Ahoana no Itadiavana an'Andriamanitra? Efa ao anatinao Izy
21. rijadolly
(
16/07/2010 14:58)
Fanontaniana ho antsika fanampiny ihany koa akaotrany an' Bor2lais sy ny ahy ao ambony ao....
Inona no maha samy hafa ny olona tsy mahalala an' Andriamanitra hatrizay sy ny olona manana an'Andriamanitra

novalian'i ikaretsaka ny 19/07/2010 17:04
22. ikaretsaka
(
16/07/2010 19:27)
ka aminao" fiainana mandrakizay = fiainana "arak'Ain"a sa "ara-panahy"?
23. rijadolly
(
17/07/2010 02:18)
Izaho dia mino fa mbola misy ny Fiainana Nofo izay mitohetra amin' ilay saha nafenina ny zanak' olombelona, hitoeran' ireo olom- boavidy tsy nanandrana fahafatesana; na ireo efa nakarina velona izany na ireo nahazo famelana amin' andro farany ka nafohezina ilay fahoriana noho izy ireo...Misy ny fiainana ara- panahy izay eo anatrehan' Andriamanitra, izay hitoeran' ireo notafiana vaovao ahazaka izany...
Lazao ny hevitrao koa àry...
Lazao ny hevitrao koa àry...
24. Miharena
(
17/07/2010 05:31)
Fanontanian'i Ika
ka aminao" fiainana mandrakizay = fiainana "arak'Ain"a sa "ara-panahy"?
Ny nofontsika dia fonosana ihany fa ny fanahintsika no aintsika. Raha ilaozana ny nofo dia mazava fa mandeha ny aina fa amin'ny endriny hafa. Nahatakatra izany ny olona taloha. Ny Malagasy mahalala ny razana sy ny olona nofantsihana niaraka tamin'i Jesoa ilay niteny hoe tsarovy ao rehefa tonga amin'ny fanjakanao Ianao ka nilazana hoe anio ihany dia hihaona any am-paradisa Izaho sy ianao.
Zava-poana ny zava-drehetra izay voalaza ao anaty Baiboly raha tsy misy fitohizan'aina=fanahy mandrakizay.
Ny olona tsirairay dia mitondra ny ainy=fanahiny hatrany na miala amin'ny nofony aza satria io ilay Fofonaina mandrakizay nomena azy.
Ny eo amin'ny fitafian'ny Fanahy dia nofo io na endrika hafa aorian'ny fahafatesan'ny nofo. Io ilay fitafiana atafin'ny Tompo ny olona rehefa tonga ny fitsenaNy ny tsirairay mahalala Azy eo am-pandaozana ny nofony.
Hoy rijadolly
Inona no maha samy hafa ny olona tsy mahalala an' Andriamanitra hatrizay sy ny olona manana an'Andriamanitra?
Tsy misy mahasamihafa azy afatsy ny fahalalàny. Ny rehetra dia manana an'Andriamanitra fa tsy mahatsiaro fotsiny. Rehefa tonga amin'ilay sehatra hoe mifoha ny Fanahinao dia eo ianao vao tonga saina. Tsy voatery olona milaza ho manana an'Andriamanitra no mifoha fa na tena any ambadiky ny Hazavana aza izy dia mety mifoha tampoka.
Ao hatrany izany Andriamanitra fa matory fotsiny ny an'ny sasany. Ao ireo izay mifoha tampoka, ao kosa izay mianatra vao tafafoha, ary ao izay tsy hifoha mihitsy raha tsy any ankoatry ny fandaozany ny nofony.
Izay no nahatonga ny teny hoe "mbola manana ondry hafa tsy ao anatin'ity vala ity Aho" izay nolazain'i Jesoa alohan'ny nandaozany ny olombelona roa arivo taona lasa izay. Mbola hampianatra Izy ho an'ireo izay ao amin'ny fiainantsi-hita dia ireo izay tsy tafafoha fahavelon'ny nofony.

