Ahoana no Itadiavana an'Andriamanitra? Efa ao anatinao Izy

41. Miharena ( 20/07/2010 14:20)
Miala tsiny kely Mpanazava fa lasa ngozabe loatra ny sakan'ny zavatra nampidirinao dia tsy fantatra izay ambarany. Azo hatao kelikely kokoa ve ireo sombin-gazety ahafahana mahazo ny sakany azo vakiana tsara?

Na izany aza dia misaotra anao manome ireo referansa ahafahana mijery ny zavatra rehetra sy mampitaha tsara ny fisainan'ny olona na ny samihafa fiteny aza.

Raha ireo resaka momba ny ame sy esprit havahan'ny vahiny dia sarotra ny mahazo ireo amin'ny Malagasy. Raha tsy miditra ao anatin'ny fahatsapan'ny vahiny isika dia tsy hahazo velively izany.

Ny Spiritus ohatra dia midika zavatra maro sahady fa tsy hain'ny Malagasy faritana tsara raha ireo dikan-teny eo ambony ireo.
Ny tena tian'ny Malagasy lazaina amin'ny hoe fanahy raha niteny izy hoe ny fanahy no olona na maha-olona dia manambara ny fotony mihitsy. Raha tsy misy io dia tsy fantatra hoe olona ny olona iray. Manome ny identité mihitsy aza io fanahy io (ratsy fanahy, tsara fanahy sy mpiovaova hevitra). Io no hihetsehan'ny zavatra rehetra ao anatin'ny olona iray ary ifandraisan'ny samy olona ary ifandraisany amin'Andriamanitra Mpamorona nahateraka ny hoe aza l*ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon'ny loha. Io no mahatsiaro ny zavatra rehetra ataony na any ankoatry ny fahafatesana aza izy (Tsy mandalo fahafatesana velively io rehefa mody mandry ny olona).

Ny âme indray raha lazainao hoe Nefesh = Zavamananaina=ain'ny olona velona dia tsy mazava loatra. Mampisalasala be ihany ny Malagasy ireo dikan-teny ilazana azy ireo. Amin'ny vahiny manko io âme io no lazainy fa tsy mety maty. Il a rendu son âme no fiteniny azy. Amin'ny Malagasy ny aina dia maty fa ny fanahy no tsy mety maty.


Dia mihasarotra be ny fampidirana ireo dikan-teny ireo amin'ity fanadihadiana ity, nefa mety ho tsotra ihany koa arakaraka ny fahatombenan'ny fihevitry ny vahiny azy.

Raha mba manana ny fifandraisan'ireo ao anaty Baiboly ianao dia mba resaho eto azafady indrindra tompoko.

Eo amin'ilay valin-teny momba ny fisarahan'ny Fanahy Masina amin'ny olona indray dia sarotra raha ny Baiboly hatrany no ifandroritantsika eto. Ireo kitsimpona voalaza ireo manko ny fijeriko azy dia miainga avy amin'ny olona daholo satria ny voalohany dia fananganana efitra ataon'ny olona ary ny faharoa dia tsy fahatsiarovan-tena avy amin'ny olona.
Ny Fanahy Masina eto no mitsara ireo toetra ireo. Ary io Fanahy io izay ao anaty no mahatonga ny fahatsiarovan-tena isian'ny nenina sy ny fibebahana. Dia miverina amin'ilay zanaka adala hatrany isika. Ny Rainy dia tsy namono mihitsy ny fitiavany azy na dia efa naloto tanteraka aza izy. Fantany fa na ho ela na ho aingana dia hamiratra hatrany ny fanahiny nataony tao anatiny hampiteraka fibebahana ho azy satria Izy no niteraka azy.

