Ahoana no Itadiavana an'Andriamanitra? Efa ao anatinao Izy

1. Bhiou ( 14/07/2010 08:55)
"Betsaka ny olona no manao zavatra maro mba Hitadiavana an'Izany A/tra izany" Matetika dia Rehefa misy olana Be mianjady @olona iray vao tena mipopopopo mivavaka ny olona. Antsoina mpiandry ka mila délivrance, ka mila fametraha-tanana mihintsy aza. Azo porofoina araka ny baiboly fa Andriaùanitra dia Ao anatinao, Ny miracle sy ny fanasitranana rehetra dia ao anatinao, ohatra tokana no ho lazaiko dia ilay vehivavy nikasika ny akanjon'i Kristy dia nahazo fanasitranana satria fantany fa io no fanasitranana ka raha mahatratra an'io izy Dia ho sitrana. Toy izay koa Isika. Raha fantatsika fa ao anatintsika A/tra dia ataontsika izay ahatratrarana ny ao anatintsika na dia sombiny ihany aza dia ho hitantsika izany Atra izany.
novalian'i vonynive ny 07/10/2010 12:46
2. ikaretsaka ( 14/07/2010 13:06)
misaotra bhiou. io no novoiziko tato nandritra izay 7 taona izay
3. Miharena ( 14/07/2010 14:19)
Misaotra anareo roalahy koa fa izany no nahatonga ilay fanontaniana momba ny hoe tokony mbola ho antso ivelany sa anaty no hataon'ny olona?
4. rijadolly ( 14/07/2010 17:15)
Nisy fanontaniako Tao amin' io lohevitr' Miharena io izay tsy nahazoako valiny tamin' mpisera nanao hoe : " Ao anatitsika ve ny Fanahy Masina rehefa eo am- pangalarana isika? " Ny valiteniko amin' io aloha dia tsia haviatrany e!, Tsy handoto ny Andriamanitro aho ka hanasoketa Azy ho miray teti- dratsy amiko.
Dinio anie ireto Kitsipona ireto e!
ISAIA 59 :2 Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo,
ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
,
EZEKIELA 23 : 18 Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan'ny fanahiko niala tamin'ny rahavaviny ihany.
5. rijadolly ( 14/07/2010 18:08)
Azo porofoina araka ny baiboly fa Andriaùanitra dia Ao anatinao
Afaka omen' se ve ny andininy milaza izany...Olona manao ahoana àry no hitoheran' Fanahin' Andriamanitra? Ahoana no hanaporofoana fa momba azy Andriamanitra?
6. ikaretsaka ( 15/07/2010 00:41)

raha mahay teny anggalisy na Italianina i RD dia io no valiny
7. soanja ( 15/07/2010 03:06)

Raha fantatsika fa ao anatintsika A/tra dia ataontsika izay ahatratrarana ny ao anatintsika na dia sombiny ihany aza dia ho hitantsika izany Atra izany.

Marina dia marina izany fa aoka kosa tsy hitotena fatratra fa hoe tsy voatery hitady na sy tsy hikorana na tsy hibitsika amin'Andriamanitra amin'ny fahafahana avy ety ivelany isika satria Andriamanitra amiko dia manerana ary hita taratra Izy amin'ny zava-drehetra iainantsika.

Mila fantarina koa fa tsy isika rehetra no hahatakatra an'Andriamanitra avy hatrany tsy hisy hanampy fa hikaroka sy hiditra lalina ao anaty. Ilaina ny fifandraisana amin'ny hafa sy ny tontolo misy : ohatra ny hira heno ho sakafom-panahy, ny boky baiboly hovakiana sy hakana fahendrena sy fitoniana amin'ny fahafahan'ny saina sy ny fanahy hifandray ary indrindra ny fifampiombonana amim-panahy (fahatokisana) amin'ireo ray aman-dreny am-panahy maro izay afaka manelanelana sy manoro ary milaza ny mety ho fahamarinana hitany sy niainany ho tsilo lalana ho anao koa.