25. bor2lais
(
17/07/2010 10:16)
Misaotra an'i Ika sy Miharena amin'ny valinteny "ôtômatika" !
Ilay voalazan'i Miharena no isan'ny manitikitika ihany, Jaona 20:22, fa angaha tsy ôtomatika indray ilay izy sa tsy ampy ilay ao dia mila ampiana ... sa maty ilay tao dia omena vaovao ...
Mikasika io fofonaina nomena an'i Adama io indrindra : tsy fantatro aloha na Fanahin'Andriamanitra tokoa io na tsia fa ny tohiny dia milaza mazava fa misy zavatra nafaraNY azy tsy atao fa ho faty tokoa izy raha manao izany. Nony nandika ilay hafatra izy dia nahatsapa tena niboridana izy (Adama) : nisy zavatra niala tao aminy izany raha ny fiheverako azy. Sao dia ilay Fanahin'Andriamanitra koa ary io niala io ! ...
Hevitro manokana ihany anefa io an !

26. Miharena
(
17/07/2010 13:26)

Ilay hoe niala no tsy mitombina satria raha izay no izy dia tsy nisy intsony ny fitohizanaina sy ny fifandraisana amin'Andriamanitra tao amin'ny taranaka fara mandimbin'i Adama. Fiodinana no nataon'i Adama fa tsy fahaverezan'ny Fanahy ao anatiny sy mbola entiny rehefa nodimandry izy.
Mety manazava azy kokoa angamba ny hoe tsy misy aina afaka mifandray amin'Andriamanitra raha tsy misy Fanahy Masina, ary aoka ho tsaroana fa nifandray tamin'Andriamanitra hatrany Adama sy Eva sy ny taranany (Kaina ohatra) na dia noroahina tao Edena aza. Tsy miala ny Fanahy Masina na inona na inona no ataon'ny olombelona izay fofonain'Andrimanitra. Isika izay manao honohono Azy no tsy mahafantatra Azy sy ny fiasany.
Rehefa mazava amintsika Izy dia mazava isika ao amin'ny Fanahy Masina dia afaka mifandray tsara.

27. bor2lais
(
17/07/2010 13:40)
Miharena > ary sao dia ilay filazanao fa fofonaina=Fanahy Masina no diso !
Ny tantaran'i Saoly efa nolazaiko taminao no manambara fa nesorina taminy ny FanahiNY : tsy milaza akory izany fa maty ara-batana izy !

28. ikaretsaka
(
17/07/2010 15:19)
eo kao no mahagaga ahy ry bord
hoe midika ve iznay fa ny zavatra manan'aina dia misy fanahy aby?

