamanitra azy ary maka ny toerana sy fisainan'olombelona izy.
Ka toy izany ny fijeriko, ialàna tsiny raha mifanohitra amin'ny fijerinao fa amiko Andriamanitra dia manana ny toerana mendrika azy, tsy azo rebirebena amin'ny teny tsara lahatra sy mirindra. Andriamanitra dia mahafantatra ny ao am-po tsy miloaka ary ny fonao madio ihany no ahafahany mahafantatra anao fa tsy izay voalazan'ny vavanao akory na ny ataonao ka je signe et je persiste hoe: voleo ao am-ponao ny hetaheta an'Andriamanitra fa hatorony anao ny làlana ahatongavana any Aminy.
Izay no azoko zaraina ry zandrikely a sy ireo namana manaraka ny fanehoankevitra eto. Ialàna tsiny koa fa noho ny asa aman-draharaha dia mety tsy ho tafiditra eto intsony.
70. arist
(
06/09/2012 08:23)
namana tiafombagasy,
Dommage fa tsy ho afaka hiditra eto intsony ianao. Mbola betsaka ny zavatra tiako hanontaniana nefa ianao ty tsy hita intsony. Tsy hoe tsy misy olona azo anontaniana ato, fa ilay fanehoan-kevitrao no manana ny maha izy azy. Nanana fotoana aho nampitovy ny fanehoan-kevitra rehetra teto, niavaka ny anao satria tsotra, lalina ary lojika ny fahitako azy manokana, nahafahako nahafantatra zavatra maro, indrindra nahazahoako toky amin'ny làlana izay ombako. Taloha tokoa mantsy feno tahotra foana ny tenako amin'ny hoe sao de any amin'ny afobe raha manao an'ity na iroa satria izany no namolavolana ny tenako...
Misaotra anao amin'izay rehetra nifaneraserana teto izay.

71. didi10
(
06/09/2012 08:54)
Aolan'ny kely fahalalana sady tsy miorina tsara ny Tenin'Andriamanitra ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.
72. Miharena
(
06/09/2012 09:05)
Ilay resaka hoe manolana ny tenin'Andriamanitra no mila aseho tsara. Raha misy milaza fanomezan-toky ny momba an'Andriamanitra ve dia manolana tenin'Andriamanitra ?
Ny fampianarana feno fampitahorana sy fampihorohoroana ve tena fampianaran'Andriamanitra?

73. didi10
(
06/09/2012 09:11)
Miharena:
Ilay resaka hoe manolana ny tenin'Andriamanitra no mila aseho tsara. Raha misy milaza fanomezan-toky ny momba an'Andriamanitra ve dia manolana tenin'Andriamanitra ?
Ny fampianarana feno fampitahorana sy fampihorohoroana ve tena fampianaran'Andriamanitra?
Izaho ve izao raha mampianatra an'i Miharena fa tsy maintsy ho faty ianao indray andro any dia mampitahotra va izany?
Sady ny teny anie milaza fa aza matahotra izay hahafaty ny nofonareo fa izay mahay manary ny fanahy ao amin'ny helo no atahory.
74. arist
(
06/09/2012 12:36)
didi10 - 06/09/2012 10:54
Aolan'ny kely fahalalana sady tsy miorina tsara ny Tenin'Andriamanitra ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.
Andriamatoa didy10
Raha mamaky io fanehoankevitrao io aho dia tena talanjona sy malahelo satria:
1/ mihevitra izany ianao fa "IANAO IZANY NO BE FAHALALANA SY TOMPON'NY TENIN'ANDRIAMANITRA KA RAHA TSY MITOVY FIJERY AMINAO DIA MANARY TENA" fa ny sasany kely fahalalana. Maninona re no dia manao an'izany? Sady manambany olona ianao no sady mizahozaho ho be fahalalana nefa mba misora-tena ho mpitory. Izay manandratra ny tenany ihany hono tompoko no ahetry. Eto dia tsaroako ilay nolazain'i Tiafombagasy tamiko manao hoe: "Si tu sais que tu ne sais rien, ce que tu sais tout; et si tu sais que tu sais tout, ce que tu ne sais rien". Mba mandiniha tena vao manoratra tompoko.
2/ En plus n'izany, forum anie no eto tompoko ô! Fanehoankevitra no eto e! Ny anao indray tsy izany fa FITSARANA NY HEVITRY NY HAFA NO ATAONAO. Nefa mba fantatrao va ilay tenin'ny Kristy manao hoe: "aza mitsara mba tsy ..." Tsy vitan'ny hoe mitsara ianao fa mbola mamoaka didim-pitsarana ka sahy miteny hoe: " mahatonga any amin'ny fahaverezana..." FA DIA MIHEVITRA ANAO HO IZA MIHITSY IANAO TOMPOKO O.
3/ Izaho manoratra amianao izao tanora mba nahavita fianarana ambony, mitady an'Andriamanitra ary izany no nidirako eto amin'ny forum. Namaky fotsiny no nataoko tamin'ny voalohany. Efa ela no namakiako ny fanehoan-kevitrao, ialako tsiny aminao fa tsy resy lahatra amin'ny fanehoanao ny hevitrao aho, tsy hita taratra amin'ny fihetsikao sy ny fisainanao ny toetran'ny olon'Andriamanitra. Isaorako an'Andriamanitra fa nahita ny fanehoan-kevitr'i Tiafombagasy aho dia liana ary nandray anjara tamin'ny fametrahana fanontaniana. Manatona aloha an'i tiafombagasy ianao mba hianatra manetritena, manaja olona ary indrindra mianatra manaja tena.
4/ Ary maninona no rehefa tsy hiditra eto intsony i tiafombagasy vao namoaka ny fanehoankevitrao ianao. Hakanosana ve izany?
75. didi10
(
06/09/2012 14:21)
Manao azafady aminao aho raha tezitra amiko ianao ry namana, ity lohahevitra iray ity moa dia efa nifanarahana hatramin'ny voalohany fa tsy asiana toko sy andininy dia nanaja izany aho.
Tezitra amiko ianao satria heverinao fa teny avy amiko io teny io saingy diso ianao.
Pet II 3,15
15 Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, 16 tahaka ny ataony ao amin'ny epistily rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo dia misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.
17 Koa satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny fahadisoan'ny ratsy fanahy hianareo ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo;
Mahereza namana.