Tsy voafetra ny hahatakarana an'Andriamanitra sy ny misy Azy. Tsy tokana ny momba Azy fa misandrahaka!
8. Miharena ( 15/07/2010 06:00)
Hoy Rijadolly " Ao anatitsika ve ny Fanahy Masina rehefa eo am- pangalarana isika? "

Dia hoy aho hoe: Ao anaty dia ao anaty tokoa Izy fa tsy raharahaina fotsiny. Mahafantatra marina ve ilay olona manao ny halatra fa mety ny ataony? Raha anontanianao angamba izy dia hiteny hoe tsy mety. Raha vao tonga izay conscience izay dia mazava fa ao anatiny na dia mpangalatra be aza izy ny Fanahy Masina.

Tsy tonga foana akory ny Teny hoe "na mena toy ny jaky aza ny fahotanao dia ho fotsy toy ny oram-panala". Raha ny Fanahy Masina no jerena dia Izy Ilay tsy ho voarava na inona na inona mitranga. Koa raha voariny isika tsy an-kanavaka, dia tsy ho rava velively io Fanahy Masina io. Ny olona no managana efitra anaty fotsiny ihany araka ny kitsipona momba ny efitra teo (Izany hoe izay manota dia manangana ny efitra aloha saingy ny mahatsikaiky dia mora rodana ilay efitra satria mihelina fotsiny ihany ilay ota). Dia teraka eo ny fahorian'ny olona manao ratsy satria manenjika azy ny eritreriny arakaraka ny hampahatsiahivan'ny Fanahy ao anatiny izay ota nataony fanahy iniana (Miteraka fibebahana izy eto rehefa voadona mafy ilay olona noho ny otany satria ny Fanahy Masina ao anatiny tsy hanaiky velively ny ho resin'ny haizina mihelina).

Sary anaty avokoa no itondrako ny famakafakana eto fa tsy ivelany. izany hoe tsy miresaka bitsika ivelany aho fa bitsika anatiny avokoa ny vokatry ny Fanahy.
9. AndriambyII ( 15/07/2010 14:28)
http://www.nasa.gov/news/budget/index.html
Misy koa anefa ny olona tena pragmatika be @ fitadiavana ny marina toa an' ny NASA ohatra.
10. rijadolly ( 15/07/2010 17:16)
Miharena:
Dia hoy aho hoe: Ao anaty dia ao anaty tokoa Izy fa tsy raharahaina fotsiny.
Mazava ny hevitro fa tsy manaiky izany aho. fanahy inona no mampirisika ahy angalatra? misy fanahy roa ary ve izany ny ao anatin' tsirairay raha miaraka amiko mandeha mangalatra ny Fanahin' Andriamanitra? Tepolin' Andriamanitra ve aho sa tepolin' fanahy ratsy raha mangalatra?
JAONA 17 :12 Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina.
JAONA VOALOHANY 2 : 4 Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.

Tsy fantatro na saropiaro loatra ny Fanahy Masina aho dia tsy azoko na tsy voarahiko ilay hevitry Miharena.

Miharena:

Tsy tonga foana akory ny Teny hoe "na mena toy ny jaky aza ny fahotanao dia ho fotsy toy ny oram-panala". Raha ny Fanahy Masina no jerena dia Izy Ilay tsy ho voarava na inona na inona mitranga. Koa raha voariny isika tsy an-kanavaka, dia tsy ho rava velively io Fanahy Masina io. Ny olona no managana efitra anaty fotsiny ihany araka ny kitsipona momba ny efitra teo (Izany hoe izay manota dia manangana ny efitra aloha saingy ny mahatsikaiky dia mora rodana ilay efitra satria mihelina fotsiny ihany ilay ota). Dia teraka eo ny fahorian'ny olona manao ratsy satria manenjika azy ny eritreriny arakaraka ny hampahatsiahivan'ny Fanahy ao anatiny izay ota nataony fanahy iniana (Miteraka fibebahana izy eto rehefa voadona mafy ilay olona noho ny otany satria ny Fanahy Masina ao anatiny tsy hanaiky velively ny ho resin'ny haizina mihelina).
Ekeko fa tsy ho resin' ratsy mihitsy ny Fanahy Masina, Iraisako hevitra iny.Ekeko ary mitovy hevitra amin' se koa aho amin' hoe mora mirodana ilay hefitra mampisaraka antsika amin' Andriamanitra, ary mbola hamafisiko fa mahery ny herin' ilay Rà fanavotana raha mandray azy isika. Mitovy hevitra amin' se aho eo amin' hoe " Koa raha voarahiny isika tsy an-kanavaka, dia tsy ho rava velively io Fanahy Masina io." Io nataoko gras io no tiako asiana fanamarihana kely. voalohany aloha araka ny hevitro dia tokony hoe " raha mandray Azy" na hoe " raha mampandroso Azy ", izany dia mitarika ilay ady hevitsika fa misy izany ny tsy voarainy ( tsy mandray azy, tsy mampandroso azy) raha io hevitrao io no jerena. Aiza ho aiza araka izany ary ireo tsy mandray Azy ireo? Misy Fanahy Masina tsy mety rava ve ao anatiny nefa izy aza tsy noraisin' FM?
ASAN'NY APOSTOLY 1: 4 Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala any Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy;5 fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa hianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.6 Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely?7 Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany .8 Fa hahazo hery hianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.
Miharena:

(Miteraka fibebahana izy eto rehefa voadona mafy ilay olona noho ny otany satria ny Fanahy Masina ao anatiny tsy hanaiky velively ny ho resin'ny haizina mihelina)
Ny an' Jodasy ve izany resy ny Fanahy Masina tao anatiny satria izy tsy nibebaka? Tsia angamba hoy ianao, I jodasy ilay zanaky ny fahaverezana ....
Ika:

raha mahay teny anggalisy na Italianina i RD dia io no valiny
Tsy mahavoa mihitsy aho i ika a!, azon' se mba azavaina tsotsotra ve ny voalaza ao, izay mifanaraka ny ady hevitsika?
11. Miharena ( 16/07/2010 05:42)

Miharena:
Dia hoy aho hoe: Ao anaty dia ao anaty tokoa Izy fa tsy raharahaina fotsiny.
Mazava ny hevitro fa tsy manaiky izany aho. fanahy inona no mampirisika ahy angalatra? misy fanahy roa ary ve izany ny ao anatin' tsirairay raha miaraka amiko mandeha mangalatra ny Fanahin' Andriamanitra? Tepolin' Andriamanitra ve aho sa tepolin' fanahy ratsy raha mangalatra?
JAONA 17 :12 Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina.
JAONA VOALOHANY 2 : 4 Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.

Tsy fantatro na saropiaro loatra ny Fanahy Masina aho dia tsy azoko na tsy voarahiko ilay hevitry Miharena.