29. rijadolly
(
17/07/2010 16:09)
Bor2lais:
Tsy misy mahasamihafa azy afatsy ny fahalalàny. Ny rehetra dia manana an'Andriamanitra fa tsy mahatsiaro fotsiny. Rehefa tonga amin'ilay sehatra hoe mifoha ny Fanahinao dia eo ianao vao tonga saina. Tsy voatery olona milaza ho manana an'Andriamanitra no mifoha fa na tena any ambadiky ny Hazavana aza izy dia mety mifoha tampoka.
Ao hatrany izany Andriamanitra fa matory fotsiny ny an'ny sasany. Ao ireo izay mifoha tampoka, ao kosa izay mianatra vao tafafoha, ary ao izay tsy hifoha mihitsy raha tsy any ankoatry ny fandaozany ny nofony.
Izay no nahatonga ny teny hoe "mbola manana ondry hafa tsy ao anatin'ity vala ity Aho" izay nolazain'i Jesoa alohan'ny nandaozany ny olombelona roa arivo taona lasa izay. Mbola hampianatra Izy ho an'ireo izay ao amin'ny fiainantsi-hita dia ireo izay tsy tafafoha fahavelon'ny nofony.
1) Raha araka io tenen' se io izany ve dia diso ny voasoratra? satria teo am- piakaran' Jesoa vao notafiana ny Fanahy Masina ny mpianatra. Izany hoe tsy nilatsahan' Fanahy Masina ve izany fa fohazina ny Fanahy tao anatin' izy ireo...
2)
Ao hatrany izany Andriamanitra fa matory fotsiny ny an'ny sasanyAvereno dinihina tsara anie io lazain' se io e! tsy haiko na ilay izy tsy azoko mihitsy no mahagaga ahy na ilay fomba nitenennan' se azy no tsy nety. Raha mety io hoy se dia mazava izany fa tsy Andriamanitra matory ny Andriamanitsika ka ho fohazina...
3)
Mbola hampianatra Izy ho an'ireo izay ao amin'ny fiainantsi-hita dia ireo izay tsy tafafoha fahavelon'ny nofony.Tsy misy koa izany ny fahaverezana raha ny hevitr' se eto no jerena satria voavonjy daholo ireo mifikitra ny adalana sy ny nanolotra ny lotony ho diovina...; Foana izany ny test natao antsika tety an- tany ho an' izay nahay nihazakazaka sy nitazona mafy ilay famonjena sy ny satroboninahiny.
4)
Hoy rijadollySomary tsy dia mazava tsara angamba ilay fanotaniako farany io. Ny tiako ambara dia ireo nandray an' Andriamanitra sy ireo ninia tsy nandray Azy mihitsy.
Inona no maha samy hafa ny olona tsy mahalala an' Andriamanitra hatrizay sy ny olona manana an'Andriamanitra?
Tsy misy mahasamihafa azy afatsy ny fahalalàny.
30. rijadolly
(
17/07/2010 16:40)
Rijadolly:
Ny an' Jodasy ve izany resy ny Fanahy Masina tao anatiny satria izy tsy nibebaka? Tsia angamba hoy ianao, I jodasy ilay zanaky ny fahaverezana ....
Miharena:Marina ny tenin' se fa tsy tokony hanotany an' io aho noho ny fahafantaratsika fa tsy resy izany mihitsy ny Fanahy Masina. Izany indrindra anefa ny antony fanontaniako satria Jodasy dia resy tanteraka. Noho izany tsy tao anatiny intsony ny Fanahin' Andriamanitra fa niala taminy.
Raha miaiky ny Fahamarinan"ny Fanahy Masina ary miaiky ny maha-maharitra mandrakizay Azy RD dia tokony tsy ho nahapetraka io fanontaniana momba an'i Jodasy io akory.
Miharena:
Ary raha Jodasy no lazaina, dia fitaovana ihany izy ahatanteraka ny tantara voasoratra ao amin'ny Salamo 22 manontolo misy ny Teny malaza hoe "Andriamanitra o! Andriamanitra o! Nahoana no dia mahafoy Ahy ianao?"
Marina ary tena marina, Noho izay hanatanteraka ny voasoratra izay indrindra anefa no hisian' olona mandaha( tsy mampandroso) Azy, satria efa voalaza fa misy làlana roa izay safidianan' olona tsirairay...
31. rijadolly
(
17/07/2010 16:52)
Fanamarihina be e! tsy Bor2lais no niteny teo amin' 18:09 fa i Miharena e! azafady indrindra ô! Azafady x 1000 e!
32. ndenn
(
18/07/2010 11:28)
Anecdote anankiray ity , izay notantarain' ny RAD ahy hatramin' ny fahazazana , ny fameloman' ny Rabbin Maharal sarivongana ngezabe vita t@ fotaka iray hiaro ny mponina tao prague t@ XVI è siecle ,fantatra t@ symbole hoe le géant de Golem ,ary natahoran' ny regime Nazi sy ny Vatican hatramin' izay .Raha efa nahalàla ny elanelana mampisaraka ny matiere inerte sy ny matiere vivante ny finoana judaisme niainga t@ fandalinana ny alchimie sy ny algorithme nahitàna ireo composantes maro manome ny toetran' ny pierre philosophale ,dia mba vaka ihany ny saina mandinika ny resaka mikasika ny fanahy masina sy ny mifanohitra aminy misy eto @ voary .