Ary raha ny lohahevitra eto moa dia milaza ny ny hoe efa ao anatintsika Andriamanitra dia izay hatrany no nohezahana nohazavaina teto fa lasa nisy hevitra roa nifanipaka ilay izy ka aiza hoa aiza no nahavery anareo milaza fisarahana amin'Andriamanitra io. Avy aty ivelany ve sa avy ao anatiny?

novalian'i soanja ny 27/07/2010 01:14
42. rijadolly ( 20/07/2010 22:22)
Anapiako fanazavana kokoa dia ny "fofonaina" : io dia maha olona ny olona, tsy hananan' zava- mananaina hafa izy io, tsy noforonina tamin' alalan' Teny fa fofonain' Andriamanitra. "GENESISY 2: 7 Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy." Io fofonaina nomen' Andriamanitra iny no maha olona ny olona, izay mampihavaka azy amin' zava- manan' aina rehetra akaotry ny fahefana azony.
Io Fofonaina io no tsy maty miaraka ny nofo, ary tsy misaraka amin' nofo mihitsy na hanao ratsy izy na hanao tsara, raha tsy maty ilay nofo. Tsy mba tratry ny fahalovana izy io. " SALAMO 146 : 4 Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin'ny taniny izy;Ary amin'izay indrindra no hahafoanan'ny fikasany."

FANAHY MASINA : Fanahin' Andriamanitra, misy miteny koa hoe Fanahy avy any amin' Andriamanitra (tsy dia hidiratsika lalana eto ny trinité), io indray dia mampiavaka ny olona mandeha amin' ny alalan' Fanahy sy ny olona mandeha araka ny nofo( fofonaina ihany, safidy ). Ny mampiavaka azy ireo koa dia tsy manao zavatra tsy araka ny sitrapon' Andriamanitra izay manana ( mandray ) ny Fanahy Masina ( hoy Miharena hoe tsy mba resy io Fanahy Masina io ).
"GENESISY 41 : 38 Dia hoy Farao tamin'ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin'Andriamanitra ao anatiny, va isika?" porofo izany fa nahazo ilay Fofonaina avy tany amin' Andriamanitra i Farao( satria velona izy), fa kosa nahatsapa izy fa tsy mba nanana ilay Fanahin' Andriamanitra ny tao anatiny sy ireo manodidina azy.

ROMANA 8 : 9 Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra NO MITOETRA ao anatinareo. Fa raha misy kosa TSY MANANA ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.

Ny zavatra voamariko, hitako maha sarotra hanazavana an' Miharena azy dia noho i Miharena Mpino. Izany hoe efa ao anatin' se Andriamanitra, ary mino aho fa hatry fony zaza se dia efa notazaina ho mpino hatramin' izao..., Raha ohatra ka mahita an' ty ady hevitra ity zoky FIJO dia ametrahako ty fanotaniana ity maha AT azy, Misy Fanahy Masina ve ao anatin' Zoky Fijo ao? dia mino aho fa mihomehy izy, ary mihevitra ahy ho adala..( azafady Fijo fa tsy heritreritr' se io fa mba hanazavana azy fotsina a! le adala )Fa kosa raha manotany azy isika hoe misy Fofonaina ve Zoky Fijo? mazava fa eny ny valiny.

Fanotaniana ohatry ny manitikitika ahy hatry ela izy ity ry Miharena ka indro amborako an' se:

Inona amin' olona no tsaraina amin' Andro farany? Dia ho sanatria ve ka ilay Fanahy Masina?
43. Miharena ( 21/07/2010 11:56)
Hoy RD
Fanotaniana ohatry ny manitikitika ahy hatry ela izy ity ry Miharena ka indro amborako an' se:

Inona amin' olona no tsaraina amin' Andro farany? Dia ho sanatria ve ka ilay Fanahy Masina?


Ireto misy kitsimpona momba ny andro farany. Maro izireo ao anaty Baiboly fa ireto no hitako mahavaly izay anontanian'i Rijadolly

Jaona 12:48 izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany

Asa 2:17 "Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, ary ny zatovonareo hahita fahitana, ary ny lahi-antitrareo hanonofy;

Amiko dia mazava ireo fa ny Teny ihany no mitsara ny olona. Dia eo isika no mijery hoe inona ny Teny ary Iza no niteny? Tsy handà angamba ianao fa Fanahy Masina no miteny raha vao Jesoa no resahana.