[quote=Miharena]
Tsy tonga foana akory ny Teny hoe "na mena toy ny jaky aza ny fahotanao dia ho fotsy toy ny oram-panala". Raha ny Fanahy Masina no jerena dia Izy Ilay tsy ho voarava na inona na inona mitranga. Koa raha voariny isika tsy an-kanavaka, dia tsy ho rava velively io Fanahy Masina io. Ny olona no managana efitra anaty fotsiny ihany araka ny kitsipona momba ny efitra teo (Izany hoe izay manota dia manangana ny efitra aloha saingy ny mahatsikaiky dia mora rodana ilay efitra satria mihelina fotsiny ihany ilay ota). Dia teraka eo ny fahorian'ny olona manao ratsy satria manenjika azy ny eritreriny arakaraka ny hampahatsiahivan'ny Fanahy ao anatiny izay ota nataony fanahy iniana (Miteraka fibebahana izy eto rehefa voadona mafy ilay olona noho ny otany satria ny Fanahy Masina ao anatiny tsy hanaiky velively ny ho resin'ny haizina mihelina).
Ekeko fa tsy ho resin' ratsy mihitsy ny Fanahy Masina, Iraisako hevitra iny.Ekeko ary mitovy hevitra amin' se koa aho amin' hoe mora mirodana ilay hefitra mampisaraka antsika amin' Andriamanitra, ary mbola hamafisiko fa mahery ny herin' ilay Rà fanavotana raha mandray azy isika. Mitovy hevitra amin' se aho eo amin' hoe " Koa raha voarahiny isika tsy an-kanavaka, dia tsy ho rava velively io Fanahy Masina io." Io nataoko gras io no tiako asiana fanamarihana kely. voalohany aloha araka ny hevitro dia tokony hoe " raha mandray Azy" na hoe " raha mampandroso Azy ", izany dia mitarika ilay ady hevitsika fa misy izany ny tsy voarainy ( tsy mandray azy, tsy mampandroso azy) raha io hevitrao io no jerena. Aiza ho aiza araka izany ary ireo tsy mandray Azy ireo? Misy Fanahy Masina tsy mety rava ve ao anatiny nefa izy aza tsy noraisin' FM?
ASAN'NY APOSTOLY 1: 4 Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala any Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy;5 fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa hianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.6 Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely?7 Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany .8 Fa hahazo hery hianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.
Miharena:

(Miteraka fibebahana izy eto rehefa voadona mafy ilay olona noho ny otany satria ny Fanahy Masina ao anatiny tsy hanaiky velively ny ho resin'ny haizina mihelina)
Ny an' Jodasy ve izany resy ny Fanahy Masina tao anatiny satria izy tsy nibebaka? Tsia angamba hoy ianao, I jodasy ilay zanaky ny fahaverezana ....

Raha miaiky ny Fahamarinan"ny Fanahy Masina ary miaiky ny maha-maharitra mandrakizay Azy RD dia tokony tsy ho nahapetraka io fanontaniana momba an'i Jodasy io akory. Ary raha Jodasy no lazaina, dia fitaovana ihany izy ahatanteraka ny tantara voasoratra ao amin'ny Salamo 22 manontolo misy ny Teny malaza hoe "Andriamanitra o! Andriamanitra o! Nahoana no dia mahafoy Ahy ianao?"
Acteur ilaina Jodasy eto ary manana ny anjarany ao amin'Andriamanitra mandrakariva izy. Aoka ho fantatsika fa namono tena izy: Amiko dia niredareda ny Fanahy Masina tao amin"i Jodasy ka tsy nahatanty ny fitiavan-tena tao anatiny izy, dia naleony nanafoy ny androny ara-nofo.
Raha miteny hoe indray iza no nanosika azy dia hoy aho hoe ny fitiavan-tena izay mandehandeha miherona toy ny liona handrapaka azy no nahatonga azy namadika ny Tompo. Zavatra tsy maintsy hitranga na ho ela na ho aingana io toe-javatra io noho ny faminaniana ao amin'ny Salamo voalaza io.