33. Miharena
(
19/07/2010 06:52)
Marina ary tena marina, Noho izay hanatanteraka ny voasoratra izay indrindra anefa no hisian' olona mandaha( tsy mampandroso) Azy, satria efa voalaza fa misy làlana roa izay safidianan' olona tsirairay...
Somary fintiniko amin'ity voasoratra eto ambony ity ny zavatra rehetra momba ny Fanahy Masina.
Ny teny hoe tsy mampandroso dia tsy azo lazaina eo amin'ny Fanahy Masina satria ilay Fanahy madio tsy misy tsiny avy amin'ny Mpamorona dia eo mandrakariva vao misy voary iray voaforona. Tsy mandao velively Izy ary mampitandrina mandrakariva rehefa mivily lalana tsy mahatsiaro Azy ny olona fa ny alehany ihany no alehany.
Raha milaza ika hoe ny zavatra manan'aina dia izany misy fanahy aby, dia eny no valiny. Na ny rano sy ny vato aza (cristal ohatra) misy fanahy satria manana pouvoir ampiasain'ny olona sasantsasany izay mahatsapa ny heriny.
Matetika ny tsy fahatsapana fa voary isika fa tsy Mpahary no mahatonga antsika tsy mahalala fa miasa amin'ny Kapitaly Be Iray isika dia Andriamanitra Ray sy ny Voariny rehetra izany. Ny erana rehetra iainantsika dia Izy avokoa no mameno azy ary nametraka ny lalàna ao anatiny.
Koa raha milaza momba an'i Saoly sy Jodasy sy ny Apostoly dia mazava fa fampahatsiarovan-tena hatrany no ataon'ny Fanahy Masina. Ny an'i Saoly dia ny tsy famonoan'i Davida azy, ny an'i Jodasy dia ny nenina be namonoany tena, ny an'ny Apostoly dia ny tahotry ny fisarahana amin'ny Tompo.
Ny olona dia matory rehefa mandeha ny fotoana. Raha zazakely vao teraka ohatra dia tsy manantsiny mihitsy satria miaina madio izy. Rehefa mihalehibe izy dia misedra ireo korontana maro ka izay indrindra no mahatonga azy hanana fitondran-tena ratsy na tsara. Io ilay lalana roa misokatra ka raha toa ka zanaka adala ilay olona dia manaonao foana, raha toa ka zanaka hendry indray izy ka tratry ny fandrika dia hanao toy ilay zokiny ao amin'ny tantara hialona izay miverina ka voaray soa aman-tsara. Dia velona eto ilay verimberina (cercle vicieux) raha tsy manomboka mahalala ny lalan-kombana ny olona.
Ny fahaleovan-tena ara-tsafidy dia napetraka tao amin'y olona tsirairay fa ny tsy azony lavina dia voary izy fa tsy Mpahary Fototra. Saingy nomen'ny Mpahary Fototra fahefana hahary.
Teny=Aina=Fanahy avokoa ny zava-drehetra. Rehefa mamorona sain-dratsy ny olona dia mahatanteraka izany, rehefa mamorona saina tsara izy dia mahatanteraka izany koa. Izay no maha-mpahary zanany azy. Rehefa mikorontana ny famoronana ataon'ny olona dia teraka ny faharavana maro sy ny fahatafintohinana maro samihafa sy ny tsy fitovian-kevitra. Rehefa milamina anefa ny maro dia milamina ny fandehan-javatra rehetra.
Rehefa tafiditra ao anaty fitaka kely fotsiny ny olona dia lasa mivarina. Toy izany no nahatonga ny tantaran'ny menarana izay nilaza fa hitovy amin'Andriamanitra ianareo raha toa ka mihinana ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Nasiany fepetra kely ilay hoe hitovy amin'Andriamanitra nefa ny zanak'Andriamanitra dia mitovy aminy hatrizay fa tsy nahatsiaro tsara Eva dia latsaka tanaty vovon'ny fepetra noforonin'ny menarana. Ny an'i Adama moa dia nahazo lesona hoatran'ny marina izy satria roa no nandresy lahatra azy dia Eva sy ny menarana.
Koa ny fahatsapantsika miroaroa no mety hahavery antsika raha tsy miverina eny an-Doharano mihitsy aloha dia mahita tsara ny Fiandohana ary mahay mitana izany hatramin'ny farany ho enti-miaina sy misaina.
Raha io Fototra=Aina=Fanahy Masina io avokoa no hanazavana ny zava-drehetra momba ny Baiboly dia mazava tsara izay voambara ao manontolo.
Ary eo indrindra isika no mila misaina tsara amin'ny fidiram-bondrona satria raha toa ka misy vondrona manisy fepetra ny fifohazanao fa tsy mandray anao amim-pitiavana tsy misy fetra izay notovoziny tamin-dRay Mpahary, dia misandoka izy izany ary tsy hahazo fahafahana mihitsy ianao ao amin'izany vondrona izany.
Ny Fahafahanao dia ny fifohazan'ny Fanahy Masina ka hahay hampianatra na hampahatsiahy Azy ao anatin'ny namanao koa ianao. Raha tsy izay dia entin'ny fitiavan-tena ianao ary ho main'ny afo natsanganao samirery.

