Ahoana no Itadiavana an'Andriamanitra? Efa ao anatinao Izy

61. Miharena ( 26/07/2010 15:01)
Ny fanahy amiko dia Andriamanitra sy sombin'Andriamanitra ao anatintsika olombelona nataoNY araka ny endriNY.
novalian'i vonynive ny 07/10/2010 12:33
62. ikaretsaka ( 26/07/2010 15:32)

Miharena:

Ny fanahy amiko dia Andriamanitra sy sombin'Andriamanitra ao anatintsika olombelona nataoNY araka ny endriNY.

De ahoana ny fahazoanao ilay olona tsy mino na biby de hoe "tsara FANAHY"?
63. ikaretsaka ( 26/07/2010 18:05)
Ok, dia inona ny teny theolojika mahalaza an'io aminao? "Spirituel" ve sa"intelectuel" sa "fonctionnek"?
64. soanja ( 27/07/2010 01:17)

Miharena:

Ny fanahy amiko dia Andriamanitra sy sombin'Andriamanitra ao anatintsika olombelona nataoNY araka ny endriNY.


Namaste!

Isika dia endrik'Andriamanitra. Ilay fanahy nomen'Andriamanitra vatana. Ny jiro mitsilopy rehetra mitory fitiavana ao amintsika dia Andriamanitra. Izy no fanahy mpanazava ny diantsika. Izy no isika ary isika no Izy!
65. soanja ( 27/07/2010 01:20)

Miharena:

Ny fanahy amiko dia Andriamanitra sy sombin'Andriamanitra ao anatintsika olombelona nataoNY araka ny endriNY.


Ny jiro mitsilopy manazava sy mitory fitiavana amin'ny hafa dia Andriamanitra. Io no mpitantana ny diantsika. Nomeny antsika eo teo ampiterahana antsika ny renintsika. Manana azy daholo isika rehetra tsy ankanavaka. Izy no isika ary isika no Izy. Sombiny amin'ny momba Azy. Namaste!
66. Miharena ( 28/07/2010 06:03)
Ny Teny teolojika Spirituel sy intellectuel sy fonctionnel dia miara-misy sy miara-miasa. Tsy misy ny intellectuel sy fonctionnel raha tsy misy ny spirituel ary tsy afaka maneho azy amin'izao ny spirituel raha tsy eo ny intellectuel sy fonctionnel maneho azy.

67. ikaretsaka ( 01/08/2010 03:21)
Fa maninona no tereneo hiara hiasa ? De ahoana ny momban'ny bibysy ny zavamaniry izany?
68. ikaretsaka ( 01/08/2010 03:24)
Dia ahoana indray @ zava manan'aina tsy olombelona?
69. Miharena ( 02/08/2010 05:53)
Tsy fanerena hiara-hiasa le izy Ika fa fahatsapana fotsiny ihany. Ny biby sy ny zava-maniry, rehefa fotorina tsara ny ao anatiny dia ahitana rindra mitovy amintsika olombelona koa. Efa ao amin'izireo koa izay ahafahanao mifandray aminy dia ny FANAHIN'AINA izay iraisana aminy napetraky ny Mpamorona satria IZY no iainan'ny rehetra na vato, na afo, na rivotra, na rano na biby na zavamaniry.

Rehefa eo ny FITIAVANA manome sy mandray ny AINA dia miara-masa ny zava-drehetra.

Io no maha-to ny teny hoe miara-miasa ny zava-drehetra ho an'izay tia an'Andriamanitra Mpahary.

Mila tsy misaraka amin'ny FOTOTRA dia mahita miaraka Aminy izany rehetra izany.
70. Miharena ( 02/08/2010 06:07)
Ny mandrafitra ny olombelona dia araka ny tenin'Andriamanitra hoe vovoka nomena fofonaiana izany hoe aina ao anaty matière. Tsy azo avahana amin'ny olombelona ny zavamananaina rehetra fa misy ny fanahiny avy ifandraisany samy izy, ifandraisany amin'ny Mpamorona ary ifandraisany amin'ny hafa noho ny samy izy.

Ny finiavana hanavaka ivelany (araka ny endriny avy) no mahatonga ny tsy fahitana ny vontoatiny. Fa raha vao mijery ireny isika dia midera ny Mpamorona satria nomeny fahafinaretana ny masontsika. Ary masoNY isika, Izy miaina ao amin'ny voariNY rehetra tsy ankanavaka.

Tsy vahiny aminao mihitsy ny zava-drehetra rehefa fantatrao fa firindran'ny molekiola isan-karazany no mandrafitra antsika rehetra na tany na rano na afo na rivotra. Ny FANAHY ao anatiny dia izay mampihetsika azy rehetra ary tsy hita mivaingana fa tsapa fotsiny ihany.