Raha ny filazana faharoa dia mazava be fa Jehovah indray no miteny ary mazava fa ny Fanahy Masina no itenenany amin'ny olona. Dia midika zavatra hafa ny atao hoe andro farany eto fa Fifohazan'ny olon-drehetra tsy an-kanavaka na mpanota izy na tsia.

Araka ny famariparitana rehetra natao hatramin'izao dia manambara hatrany aho fa zanak'Andriamanitra isika rehetra na Athée izy na Kristiana. Ary ny Kristiana indrindra no tokony hahazo voalohany ny dikan'ny teny ahafahany tsy hanana fijery hafahafa amin'ny rahalahiny athée. Satria raha vao mahay mitana ny momba ny famoronana sy ny dikan'ny teny isan-karazany ao amin'ny Baiboly izy dia hahita fa misy lalana hivoahany avokoa ny olombelona rehetra amin'ny andro izay voatendrin'Andriamanitra.

Araka ny teniko moa dia tsy miavaka ny Fofonaina sy ny Fanahy Masina fa tokana fa ny fahatsiarovan-tenan'ny olona no tsy mampitovy ny fisehony ao amin'ny olona tsirairay avy.

Raha tsy izany no izy dia tsy hety ho tanteraka ny filazan'Andriamanitra ny amin'ny fandatsahany ny Fanahiny amin'ny nofo rehetra amin'ny andro farany. Ny andro farany eto dia fanambarana ny marina rehetra. Hahiratra avokoa ny olona amin'izay ka ny Fanahy iraisana amin'Andriamanitra izay efa tao anatin'ny olona hatrizay no entiNY mamoha azy hanana ny voninahiNY tanteraka. Andriamanitra miasa ao anaty no azo lazaina fa ny hoe handatsahana fanahy dia sarin-teny ihany.

Dia tonga amin'ilay fanoharana nataon'i Jesoa momba ireo mpiasa nantsoina tamin'ny ora isan-karazany io ka rehefa tonga ny valisoa (andro farany hamohazana ny olona) dia mitovy no azony ary tsy afaka ny himenomenona ny amin'izany izy satria mazava fa foana amin'izay ny fikasany rehetra araka ny Salamo voasoratra ao amin'ny lazain'i Rijadolly etsy ambony io, fa Andriamanitra no manapaka ny aminy manontolo satria tafaray am-po ao amin'ny Fanahy Masina tanteraka eo ny rehetra.
44. rijadolly ( 21/07/2010 15:09)
Azon' se hazavaina tsara ve ilay fanotaniako eo ambony io? Tena inona amin' Olombelona no tsaraina amin' andro farany? nofony ve, sa ilay Fofonaina nomen' Andriamanitra azy, sa Fanahy Masina ao anatiny sa inona...?

"Jaona 12:48 izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany" Inona amin' ilay olona no tsarain' ilay teny nolazain' Kristy?
45. niryna ( 21/07/2010 19:00)


"Betsaka ny olona no manao zavatra maro mba Hitadiavana an'Izany A/tra izany" Matetika dia Rehefa misy olana Be mianjady @olona iray vao tena mipopopopo mivavaka ny olona. Antsoina mpiandry ka mila délivrance, ka mila fametraha-tanana mihintsy aza. Azo porofoina araka ny baiboly fa Andriaùanitra dia Ao anatinao, Ny miracle sy ny fanasitranana rehetra dia ao anatinao, ohatra tokana no ho lazaiko dia ilay vehivavy nikasika ny akanjon'i Kristy dia nahazo fanasitranana satria fantany fa io no fanasitranana ka raha mahatratra an'io izy Dia ho sitrana. Toy izay koa Isika. Raha fantatsika fa ao anatintsika A/tra dia ataontsika izay ahatratrarana ny ao anatintsika na dia sombiny ihany aza dia ho hitantsika izany Atra izany.
dia raha te ahafantatra ny momba Azy koa isika dia ny fampiharana izay Teny nomeny antsika amin'ny fiainana no andramantsika.Ahoana tokoa moa no ahalalana ny Teniny raha toa ka milaza ny sasany amintsika fa tsy ao anatin'ilay Teniny ihany no ahahafantarana azy(Baiboly io).Ao no fototra rehetra ary ao no ampiharana ny zavatra rehetra amin'ny fiainana,andramo anie raha mbola tsy nanandrana hianao e
46. ikaretsaka ( 22/07/2010 15:15)
rd:

Azon' se hazavaina tsara ve ilay fanotaniako eo ambony io? Tena inona amin' Olombelona no tsaraina amin' andro farany? nofony ve, sa ilay Fofonaina nomen' Andriamanitra azy, sa Fanahy Masina ao anatiny sa inona...?

izaho koa mba liana @ ny fihevitr'i Miharena ny momba an'io
47. Miharena ( 23/07/2010 14:49)
hoy Rijadolly
Azon' se hazavaina tsara ve ilay fanotaniako eo ambony io? Tena inona amin' Olombelona no tsaraina amin' andro farany? nofony ve, sa ilay Fofonaina nomen' Andriamanitra azy, sa Fanahy Masina ao anatiny sa inona...?


Raha mandinika lalina ianareo amin'ny valin-teniko etsy ambony dia mifototra hatrany amin'ny Fanahy nataon'Andriamanitra tao anatin'ny olombelona ny valin-teny rehetra iaingantsika. Efa voalaza fa Fofonaina=Fanahy Masina=Teny=Izay Hifaneraseran'Andriamanitra sy ny olombelona. Matoa tonga hatrany ireo Teny izay nolazain'i Kristy sy ny olona izay lazaina fa nirotsahan'ny Fanahy Masina dia misy hafatr'Ilay Ray Tokana iraisantsika rehetra holazaina. Koa raha tonga ny tenin'i Kristy hoe "Ny Teniko no hitsara azy any amin'ny andro farany" dia mazava fa io Teny io no voatahiry tsy azo hozongozonina ao anatin'ny olona, ary ny Teny hoy aho dia Fanahy Masina. Koa noho izany dia ny Fanahy Masina no mitsara fa tsy ny Fanahy Masina akory no tsaraina. Ao anaty io izay mahatonga ny fibebahana hoy aho etsy ambony, Mahatonga fahatsiarovan-tena io Fanahy Masina io ary mampirehitra mihitsy aza ka ny olona mifoha dia lasa mazoto mizara sy manantateraka ny asan'ny Tompo.

Jesoa raha jerentsika amin'ny ohatra momba ny vehivavy izay tratran'ny olona nijangajanga dia tsy nanameloka azy Izy. Kristy izany tsy hanameloka velively fa asan'ny Fanahy Masina no mampahatsiaro tena. Ny Fanahy Masina no Juge ao anaty hakana referansa. Toy ny midika hoe feon'ny fieritreretana ny Fanahy Masina eto. Samy mitsakotsako anaty daholo ireo olona nandositra tsirairay raha vao nilazana hoe izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy".

Eo amin'ny finiavan'ny olona hatrany hanasaraka Ilay Tena Izy Aminy (=Fofonain'Andriamanitra=Fanahy Masina mandehandeha) no mahatonga ny fisavoritahantsaina ao aminy. Lasa manotany tena izy hoe "Iza ary aho?" Ary io no lasa fandrika mampisavoaravoara azy ao anaty firehan-kevitra maro izay omen'ny olona manodidina azy, izay samy mifanontany tena hoe iza tokoa moa isika? Dia samy jamba mifampitantana eo.

Rehefa tonga anefa ny fahatsiarovan-tena fa Fanahy ny tenantsika rehetra tsirairay (Ary voalazan'ny Tenin'Andriamanitra izany) dia mandeha ho azy ny zava-drehetra. Misy ny fifampatokisana ary mandeha tsara ny serasera ary miasa ao amin'ny mazava daholo ny rehetra. Mila fahalalàna fa Iray no Loharano ahafahana mahalala izany ary mila fantatra fa ny Mpitsara dia izay Fototra Iorenana hatrany.