34. bor2lais
(
19/07/2010 10:02)
Miharena > mba mahavariana koa ange ianao e !
Rehefa dinihina ny zavatra soratanao dia te-hanaporofo hevitra iray ianao : ezahina alamina araka izay tianao ery ny fanazavana. Hatreto dia tsy misy maharatsy azy, saingy ny hafahafa amiko dia rehefa ny Baiboly no hakanao tohan-kevitra.
Ny tiako lazaina dia izao : ny tohan-kevitra ambaranao amiko manokana dia tsy mifanaraka velively amin'ny voalaza ao amin'ny Baiboly.
Raha milaza ianao fa fofonaina=Fanahy Masina dia diso ary efa nomeko "contre-exemple" ianao momba an'i Saoly !
Ny hoe ny zava-manan'aina rehetra dia manana fanahy dia tsy ara-tsoratra masina fa azafady indrindra : raha io mantsy no zohina dia hilaza ianao fa ilay menarana ange ka Andriamanitra ihany e ! Diso aho angamba e !

35. Miharena
(
19/07/2010 13:58)
Bor2lais
Raha ny valinteninao momba ny Baiboly dia tsy afaka hilaza isika hoe Baiboly manontolo no misy zavatra mifanipaka. Hoy ianao hoe contre-exemple i Saoly. Mivilana ny ohatra raisinao raha toa ka resaka Fofonaina=Fanahy Masina nomena hatrizay no lazainao fa niala tao amin'i Saoly. Efa nambara fa misy safidy roa araka ny fananan'ny olona saina malalaka ho azy manokana ka ny an'i Saoly dia nandeha tamin'ilay fitiavan-tena sy fizahozahoana dia nanangana efitra amin'ny tsy takona afenina (=Fanahin'Andriamanitra) izy. Ny fahalemeny no mitranga fa tsy fandaozana azy akory izany matoa tsy nasain'Andriamanitra naringana izy sy ny taranany (Ny tamingany aza dia nasian'i Davida soa taty aoriana).
Ny fahaizana manavaka ny mandrakizay sy ny mihelina angamba no aoka hijerena ny ohatra rehetra mitranga ao amin'ny Baiboly, satria raha raisina ho fahamarinana mandrakizay ny fandaozan'ny fanahy masina araka ny hevitrao bor2lais dia manafoana ny ampahan'ny voariny izany Andriamanitra.
Raha tsy misy ny famelan-keloka dia foana ny Baiboly manontolo sy ny tanjony.
Ary Andriamanitra dia Fitiavana no voambara ao ka raha raisintsika ho fahafoanana mandrakizay no hihatra amin'izay tsy manaraka Azy dia aiza no maha-Fitiavana Azy? Na ny Teny rehetra ao amin'ny Baiboly momba ny fahotana voadio izany dia arian'i bor2lais daholo rehefa mahazo lesona ny amin'i Saoly izy.
Eo amin'ilay menarana, dia marina tokoa fa voarin'Andriamanitra izy, toy ny mahavoary antsika olona noforoniny koa. Mahaleo-tena ara-pisainana toa an'Andriamanitra koa ny menarana. Saingy ilay fisainana no tsy tonga lafatra toy ny an'ny Ray Mpamorona. Izay momba ny Ray no manatona ny tonga lafatra.
Kristy no Iray amin'ny Ray, izany no maha-tonga lafatra Azy. Isika zanany izay tsy mahatakatra izany dia tsy hanatona ny Fahadiovana lazaina ao anaty Baiboly mihitsy. Nefa sitrapon'Andriamnitra avokoa ny zavatra rehetra raha ny Baiboly no zohina, ka rehefa mihatra ny famindram-po dia tsy misy very na dia iray aza.
hoy ianao bor2lais
fofonaina=Fanahy Masina dia diso
Azonao foanana izany ny Tenin'i Kristy hoe Raiso ny Fanahy Masina dia nandefa fofonaina tamin'ny mpianany izy? Mba afaka manitatra ny hevitrao ve ianao ny mahadiso ny fandraisako io Teny io sy ny fametrahako azy ao anatin'ny mari-drefin'ny Baiboly?