76. Miharena
(
07/09/2012 04:28)
Ny olana anie Didi10 dia tsy ny Teny izay tanisainao fa ny fitondran-tenanao eo anatrehan'ilay Teny e! Io ilay atao hoe fitompoan-teny fantatra io no olana.
Ilay hoe aolan'ny olona kely fahalalàna dia mitoetra bebe kokoa ho an'ny Kristianina ary izaho sy ianao io anisany tena tafaroboka be ho anisan'ny kely fahalalàna rehefa mampiasa ny tenin'Andriamanitra amin'ny tsy izy. Aleo tsy manam-pahalalàna toy izay kely fahalalàna noho izany toetra azontsika Kristianina mamaky io tenin'Andriamanitra io amin'ny fomba fisainantsika ihany.
Izy ity moa araka ny lohahevitra dia andrana mba tsy hahatafaroboka ao amin'ny resaka fanolanana Tenin'Andriamanitra fa fanehoana izay tena fahamarinana iainana tsy idiran'ny fitsaratsaram-poana fa mba misy fanazavana ny fototra mahatonga toetra iray asehon'ny Malagasy na ny olombelona amin'ny ankapobeny. Mety azo tsikeraina eto ny fototra mahatonga ny fisaraham-bazana eo amin'ny Krsitianina ary fehezan-teny iray ihany no mahafehy izany raha ny tokony ho izy mba tsy hahabe fiheverana mibirioka na manafosafo fotsiny izay tena vontoatin'ny zava-mitranga.
Ka asa hoe aiza ho aiza isika raha toa ka ilazàna aloha hoe ario daholo ireo finoana efa nangoninao hatrizay dia mihataha mihitsy aloha mijery tsara hoe inona avy no toetra azo tamin'y fitazonako io finoana io ka nampisaraka ahy tamin'ny mpiara-belona amiko. Inona no mahatonga ahy tsy henoin'ny mpiara-belona amiko noho ny finoako? Aiza ilay rindrina manasaraka ka tsy mitovy intsony ny fomba fiheveran'ny olona roa izay mitosy rafitra ny namoronan'Andriamanitra azy?
Rehefa voavaly tsara ireo fanontaina ireo dia mangarahara tsara ianao ka hahita hoe hay tsy izy izay ninoako hatrizay fa mamono ny mazava.