Ny herin'ny tahotra ho voagadra matetika no mampanao antsika hoe hafa fa tsy tena iray amintsika izay ivelantsika. Rehefa raisintsika ho iray amintsika anefa ny zava-drehetra dia dia mitoetra ny FITIAVANA ka mirindra ny fifandraisana sy ny serasera rehetra.

71. ikaretsaka ( 03/08/2010 14:16)
de maninona no natao hoe VIE eternele ilay izy fa tsy hoe FANAHY eternele? ny FIAINAN-ko avy?
io aqnge no asangonjingojinao atsy sy aroa nefa mots 2 samihafa e
tonga de tsory 3 ligbes sy mazava
72. fijo ( 03/08/2010 20:47)
eto dia gaga ngamba ianareo,fa za dia tsy mino ny fisian'ilay andriamanitra tsy mbola nisy nahita,fa za kosa dia mino fa raha misy andriamanitra dia isika tsirairay izay.ka anjarann'y tsirairay no mampivelatra na mampatory izany ao aminy.
73. Miharena ( 04/08/2010 09:22)
Fijo:

eto dia gaga ngamba ianareo,fa za dia tsy mino ny fisian'ilay andriamanitra tsy mbola nisy nahita,fa za kosa dia mino fa raha misy andriamanitra dia isika tsirairay izay.ka anjarann'y tsirairay no mampivelatra na mampatory izany ao aminy.


Efa fantatra eto fa Mino i Fijo fa tsy mahagaga izany ka!
Dia miarahaba anao Fijo ary mandray tanana anao fa iray ihany isika kay. Ao anatinao Ilay tsy Manana Anarana ahafahantsika miara-miresaka eto.

Fa miaiky kosa angamba Fijo fa sombiny kely afaka mivelatra fa tsy Ilay Goavam-be efa fantatra fa mivelatra rahateo na inona na inona ataon'ny bitika hanohitra AZY.

Sa ahoana?
74. fijo ( 04/08/2010 23:22)
za dia tsy mino ilay andriamanitra hinoanareo,fa za kosa mino ,fa isik atsirairay dia andriamanitry ny tenany
75. ikaretsaka ( 04/08/2010 23:30)
ary bontolo be ny an'i miharena izany fa tsy azon'i miharena akory ange ny testamentan'i fijo e ;)
76. ikaretsaka ( 04/08/2010 23:30)
ary bontolo be ny an'i miharena izany fa tsy azon'i miharena akory ange ny testamentan'i fijo e ;)
77. Miharena ( 05/08/2010 07:47)
Fijo:

za dia tsy mino ilay andriamanitra hinoanareo,fa za kosa mino ,fa isik atsirairay dia andriamanitry ny tenany


Tsy dia bontolo ilay izy Ikaretsaka raha io no valin-teny lazain'i Fijo satria mitovy tsy misy valaka ny finoako sy ny azy fa tsy misy miavaka na kely aza raha ny famaritana momba an'Andriamanitra no no lalinina tsara ao amin'ny Testamenta sy ivelan'ny Testamenta.

Andriamanitra iraisana ao amin'ny tsirairay no mahasarona azy rehetra.

Raha tsy izany dia misy mahay mamorona andriamanitra ho azy irery izany eto. Indrindra moa ka manavaka i Fijo hoe izay hinoanareo!!!

Avy eo indray anefa Fijo dia manamarika tsara hoe Isika tsirairay avy dia andriamanitry ny tenany. Hay izany Andriamanitra ihany no misy fa satria ao amintsika tsirairay avy Izy ko!

Ka aiza ry Ika no mahabontolo ny valinteny amin'izany?
78. fijo ( 06/08/2010 19:56)
vakio tsara fa milaza aho hoe"raha misy izany andriamanitra izany"aza dinganina io voalazako io
79. vonynive ( 05/10/2010 09:54)

fijo:

za dia tsy mino ilay andriamanitra hinoanareo,fa za kosa mino ,fa isik atsirairay dia andriamanitry ny tenany

ka iza ary no namorona anao e?
80. vonynive ( 05/10/2010 10:00)

Bhiou:

"Betsaka ny olona no manao zavatra maro mba Hitadiavana an'Izany A/tra izany" Matetika dia Rehefa misy olana Be mianjady @olona iray vao tena mipopopopo mivavaka ny olona. Antsoina mpiandry ka mila délivrance, ka mila fametraha-tanana mihintsy aza. Azo porofoina araka ny baiboly fa Andriaùanitra dia Ao anatinao, Ny miracle sy ny fanasitranana rehetra dia ao anatinao, ohatra tokana no ho lazaiko dia ilay vehivavy nikasika ny akanjon'i Kristy dia nahazo fanasitranana satria fantany fa io no fanasitranana ka raha mahatratra an'io izy Dia ho sitrana. Toy izay koa Isika. Raha fantatsika fa ao anatintsika A/tra dia ataontsika izay ahatratrarana ny ao anatintsika na dia sombiny ihany aza dia ho hitantsika izany Atra izany.

le Andriamanitra resehinao eto ve le Trinité
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0089