36. ikaretsaka
(
19/07/2010 17:08)
Teny=Aina=Fanahy avokoa ny zava-drehetra.
io kosa angamba tsy ilaina tsimpona be sns dia voaporofo hoe tsy mitombona ka
ny radio na ny milina mpandefa cd izao miteny--> moa ve ireny manan'Aina sy fanahy?
37. Miharena
(
20/07/2010 08:59)
Citation
Teny=Aina=Fanahy avokoa ny zava-drehetra.
io kosa angamba tsy ilaina tsimpona be sns dia voaporofo hoe tsy mitombona ka
ny radio na ny milina mpandefa cd izao miteny--> moa ve ireny manan'Aina sy fanahy?
Saingy ny nanamboatra ny milina dia olona manam-panahy sady nanamboatra avy amin'ny fihetsiky ny lalànan'ny voary izay noforonin'Andriamanitra.
Dia raha mijery zavatra iray ianao (na hazo io na tany na zavamaniry na biby, na zavatra natan-tanan'olombelona) dia tonga any amin'ny Mpamorona Lehibe hatrany rehefa ampifandraisina ny rohy rehetra.
Ny olona no mihodinkodina amin'ny zavatra mampisafotofoto fa ny momba ny Mpamorona dia tokony ho hitany ao amin'ny tenany sy izay rehetra tontolo iainany ary avy ao avokoa izy no afaka mamorona na manao fanovana ny zavatra iray ho lasa araka ny eritreriny (trano, fiara, robot, electronique sns...) ary koa afaka mamantatra izay valan-kevitra tsy mitombina na mitombina avy amin'ireo samy olona mieritreritra.
38. mpanazava
(
20/07/2010 12:57)
Manao ahoana daholo indray ô!
izay indray vao hita fa tany @ toerana tsy hahafahana miserasera nefa na dia izany aza tsy nanadino antsika mpiresaka eto amin'ny forum.
Ohatran'ny mihodina amin'io citation io ny resaka. Miala tsiny fa izaho izay tia manomboka resaka miainga avy amin'ny fiandohan'ny teny iray mba hampahazava azy tsara. Miseho amin'ny endriny roa karazana manko ny teny gasy hoe "fanahy" raha ny baiboly no resahana. Ilay atao koe "Esprit"
ary ilay atao hoe "âme"
Ny fahalalantsika an'ireo no mampazava an'ity "sujet" ity.
Hoy ny namantsika iray:
Voaporofo araka ny soratra masina eto fa afaka esorin'Andriamanitra amin'ny olona ny Fanahiny raha manalavitra azy (na minia mandika ny didiny ny olona iray). Hoy mihitsy izy :"Manatona an'Andriamanitra, dia hanatona anareo izy" (Hebreo 4:8) Ny olona tsy manantona an'Andriamanitra ve dia afaka hipetrahan'ny Fanahy Masina? (On parle de esprit non à l'âme) Ny olona izay (n)hitoeran'ny Fanahin'Andriamanitra ve dia azo eritreretina hoe (ho)haringany ou naringany raha ny tantara ara-baiboly no jerena?

Fanahy sy Fofonaina dia mitovy raha avy amin'Andriamanitra amiko

39. mpanazava
(
20/07/2010 13:23)

Hoy i rijadolly:

Nisy fanontaniako Tao amin' io lohevitr' Miharena io izay tsy nahazoako valiny tamin' mpisera nanao hoe : " Ao anatitsika ve ny Fanahy Masina rehefa eo am- pangalarana isika? " Ny valiteniko amin' io aloha dia tsia haviatrany e!, Tsy handoto ny Andriamanitro aho ka hanasoketa Azy ho miray teti- dratsy amiko.
Dinio anie ireto Kitsipona ireto e!
ISAIA 59 :2 Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo,
ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.,
EZEKIELA 23 : 18 Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan'ny fanahiko niala tamin'ny rahavaviny ihany.