Andrana (essai) amin'ny fifanankalozan-kevitra: Andriamanitra sy ny vahoaka malagasy (fahiny sy ankehitriny)

81. Lovegod ( 13/09/2012 12:11)

bor2lais - 13/09/2012 12:27
Lovegod > mety misy ifandraisany ve izany ilay "AVO LENTA ny fanehoan-kevitra" sy ny "Vitsy ny olona nandray anjara mivantana teto" ?


Tsy misy ifandraisany raha ny fahitako azy. Ny qualité-ny zavatra iray tsy miankina amin'ny habetsahana.

Ny hoe vitsy ny mpandray anjara mivantana dia i tiafombagasy sy arist ihany no tena nisongadina.
Ny isan'ny olona mpitsidika tamin'ny nanaovako bilan 1230, izany hoe betsaka ny olona liana manaraka ilay loha-hevitra.
Na izaho mpamorona ny lohahevitra aza tsy nandray anjara fa variana namaky fotsiny fa intéressant ny fahitako ilay resaka, raha amiko manokana dia miteny aho hoe avo lenta ny fanehoan-kevitra dia misy lesona azo tsoahina satria tsy manana zavatra azo kianina aho na teo amin'ny lafiny fanehoana izay tiana hambara, indrindra fa ny fifanajana nandritra ny famelabelarana. Misy fitenenana manao hoe: "qui ne dit mot consent" azo adika amin'ny hoe: "manaiky matoa tsy miteny". Tsy izaho irery anefa no nahita an'izany fa nisy ihany ireo namana izay niteny fa tsara ilay fanehoan-kevitra (avereno vakina ny fanehoan-kevitra).

FA METY HO APPRECIATION PERSONNELLE FOTSINY IHANY NY AHY, satria ry didy10 aza milaza fa "aolan'ny kely fahalalana .... ka mitarika any amin'ny fahaverezana",...


arist - 13/09/2012 10:51
Namana lovegod
Tsara dia tsara tokoa ilay lohahevitra, nahaliana ary tena instructif tokoa saingy ny soso-kevitra tiako hambara dia aleo aloha atsahatra kely ny famoronana lohahevitra vaovao. Ny antony dia misy ny namana tsy mahazaka ny fanehoan-kevitra toy itony KA TSY ALEO VE MIFANAJA NY HAFA E... Proposition ihany ny ahy fa izay heverinao ho mety atao


Tena marina ny anao ry arist, aleo marina tsy be resaka eto mba hisian'ny fiaraha-monina mirindra eto amin'ny forum, NA DIA MARO AZA NY ZAVATRA TIANA HAVOITRA, ALEO MANAJA TENA MBA AHAFAHANA MANAJA NY HAFA
-
82. bor2lais ( 13/09/2012 12:26)
lovegod > izaho indray anefa dia mamporisika ny anohizana satria forum ny eto ! Rehefa tsy mivoana amin'ny lohahevitra "Fivavahana sy finoana" dia mety daholo amiko ! ;-)
83. vincent15 ( 03/02/2015 17:48)
Aza miady hevitra eo @nio resaka io ,raha avy amiko dia tsisy mahatatsy azy ohatra resaka famangina:Fahorina,terabao sns.....raha ohatra resaka tsaboraha tsy mety rentre. @!Andriamanitra tsis ady hevitra eo jereo tin'Andriamanitra.
84. vincent15 ( 04/02/2015 04:45)
Ny finoana tsy tokony iadina hevitra voararany Jesosy.
85. RBNIR ( 04/02/2015 06:11)
Faly misera aminao namana vincent15...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2023