Izay mandinika dia mahita fa Lehibe Andriamanitra Mpahary. Tsy tafiditra anaty famaritana Izy saingy ny fomba fiasaNy dia tsapa sy hita amin'ny voariny. Koa tsara raha toa ka mahalala isika hoe endrik'Andriamanitra ahafahantsika mifankahazo sy mitozo ao amin'ny Mazava.

Tsoa-kevitra: Tsy misy tsaraina ny na ny nofo na ny hevitry ny olombelona fa Ilay Andro Farany dia [u]Fanambarana fa Fanahin'Andriamanitra no ao anatin'ny olombelona ka miara-miaina ao amin'ny Mazava izy rehetra.

Mety teraka ny hoe maninona ary no misy ny helo? Dia mazava fa izay mbola nifikitra tamin'ny fanasarahana ny tenany amin'ny maha-voarin'Andriamanitra azy no mijaly aloha alohan'ny fanomezana azy indra fo.
48. bor2lais ( 23/07/2010 16:44)
Miharena:

Ao hatrany izany Andriamanitra fa matory fotsiny ny an'ny sasany. Ao ireo izay mifoha tampoka, ao kosa izay mianatra vao tafafoha, ary ao izay tsy hifoha mihitsy raha tsy any ankoatry ny fandaozany ny nofony.

Izay no nahatonga ny teny hoe "mbola manana ondry hafa tsy ao anatin'ity vala ity Aho" izay nolazain'i Jesoa alohan'ny nandaozany ny olombelona roa arivo taona lasa izay. Mbola hampianatra Izy ho an'ireo izay ao amin'ny fiainantsi-hita dia ireo izay tsy tafafoha fahavelon'ny nofony.


Izao izany no tonga amin'ilay hira hoe : "Nous irons tous au paradis" e !
49. ikaretsaka ( 23/07/2010 18:49)
dia azavao koa ny maha samihafa ny fanahy "(soul, ame") @ fofon'aina (Souffle, Breath)" hoe ry miharena fa misangonjingojy ne le izy nefa teny 2 samihafa tanteraka mihitsy
50. AndriambyII ( 23/07/2010 20:40)
Miresaka @ fanahy isika voalohany indrindra eto , ekena fa misy ny fanahy masina ary ny mifanohitra @ izy koa dia tsy hadino fa manana ny anjarany eto @ ity erana fandalovana ity, ny fanahy aloha dia azo adika hoe fofon'ain' A/tra ara- bakiteny , mipatitaka tsy voafehy ny làlan' izany fanahy izany rehefa dila ny vatana ifonosany .
Miankina betsaka @ fandalovany teto antany no mampisy ny angatra mamela dindo ho an' ireo izay velona ,mba tsy hanadinoantsika fa efa tany nonenana ny toerana hipetrahantsika velona @ izao fotoana izao ity miohatra @ ireo efa lasana . Raha manao ny tsy mety isika dia manetsika avelo ny any ankoatra,ary mandefa lolo hanitsy ny tsy tokony hatao , raha mbola manao didoha tsy hahatakatra ny anton-javatra ny saintsika sy ny eritreritsika dia ireo matotoa mpively kobay sy karavasy no miseho hampirindra ny vohary araka ny efa nanamboaran' ny avo ny tontolo misy antsika .
Araka ny voalazan 'ny baiboly dia sasa- poana izay miresaka ny momba an' Andriamanitra , fotoana lany , aina very , ka rehefa zava- manan' aina voajanahary dia tokony hijanona ho voajanahary , tsy mbola tonga @ fenitra takian' ny avo @ ilàny azy ny zava-misy eto ambonin' ny tany sy eran' ny lanitra ho antsika mpandalo , tsy tompony isika ary tsy manampahefana na @ inoninona , fa fitaovana hanatanterahana ny hetsika avy @ Andriananahary .
51. Miharena ( 24/07/2010 08:47)
Hoy Ika
dia azavao koa ny maha samihafa ny fanahy "(soul, ame") @ fofon'aina (Souffle, Breath)" hoe ry miharena fa misangonjingojy ne le izy nefa teny 2 samihafa tanteraka mihitsy