Koa na isika izao aza raha mandalo izao fisavoritahan-kevitra amin'ny ara-pinoana izao dia efa lalana voasoritra ho an'ny tsirairay izany fa ny tanjona dia izay sitrapon'Andriamanitra hatrany dia ny hampiray antsika rehetra amin'ny fomba fijery araka an'Andriamanitra Mpahary.
12. bhiou ( 16/07/2010 09:08)
Raha Mitenty hoe ao anatintsika A/tra tsy midika izany fa manana an'Andriamanitra isika. Raiso toy ny hoe Fahazavana Andriamanitra Dia ianao efa manana anazy, dia hovaina toy ny jiro Izy ka raha nomena jiro ianao nefa apiriminao any anaty valise na anaty armoire Moa ve manome hazavana ho anao io jiro io? dia toy izay ihany koa A/tra fa mbola ao aminao Izy fa tsy avoakanao fa avelanao ipirina fotsiny ao anatinao ao. Atao inona moa fahazavana e? Tsy itsilovana izay maizina @ fiainanao ve? na koa rehefa misy zavatra tadiavinao ao @ maizimaizina ve tsy ny fahazavana no vahaolana? Nefa na dia mety tsy mila fahazavana aza ianao aza asitrika ny Fahazavana sao tsy ho itanao intsony rehefa misy ny ilànao Azy.*

Voaporofo @ilay T.A nomenao iny hoe "Ny fahotanareo no efitra mampisaraka anareo amiko..."
Marina izany satria takon'ny fahotana ny fahazavan'A/tra ao anatin'ny olona. Ny fahotana moa dia efa fantatra fa loto ary raha mitory teny aho dia raisiko ohatra foana hoe toy ny ankanjonao ihany io, raha fotsy ny ankanjonao ka anaovanao eny foana io dia tsy maintsy haloto ka tsy ho hita intsony izay maha fotsy azy. Dia toy izay ihany koa Atra ao anatinao. Tsy aiko raha mahavaly ny fanontanianao izany na tsia fa vonona foana aho ny hanazava anao raha ilaina. Misaotra indrindra
13. bor2lais ( 16/07/2010 10:12)
Mahaliana ny resaka !

Fanontaniana kely mba tiako apetraka :

1. "ôtômatika" ve ny maha ao anatintsika Azy : izany hoe vao teraka ve ny zaza dia efa ao anatiny Izy ?
Raha "eny", mba azo hazavaina (ara-tsoratra masina ohatra) ve ?

Raha "tsia" kosa :

2. noraisina (nampidirina) ve Izy sa Izy no niditra na tsy nampidirina aza : tamin'ny fotoana inona no niseho izany ?

Farany, mifanohy amin'ny voalazan'i rijadolly : raha ao anatintsika Izy, afaka miara-monina amin'ny fanahy maro samihafa ve Izy ?
14. ikaretsaka ( 16/07/2010 13:43)

1- Eny ! @ maha zavaboaharin'Atra antsika sy hoe maha "etre parfait" antsika dia ao amintsika ny fananantsika azy.\
ara -tsoratra masina io de efa voalaza hoe tsy mbola teraka ianao d'efa fantany ny momba anao!

2- tsy nampidirina na noraisina no azo ilazana azy amiko , fa hoe "notairina", na "nofohazina" ! ny fanairana azy dia ireny fahatsapana isan-karazany ireny na ireny symbole betsaka atao aminao ireny hoe omena sakafom-panahy sns...

3) eny afaka miara monina amin'ny fanahy maro samihafa izy, ary raha dinihina dia izay tokoa aza no sitrapon"Atra nahatonga azy nanao hoe tsy ny soa sy ny ohatra azy ihany no nohariny sy/na navelany nisy fa teo ihany koa ny samihafa firehana tanteraka aminy, Ohatra tsotra @ izany i Jesoa (raha inoanao ilay Trinite hoe ny Ray=zanaka=fanahy=Atra ihany) : tsy ny soa ihany no nisy Azy fa ny ratsy koa aza, io ilay hoe mi "coexist"
15. Miharena ( 16/07/2010 13:58)

Mahaliana ny resaka !

Fanontaniana kely mba tiako apetraka :

1. "ôtômatika" ve ny maha ao anatintsika Azy : izany hoe vao teraka ve ny zaza dia efa ao anatiny Izy ?
Raha "eny", mba azo hazavaina (ara-tsoratra masina ohatra) ve ?