77. arist
(
07/09/2012 08:23)
Andriamatoa didy 10
Ny olana anie tompoko dia io fitanisanao be fahatany ny toko sy andininy io. Tsy mandà izay voalazan'ny baiboly aho akory. Fa mba azonao an-tsaina ve ny fotoana sy ny circonstance nitenenan'i Pet II 3,15 io toko sy andininy io, ary vahoaka iza no tena nanolorany an'io teny io tamin'izany fotoana izany?
Sa aminao azo atao copier-coller daholo ny zavatra rehetra. Angaha nisy niteny ratsy an'Andriamanitra teto? Angaha nisy nanambany ny finoan'ny hafa teto? Sa koa nisy nihevitra ny hanangana fiangonana vaovao teto? NY FANONTANIAKO ANIE NO NOVALIN'I TIAFOMBAGASY E Mba manàna tompoko capacité de reflexion sy capacité d'analyse na dia farany izay bitika aza FA AZA MANDRAY TSY RAISINA HOATRAN'NY TSIPOLITRA ANTITRA E.
Misy ohatra nolazain'i tiafombagasy ity haveriko eto indray. Ny antsy hoy izy dia fitaovana ihany, rehefa ampiasaina io antsy io dia mety hahasoa(ampiasaina amin'ny asa ao an-dakozia ohatra) ary mety ahafahana mamono olona koa rehefa ampiasaaina tsy ampiheverana. DIA TENA MITOVY AMIN'IZANY IANAO, MAMPIASA TSY AMPIHEVERANA NY TOKO SY ANDININY. NA NY TENIN'ANDRIAMANITRA METY HAHASOA AZA LASA MAHAMONAMONAINA REHEFA TSY MIFANANDRIFY AMIN'NY ILANA AZY.

78. lovegod
(
11/09/2012 09:28)
Miarahaba antsika rehetra.
Izao indray vao niditra teto. Ny antony? variana mamaky ary tsorina fa tena tsisy hevitra na fanamarihana amin'izay voalaza teto ny tenanay. Raha namorona an'ity loha-hevitra ity aho dia nihevitra fa andrana fotsiny ilay izy, kinanjo tena nihoatra ny zavatra noeritreretiko ny zava-niseho.
Raha mba hanao bilan isika dia:
Ny zavatra positif
- AVO LENTA ny fanehoan-kevitra ary tena TAO ANATY FIFANAJANA TANTERAKA, FANAJANA NY HAFA. Ary marobe ny olona niditra namaky azy, midika izany fa nahaliana ny olona maro. Amin’izao fotoana hanoratako izao 1230 ny olona efa niditra teto.
Zavatra negatif
- Vitsy ny olona nandray anjara mivantana teto
- Misy ireo namana nihevitra fa tsy tokony ho ato amin’ny fivavahana sy finoana no hisy ity loha-hevitra ity… Asa lahy, fa « Ils ont peut-étre leurs raisons que ma raison ne connaît pas ».
- Misy mihitsy aza niteny fa… (aleo tsy ho tohozana…)
Vinavina amin’ny manaraka
Satria toa efa nangina ity lohahevitra ity ary koa ny fifanakalozana teto nahitàna tsiri-kevitra hafa, dia raha sitrakareo dia hamorona loha-hevitra vaovao indray isika amin’ny manaraka. Mbola ho tànana ihany ny «tsy asiana toko sy andininy».

79. arist
(
13/09/2012 08:51)
lovegod - 11/09/2012 11:28
Satria toa efa nangina ity lohahevitra ity ary koa ny fifanakalozana teto nahitàna tsiri-kevitra hafa, dia raha sitrakareo dia hamorona loha-hevitra vaovao indray isika amin’ny manaraka. Mbola ho tànana ihany ny «tsy asiana toko sy andininy».
Namana lovegod
Tsara dia tsara tokoa ilay lohahevitra, nahaliana ary tena instructif tokoa saingy ny soso-kevitra tiako hambara dia aleo aloha atsahatra kely ny famoronana lohahevitra vaovao. Ny antony dia misy ny namana tsy mahazaka ny fanehoan-kevitra toy itony KA TSY ALEO VE MIFANAJA NY HAFA E... Proposition ihany ny ahy fa izay heverinao ho mety atao
80. bor2lais
(
13/09/2012 10:27)
Lovegod > mety misy ifandraisany ve izany ilay "AVO LENTA ny fanehoan-kevitra" sy ny "Vitsy ny olona nandray anjara mivantana teto" ? :-)