Marina izany. Misangaojy angamba ny fijery azy fa raha miteny hoe Soul isika dia izay maharitra mandrakizay izany fa raha miteny hoe breath isika dia izay mampihetsika ny vatana ihany izany. Raha ny tena izy anefa dia iray ihany ireo rehetra ireo ka raha tsy eo ny soul, âme dia tsy hisy ny breath na souffle. Raha jerena ivelany dia toy ny lasa ny souffle nefa manaraka ny soul izy rehefa tavela ny nofo.

Dia mandeha eto amin'ny resak'i Andriambyll eto isika
Miresaka @ fanahy isika voalohany indrindra eto , ekena fa misy ny fanahy masina ary ny mifanohitra @ izy koa dia tsy hadino fa manana ny anjarany eto @ ity erana fandalovana ity, ny fanahy aloha dia azo adika hoe fofon'ain' A/tra ara- bakiteny , mipatitaka tsy voafehy ny làlan' izany fanahy izany rehefa dila ny vatana ifonosany .

Ilay resaka angatra sy dindo no mipatitaka sy tsy voafehy fa ny Fanahy Masina dia mijoro hatrany. Ilay voalohany eto dia ireo eritreritra atao hoe illusion (ateraky ny fironam-po nangonin'ny olona tamn'ny fahavelon'ny nofony) ihany fa ny Fanahy Masina kosa dia ny réalité tsy azo hozongozonina satria fofon'ain"Andriamanitra araka ny fahazoan'i Andriambyll azy mihitsy.
52. rijadolly ( 24/07/2010 15:04)
Tsy misy fitsarana izany amin' Andro farany miharena?
53. ikaretsaka ( 24/07/2010 15:05)
De eo @ izay ilay 'fiainana mandrakizay' (VIE eternelle) lazalazainao...
Naninona no tsy nataony hoe "fanahy mandrakizay" io na hoe "souffle mandrakizay" fa hoe FIAINANA? Nefa lazainao fa fanahy no any?
54. rijadolly ( 24/07/2010 16:24)
hoy i Miharena ao amin' loha heviny ao ambany ao:

Ilay Fanahy noforonin'Andriamanitra ao amin'ny voariny no tiana lazaina eto Mpanazava a!

afaka hazavain' se ve io sao dia io no tsy azoko...
55. ikaretsaka ( 25/07/2010 16:14)

Tsoa-kevitra: Tsy misy tsaraina ny na ny nofo na ny hevitry ny olombelona fa Ilay Andro Farany dia Fanambarana fa Fanahin'Andriamanitra no ao anatin'ny olombelona ka miara-miaina ao amin'ny Mazava izy rehetra.


ho'z'ianao ve? sao de tsy izany? sa efa nahita sahady ny hitranga @ izany iabaio fa afaka mitompo teny fatratra?
56. Miharena ( 26/07/2010 07:04)
Hoy ikaretsaka
De eo @ izay ilay 'fiainana mandrakizay' (VIE eternelle) lazalazainao...
Naninona no tsy nataony hoe "fanahy mandrakizay" io na hoe "souffle mandrakizay" fa hoe FIAINANA? Nefa lazainao fa fanahy no any

hoy Mpanazava
Ilay Fanahy noforonin'Andriamanitra ao amin'ny voariny no tiana lazaina eto Mpanazava a!

afaka hazavain' se ve io sao dia io no tsy azoko...


Ity no mahavaly ny fanontaniana roa eo ambony io:

Ny FIAINANA dia misy support hatrany hanehoana azy. Andriamanitra dia miseho amin'ny alalan'ny TRINITE. Dia isika olona voariny koa dia miseho amin'ny alalan'izay (Ray=Source=Soul; Zanaka=Vatana; Fanahy Masina=spirit). Izay no maha-tempolin'Andriamanitra ny olona tsirairay.