Raha "tsia" kosa :

2. noraisina (nampidirina) ve Izy sa Izy no niditra na tsy nampidirina aza : tamin'ny fotoana inona no niseho izany ?

Farany, mifanohy amin'ny voalazan'i rijadolly : raha ao anatintsika Izy, afaka miara-monina amin'ny fanahy maro samihafa ve Izy ?

Eny, ôtômatika no maha ao anaty an'Andriamanitra

Somary kitsimpona no atao ahafahana maka sary ny fifandraisan'ny olona sy ny Andriamanitra entina hamaliana ara-tsoratra fa Avy amin'Andriamanitra daholo ny zava-drehetra:
Ao amin'ny Salamo dia misy ity fiteny ity izay nataon'i Davida ary azo lazaina fa notanisain'i Jesosy teo am-panolorana ny ainy teo amin'ny hazo fijaliana:
Sal 22: 9 Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin'ny reniko; 10 Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.

Ity koa misy Teny momba ny voaloboka:

Jaona 15:1 Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.

Jaona 15:5 Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.

Manginy fotsiny ny Teny momba ny namoronan'Andriamanitra ny olombelona dia ny nanasiany fofonaina azy, ary eo koa ny fotoana nandehanan'i Jesosy izay nanome fofonaina koa ny mpianatra

Genesisy 2:7 Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.

Jaona 20:22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy: Raiso ny Fanahy Masina

Andriamanitra koa dia niteny ity Teny ity tamin'ny alalan'i Isaia:

Isaia 57:16 Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina* izay nataoko. [Heb. fofonaina]

Ireo rehetra ireo dia milaza fa tsy misy ny olona raha tsy namboarina araka ny fofonain'Andriamanitra. Hatrany am-bohoka no tonga ny fofonaina ary sombin'ain'Andriamanitra avokoa isika rehetra teraka.

16. ikaretsaka ( 16/07/2010 14:10)
miharena> hmmm miala tsiny, afaka velabelarinao misimisy kokoa ve eto ny maha samihafa,na mampitovy ny "fanahin'Atra" sy ny "fofon'ain'Atra" raha tsy mahadiso
ahoana ny fandraisanao azy?
17. rijadolly ( 16/07/2010 14:36)
ika:

miharena> hmmm miala tsiny, afaka velabelarinao misimisy kokoa ve eto ny maha samihafa,na mampitovy ny "fanahin'Atra" sy ny "fofon'ain'Atra" raha tsy mahadiso
ahoana ny fandraisanao azy?

Sao dia izay marina aza no heritreretin' i Miharena sy Bhiou
18. Miharena ( 16/07/2010 14:45)
Fanahy sy Fofonaina dia mitovy raha avy amin'Andriamanitra amiko. Toy ny nitsofan'i Jesoa fofonaina voalaza eo ambony amin'ny fomba fanomezana ny Fanahy Masina. Raha tsy miaiky ny Trinité dia manasaraka ireo ny olona. Raha miaiky ny Trinité kosa dia mazava fa Iray tsy misaraka ny ain'Andriamanitra sy ny ain'ny olombelona. Io ilay Kristy velona ao anaty izay tokony hiafaran'ny olombelona rehetra nohariana sy misy ary mbola hisy. Ny Fanahy Masina no ifandrohizan'izy rehetra ho lasa toy ny voaloboka misy Fotony sy sampany afaka miara-belona.

Raha oharina amin'ny Hazo izao rehetra izao dia Jesoa no Fototra, Andriamanitra no Mpanondraka ary ny Fanahy Masina no mikoriana mamelona ny rehetra. Raha vao tsy ao ny iray dia mirodana ho azy izy rehetra.
19. ikaretsaka ( 16/07/2010 14:54)
aina ve izany =fanahy? raha jerena @ fandehan'ny valan'eritreritrao?
20. Miharena ( 16/07/2010 14:57)
Raha tsy izany no izy dia foana ny atao hoe fiainana mandrakizay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0087