Hoy Rijadolly
Tsy misy fitsarana izany amin' Andro farany miharena?


Ny fahazoana ny atao hoe Andro farany no aoka aloha fantarina hoy aho dia manatsoaka tsoa-kevitra isika hoe misy sa tsy misy ny fitsarana?

Ny Andro farany dia Andron'i Jehovah. Andro isehoaNY. HanehoaNY fa Izy no MAZAVA. Andro fanambarana sy filazana fa izay tsy IZY dia foana. Raha ny olona miala aina no jerena dia eo no ahitany fa izay tsy IZY dia foana fa izay izy ihany no manohy ny diany dia ny Fanahiny=FIAINANA iraisany amin'Andriamanitra.
Raha io no jerena dia efa anarivony taona maro Andriamanitra no niteny tamin'ny olona fa IZY no IZY. Efa miaina ny Andro farany izany isika izao.
Fahatsiarovan-tena apetrak'Andriamanitra no mamaritra ny andro farany ho an'ny tsirairay. Rehefa masaka ianao ka azo hotazana dia izay no andro farany=Andro MAZAVA aminao.

Maro no efa miaina tsara ny andro farany na dia ety an-tany aza dia izay MIFOHA.

Manjary fampitahorana no mitranga fa tsy fizarana Fitiavana raha lazaina fa ny Fitsarana=famonoana na famelomana. Amiko ny Fitsarana dia fahavelomana toy ny volamena voasedra ka mamirapiratra amin'ny fotoana ilàn'ny Tompo azy.

Maro ireo mitabataba etsy sy eroa amin'io resaka Fitsarana sy andro farany io fa raha mandinika lalina isika dia FITIAVANA sy fahavelomana no ao ambadika.
57. AndriambyII ( 26/07/2010 08:22)
Na dia feno aza ny disadisa miresaka izany rehetra izany dia tsy maintsy mahafantatra ny zavatra kely mba tsapan' ny hafa isika indraindray moba io resaka fiandohan' ny fiainan-janak'olombelona io ka .
Cependant, les avancées dans les différents champs disciplinaires constituant l’exobiologie, allant de l’astrophysique à la biologie, ainsi que les nombreux résultats glanés par les récentes missions d’exploration du système solaire permettent un certain optimisme quant à l’existence d’une vie extraterrestre qui, sur la base d’arguments présentés ici, reposerait sur une chimie organique du carbone dans l’eau liquide.

Terre primitive © NASA
Le passage de la matière à la vie se fit dans l'eau il y a environ 4 milliards d'années avec des systèmes chimiques à base de carbone capables d'auto reproduction et d'évolution. Actuellement, les recherches portent sur la synthèse in vitro d'une vie primitive artificielle, la recherche de fossiles dans les sédiments anciens et la recherche d'un deuxième exemple de vie sur un autre corps céleste présentant des conditions similaires à celles qui ont permis l'apparition de la vie terrestre. Les conditions devaient exister sur Mars il y a 4 milliards d'années et peut-étre encore aujourd'hui sous la banquise d'Europe, une lune de Jupiter. Titan héberge également une chimie organique particulièrement active. Les molécules organiques détectées dans le milieu interstellaire et la découverte de plus de 250 planètes extrasolaires encouragent les scientifiques à rechercher la présence de vie au-delà du système solaire.

58. ikaretsaka ( 26/07/2010 14:08)
Dia inona no fandraisan'i miharena ilay hoe fanahyaza ...izay hevitra aroso fa aza kitsimotsimpona...
59. Miharena ( 26/07/2010 14:57)
Ny fanahy amiko dia Andriamanitra sy sombin'Andriamanitra ao anatintsika olombelona nataoNY araka ny endriNY.
60. Miharena ( 26/07/2010 15:01)
Ny fanahy amiko dia Andriamanitra sy sombin'Andriamanitra ao anatintsika olombelona nataoNY araka ny endriNY.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0093